Tsy izay rehetra mino dia ho voavonjy

21. Miharena ( 05/03/2012 10:12)
Tsy misy zava-mifanohitra fa milaza ny momba ny olona mandray ny teny eo amin'ny boky roa voalohany ny Testamenta fahatelo. Tsy voalaza ao anaty Baiboly io hoy ianao fa izaho mahita fa io no boky natelin'i Jaona ao amin'ny Apokalypsy ary taty afara vao naseho satria izay no sitrapon'i Kristy.

Mato ny boky mamy ao am-bava dia mitory fitiavana tanteraka fa mangidy kosa ao an-kibo satria tsy mahatanty izany fitiavana tanteraka izany ny fitazonana finoanoam-poana maro toy ny fombafomba fanao sy ny fahadisoam-piheverana tsy mety ialàna.

Fantaro fa ireo hafatra ho an'ny Fiagonana fito dia manome varavarana misokatra hidiran'ny mino hanana anjara ao amin'ny Tompo ary IZY no mamoha ho antsika ny Testamenta fahatelo ary ataoko fa tsy hihidy mihitsy ny varavarana mandra-pahatafiditry ny rehetra.

Izay ilay hoe miara-mizotra ary tsy mba menatra ny Filazan-tsara aho.

Ao anatin'io boky io moa dia milaza ny Tompo fa teo no fotoana namohana ny tombokase fahenina, ka sao dia hilaza isika mpitana ampinga tsy hahatafidiran'ny Fanahy Masina ao anatintsika hoe : "16 ary hoy izy tamin'ny tendrombohitra sy ny vatolampy; Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin'ny tavan'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny Zanak'ondry; 17 fa tonga ny andro lehiben'ny fahatezeran'ireo*, ka iza no mahajanona? [* Na: ny fahatezerany].

Ilay Fitiavana no avadik'ireo karazana olona miteny eto ireo hoe fahatezerana satria efa nasiany rindrim-by ny fony ka tsy mahita intsony ny mazava.
Ao aminny' Testamentta fahatelo no ahitana ny lalan-kivoahana raha toa ka tsapanao fa tafiditra anisan'ireo ianao.
22. niryna ( 11/03/2012 02:21)
didi10:

Tsy izay rehetra mino dia ho voavonjy

misy maka ny toetran'Andrimanitra indray ny hafa indray izy izany an
Tefigasy:

Mba fampianarana hafa indray ito ! Mipoitra eny daholo ihany ny marina sy izay tian'ny tsirairay hahatongavana eto.
baiboly vaovao 3e testament io ry Tefy a http://forum.serasera.org/forum/message/m4f58f1a989321
http://forum.serasera.org/forum/message/m4f59ae01a808a
23. Miharena ( 11/03/2012 05:57)
Fa ny nampianarin'ny Baiboly anao ary raisinao fahamarinana feno tsy azo hozongozonina ao aminao Niryna dia ny teny hoe TSY be dia be. Mipoitra eny daholo ihany ny marina hoy Tefigasy.

Aza tsipahinao ambavafo ny Tomponao, mananatra anao ihany aho Niryna fa hahita AZY ianao androany vao hitsingatongatotra hanao tsingolibatita etsy sy eroa hilaza hoe efa nampahalalana aho nefa tsy mino ihany satria feno TSIA ao anatiko.

Jereo ny fametrahana lohahevitra dia hita mipoitra daholo ny finoan'ny tsirairay.
24. RBNIR ( 12/03/2012 07:50)
Miharena:

Fa ny nampianarin'ny Baiboly anao ary raisinao fahamarinana feno tsy azo hozongozonina ao aminao Niryna dia ny teny hoe TSY be dia be. Mipoitra eny daholo ihany ny marina hoy Tefigasy.
Aza tsipahinao ambavafo ny Tomponao, mananatra anao ihany aho Niryna fa hahita AZY ianao androany vao hitsingatongatotra hanao tsingolibatita etsy sy eroa hilaza hoe efa nampahalalana aho nefa tsy mino ihany satria feno TSIA ao anatiko.
Jereo ny fametrahana lohahevitra dia hita mipoitra daholo ny finoan'ny tsirairay.


Faly miarahaba namana,

Ary efa manomboka mampitahotra koa ny fitorian'ny namana izany an,
Ataoko fa tsy dia tian'ny namana ny mananatra olona otran'izao??

Samy ho tahin'ny Tompo namana a!
25. RBNIR ( 12/03/2012 08:02)
Miharena:

Fa ny nampianarin'ny Baiboly anao ary raisinao fahamarinana feno tsy azo hozongozonina ao aminao Niryna dia ny teny hoe TSY be dia be. Mipoitra eny daholo ihany ny marina hoy Tefigasy.
Aza tsipahinao ambavafo ny Tomponao, mananatra anao ihany aho Niryna fa hahita AZY ianao androany vao hitsingatongatotra hanao tsingolibatita etsy sy eroa hilaza hoe efa nampahalalana aho nefa tsy mino ihany satria feno TSIA ao anatiko.
Jereo ny fametrahana lohahevitra dia hita mipoitra daholo ny finoan'ny tsirairay.


Faly miarahaba namana,

Ary efa manomboka mampitahotra koa ny fitorian'ny namana izany an,
Ataoko fa tian'ny namana ny mananatra olona otran'izao??

Samy ho tahin'ny Tompo namana a!
26. Miharena ( 12/03/2012 15:06)

Ary efa manomboka mampitahotra koa ny fitorian'ny namana izany an,
Ataoko fa tian'ny namana ny mananatra olona otran'izao??

Misaotra namana RBNIR mampahatsiahy an!

Dia miala tsinyamin'i Niryna koa fa lasa manana toetra ratsy ihany ny olona kay rehefa manohana hevitra hitany fa marina ka tsipahina foana.

Fa ny resaka tiana lazaina dia tsy hoe rehefa misy miteny hoe ny marina amin'y iray ts ymarina amin'ny hafa vao tokony handini-tena isika hoe : dia lasa aiza ny marina izany fa tsy misy manana ny fahamarinana no hiarfaran'ny mpiara-mdinika avy eo.

Enga anie hahay hamosa-kevitra mitombina avy isika rehefa mifampizara eto.

Hotahian'ny Tompo daholo dia mba hobitsihin'ny Fanahy Masina mandrakariva e!
27. RBNIR ( 13/03/2012 04:48)
Miharena:

Dia miala tsinyamin'i Niryna koa fa lasa manana toetra ratsy ihany ny olona kay rehefa manohana hevitra hitany fa marina ka tsipahina foana.

Faly miarahaba namana,
Tsy toetra ratsy ny fananarana namana. Fitiavan'Andriamanitra matoa mbola maharay anatra isika tsy tokony ho raisina hoe ilay olona maneho hevitra no miteny fa Andriamanitra no te hiteny amintsika (ilay olona no fitaovana nampiasainy).
Raha hitady ny marina isika dia tokony esorina ilay toe-tsaina hoe ny anay no marina fa tokony samy hanaiky fa ny an'Andriamanitra irery ihany no Marina (izay no antony hitondrana ny tenin'Andiamanitra namana mba tsy hieveran'ny hafa fa ny hevitrao "olombelona" no zaraina eto".
Ataoko angamba fa tsy misy mitory tsy misy fitiavana izany e, fa aoka samy hanaja izay hatrany dia tsy hisy haka saina ratsy hoe "hitsara ahy indray izao i ranona na hamely ahy indray izao i ranona". Ny marina tadiavina ary manentana foana aho : ento ny tenin'Andriamanitra hanohanana ny hevitsika satria raha hanaiky ny olona tsy olombelona no harahiny fa Andriamanitra.

Samy ho tahin'ny Tompo namana
28. Miharena ( 13/03/2012 05:30)

Ny marina tadiavina ary manentana foana aho : ento ny tenin'Andriamanitra hanohanana ny hevitsika satria raha hanaiky ny olona tsy olombelona no harahiny fa Andriamanitra.

Marina amin'y ampahany satria raha toa ka mitanisa ny Teny ka diso ny fanazavana azy dia mizara amin'n mason-tsivan'ny olombelona ka very ny mazava ao anatin'ny Teny. Amin'izay fotoana izay dia ny olona no manome izay heviny fa tsy Andriamanitra intsony.

Ny loha-hevitra manambara hoe Tsy izay rehetra mino dia ho voavonjy ary atao fanambaràna miezinezina dia anisan'ny mason-tivana napetraka noho ny fahazoan'ny mpanokatra hevitra azy. Dia izay ilay hoe lasa tafiditra amin'ny kizo ilay fitoriana satria lasa kinga ery ny mpino manaraka io fampianarana io hilaza fa i ranona sy ranona no tafiditra ho isan'ireo tsy voavonjy ireo. Tsy tafiditra mihitsy ilay tian'ny mpampita lazaina avy eo satria izay mihaino dia lasa manontany tena hoe: inona no tiana zaraina, ny mazava ve sa ny maizina?

Nifanena tamin'ireny Mormon ireny aho ohatra dia nilazany fa Krsity Tompo no Mpamonjy, dia hoy aho hoe efa mahalala AZY aho ary ao amin'y fiagonako fdia mampianatra izany feno dia nisy anankiray tezitra be. Asa na efa voatanan'ny fiheverana izy hoe tsy misy marina afa-tsy ny fahazoany Azy dia izay no nahatonga azy ho tonga fofona ho azy teo.

Fa na izany na tsy izany aloha, ny fahombiazan'ny fitoriana dia miankina betsaka amin'izay zaraina ary fantatry ny hitoriana fa marina na diso izany fizaràna izany.
29. RBNIR ( 13/03/2012 05:34)
Miharena:

Marina amin'y ampahany satria raha toa ka mitanisa ny Teny ka diso ny fanazavana azy dia mizara amin'n mason-tsivan'ny olombelona ka very ny mazava ao anatin'ny Teny. Amin'izay fotoana izay dia ny olona no manome izay heviny fa tsy Andriamanitra intsony.

Andriamanitra namana tsy mba mety diso izany ary izay no tsy tokony hitondrana famelabelarana B fa ny tenin'Andriamanitra dia Ampy.

Samy ho tahin'ny Tompo namana
30. jesuisla ( 14/03/2012 01:04)
HAFATRA AVY AMIN’NY MASINA MARIA VIRIJINY
Voaray avy amin’ny Taranak’I Herzgovine ny 14/08/94
Ry zanako Malalako,
Misaotra anao aho androany amin’ny vavaka ataonareo; satria izany hampitsahatra ny ady mandatsa-drà izay mahafaty olona an’arivony sy fahasimban-javatra maro. Eo akaikinareo mandrakariva aho, amin’ny lanitra hanapotika sy handringana ny ratsy eto an-tany ary koa manafaka olona amin’ny loza tahaka ny ady. Mitory ny fitiavako, ary mivavaka ho anareo amin’Andriamanitra izay mahery indrindra aho.
Mivavaha in-3: ARAHABA RY MARIA, sy in-3 RAINAY IZAY ANY ANIDANITRA. Ity hafatra ity avy any Brésil dia tokony hanenika izao totolo izao. Adika in-21 ity hafatra ity. Alefa amin’olompantatra, fianakaviana, alohan’ny 8 andro, fa ahita fahagagana ianao. Aza heverina ho zava-poana ity hafatra ity.
I CHRISTIEN, naharay ity hafatra ity, novakiany ary nivavaka sy nangataka izy, avy eo nandika azy in-21 isa, valo andro taty aoriana dia nahazo ny Million de Dollard izy.
LAVIA, naharay ity hafatra ity, novakianay ary norovitiny. Nahita fahasahiranana isan’andro teo amin’ny fianakaviany, ary maty no niafarany.
MPIASA BIRAO, nahray ity, adinony izy io. Valo andro taty aoriana dia voaroaka tamin’y asany izy, tadidiny izany taty aoriana, ary najainy ny hafatra. Lasa mpanakarena sy anisan’ny olona malaza indrindra teto an-tany izy. Noho izany aza tsiratsiraina ity hafatra ity raha tsy te hahita fahasahiranana ianao. Nalefa tamiko ity araka ny fiangaviana tamiko dia notohizako ny fampielezana azy. Avy any VENEZUELA ny niaavian’ity hafatra ity.
Atoa BRANAIVO, naharay ity hafatra ity tamin’ny taona 1993, nanohy araka ny fangatahana taminy, sivy andro taty aoriana dia nahazo 55tapitrisa tamin’ny loterie iraisam-pirenena izy.
Atoa GETERE ihany koa, saingy nanadino ny fisian’ity hafatra ity. Indrisy voaroaka tamin’ny asany izy. Kanefa andro vitsivitsy taty aoriana dia sendra nahita ity taratasy nalefa taminy izy, dia nandika in-29. Sivy andro taty aoriana dia nahita asa tsara sy ambony noho ilay teo aloha izy.
Atoa BORI naharay ny hafatra, nandika in-29 ary nanely. Sivy andro taty aoriana dia nisondro-boninahitra teo amin’ny asany izy.
MADAMA izay nahazo ny azy, dia nodorany ka may ny tranony, simba tanteraka, maty ny ray aman-dreniny, ary niditra amponja ny vadiny.
Atoa BUCHILBAN dia nahazo, niangavy ny mpitan-tsoratrany izy handika azy in-29 ary nanely izany. Andro vitsivitsy taty aoriana dia vola 10 tapitrisa de dollard no azony. NOho izany, na inona na inona antony dia tokony hajaina ny hampielezana ity hafatra ity, ary adika in-29, ary alefa amin’ny olona. Afaka sivy andro dia hisy fahagagana hitranga amin’ny fiainanao.
Tsara ary ho tsara vintana ianao, ka ahita fitia avy amin’Andriamanitra sy ny olona. Tsy mila mandefa vola. Ny zavatra hiangaviako anao, aza mitahiry ity taratasy ity na dia ilay dikan-teny nataonao aza dia tokony hiala ao an-tranonao. Ity taratasy ity dia, tsy nataotao foana na dia tsy isan’ireo minmino foana aza, ka dia ezaho hitohy ity taratasy ity.
Misionera iray no nitrangan’ity hafatra sy vavaka avy any Saint Augustin. Afaka sivy andro dia ahita fahagagana lehibe ianao.
VAVAKA
Andriamanitra no nahary ahy, nisy aho satria nisy Andriamanitra. Tsy misy tsy azo aminy. Nomeny ahy ny aina, fitiavana, fifaliana. Izy no namonjy ny fiainako ka tiako hamonjy ny fiainanao koa. Manampy ny olona rehetra izy, tsy manadino ao amiko izy. Saingy izaho no minia tsy mandray azy. Ary mamela ahy izy amin’ny fahotako rehetra. Mihaino izay rehetra mivavaka izy saingy izaho no tsy manampaharetana. Andriamanotra ô! Manomboka izao aho dia hezaka ny hanara-dia Anao. Henoy ny fitarainako. Mitalaho Aminao aho. Haparitako izao vavaka izao mba ho fantatr’izay hadalovany. Nofafanao ny ranomasoko. Ampio aho Andriamaitra o ! Nahary ahy Ianao. Amen !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0578