Tsy izay rehetra mino dia ho voavonjy
1. didi10
(
02/03/2012 07:50)
Miarahaba ny namana rehetra
Ho tohin'ny lohahevitra tao ambany momba ny fangatahana dia tiako halalinina kely ity resaka finoana ity.
Izay mangataka tokoa dia omena, na inona na inona angatahana fa mitaky finoana izany hataka izany.
Ny anaran'i Jesosy mantsy dia mahery, tsy mba mandainga, ka na zovy na zovy mangataka amin'ny anaraNY amin'ny finoana dia ho azony tokoa izany.
Io Anaran'i Jesosy mahery io dia "exploiten'ny " fiangonana maro mba hisintomana mpino hiditra ao aminy, ohatra: mahita pub foana isika amin'ny radio sy télé sy amin'ny affiche hoe, tongava aty raha te hipoaka ara-bola, raha te hahazo fanasitranana, fanalana hozona, sakana... maro tokoa no roboka sy resy lahatra fa ao tokoa no miasa Andriamanitra saingy vitsy amin'izy ireny no ampianarina fa famantarana ihany ireny ny amin'ny maha Andriamanitra an'i Jesosy fa tsy miankina amin'ny fahagagana sy famantarana ny famonjena ny Fanahy.

répondu par jesuisla le 14/03/2012 01:04
2. Tefigasy
(
02/03/2012 08:01)
didi10:
Tsy izay rehetra mino dia ho voavonjy
Mba fampianarana hafa indray ito ! Mipoitra eny daholo ihany ny marina sy izay tian'ny tsirairay hahatongavana eto.
3. didi10
(
02/03/2012 08:12)
Efa haiko fa hipoitra mihitsy i Tefigasy vo manoratra ity lohahevitra ity aho.
F'anga r'ise rehefa manana hevitra hafa dia vitan'ny manao constat fotsiny fa mba porofoy amin'ny namana rehetra fa diso aho.

4. Tefigasy
(
02/03/2012 08:17)
Na zazakely mianatra sekoly alahady ary ve dia tsy hahay manaporofo fa diso ianao !
5. hery
(
02/03/2012 08:31)
Ohatry ny hors sujet ilay lazain'i didy10.
Hoy ianao hoe "Tsy izay rehetra mino dia ho voavonjy" nefa tsisy famelabelarana an'izay lohateny izay akory ao anatin'ilay hafatrao. Fa toa mifanohitra indray aza hoe "mila mino vao voavonjy"

6. didi10
(
02/03/2012 08:39)
Azon'i Hery tsara ary tsy HS mihitsy
1- Mila mino vao voavonjy = dingana voalohany tsy maintsy hodiavina ny finoana raha te ho an'ny amin'ny famonjena
2- Tsy izay rehetra mino no voavonjy= izay efa mino indray no resahana eto, ireo olona mino indray izany no mbola havahana hoe hovoavonjy sa tsia
Somary sady miasa moa aho no manoratra ny hafatra ka mangataka raha mba rehefa avy eo velabelariko ilay izy, fa avy hatrany dia afaka samy miteny ny heviny ny namana rehetra.

7. Miharena
(
02/03/2012 10:54)
Diso satria vokatry ny fandalinan'ny saina no namoaka io fehezanteny io hoe "tsy izay rehetra mino dia ho voavonjy".
8. didi10
(
02/03/2012 12:17)
Tamin'izahay nianatra teny Ankatso dia toy izao ny lalànan'ny naoty sy ny fanapahan-kevitry ny mpitsara rehefa tonga ny fanadinana fifindrana.
0/20 à 7/20 : note éliminatoire: voaroaka avy hatrany tsy misy délibération
7/20 à 9.5/20 : Tsy mifindra fa misy délibération
10/20 à 12/20 : Mifindra fa tsy mahazo mention sady mbola mandalo délib°
12/20 à 20/20 : Mifindra sady mahazo marim-pankasitrahana, valisoa
0/20 à 7/20: Direct Afobe
Mar 16 : 16b
fa izay tsy mety mino no hohelohina.
Ny karazana olona tafiditra ato dia ireo olona notoriana ny amin'i Jesosy Kristy nefa tsy mety mino fa zanak'Andriamanitra Izy.
7/20 à 9.5/20 : Manam-pinoana saingy mpanota tsy mibebaka
Mat 7 : 22 - 24
22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko , tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? 23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.
Ny olona eto dia manam-pinoana, ary tsy kely an! tena masaka tanteraka ny finoany, ngaha mahavita mandroaka devoly sy manasitrana amin'ny Anaran'i Jesosy raha tsy olona manam-pinoana? fa maninona no nolavin'i Jesosy izy ireo?
1/ Fibebahana
Matio 3,8
8 Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana hianareo ; 9 Ary aza manao anakampo hoe : Manana an'i Abrahama ho rainay izahay ; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 10 Ary, indro, efa mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky ; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo
Tsy namoa voa miendrika fibebahana ny olona eto amin'ity naoty ity na dia nanam-pinoana be aza.
2/ Ny Batisa
Marka 16,16
Izay mino sy atao Batisa no hovonjena, fa izay tsy mety mino no hohelohina.
Eto dia mipetraka tsara ny maha zavatra tena important ny resaka Paska.
Nofantsihina
Jesosy dia maty noho ny fahotantsika olombelona,ny fiekenkeloky ny olona iray dia ny fanomezana ny fahotany rehetra hofantsihina miaraka amin'i Jesosy Kristy eo amin'ny hazo fijaliana, ary ny fanahintsika dia diovina amin'ny Ra'ny Zanakondry (Apo 7,14).
Maty
Rom 6,6
6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. 7 Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.
8 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;
Nohombohana niaraka tamin'i Kristy isika ary maty miaraka Aminy.
Nalevina ary nitsangana
3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. 5 Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany
Izay no mbola hanitrikitrihina fa ny Batisa dia matérialisation"ireo étape rehetra momba ny Paska ireo,dia ny fibebahana, ny fanitrihana (immersion) sy fivoahana anaty rano (fahaterana = olom-baovao)
Tandremo anefa ny déliberation
Matio 24,13
Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena
Tandremo fa indraindray isika tokony hahazo moyenne, vita Batisa saingy tratran'ny sanction disciplinaire satria TSY NANARAKA NY FITSIPIKA dia tsy afaka tampoka.
Tandremo ny didy sy ny sitrapon'Andriamanitra.
10/20 à 12/20
Vita batisa, olom-baovao, zanak'Andriamanitra ka mahay miaro ny tenany amin'ny fahotana.
I Jao 5,18
18 Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak'Andriamanitra dia miaro ny tenany [Na: Ilay naterak'Andriamanitra no miaro azy.], ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy. 19 Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin'ilay ratsy avokoa.
Tsy nahazo ambony noho ny 12/20 ireto satria tsy ampy ezaka fa nionona amin'ny maha mpino tsotra azy ihany ka tsy dia nikatsaka zava-panahy loatra
I Kor 14,1
[-14-] Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany. 2 Fa izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra; fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala; 3 fa izay maminany kosa miteny amin'olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana. 4 Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana.
12/20 ET +
Ireo izay manantanteraka ny asa fanompoana
Tim II 4 : 1 - 20
[-4-] Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: 2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. 5 Fa hianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
Ireo izay efa manana harena be any an-danitra tamin'ny asa fanompoana, ny asa soa ...
Matio 6,20
20 Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.
Tadidio foana anefa fa na tokony hahazo 16/20 aza ianao dia mety omena 09/20 rehetra tsy maharitra hatramin'ny farany.
AMENA

9. Miharena
(
02/03/2012 12:30)
Mazava tsara ireo famelabelarana Didi10 fa iza ary no mpitsara ary iza no namorona izany afobe direct izany? Inona no asa ataon'i Kristy raha tsy maintsy ho very any ami'ny afobe ihany izay latsaka ny naotiny?
Izany hoe tsy matoky an'Andriamanitra loatra ny olona manome ireo fandrefesana bedebe ataonao ireo Didi10. Tsy misy mihitsy izany ny saina maherin'Andriamanitra hampahafantatra antsika hoe efa resy ny fahafatesana?
Ireo tsy kristianina indray aza no mahafantatra izany raha tena dinihina amin'io resakao io satria na kristianina aza izany dia tsy ho voavonjy daholo fa ampahany ihany.

10. didi10
(
02/03/2012 13:57)
Miharena:
Mazava tsara ireo famelabelarana Didi10 fa iza ary no mpitsara ary iza no namorona izany afobe direct izany? Inona no asa ataon'i Kristy raha tsy maintsy ho very any ami'ny afobe ihany izay latsaka ny naotiny?
Fehezan-teny iray monja ao anaty Baiboly ry Miharena dia mahavaly ity fanontaniana ity a!!!
Ajanony hoy aho iny 3e testament iny fa Baiboly vakiana
Pet II 2 : 4
4 Fa raha tsy navelan'Andriamanitra ny anjely fony nanota fa noroahiny ho any amin'ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina mba hotehirizina ho amin'ny fitsarana,
Raha ny amin'ny tsy Kristiana indray dia:
Jao 14,6
6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.
Matio 28,19
19 koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina 20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.
11. didi10
(
02/03/2012 14:04)
Aiza i Hery sy ny HS?
Aiza i Tefigasy sy ny fahaizany Katesizy?
Nangataka fanazavana ianareo ka nahazo, mba mitenena mba hahafantarana na azonareo ilay izy na tsy azonareo.

12. Miharena
(
02/03/2012 15:15)
Dia aiza àry ilay resaka hoe tsy voavonjy daholo akory ny kristianina rehetra fa ny sasany ihany? Izany hoe ny fanontaniako dia resaka pratika fa tsy tanisa Baiboly.
- Rehefa manao ahoana ny olona no tsy voavonjy?
- inona ilay famonjena toriana?
- Aiza ny fikasana ankehitriny rehefa tonga ny andro fahatelo amin'Andriamanitra dia ny troisième millénaire taorian'ny nahatongavan'ny Teny ho nofo izany?
- Raha mbola tanisa ao anaty Baiboly ve mahavonjy olona sa ny resaka ataon'ny Mpino marina sy ny anjely ary ireo rehetra fantatra fa velona ao anaty baiboly ao, indrindra fa i Kristy ?
Ka eo no ahafantarana hoe tena mino ve sa minomino soratra ny olona iray.
Kanefa tsarovy fa Andriamanitra minia tsy mijery ny andron'ny tsy fahalalàna. Ka raha mbola ankehitriny ihany ianao no tsy mahalala dia mbola omena fiainana hafa indray ianao hahazoanao mivoatra satria ny Fofon'Ainy tsy havelany ho rava ho azy.
Tsarovy fotsiny fa ny boky rehetra aty aoriana dia manome fanazavana tsara kokoa sy marina kokoa ary tsy an'ohatra na fanoharana intsony ho an'ny olona satria izany no sitrapon'Andriamanitra, ny hahalalan'ny olon-drehetra fa IZY no IZY ary tsy misy afa-tsy IZY na any amin'ny lanitra ambony na any amin'ny tany ambany.
Ka rehef avoaresaka izay dia mazava fa na ny anjely voambaran'i Petera fa nalefa tanaty haizina aza dia mitondra ny HazavaNY any amin'izany toerana izany. Isika no manana fomba fitsarana milaza fa rehefa ao anaty haizina dia voasazy izay na hoe ho faty fa tsy Andriamanitra velively amin'ny maha-IZY AZY izay manerana izao rehetra izao sy ao amin'izao rehetra izao.
Ka aza dia fehezina ao anaty fiheverana voafetra re ny RAY fa manjary tsy manana ny maha-IZY AZY intsony ka mhatonga ireo tsy fifankahazoan-kevitra maro teraka noho ny finoana tsy lalim-paka fa entin'ny saina fotsiny ihany an!
Hotafian'ny Fanahy Masinao ianao ary hahita AZY ao anainao marina DIdi10.

13. Tefigasy
(
02/03/2012 15:24)
[quote = didi10 ]
Aiza i Tefigasy sy ny fahaizany Katesizy?
[/quote]
Andraso fa asaiko miditra sy mamaly eto ilay mpianatra sekoly alahady kilasy fahatelo (7 taona) hamaly anao raha io lohahevitra io avy dia manahirana anao.

14. didi10
(
02/03/2012 15:37)
Tefigasy:
[quote = didi10 ]
Aiza i Tefigasy sy ny fahaizany Katesizy?
Andraso fa asaiko miditra sy mamaly eto ilay mpianatra sekoly alahady kilasy fahatelo (7 taona) hamaly anao raha io lohahevitra io avy dia manahirana anao.
[/quote]
Miantso Mersenera an :-)
15. didi10
(
02/03/2012 17:39)
Miharena:
Dia aiza àry ilay resaka hoe tsy voavonjy daholo akory ny kristianina rehetra fa ny sasany ihany? Izany hoe ny fanontaniako dia resaka pratika fa tsy tanisa Baiboly.
- Rehefa manao ahoana ny olona no tsy voavonjy?
- inona ilay famonjena toriana?
- Aiza ny fikasana ankehitriny rehefa tonga ny andro fahatelo amin'Andriamanitra dia ny troisième millénaire taorian'ny nahatongavan'ny Teny ho nofo izany?
- Raha mbola tanisa ao anaty Baiboly ve mahavonjy olona sa ny resaka ataon'ny Mpino marina sy ny anjely ary ireo rehetra fantatra fa velona ao anaty baiboly ao, indrindra fa i Kristy ?
Ka eo no ahafantarana hoe tena mino ve sa minomino soratra ny olona iray.
Kanefa tsarovy fa Andriamanitra minia tsy mijery ny andron'ny tsy fahalalàna. Ka raha mbola ankehitriny ihany ianao no tsy mahalala dia mbola omena fiainana hafa indray ianao hahazoanao mivoatra satria ny Fofon'Ainy tsy havelany ho rava ho azy.
Tsarovy fotsiny fa ny boky rehetra aty aoriana dia manome fanazavana tsara kokoa sy marina kokoa ary tsy an'ohatra na fanoharana intsony ho an'ny olona satria izany no sitrapon'Andriamanitra, ny hahalalan'ny olon-drehetra fa IZY no IZY ary tsy misy afa-tsy IZY na any amin'ny lanitra ambony na any amin'ny tany ambany.
Ka rehef avoaresaka izay dia mazava fa na ny anjely voambaran'i Petera fa nalefa tanaty haizina aza dia mitondra ny HazavaNY any amin'izany toerana izany. Isika no manana fomba fitsarana milaza fa rehefa ao anaty haizina dia voasazy izay na hoe ho faty fa tsy Andriamanitra velively amin'ny maha-IZY AZY izay manerana izao rehetra izao sy ao amin'izao rehetra izao.
Ka aza dia fehezina ao anaty fiheverana voafetra re ny RAY fa manjary tsy manana ny maha-IZY AZY intsony ka mhatonga ireo tsy fifankahazoan-kevitra maro teraka noho ny finoana tsy lalim-paka fa entin'ny saina fotsiny ihany an!
Hotafian'ny Fanahy Masinao ianao ary hahita AZY ao anainao marina DIdi10.
Raha azonao nangonina daholo angamba ny Baiboly erak'izao tontolo izao ry Miharena dia efa nangoninao ka nodoranao sy nalevinao raha izao fanitsakitsahanao ny "valeur" n'ny Soratra Masina izao.
Tena sahy ianao ka! mivavaka ho anao aho
Mba tsy hihoaranao ny fefy anefa dia mananatra anao hatrany ilay Baiboly "soratsoratra ihany lazainao."
Mat 12 : 31
31 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
16. Miharena
(
03/03/2012 06:11)
Didi10 o!
Tsy misy na dia iray aza miteny ratsy n yFanahy Masina eo amin'ny fototra iorenan'ny finoako ary tsy milaza mihitsy aho hoe dory ny Baiboly fa hoy aho hoe raiso ny Teny fiainana ao ary iaino fa aza atao teny fotsiny ihany.
Mila mandeha lavidavitra kokoa aza hoe raha misy izay fanampiny azo hanamafisana ny Teny Fiainana ao anaty Baiboly dia raisina amim-pifaliana lehibe izany. Fa tsy ireo teny mamono ny hafa no raisina ao dia ampiharina amin'y fiainana andavanandro, inrindra ny fitoriana.
Zary mitory fangidiana ny kristianina manao izay ary tsy handroso mihitsy satria tsy manome hasina an'Andriamanitra Fitiavana.

17. RBNIR
(
05/03/2012 06:07)
Miharena:
Zary mitory fangidiana ny kristianina manao izay ary tsy handroso mihitsy satria tsy manome hasina an'Andriamanitra Fitiavana.
Faly miarahaba namana,
« Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay . » (Jaona 3:16)
Mba tsy ho very any amin'Afo B. Izay ilay fitiavana namana, koa raha mitory ilay Afo B, tsy mitory "fangidiana" fa mitory "fitiavana" namana.
Samy ho tahin'ny Tompo namana
18. didi10
(
05/03/2012 06:11)
Miharena: Manana Teny ambara aminao indray ny Tompo androany,
Matio 7 13-20
13 Midira amin'ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. 14 Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.
15 Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy. 16 Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin'ny songosongo? 17 Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. 18 Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. 19 Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. 20 Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.

19. Miharena
(
05/03/2012 06:39)
Voavakinareo ve Didi10 sy RBNIR ilay boky vao miteny ireo ianareo?
Mahari-po sady be famindram-po anie Kristy e!
Ohatra, na dia ireo resaka momba ny vavahady ety sy ny hoe ny voany no ahafantarana ny hazo ireo aza dia voazava ao amin'ny 3e Testament soa aman-tsara.
Izy dia manambara fa amn'ny taona arivo fahatelo dia tokony ho iray ny boky telo (Dia ny Testamenta taloha, ny vaovao ary ny Testamenta fahatelo).
Tsy manana loatra fitanisana teny aho raha tsy hoe angaha misy tsy azon'ny olona ny voambara.
Asa na azonareo ny resako na tsia fa rehefa mijery aho dia avy hatrany dia lazain'i Didi10 fa mitsipaka ny Baiboly hatrany. Ny zavatra tiana isintonana ny fonareo anefa dia ny Fahamarinana mijoro hatramin'ny farany ao anaty Baiboly ao dia ny Teny mahafaly fa miteny amintsika ny Tompontsika ary mampahafantatra AZY hatramin'ny andron'i Abrahama ka mandrak'ankehitriny. Ary tsy sarotra ny mamantatra AZY na boky inona na hafatra inona no hitantsika ary tsy sarotra koa ny mamantatra ny fahadisoana na boky inona na toriteny inona no rentsika rehefa MAHALALA AZY TSARA.
Fitiavana mandrakizay tsy hivadika velively fahaverezana mandrakizay. Izay no vontoatin'ny hafatra satria famtatr'Andriamanitra tanteraka ny voa sy ny fontsika tsirairay avy satria AINY.

20. RBNIR
(
05/03/2012 06:56)
Miharena:
Voavakinareo ve Didi10 sy RBNIR ilay boky vao miteny ireo ianareo?
Namana miharena,
Baiboly ihany dia efa ampy nahafantarako ny MARINA.
Tsy mifanohitra ny testameta taloha sy ny testameta vaovao.
Tokana ihany no tanjony dia ny mba hanaovan'ny olona ny Sitrapon'Andriamanitra.
Taloha dia ny lalàna no nampiasain'Andriamanitra. Mihezaka ny olona araka izany hanantanteraka izay voasoratra tao amin'ny lalàna amin'ny alalan'ny herin'ny tenany.
Hita ho nanan-tsiny anefa ny teo aloha ka dia izay no nanoloana azy taty aoriana.
Taty aoriana indray kosa ny fahasoavana no nampiasain'Andriamanitra. Tsy misy intsony ny ezaka tokony atao fa ilay olona mihitsy no ovaina ho olom-baovao mahay mankato lalàna. (izay no maha fahasoavana azy).
Na tamin'ny andro taloha na ny vaovao dia samy notoriana ny Afo maharitra mandrak'izay sy ny fiainana mandrak'izay.
Tsy voalaza tao anatin'ireo testameta 2 ireo ny mbola hisian'ny testameta fahatelo.
Ekeko fa maro ireo tsy voasoratra tao amin'ny testameta faharoa, fa saingy ireo tsy voasoratra ireo dia mbola testameta faharoa ihany fa tsy fahatelo velively.
Noho izay tsy tokony hifanohitra amin'izay voalaza ao amin'ilay faharoa ny voalaza ao namana.
Samy ho tahin'ny Tompo namana miharena.