IZA MARINA ILAY ANDRIAMANITRA ?
1. Miharena
(
01/03/2012 14:04)
Hanombohako ity dinika ity dia ity fanamarihan'i Didi10 sy ny namaliko azy ity ao amin'ny loha-hevitra Certificat médical
Hoy i Didi10:
Ny condition si dia miteraka "possibilité" maromaro, izay midika fa rehefa tsy A dia mety ho B na mety ho C, dikany: misy ny manana ny fanahiNY misy ny tsy manana
Dia hoy aho hoe:
Tsy mitsipaka ny maha-mpamorona izao rehetra izao AZY ve izany ry Didi10 ? Fofon'ain'iza no nanamboarana ireo olombelona?
Dia mba mahazo miditra avokoa isika rehetra mamly fa tsy novalin"i Didi10 intsony aloha io fanontaniako io hatramin'ny androany.
Samy hotafian'ny Fanahy Masina izay mamaly.

novalian'i Miharena ny 07/03/2012 16:00
2. didi10
(
01/03/2012 14:38)
Ka Baiboly tsy mitovy anie ry Miharena ny antsika sy ianao de tsoriko fa kamo beuuuuuuuuuuuuu mitsy a hamelabela-kevitra aminao e!
Efa efa vita ny adidiko taminao tamin'ny fampianarana sy fananarana fa anjaranao no sisa.

3. Miharena
(
01/03/2012 15:16)
Tsy misy Baiboly hafa fa ao anatiny ihany no tokony hamoahanao ny valinteninao Didi10 fa aza miala pà ianao rehefa tonga ny fanontaniako. Mody kamo indray manko ianao izao raha ny fahitako azy fa tsy sahy miatrika tanteraka ahafahana mamantatra ny marina.
4. didi10
(
01/03/2012 15:16)
Fa hampiorenana finoana ireo namana izay namaky ny fampianaran-diso ataonao eto dia hovaliako ny fanontanianao, tsy ho anao fa ho azy ireo.
Aoka ho hainao ny manavaka ny atao hoe: Zava-boaharin'Andriamanitra sy ny zanak'Andriamanitra
Isaia 66,2
2 Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako.
Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah;
Nefa izao no olona hotsinjoviko,
Dia izay malahelo sy torotoro fanahy
Sady mangovitra noho ny teniko.
Romana 8,14
14 Fa IZAY tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. 15 Fa tsy nandray fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba Ray ô. 16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika.
Romana 9,8
Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
Romana 8,17
17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
Raha tsy manana ny Fanahin'Andriamanitra isika dia mitovy amin'ny alika sy ny tanalahy sy ny vato aman-kazo izay mijanona ho zava-boahary fotsiny ihany fa tsy hiditra ny Fanjakany velively.
Rehefa tsy manana ny Fanahin'Andriamanitra isika dia ny fanahin'iza no ao anatintsika?
I Jaona 3,7
8 Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly. 9 Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak'Andriamanitra.
10 Izany no mampiseho miharihary izay Zanak'Andriamanitra izy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.
Rehefa mbola manota isika dia zanaky ny devoly, fa aza misora-tena ho zanak'Andriamanitra velively.
Ahoana no hialana ao amin'ny dada devoly ka hahatonga ho zanaky ny Ray ka ho mpandova?
Gal 3,26
26 Fa hianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. 27 Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. 28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.
CONCLUSION
Hebreo 1, 1-5
[-1-] Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; 2 dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, 3 Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tànana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo 4 ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.
5 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao,
Izaho niteraka Anao androany"?(Sal. 2. 7.)
Ary koa:
"Izaho ho Rainy,
Ary Izy ho Zanako"? (2Sam. 7. 14.)
TSY MISY NA IZA NA IZA TERAKA AVY ANY ANKIBON-DRENINY KA TONGA DIA ZANAK'ANDRIAMANITRA NA MANANA NY FANAHIN'ANDRIAMANITRA AFATSY JESOSY IRERY IHANY.

5. didi10
(
01/03/2012 15:32)
Dia mikaroha indray teny mifanohitra amin'ireo ao amin'ny 3e testament anao izay tsy hahasolo ny Baiboly mandrakizay.
6. Miharena
(
01/03/2012 15:34)
TSY MISY NA IZA NA IZA TERAKA AVY ANY ANKIBON-DRENINY KA TONGA DIA ZANAK'ANDRIAMANITRA NA MANANA NY FANAHIN'ANDRIAMANITRA AFATSY JESOSY IRERY IHANY.
Ny zanako sy ny asan'ny tanako dia adidiko irery ihany hoy Andriamanitra.
Dia heverinao ve raha tonga i Kristy dia tsy nahafantatra fa zanak'Andriamanitra daholo ny olombelona?
Raha norabirabian'ny Fariseo IZY noho IZY nilaza fa avy amin'ny RAY dia hoy ny Fariseo hoe : ianao vao tanora kely io ve dia milaza fa IRAY amin'ny RAY? dia novaliany hoe : ianareo aza dia efa mahalala fa voasoratra hoe Andriamanitra ianareo. (valy ambangovangony ihany io fa azonao hamarinina tadiavina tsara ao anaty Soratra Masina Didi10).
Ka izaho miezaka mandresy lahatra ny olona fa ao amin'ny RAY izy ary ny fikasan'i Kristy dia mitohy mandrakizay mandra-pahatanteraky izany hatramin'ny farany dia lazainao fa mivily lalana ve aho?
Sao dia misy diso fampitana fampianarana aza ny iray amintsika?
7. Miharena
(
01/03/2012 15:50)
Didi10:
Dia mikaroha indray teny mifanohitra amin'ireo ao amin'ny 3e testament anao izay tsy hahasolo ny Baiboly mandrakizay
Ny fahalalanao tanteraka ny Baiboly dia ahafahanao mahalala izay lazain'ny 3e Testament.
Ny hany mba mahagaga kely fotsiny raha vao misy olona na antokon'olona milaza fa nisehoan'i Kristy dia tonga dia mailaka ery Didi10 ny mitanisa ireo teny ambaran'y Baiboly momba ny antikristy sy ny fampitandremana maro fa tsy manadihady tsara aloha.
Izay angamba aloha no atao hoe olona entin'ny saina manao pli-vava?
Miala tsiny fa izay aloha hatramin'izao no fahitako anao ary aoka tsy ho tsiny raha miteny izany satria mba te hampifoha kely anao koa aho.
8. didi10
(
01/03/2012 15:57)
Miharena:
Ka izaho miezaka mandresy lahatra ny olona fa ao amin'ny RAY izy ary ny fikasan'i Kristy dia mitohy mandrakizay mandra-pahatanteraky izany hatramin'ny farany dia lazainao fa mivily lalana ve aho?
Sao dia misy diso fampitana fampianarana aza ny iray amintsika?
Kay mangitakitaky ny hafaliana ny Fanahiko fa mitady hisy fahatongavan-tsaina ianao izany ry Miharena.
Inona no nahatongavan'i Jesosy?
32 tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
Ny fitorianao anie ry Miharena fa tsy hisy ho very ny olona na dia iray aza satria fofonain'Andriamanitra dia tsy mamporisika ny olona amin'izany fibebahana izany e! vao mainka aza miteny aminy hoe "ataovy ze mety fa tonga ny fety"
9. Miharena
(
01/03/2012 16:10)
Didi10:
Ny fitorianao anie ry Miharena fa tsy hisy ho very ny olona na dia iray aza satria fofonain'Andriamanitra dia tsy mamporisika ny olona amin'izany fibebahana izany e! vao mainka aza miteny aminy hoe "ataovy ze mety fa tonga ny fety"
Didi10 a! Efa ho roa arivo taona anie no nitondrana ny teny fiainana ka ankehitriny ianao mbola eo amin'ny hoe amporisiho ny olona hibebaka! Teny efa roa arivo taona niverimberina io. Dia mbola tsy hisy ihany ve hatramin'izao hilaza amin'izay hoe ataovy izay mety fa tonga ny fety satria efa mahazo fifaliam-be noho ny filazan-tsara?
Ilay fampitomboana ny fifaliana sy ny fiainana zarain'i Kristy no tsy ampy amin'izao fotoana izao eo amin'ny Krsitianina sasany (fa tsy izy rehetra an!). Ary tokony hanongo tena aza satria arakaraka ny nitenenana hoe mibebaha no toa vao mainka misy manao izay ataony. Tsy hita intsony ilay filamatra hoe ireny ny Kristianina fa mazava fo fa isaky ny mahita olona ray izy dia hoy izy hoe mibebaha. Aiza ilay olona itenenanao no tsy ho voaratra avy hatrany ka hilaza hoe "angaha zah maizina no fahitanao ahy?"
10. didi10
(
01/03/2012 16:16)
Rahampitso indray Miharena a! mba matory koa indraindray.
Tahian'ny Jesosy ianao sy ny namana rehetra

11. jesuisla
(
01/03/2012 18:59)
Fa inona mokasika an'andriamanitra no tena mba tian'ise ho fantatra aloha e?
12. Miharena
(
02/03/2012 01:46)
Fa inona mokasika an'andriamanitra no tena mba tian'ise ho fantatra aloha e?
Miarahaba an'i Jesuisla ary salama mifoha Didi10
Tsy hoe ny tiako ho fantatra no resahana eto fa hoe inona no fahafantarantsika AZY?
13. didi10
(
02/03/2012 07:33)
Raha azoko tsara izany ry Miharena dia mitory ianao fa tsy ilaina intsony ny fibebahana amin'izao taona arivo faharoa izao fa andron'ny mifalia ry zatovo izao?
14. Miharena
(
02/03/2012 10:56)
lasa HS ianao Did10 raha resaka fibebahana ilaina na tsia no ataonao eto amin'ity lohahevitra ity. Ny fanontaniana dia hoe IZA marina Andriamanitra ?
16. Miharena
(
02/03/2012 15:19)
Aleo aloha ity resaka ity tohizana fa lasa mitsiky fotsiny i Didi10.
Omeo mihitsy hoe IZA ilay Andriamanitra ara-Baiboly fa aza mbola mandeha ianao amin'ity dinika ity.
Mizara ianao amin'izay ary ho hita hoe fiainana sa fahafatesana no zarainao. Raka ity faharoa dia ho hitantsika hoe inona no maha-tsy mety azy fa vonona hatrany ny tenanay hizara sy hanazava satria tsy azo kobonina ny marina arak'i Kristy nilaza hoe tsy misy olona manao ny fanaovan-jirony any ambany vata famarana fa asehony tsara ny jiro mba hahazava ny rehetra.

17. didi10
(
02/03/2012 17:52)
Ka ny baibolinao (3e testament) hoy aho tsy baiboliko donc Ny andriamanitrao tsy Andriamanitro, miala tsiny Miharena.
18. Miharena
(
03/03/2012 06:58)
Tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ary na Satana aza manaiky izany tanteraka ka raha misy resaka momba ny fahendrena na avy aiza na avy aiza dia maneho ny Voninahitr'Andriamanitra izany ka aza dia manavaka.
Raha toa ka hitanao fa tsy misy teny avy ao amin'ny Baibolintsika lazain'ny 3e Testament dia lavo tanteraka izany boky izany. Raha toa koa ka hitanao tsara fa fakana fanahy an'Andrirmanitra RAY no ao anatin'ny boky vakianao aty aoriana dia lavo izany.
Raha toa koa ka hitanao fa manana boky fampianarana ny fangonanao ka hitanao fa manome ireo fofompofona fampisarahana fa tsy fampiombonana, dia lavo. raha hitanao fa mivoy fankahalana izay olona tsy mitovy rafitra aminao ny fiangonanao dia lavo.
I Kristy arahina dia ho hitanao ny famirapirataNY hanome anao ny fahazavana rehetra rehefa manaiky ireo fahalemena tanisaiko ireo ianao eo amin'ny fiangonanao.

19. 2N.E
(
07/03/2012 15:04)
Salama jiaby o!,mba manoro hevitra ny tenako sao dia mba hahasoa an-tsika izany, Ny Baiboly dia milaza fa tsy izay rehetra manao amiko hoe tompoko tompoko hoy izy no hiditra @ fanjakan' ny lanitra fa izay manao ny sitram-pon' ny Raiko izay any an-danitra, ny tiko ambara dia izao: Tsy ilaina ny miady hevitra ny @ Andriamanitra sy ny asany, tsy ilaina ihany koa ny fahalalana soratra masina maro fa ny tena zava-dehibe dia ny mihaino sy mankatoa ny voalaza ao @ Baiboly mba tsy ho viafitaka isika,Ny Baiboly dia mampafantatra an-tsika fa misy lalana heverin' ny olona ho mahitsy hoy izy kanjo lalana mitondra makany @ fahaverezana.Noho izany dia vakio ny Baiboly ary araho izay voalazany fa izany no tena mahasoa an-tsika fa aza B ady hevitra isika.
20. Miharena
(
07/03/2012 16:00)
Misaotra an'i 2N.E amin'ny fampahatsiaivana ary miala tsiny indrindra raha toa ka mety nisy fifamaliana mafimafy tamin'ny faramparan'ity lohahevitra ity satria nanjary tsy hita ilay hoe IZA MARINA ANDRIAMANIWTRA rehefa miady teny isika.
Ny hany mba tiako hampitaina fotsiny dia tsy hafa izay miteny ao anatin"ny boky izay lavin'i DIdi10 eto fa Andriamanitra ao anaty Baiboly ihany.
Efa eo am-pelatanan'i Didi0 moa ilay boky io ary azony tsara atao ny mamaky azy.
Raha hita fa tsy IZY no miteny dia lavo, fa raha hitanao kosa fa mampahalala AZY tokoa ny Boky dia raiso amim-panentren-tena.
Toy izany koa ho anao 2N.E.
Ho ao anatinareo anie ny Fanahin'Andriamanitra hampahalala ny marina rehetra.