Fakàna ny toeran'Andriamanitra ny fanaovana toriteny feno fitsarana rehefa mizara

1. Miharena ( 02/03/2012 15:53)
Na dia ao anaty Baiboly aza ny teny iray izay hita fa mitsara ny hafa indrindra fa ny décret lehibe milaza hoe fahaverezana mandrakizay no miandry izay manao izao na izatsy dia maka ny toeran'Andriamanitra izy izay.

Zinona moa ny olombelona eo anatrehan'ny famindrampon'Andriamanitra no manao izany fomba fitoriana izany ary zary atao am-po sy zaraina etsy sy eroa io fomba fitory io? Toy ny milaza fisarahana hatrany izany fitoriana izany. Hoy i Kristy hoe ; Aza mtsara dia tsy hotsaraina satria ny atao ihany no miverina ka asa hoe mbola hiverimberina sy hihodinkodina tsy hahita ny lalan-kizorany ihatrany ve no tian'ny mpizara atao matoa averimberina foana io fomba fitoriana io?

Zary very nyTeny soa mahafaly rehetra ao anaty Baiboly rehefa izay no mitranga satria avy hatrany dia mpanasazy goavana be no hita fa tsy mpizara fitiavana. KA sao lahy ka ny fomba fisainantsika maloto no mahamora mandray ireo teny voatanisa manome fisarahana ireo fa tsy AZY RAY velively?.

Teny atsipy ho antsika Krstianina izay.

novalian'i Miharena ny 14/03/2012 14:18
2. didi10 ( 02/03/2012 18:23)
Na inona na inona fanaratsianao ny Filazantsaran' Andriamanitra dia tsy hiala amin'ny Baiboly Masina aho.

Famindram-po hoe?

Manana Baiboly concordance ve ianao?
Mangataka aminao aho mba hanoratra ny teny hoe famindram-po ka hitady ny toko sy andininy misy izany teny izany na amin'ny Testamenta Taloha na Testamenta vaovao;

Ahoana ny résultat?
Miverina 154 isa ny teny hoe famindram-po ao amin'ny Testamenta Taloha
Miverina 0 (zéro) isa ny teny hoe famindram-po ao amin'ny Testamenta Vaovao

Aleo ataontsika hoe "coincidence" aloha fa mila fandinihina kely


Vakio anie ity fanoharana nataon'i Jesosy ity e!
Matio 21;33
Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanimboaloboka, dia namefy azy manodidina, dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin'ny tany hafa izy. 34 Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin'ny mpiasa tany handray ny vokatra. 35 Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. 36 Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny. 37 Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy. 38 Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany. 39 Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan'ny tanimboaloboka, dia namono azy. 40 Koa raha tonga ny tompon'ny tanimboaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany?
41 Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanimboaloboka dia hahofany amin'ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin'izay fotoany avy.
42 Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin'ny Soratra Masina hoe:
"Ny vato zay nolavin'ny mpanao trano ,
Dia izy no efa natao fehizoro;
Avy tamin'i Jehovah izao
ka mahagaga eo imasontsika" ? (Sal.118.22 .23).
43 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany. 44 Ary izay potraka amin'ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo.

Mbola mihevitra ve isika fa mbola hamindra fo amintsika Andriamanitra taorian'ny nanirahaNY ny ZanaNY lahitokana hamonjy antsika kanefa isika tsy nandray izany famonjena izany?

MIBEBAHA RY NAMANA FA MBOLA TSY TARA IZAO, NY ANDRO MIHIRATRA ISANANDRO DIA OCCASION AFAKA FANAOVANAO IZANY FA AZA MANGATAKA ANDRO
3. Miharena ( 03/03/2012 06:48)
Misaotra anao Didi10 amin'ny fampahatsiahiavana ireo resaka famindram-po ireo. Ahoana moa no miverina i-154 ilay famindram-po ary jereo tsara fa matetika IZY milaza hoe mandrakizay eo akaikin'io teny hoe famindram-po io.

Na dia tsy hitanao ao anaty Testamenta vaovao aza izany dia aza dia ataonao fa tsy Sitrapon'Andriamanitra Lehibe.
Tsy tonga hiantso ny marina Aho hoy Jesoa fa hiantso ny Mpanota hibebaka satria azo antoka fa mahita marina IZY eo amin'ireo izay voataiza tamin'ny Testamenta Taloha izay mahalala tsara ny Halehiben'ny Famindram-po.

Ny an'i Krsity dia Fiadanana no zaraiNY, koa satria IZY efa nasandrantr'Andriamanitra dia afaka manapaka ny zava-drehetra ary FITIAVANA lehibe tsy hita pesimpesenina aza no ao anatiNY ka ahoana no ilazanao fa tsy misy intsony ny famindram-po?
Arianao izany ny Teniny hoe : tiava ny fahavalonareo? Io teny io dia mihatra na ety an-tany na any an-danitra na ho ani 'Satana aza satria efa tonga ny MAZAVA mandram-pahatongan'ny fahavelo ho lasa fitoeran-tongotra (=Ny mpirehareha hanana fahalemem-panahy hanompo no dikan'io fitoeran-tongotr'i Krsity io).

Didi10:

Na inona na inona fanaratsianao ny Filazantsaran' Andriamanitra dia tsy hiala amin'ny Baiboly Masina aho.

Raha miteny aho hoe na voasoratra aza dia aza atao hoe manaratsy ny Baiboly.

Ny zavatra hita sy tsapa fotsiny dia misy ireo izay teny mafy tokoa tafiditra ao ary tsy azonao lavina izany satria ampiharin'ny Kristianina amin'ny namany ary ianao no anisan'izany ka izay no ilazana hoe mandray ny fomban'Andriamanitra aoaty Baiboly ianao nefa araka ny fampisarahana fa tsy araka ny fampiombonana voasoratra ao.

Mety tsy vavakinao tanteraka angamba ilay Baiboly Masina ka hamasininao hatramin'ny ozona. Ka ny tena mampalahelo dia mampiakatr'afo ilay ozona dia ampiharina amin'ny mitovy amin'ny tena.

Izaho moa dia misaotra anao foana satria hoy ny Tompo hoe misaora izay manozona anareo. Efa teo no niala tsinona dia mba mananatra ihany.

Hotafian'ny Fanahy Masina ianao Didi10 ary ny Tompo ho ao aminao mandrakariva ary iriko indrindra ny tsy hierikrehinao etsy sy eroa hitady olona hozonina indray amin'ny fampiasana ny Teny ao anaty Baiboly.
4. RBNIR ( 05/03/2012 05:42)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,

Tsy tokony ho raisina ho fitsarana ilay izy namana. Fa raiso ho fitiavana.

« Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho! » (1 Korintiana 9:16)

Lozako hoy Paoly eto.
Lozantsika tokoa raha nampahalalana isika hoe misy Afo maharitra mandrak'izay nefa tsy ambarantsika namana.

Anao no mandinika mitsara v izany? Raha miteny amin'ny olona hoe misy Afo maharitra mandrak'izay nomanin'Andriamanitra ho an'ireo tsy mibebaka fa aoka hihomana isika. Fitsarana v izany sa fitiavana?

Fiainana mandrak'izay no resahina mantsy (la vie pour l'étérnité).

Samia ho tahin'ny Tompo namana.
5. Miharena ( 05/03/2012 06:25)
Miarahaba an'i RBNIR ary mirary an'Andriamanitra ho ao aminao mandrakariva sy ny namana Didi10 koa.

Misy fanampiny hoy aho ny Baiboly, ka raha toa ka ny fandalinana ny Baiboly tsy nahafahan'ny mpino manana fijery tokana momba ny Fahasoavan'Andriamanitra dia voambara mazava amin'ny hafatra aty aoriana izany. Koa manainga namana mba hamaky izay hafatra mahasoa fa izany no mba tiana zaraina eto. Tamin'ny taona 1866 no tonga izany hafatra izany izay maneho mazava fa tsy misy izao rehetra izao raha tsy IZY ary tsy IZY velively no hamela ny olombelona nohariaNY any amin'ny afo maharitra mandrakizay na dia ratsy toy ny inona aza io olona io -ohatra : i Jodasy dia efa voavela heloka ary olombelona efa lasa nodimandry maro noho izay eto ambonin'ny tany no efa miaraka amin'i Kristy ankehitriny.

Ny fantatra manko izao dia misy tokoa ireo izay mitory ary misy fahamarinana ao amin'ny fitoriany saingy mitana izay fahadisoana hafa misy koa izy araka ny fandalinany tsy lasa lavitra.
Rehefa tena ny Tompn'ny Teny kosa no mitory dia mazava ny resaNY.

Ao ohatra ny momba ny Trinite izay mazava be ny fanazavaNY azy satria IZY Jesoa dia RAY ZANAKA FANAHY MASINA tsy misaraka fa IZY ihany ireo ary izany no nampitainNY tamin'ny olombelona rehetra amin'ny maha-VOARINY azy rehetra tsy ankanavaka.

Izay mangetaheta ny tena fahamarinana dia tsy azo avy amin'ny fampanantenana nefa tampohina fahaverezana indray avy eo.

Vakio aloha ilay boky izay vao miresaka ianareo hahafantaranareo marina ny sitrapon'Andriamanitra Be Fitavana.

Mirary soa indrindra ao amin'ny Tompo Tsitoha.
6. didi10 ( 05/03/2012 08:05)
Tsara ny Tompo

Faly miarahaba ny Namana rehetra, miarahaba anao koa Miharena, ho Tahian'i Jesosy ianao sy ny ankohonanao.

Vakio aloha ilay boky izay vao miresaka ianareo hahafantaranareo marina ny sitrapon'Andriamanitra Be Fitavana.


Tsy aleo ve ry namana mamakafaka sy mandinika ny Baiboly Masina (Testamenta vaovao sy Taloha) toy izay hitetateta hamaky filazan-tsara hafa izay efa raran'ny Baiboly rahateo ny fitoriana azy?

Raha hamaky ny 3e testament ianao dia tokony hamaky koa ny Bokin'ny Mormon, ny an'i Ellen White, ny an'ny Musulman, ny an'ny Urantia fa ireny no mitovy karazana amin'itony boky itony, amiko dia fandaniana andro izany fa ny Baiboly ihany no Teny Fiainana
7. Miharena ( 05/03/2012 09:52)
Didi10:

Raha hamaky ny 3e testament ianao dia tokony hamaky koa ny Bokin'ny Mormon, ny an'i Ellen White, ny an'ny Musulman, ny an'ny Urantia fa ireny no mitovy karazana amin'itony boky itony, amiko dia fandaniana andro izany fa ny Baiboly ihany no Teny Fiainana


Tsy manakana anao mihitsy hahalala ozay voarakitry ny boky hafa ny famakiana Baiboly sy ny fandalinana azy. Ary manampy ny fandalinana ny Baiboly ny famakiana boky hafa voatanisanao ireo ary ahafahanao mamantatra tsara fa TSARA NY TOMPO rehefa manome izay tokony hanitsiana izay diso tao amin'ny fomba famakianao ny Baiboly.

Farany, misy tantara miverina izay ampahatsiahivina dia ny momba ny Fariseo izay tsy nanaiky nahitsy hanaraka ny tena sitrapon'Andriamanitra ao anatin'io boky io ary io fandavana io no mbola mampisy izao fisiana fiangonana maro sy sekta izao satria tsy mety mandray ny fampianarana mahitsy izay mikasika kokoa ny FO izay Tempolin'Andriamanitra ny olona fa mbola varina mijery ireo enta-mavesatra mandrebireby tsy takatry ny saina amam-panahy akory. Ary fantatra fa mihatra izany ankehitriny matoa maro ny olona tsy tonga saina sy tsy mfoha.

Anisan'ny fahalianana ny hamantatra ny marina moa ny mahatonga antsika miady hevitra ary azo antoka fa samy hahita AZY avy fa ny endrika famantarana AZY no tsy mitovy ary rehefa tena miditra ao anaty IZY amin'ny fotoana mahafeno sy voatendry vao afaka hilaza iska hoe diso aho tamin'izay noheveriko fa marina.

Fa izaho aloha hatramin'izao dia mahita hatrany hoe : tsy misy diso ny olon-drehetra fa ny asany ihany no maha-potraka azy araka ny filazan'i Kristy hoe tsy misy ny AFOBE sy ny Devoly fa ao anatin"ny olona ihany izany ka tokony ho hay tsara ny miala aminy rehefa mampanjaka ny MAZAVA ao dia ny fikolokoloana ny FOFON'AIN'Andriamanitra ao amintika tsirairay avy.

Azo jerena ny ohatra maro milaza ny momba ny Devoly ao anaty Baiboly ao dia ho hitanao fa marina io voambara io.

Milaza teny Fiainana moa ianao, dia tsara izany ary tokony zaraina tsara koa arak'izany. Fa mila mahita anefa ianao fa feno sy marina no azonao vao mizara fa raha tsy izay dia mizarazara foana ihany koa.
8. niryna ( 08/03/2012 07:52)
RBNIR:

Faly miarahaba ny namana rehetra indray,

Tsy tokony ho raisina ho fitsarana ilay izy namana. Fa raiso ho fitiavana.

« Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho! » (1 Korintiana 9:16)

Lozako hoy Paoly eto.
Lozantsika tokoa raha nampahalalana isika hoe misy Afo maharitra mandrak'izay nefa tsy ambarantsika namana.

Anao no mandinika mitsara v izany? Raha miteny amin'ny olona hoe misy Afo maharitra mandrak'izay nomanin'Andriamanitra ho an'ireo tsy mibebaka fa aoka hihomana isika. Fitsarana v izany sa fitiavana?

Fiainana mandrak'izay no resahina mantsy (la vie pour l'étérnité).

Samia ho tahin'ny Tompo namana.

misaotra anao nizara ,izay tokoa ilay izy rehefa tiantsika ilay izy dia raisintsika fa rehefa tsy tiantsika ilay izy dia voadona ny hafero.

Angamba fitiavana daholo no tiantsika sy antony hizarana ny tenin'Atra fa ny tsy azo atao foana hoy aho dia ny maka ny toeran'Atra.Indraindray isika mampahatsiahy fa tsy azo atao koa anefa ny mamorona toy ilay efa nolazaina hoe miresaka ny afobe ny ao anatin'ny baiboly dia misy milaza fa tsy misy izany na hoe tsy misy ny satana .Eo koa ny sasany mamorona hoe tsy maintsy miangona ny sabotsy na hoe tsy maintsy atao an'izao vao mahazo famonjena sy ny hoe tsy azo atao ny mihinana an'itsy sy zaroa.Eo ihany koa ny mbola maka mpanelanelana antsika amin'i kristy sy Atra dia lazaina fa mbola misy hafa manelanelanelana antsika amin'i kristy.Jereo foana ny baiboly fa rehefa tsy izay no ao dia tsy izay izany ilay izy.
Tsara ho fantantsika fa ny Israely no nomen'Atra an'ireny satria foafidin'Atra ry zareo
Kirsty tonga tsy handrava fa nampianatra antsika ary tamin'ny alalan'ny fanoharana maro no nanaovany an'izany ary efa nisy Izy hatramin'ny voalohany fa lasa Atra nitovy endrika ny olona Izy
Azontsika zaraina tsara ny tenin'Atra fa tsy azontsika kosa ny mampanao an'Atra foana ho biby fampitahorana satria Atra dia fitiavana ary ny fitiavany antsika no mbola mahatonga antsika mizara ny Tenihy hatramin'izao ho an'ireo izay mbola tsy miverina amiNy na tsy mahalala Azy na ireo izay mbola tsy mibebaka na mamela heloka ny hafa ary mampahatsiahy antsika ny fibebahana isan'andro Izy
9. Miharena ( 08/03/2012 13:34)

Angamba fitiavana daholo no tiantsika sy antony hizarana ny tenin'Atra fa ny tsy azo atao foana hoy aho dia ny maka ny toeran'Atra.Indraindray isika mampahatsiahy fa tsy azo atao koa anefa ny mamorona toy ilay efa nolazaina hoe miresaka ny afobe ny ao anatin'ny baiboly dia misy milaza fa tsy misy izany na hoe tsy misy ny satana .


Marina ny anao fa tsy azo atao ny maka n ytoeran'Andriamanitra ary Izy no avela hilaza ny marina momba AZY no tokony ho izy.

Tsy mamorona kosa aho raha milaza fa tsy misy ny afobe fa i Kristy no milaza izany amin'ny olona atoisany hampita hafatra marina na koa atao hoe fantsona. Azonao arahina tsara ny fivoaran'y fanambaran'i Krsity ho an'ny olombelona aty aoriana ary ny 3e Testament dia milaza mazava tsy misy olaklaka ny momba ny famonjena sy izay tiaNY lazaina rehetra ao amin'ny Baiboly manontolo. Ary amin'ny fomba tsotra sy mazava fa tsy miolakolaka ka sarotra azo.
Ny afobe sy ny ota dia ny olona ihany no mitondra azy ary ny haizina dia noho ny asan'ny olona tsy mitombo ho amin'ny hazavana. Raha tsy voavakinao ilay boky dia tsy ho azonao mihitsy izany fahatsoran'Andriamanitra sy ny famindrampoNY mandrakizay izany.

Asa aloha isika raha hahay hizara ny marina ao anatintsika avy fa voalaza avokoa ao anatin"io boky io ny momba ny famorana ny fo sy ny fialana amin'ny ratsy izay antony mahatonga antsika omena izao fotoana lalovantsika eto an-tany izao.

IZY MPANDRINDRA izao rehetra izao no miteny ary tokony hekena.

Raha diso ny fanamarihako dia IZY anontaniana fa tsy izaho izay mahazo ny TENINY. Mizara ho an'izay mangetaheta fotsiny no ataoko satria nahazo dia mba mizara fa tsy mitana irery izany nefa mahita fa rendrika ao anaty honahona daholo ny namana rehetra.
10. niryna ( 11/03/2012 02:00)
Didi10:

Na inona na inona fanaratsianao ny Filazantsaran' Andriamanitra dia tsy hiala amin'ny Baiboly Masina aho.

marina tanteraka ny teninao . Andraso fa mbola haveriko eto indray ilay hafatry satana ho an'ny kristiana rehetra lol
Miharena:


Mety tsy vavakinao tanteraka angamba ilay Baiboly Masina ka hamasininao hatramin'ny ozona. Ka ny tena mampalahelo dia mampiakatr'afo ilay ozona dia ampiharina amin'ny mitovy amin'ny tena.

Izaho moa dia misaotra anao foana satria hoy ny Tompo hoe misaora izay manozona anareo. Efa teo no niala tsinona dia mba mananatra ihany.
hay v lazaina foana ny olona hoe manozona anao e,amin'ny fomba ahoana no mahatonga anao hiteny izany.Tratra ato Didi10 ,izaho koa ary tratra ,hi,hi
Miharena:

Hotafian'ny Fanahy Masina ianao Didi10 ary ny Tompo ho ao aminao mandrakariva ary iriko indrindra ny tsy hierikrehinao etsy sy eroa hitady olona hozonina indray amin'ny fampiasana ny Teny ao anaty Baiboly.
sao dia mivilana kosa ary ny fandraisanao ny tenin'Atra rehefa nahita baiboly vaovao hianao ? ndryyyy manampalahelo be hoy ny zanaky ny zokiko izay hi,hi .
11. Miharena ( 11/03/2012 05:50)
Ny voany no ahafantarana ny hazo, tsy te-hitsara aho fa ianareo izao no mitsara ahy eto o?
Olona tys manaraka ny Baiboly hoy ianareo, ary SAtana hoy ianareo.

Fa izaho manao anareo hoe zanak'Andriamanitra na iza na iza na mpanota be toy ny inona aza na manao AZY ho antiKristy aza na ny misafidy ny haizina aza.

DISO io^satria tsy io no nampianarina anareo ????

Dia aza dia atao maivana ilay valinteny fa ataovy mafonja hipoiran'ny tena MARINA na izay tanisa na izay hitako fa marina ary hamariniko hatramin'y farany ary tsy ho reraka aho hizara izany.

Fanamarihana : mivoaka eny daholo ihany ny Devoly nokolokoloin'ny tsirairay (fanomezana etikety ny hafa). Rehefa hitanao mibaribary toa tafika andrefan-tanàna toa io ilay toetra vokatry ny fitaizana azonao Niryna sy Didi10 dia ario sy aleveno impito mandifotr'olona dia mba mahatratra ny dégré fahafito feno fahasoavana ianareo fa tsy mitoetra eo amin'ny degré voalohany eo foana ary ny pire aza dia mandeha mihanotra milentika hatrany. Mifohaza o!

Tsiky dia ampy hoy Hery izay.
12. RBNIR ( 12/03/2012 08:22)
Miharena:

Fa izaho manao anareo hoe zanak'Andriamanitra na iza na iza na mpanota be toy ny inona aza na manao AZY ho antiKristy aza na ny misafidy ny haizina aza.
DISO io^satria tsy io no nampianarina anareo ????

Faly miarahaba namana,
Ny tena marina dia mpanota daholo isika namana,
Saingy tsy tokony hanandratena ho zanak'Andriamanitra aloha namana,
Misy ny làlana fiverenana amin'Andriamanitra.
Vakio ny tantaran'ilay zanak'adala. "Tsy mendrika ny ho antsoina hoe zanakao hoy izy fa ataovy ho isan'ny mpanomponao".
Endrika fanandratantena ihany ny fiheveran-tena avy hatrany hoe zanak'Andriamanitra.
Aleo miaiky aloha fa zanak'ilay ratsy dia avelao IZY no hanandratra an-tsika namana.

Misy làlana avy eo arahina dia ho tonga Zanany tokoa isika.
Anisan'izany làlana izany ny fiheverantena fa tsy mendrika ny antsoina akory hoe Zanany isika.

Samy ho tahin'ny Tompo namana
13. Miharena ( 12/03/2012 17:28)
Misaotra namana RBNIR amin'ny fampahatsiahivana saingy mila tsotra isika fa tsy miolakolaka rehefa miresaka amin'ny RAY. Izay no ahafahana manana toky, fa raha tsy izany no miseho dia tsy hahatsiaro tena hatrany ny olona ka hilaza fa tsy misy izany zanak'Andriamanitra izany.

Io fitaizana ny olona amin'y fisalasalàna io dia hita taratra foana ka mahatonga fiahanahana.
14. RBNIR ( 13/03/2012 05:13)
Miharena:

Io fitaizana ny olona amin'y fisalasalàna io dia hita taratra foana ka mahatonga fiahanahana.

Faly miarahaba namana,
Na izany aza mila mitandrina tsara isika fa mila fitandremana B ny fiverenana amin'Andriamanitra mba ahazoana antoka fa tena hovoaray marina tokoa isika.
Hevero tsara anie e! mba ahoana re no fihevitr'ilay rainy raha toa ilay zanaka adala ka miverina avy dia manambony tena B ka mizahozaho hoe izaho zanakao tsy maintsy manana anjara ato aho na inona na inona (nefa ny anjarany efa nolaniany)? (hatsaram-panahy v izany sa haratsiana namana?).

Diniho tsara fa nisy endrika fibebahana B sy fanetretena B ary fahatsiarovantena fa diso nataon'ilay Zanany raha niverina izy.

Raha tsy mahatakatra an'izany isika dia mety ho tahaka ity lehilahy ity ka mila mitandrina tsara « Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy. » (Matio 22:12)

Ry namako, mila mibebaka isika mila manadio ilay fitafiana naloto teo aloha, ary mila mamitrapihavanana amin'Andriamanitra.

Zavatra iray no iombonako hevitra aminao namana, Andriamanitra tian'ny olona rehetra hovonjena. Saingy "raha mino ilay olona", fa raha "tsy mety mino kosa dia ho very izy"

Samy ho tahin'ny Tompo namana
15. RBNIR ( 13/03/2012 05:23)
http://forum.serasera.org/forum/message/m492e9f03c737e
MILA MAMITRA-PIHAVANANA AMIN ANDRIAMANITRA ISIKA RY NAMANA REHETRA MIBEBAKA DIA MANADIO NY FITAFIANA MALOTO REHETRA. MATAHORA AN ANDRIAMANITRA OMEO VONINAHITRA IZY.
Samy ho tahin'ny Tompo namana
16. Miharena ( 13/03/2012 05:52)

Na izany aza mila mitandrina tsara isika fa mila fitandremana B ny fiverenana amin'Andriamanitra mba ahazoana antoka fa tena hovoaray marina tokoa isika.



Zavatra iray no iombonako hevitra aminao namana, Andriamanitra tian'ny olona rehetra hovonjena. Saingy "raha mino ilay olona", fa raha "tsy mety mino kosa dia ho very izy"


Ireo namana RBNIR no santionany azontsika lazaina fa mizara fisalasalàna isika rehefa mitory. Tsy finoana intsony namana no voazara rehefa mandray ireo fomba ireo isika fa fampahatsiahivana ny mampitsingilahila ny olombelona hatrany ary io no teneniko matetika ny amin'ny hoe zary lasa manao fitoriana miampanga isika na mampahatsiahy ny fahadisoan'ny olombelona fa tsy mametraka tsotra hoe inona avy no mandrafitra azy ary inona no anton'ny tsy nahafantarany izany rafitra izany hafahany mivoaka amin'ny fahadisoam-piheverana rehetra.

Raha ny resaka fiverenana amin'Andriamanitra ohatra dia anisan'ny mampametra-panontaniana hoe isika miverina Aminy sa IZY manoratra ny didiNY ao ampontsika? Rehefa voavaly tsara io fanontaniana io dia efa afaka hilaza isika hoe vita ny asa satria voapetraka ao am-po ilay Didy ary ny fitondran-tena rehetra mivoaka avy eo dia manaraka ilay Didy (izay maivana hoy i Kristy sady tsotra fa Fitiavana izy io).

Ka raha hoy koa ianao manao hoe manome Andriamanitra fa tsy mandray ny olombelona dia hoy aho hoe sao dia ny fizaràna no tsy mahomby fa tsy ny fandinihan'ny tsirairay manokana ny Tenin'Andriamanitra izay tokony hampahazava azy eo anatrehan'ny mpiara-belona aminy.
17. RBNIR ( 13/03/2012 06:19)
Misaotra anao namana Miharena,

Manomboka azoko ny 3ème testament na dia tsy namaky aza aho namana (fandravana ny fampianaran'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo namana).
Ity teny ity manko tsy izaho no namorona azy fa ny Tompony namana: « [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] » (Marka 16:16)

Misaotra anao namana,

Samy ho tahin'ny Tompo namana
18. Miharena ( 13/03/2012 13:26)

Manomboka azoko ny 3ème testament na dia tsy namaky aza aho namana (fandravana ny fampianaran'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo namana).


Izy koa namana no niteny hoe, indro efa lasa ny zavatra teo aloha, indro tonga vaovao ireo
Ary tsy izaho hoy aho no miteny fa ny Tompo araka ny fahafantarako Azy tsara no miteny ao amin'io 3e Testament io ka asa hoe inona no mahatonga anao hilaza fa mandrava ny fampianarany IZY. Tsy ho azontsika mihitsy raha tsy IZY no manatanteraka ireo fikasana tiaNY ahatongavana raha niteny fananganana IZY na fanavaozana.

Indrindra moa fa ny fanavaozana ara-panahy sy ny fomba fampitana izany fanavaozana izany amin'ny fomba mahitsy sy marina.
19. RBNIR ( 13/03/2012 13:33)
Miharena:


Manomboka azoko ny 3ème testament na dia tsy namaky aza aho namana (fandravana ny fampianaran'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo namana).

Izy koa namana no niteny hoe, indro efa lasa ny zavatra teo aloha, indro tonga vaovao ireo
Ary tsy izaho hoy aho no miteny fa ny Tompo araka ny fahafantarako Azy tsara no miteny ao amin'io 3e Testament io ka asa hoe inona no mahatonga anao hilaza fa mandrava ny

Faly miarahaba namana,
Sao dia mba diso fandray isika izany namana, fa ilay testameta voalohany (mifototra amin'ny fampiasana ny lalàna) no novana ho vaovao tamin'ny testameta faharoa (mifototra amin'ny fanomezana fahasoavana).
Samy ho tahin'ny Tompo indray ary


Samy ho
20. Miharena ( 14/03/2012 14:18)

Sao dia mba diso fandray isika izany namana, fa ilay testameta voalohany (mifototra amin'ny fampiasana ny lalàna) no novana ho vaovao tamin'ny testameta faharoa (mifototra amin'ny fanomezana fahasoavana).

Mitovy fijery isika amin'ireo RBNIR

Ary ny Testamenta fahatelo mifototra amin'ny asan'ny Fanahy Masina manatanteraka ny Testamenta roa voalohany.

Izay hoy aho namaky ny boky fa raha hanao adihevitry ny jamba sy marenina eto isika tsy ho fantatra izay tiana ambara sy tiana ahatongavana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0402