Ny atao hoe Fiadanana

1. maresaka.com ( 06/03/2012 03:09)

Ny mampiavaka ny mpino Kristianina dia izy tsy miroroha saina fa manana ilay fiadanana anatiny, na dia eo aza ny olana maro mitranga eo amin'ny fiaraha-monina misy azy.

Ny fiadanana dia tsy midika hoe tsy misy ny olana; ny tena fiadanana dia ny fiarahana misedra ny olana miaraka amin'i Jesosy.

Mahatoky tanteraka ny Kristianina fa mihoatra noho mpandresy izy satria i Kristy no velona ao anatiny ka tsy misy mahasaraka azy amin'ny fitiavan'i Jesosy na inona na inona / na iza na iza.
2. didi10 ( 07/03/2012 06:44)

maresaka.com:


Ny mampiavaka ny mpino Kristianina dia izy tsy miroroha saina fa manana ilay fiadanana anatiny, na dia eo aza ny olana maro mitranga eo amin'ny fiaraha-monina misy azy.

Ny fiadanana dia tsy midika hoe tsy misy ny olana; ny tena fiadanana dia ny fiarahana misedra ny olana miaraka amin'i Jesosy.

Mahatoky tanteraka ny Kristianina fa mihoatra noho mpandresy izy satria i Kristy no velona ao anatiny ka tsy misy mahasaraka azy amin'ny fitiavan'i Jesosy na inona na inona / na iza na iza.


Tsara ny Tompo

Misy singa 3 tafahaona vao feno ny atao hoe Fiadanana amin'ny olona iray.

Paix avec soi méme
Raha azavaina tsotsotra ity singa voalohany ity dia midika filaminana anaty, tsy misy tebiteby na eritreritra manenjika satria tsy manao ratsy, tsy manota. Ary raha sendra fakam-panahy aza dia tsy voatarika mihitsy satria te hitazona izay filaminana anaty izay.
Tena miadana ry namana ny olona manana ity filaminana anaty ity, raha te hahazo azy ny olona iray dia tokony mibebaka, omena an'i Jesosy Kristy ny fahotana hofantsihina eo amin'ny hazo fijaliana satria izay no antony nijaliany sy nahafatesany, ary tsy mamerina intsony satria tsy izy intsony no velona fa Kristy no velona ao anatiny.

Paix avec les autres
Na efa manana filaminana anaty aza ny olona iray kanefa mbola ananan'ny olona hafa alahelo noho ny fahotana natao taloha ohatra dia tsy hanana fiadanana velively, na ny hifanena na hiseraka amin'ilay olona aza tsy tiany satria fantany fa tezitra sy manana alahelo aminy iny olona iny.
Ny tenin'Andriamanitra anefa miteny fa :"izay hotananareo dia ho tana", noho izany tokony manao ny fomba rehetra ny olona iray hiresahana amin'io olona iray io hangatam-pamelana aminy ary raha mbola misy zavatra afeninao aza dia tokony holazainao fa alohan'izany dia mila mivavaka mafy mba hahazo izany famelana izany ary mivonona amin'izay valin-teny mety ho azo na ny vokany hafa koa.

Paix avec Dieu
Manana filaminan-tsaina, tsy miroroa saina rehefa mivavaka satria mahafantatra tsara ilay Andriamanitra ivavahana, mahalala sy manaja ny didiny sy ny sitra-pony ary mitoetra ao amin'ny fampianarana tsy misy kilema, ary mila manana fahatokisana an'Andriamanitra ihany koa.
Maro ny Kristianina no mahatsapa fa misy zavatra tsy normal ao anatin'ny fanompoam-pivavahana iray saingy tsy sahy tsy manao fa manaram-bokony fotsiny satria manao daholo ny hafa ka izaho irery ve no hiavaka?

Tadiavo ireo singa 3 mandrafitra ny fiadanana ireo dia Paradisa an-tany sahady ny fiainanao
3. niryna ( 08/03/2012 07:00)

maresaka.com:


Ny mampiavaka ny mpino Kristianina dia izy tsy miroroha saina fa manana ilay fiadanana anatiny, na dia eo aza ny olana maro mitranga eo amin'ny fiaraha-monina misy azy.

Ny fiadanana dia tsy midika hoe tsy misy ny olana; ny tena fiadanana dia ny fiarahana misedra ny olana miaraka amin'i Jesosy.

Mahatoky tanteraka ny Kristianina fa mihoatra noho mpandresy izy satria i Kristy no velona ao anatiny ka tsy misy mahasaraka azy amin'ny fitiavan'i Jesosy na inona na inona / na iza na iza.
misaotra anao nizara
4. niryna ( 08/03/2012 07:17)
misaotra anao nizara

eo amin'ilay hoe
Manana filaminan-tsaina, tsy miroroa saina rehefa mivavaka satria mahafantatra tsara ilay Andriamanitra ivavahana, mahalala sy manaja ny didiny sy ny sitra-pony ary mitoetra ao amin'ny fampianarana tsy misy kilema, ary mila manana fahatokisana an'Andriamanitra ihany koa.

mazava ho azy fa fantany tokoa ny hivavahany.Ny olana foana anie eto dia ny fiheverana ny an'ny hafa ho fampianaran-diso ary ireo mizara milaza ny azy ho fampianarana tsy misy kilema e. Tsy azontsika atao ny mitompo teny fatratra ka maka ny toeran'Atra ,tsia ,tsy azo atao fa vao maika mampandositra ny olona izany. Ny baiboly irery ihany no ampinga fiadiana ka alalino foana io na iza na iza no mampianatra dia ataovy foana ny fampitahana hoe voasoratra ao anaty baiboly ve izany raha tsy hoe angaha ireo izay nanala ny baiboly ka ny azy no lazaina fa marina

Hoy ny Tompo hoe : Fiadanana no omeko anareo ,fiadanana no avelako ho anareo
Mazava ho azy izany fa na iza na iza no mametraka ny fiainana eo amin'i kristy dia ao anaty ny fiadanana ary omeny ny fiadanana tokoa Izy satria ny fanahy masina no miaraka aminy ao manoro,mitari-dalana,mampahatsiahy rehefa manao ny tsy mety,mahafantatra ny fahatahorana an'Atra(fanomezana hasina sy haja Azy) ary io Fanahy masina io ihany koa no mampianatra antsika hibebaka sy miaro antsika amin'ny loza ka mampahatsiahy antsika mba hiverin-dalana. Noho izany nomeny an'ny kristiana rehetra eran-tany ny fiadanana fa tsy misy hoe raha tsy izao sy izao.Misaotra tompoko
Na izany aza dia nampianatra antsika koa izy fa ho halan'ny olona hianareo noho ny anarako noho izany dia misy ny fotoana tsy avy aminao ny ady fa avy amin'ny hafa,inona fotsiny no mahasamihafa azy? Tsy mijery ilay olona hianao fa indraindray tsy fantany ny ataony saingy mahafantatra kosa hianao fa anjaranao ny mivavaka azy ireny dia omen'Atra fiadanana inrdray hianao .
5. pomderenette ( 16/03/2012 15:42)
HAFATRA AVY AMIN’NY MASINA MARIA VIRIJINY
Voaray avy amin’ny Taranak’I Herzgovine ny 14/08/94

Ry zanako Malalako,

Misaotra anao aho androany amin’ny vavaka ataonareo; satria izany hampitsahatra ny ady mandatsa-drà izay mahafaty olona an’arivony sy fahasimban-javatra maro. Eo akaikinareo mandrakariva aho, amin’ny lanitra hanapotika sy handringana ny ratsy eto an-tany ary koa manafaka olona amin’ny loza tahaka ny ady. Mitory ny fitiavako, ary mivavaka ho anareo amin’Andriamanitra izay mahery indrindra aho.
Mivavaha in-3: ARAHABA RY MARIA, sy in-3 RAINAY IZAY ANY ANIDANITRA. Ity hafatra ity avy any Brésil dia tokony hanenika izao totolo izao. Adika in-21 ity hafatra ity. Alefa amin’olompantatra, fianakaviana, alohan’ny 8 andro, fa ahita fahagagana ianao. Aza heverina ho zava-poana ity hafatra ity.
I CHRISTIEN, naharay ity hafatra ity, novakiany ary nivavaka sy nangataka izy, avy eo nandika azy in-21 isa, valo andro taty aoriana dia nahazo ny Million de Dollard izy.
LAVIA, naharay ity hafatra ity, novakianay ary norovitiny. Nahita fahasahiranana isan’andro teo amin’ny fianakaviany, ary maty no niafarany.
MPIASA BIRAO, nahray ity, adinony izy io. Valo andro taty aoriana dia voaroaka tamin’y asany izy, tadidiny izany taty aoriana, ary najainy ny hafatra. Lasa mpanakarena sy anisan’ny olona malaza indrindra teto an-tany izy. Noho izany aza tsiratsiraina ity hafatra ity raha tsy te hahita fahasahiranana ianao. Nalefa tamiko ity araka ny fiangaviana tamiko dia notohizako ny fampielezana azy. Avy any VENEZUELA ny niaavian’ity hafatra ity.
Atoa BRANAIVO, naharay ity hafatra ity tamin’ny taona 1993, nanohy araka ny fangatahana taminy, sivy andro taty aoriana dia nahazo 55tapitrisa tamin’ny loterie iraisam-pirenena izy.
Atoa GETERE ihany koa, saingy nanadino ny fisian’ity hafatra ity. Indrisy voaroaka tamin’ny asany izy. Kanefa andro vitsivitsy taty aoriana dia sendra nahita ity taratasy nalefa taminy izy, dia nandika in-29. Sivy andro taty aoriana dia nahita asa tsara sy ambony noho ilay teo aloha izy.
Atoa BORI naharay ny hafatra, nandika in-29 ary nanely. Sivy andro taty aoriana dia nisondro-boninahitra teo amin’ny asany izy.
MADAMA izay nahazo ny azy, dia nodorany ka may ny tranony, simba tanteraka, maty ny ray aman-dreniny, ary niditra amponja ny vadiny.
Atoa BUCHILBAN dia nahazo, niangavy ny mpitan-tsoratrany izy handika azy in-29 ary nanely izany. Andro vitsivitsy taty aoriana dia vola 10 tapitrisa de dollard no azony. NOho izany, na inona na inona antony dia tokony hajaina ny hampielezana ity hafatra ity, ary adika in-29, ary alefa amin’ny olona. Afaka sivy andro dia hisy fahagagana hitranga amin’ny fiainanao.
Tsara ary ho tsara vintana ianao, ka ahita fitia avy amin’Andriamanitra sy ny olona. Tsy mila mandefa vola. Ny zavatra hiangaviako anao, aza mitahiry ity taratasy ity na dia ilay dikan-teny nataonao aza dia tokony hiala ao an-tranonao. Ity taratasy ity dia, tsy nataotao foana na dia tsy isan’ireo minmino foana aza, ka dia ezaho hitohy ity taratasy ity.
Misionera iray no nitrangan’ity hafatra sy vavaka avy any Saint Augustin. Afaka sivy andro dia ahita fahagagana lehibe ianao.
VAVAKA
Andriamanitra no nahary ahy, nisy aho satria nisy Andriamanitra. Tsy misy tsy azo aminy. Nomeny ahy ny aina, fitiavana, fifaliana. Izy no namonjy ny fiainako ka tiako hamonjy ny fiainanao koa. Manampy ny olona rehetra izy, tsy manadino ao amiko izy. Saingy izaho no minia tsy mandray azy. Ary mamela ahy izy amin’ny fahotako rehetra. Mihaino izay rehetra mivavaka izy saingy izaho no tsy manampaharetana. Andriamanotra ô! Manomboka izao aho dia hezaka ny hanara-dia Anao. Henoy ny fitarainako. Mitalaho Aminao aho. Haparitako izao vavaka izao mba ho fantatr’izay hadalovany. Nofafanao ny ranomasoko. Ampio aho Andriamaitra o ! Nahary ahy Ianao. Amen !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 2.0206