Rehefa tsy misy dia tsy misy
1. maresaka.com
(
29/02/2012 00:44)

Tsy iadian-kevitra ny dikan'ny teny hoe "tsy misy". Ny "tsy misy" dia foana, izany hoe tsy ahitana na dia iray aza. Ny "tsy misy" araka izany dia tsy midika hoe "vitsivitsy" na "arakaraka"; ny "tsy misy" dia "tsy misy", ... aotra.
Koa raha niteny i Jesosy hoe "tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako" (Jaona 14:6) dia "tsy misy" izany. Na iza na iza miseho ho olon-kendry, na iza na iza miezaka mandresy lahatra anao, ary na iza na iza mampianatra lalan-kafa noho i Jesosy dia manohitra an'io teniny io.
Rehefa tsy misy dia tsy misy ary tsy ahitana na dia iray monja aza,... aotra.
Hitoetra ao am-pontsika tsirairay anie ny tenin'ny Tompo ary hitari-dalana antsika anie ny Fanahiny Masina!
Amena!
novalian'i maresaka.com ny 01/03/2012 22:19
2. Miharena
(
29/02/2012 05:39)
Marina dia marina ary manomboka miasa ho amin'izany indrindra IZY nanamboatra izao rehetra izao hidiran'ny olon-drehetra ao amin'ny FANJAKANA vaovao.
Ny Fanahy Masina anie hampahafantatra anao fa izay rehetra hitanao na inona na inona firehany dia ao amin'ny Tompo.

3. didi10
(
29/02/2012 09:22)
Misaotra namana maresaka
Ny olana kely anie ry namana dia samy manana ny Jesosiny ny mpino e!
- Ny Temoin izao mino fa amin'ny alalan'i Jesosy no ahafahana mankany amin'ny Ray nefa izy tsy manaiky Azy ho Andriamanitra saingy manaraka ny fampianarany sasantsasany ihany.
- Ny Mihareniana fa ilay Jesosy vaovao nanoratra 3e Testament no ahafahany mankany amin'ny Ray.
- Ny Apokalipsy mino fa raha tsy ilay Jesosy maty Alarobia tsy ahafahan'ny mankany amin'ny Ray,
...
FA SAMY MINO IREO FA NY AMIN'NY ALALAN' NY JESOSY IZAY INOANY NO HANKANESANY ANY AMIN'NY RAY.
-

4. Miharena
(
29/02/2012 11:44)

Misaotra anao Didi10 fa nataonao hoe olana kely ilay izy fa tsy ngodabe. Ho hitan'ny Tompo tokoa anie ny mahakely azy. Io ilay sombin-kazo eo amin'ny rahalahinao Didi10. Fa tsy aleo ve aloha ny andry be eo anoloan'ny masontsika avy no esorina vao miresaka ireo sombin-kazo ireo?
5. didi10
(
29/02/2012 12:35)
Ilay Jesosiko ao anaty Baiboly aloha niteny ity Soratra Masina ity e!
Lioka 13,23
23 Dia hoy ny anankiray taminy: Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin'ny olona: 24 Miseseha hiditra amin'ny varavarana èty hianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka. 25 Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary hianareo mijanona eo ala-trano mandòndòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza hianareo; 26 ary amin'izay hianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao. 27 Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza hianareo; mialà amiko, hianareo rehetra mpanao meloka. 28 Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitrohan-nify
Eny olana kely ireo voalaza etsy ambony amiko satria efa nampianarin'ny Fanahy Masina aho hanavaka ny marina sy ny tsy marina fa raha io Soratra Masina io no jerena dia tsy olana kely mihitsy ilay resaka amin'ilay Jesosy Tompoiko.

6. Miharena
(
29/02/2012 12:59)
Izay indrindra Didi10 no anatra ho antsika. Aza mitady AZY fotsiny nefa tsy tafiditra fa tadiavo IZY amin'ny alalan'ny FOTOTRA ijoroaNY dia ho fantatrao marina IZY araka ny lazainy hoe : "ary hiditra ao aminy Aho ary hiara-hisakafo aminy ary izy ao Amiko".
Ka ny Jesosy Tomponao ihany no Jesosy Tompoko fa mety ny fahalalantsika azy no samihafa, na koa hoe ny toetsika mahalala Azy no tsy mitovy raha ny marimarina kokoa. Izaho Miharena manana fijery malalaka satria mahalala AZY Be fitiavana sy famindram-po, ianao Did10 manana fijery ireo didy sy lalàna maro ary mitoky amin'ny ozona sy fahafatesana ho an'izay tsy mino AZY. Na dia efa voatanisanao aza eo ambony fa ireo izay milaza miaraka AMINY ireo no nolaviNY.
Hoy ilay olontsotra kristianina tsy mba manavakavam-pivavahana izay rehefa mivavaka hoe : Manana fiasana maro Ianao Jesosy hampitodika ny olona ivavahanay eo Aminao. Isika dia mivavaka fotsiny ihany fa IZY manana fiasana maro.
Tafiditra ao anaty contradiction rehefa tena mamaky Baiboly ka tsy mahay manavaka izay tena vontoatiny ka izany no antony hijerena izay hafatra mandravona izay tiana lazaina satria aoka ho fantantsika fa teny nampitondraina no voasoratra ao anaty Baiboly na ny boky fa ireo izay mahatafita azy tanteraka no azo lazaina fa mahatafita ny fahamarinana. Isika koa moa manana ny fahaiza-manavaka izay mifanohitra sy ny tokony ho tena izy araka ny tokony ho fiandohana amin'ny fikasan'Andriamanitra RAY.

7. maresaka.com
(
29/02/2012 21:54)
Miharena:Indrisy fa voafitaka ianao ry Miharena. Raha ny hevitrao izany hoe ao amin'ny Tompo daholo dia tsy nilaina akory ny namoizan'i Jesosy Kristy ny ainy, tsy ilaina intsony ny mitory ny Filazan-tsarany sy manao ny firenena rehetra ho mpianany, tsy ilaina intsony izany fitsarana ny velona sy ny maty izany, ... indrisy!
Ny Fanahy Masina anie hampahafantatra anao fa izay rehetra hitanao na inona na inona firehany dia ao amin'ny Tompo.
Aoka lahy fa ny ahy sy ny ankohonako dia i Jesosy Kristy ihany!
8. LazaDaddy
(
01/03/2012 01:20)
maresaka.com:Miharena:Indrisy fa voafitaka ianao ry Miharena. Raha ny hevitrao izany hoe ao amin'ny Tompo daholo dia tsy nilaina akory ny namoizan'i Jesosy Kristy ny ainy, tsy ilaina intsony ny mitory ny Filazan-tsarany sy manao ny firenena rehetra ho mpianany, tsy ilaina intsony izany fitsarana ny velona sy ny maty izany, ... indrisy!
Ny Fanahy Masina anie hampahafantatra anao fa izay rehetra hitanao na inona na inona firehany dia ao amin'ny Tompo.
Aoka lahy fa ny ahy sy ny ankohonako dia i Jesosy Kristy ihany!
Miharena o! Andeha isika hiarina tokoa; saingy aoka tsy aho min'ny herin'ny tenantsika na izay saim-patantsika, fa kosa hiankina tanteraka amin'i Jesoa Kristy Tompo.
Hoy Izy:
"Mitoera ato amiko ary Izaho ho ao aminareo"
"Tomoera Amiko ary Izaho aminareo". Jaona 15:4
Matoa Izy miteny an'io dia mbola tsy ao amin'ny Tompo daholo fa tsy araka ny teninao. Sa diso i Jesoa Kristy ny fahitanao Azy?
9. hery
(
01/03/2012 07:47)
Rehefa hoe "na inona na inona" koa dia "na inona na inona" izay fa tsy hoe ny sasany ihany.
Hoy mantsy Jesoa hoe "Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray, dia homeny anareo amin'ny anarako." (Jaona 16. 23)
Ka rehefa mangataka amin'ny Ray, amin'ny anarany, hoe mba ampidiro any amin'ny Fanjakanao koa ry anona sy ry anona, dia "homeny" amin'ny anarany.

10. Tefigasy
(
01/03/2012 08:12)
hery:

Tena satrin'Andriamanitra tokoa ny hanome ny olona tianao hiditra any amin'ny fanjakan'Andriamanitra, saingy ... ataovy eo amin'ny toeranao hoe hanome mofo ho an'ny zanakao ve ianao raha mbola maloto be ny tanany ?
Betsaka ny vavaka no tsy mivaly, satria tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'andriamanitra matetika no tadiavin'ny olona fa ny filany fotsiny ihany!
11. hery
(
01/03/2012 09:37)
Ka rehefa hoe "na inona na inona" dia "na inona na inona"
satria rehefa hoe "tsy misy" dia tena "tsy misy"

12. didi10
(
01/03/2012 10:31)
Aleo ary testena kely le Théorie n'i Hery
Jesosy ô! mangataka aminao mba hovain'i Hery volom-mparasy amin'izay ny fond n'ity forum ity fa efa ela loatra no ORANGE be!
Misaotra Jesosy Amen!

13. hery
(
01/03/2012 11:20)
Tsy théorie-ko io fa theorie-n'ny baiboly vakiana ara-bakiteny.
Raha tsy lasa volom-parasy ny fond-n'ny forum dia ahoana izany ilay Jaona 16. 23 ?
Dia tsy theorie-ko io fa theorien'ilay nanao hoe
"Tsy iadian-kevitra ny dikan'ny teny hoe "tsy misy". Ny "tsy misy" dia foana, izany hoe tsy ahitana na dia iray aza. Ny "tsy misy" araka izany dia tsy midika hoe "vitsivitsy" na "arakaraka"; ny "tsy misy" dia "tsy misy", ... aotra."
Aza dia raisina ara-bakiteny loatra ho'a ny baiboly fa tsy adala ny Fiangonana

14. didi10
(
01/03/2012 11:44)

Ka raha vao tsy miova io loko io dia midika fa novalian'i Jesosy izany ny fivavahako na dia nangataka tamin'ny anaraNY aza aho.
Donc tsy mitombina ny théorie nao
Isika sy ianao anie izany tsy mila mande mivavaka, tsy mila miala amin'ny fahotana, tsy mila manao na inona na inona dia efa samy tafiditra any an-danitra raha izany e!
Ianao mivavaka ho ahy mba handraisan'i Jesosy ahy dia izaho mivavaka ho anao sy ho an'i Hitler sy ireo mitovy aminy dia samy vita e!
Izay mangataka dia mahazo ko
15. hery
(
01/03/2012 11:58)
Dia izay niteny an'io "Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray, dia homeny anareo amin'ny anarako." (Jaona 16. 23) tenenina raha tsy voavaly ny vavakao fa tsy izaho :-)
16. didi10
(
01/03/2012 12:16)
:-) Io fa miala pà raHery an!
Dia sanatria ve Rahery mbola hiala pà koa amin'ity Soratra Masina ity?
Romana 9,14
14 Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin'Andriamanitra? Sanatria izany! 15 Fa hoy Izy tamin'i Mosesy: "Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo" (Eks. 33. 19). 16 Koa dia tsy avy amin'izay maniry na amin'izay mihazakazaka izany, fa avy amin'Andriamanitra Izay miantra. 17 Fa hoy ny Soratra Masina tamin'i Farao: "Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin'ny tany rehetra" (Eks. 9. 16). 18 Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo ny hamafìny fo.

17. Miharena
(
01/03/2012 13:42)
Marina sy mitombina hatrany ny fanamarihako etsy ambony ny amin'ny hoe Jesosy dia Jesosy hatrany fa isika olombelona no tsy mitovy saina sy fiheverana. Marina ny Tenin'i Kristy hoe Ny lalako tsy lalanareo.
Na ny fandrindrana ny famoahana an'i Israely tao Egypta na ny nanomezana fo an'i Jodasy hamadika dia mitovy satria mba hanehoana ny vononahitr'Andriamanitra raha io vakiteny notanisain'i Didi10 io no resahana.
Dia mila atao tsara ny filaharam-potoana nitenenana rehefa mamaky Baiboly fa tsy hoe rehefa niteny ohatra Jesosy tamin'ny fotoana nivavahany alohan'ny nanolorana AZY hoe tahirizo ireto afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana dia very izay i Jodasy. Tsarovy fa teo am-pialana aina IZY dia ny teny farany dia hoe : Ray o! mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony, sy ny hoe vita.
Ka na i Jodasy aza efa voavela no dikan'izay ary tanan'i Krsity hatrany ny maha-mpamindra fo AZY toy ny Ray Mpamindra fo.
Ary raha niteny IZY hoe VITA dia vita izay fa akon'ny tsy fahalalàna avokoa sisa no mitranga aorian'izay VITA izay momba ireo faharatsiana misy.
Izay ilay hoe alalino tsara ny finoana fa aza safosafoina na koa hoe atao tsy ampy ny fandalinana dia zary miteny zavatra tsy mitombina sy tsy maneho ny fahamarinana.
Ity fanamarihan'i Tefigasy ity ohatra dia isan'ny fahatsiarovana fa mila mandray ny toeran'Andriamanitra vao mahalala ny sitrapoNY. Ka rehefa tsy mahazo valim-bavaka dia mionona, na koa hoe niteniteny foana angaha teo am-pivavahana matoa tsy nahazo valimbavaka.
Ny amin'ny hoe "na inona na inona" dia mazava fa marina rehefa mahatoky satria na ny tendrombohitra aza mety azo avarina any amin'ny ranomasina rehefa toy ny voantsinampy ny finoana.
Fa isika tsy manana io voantsinampy io akory fa ny resabe fotsiny no betsaka matoa tsy mahazo valiny eo no ho eo.
Amiko aloha raha ny tena izy dia tokony hanosika mafy mihitsy ny fiangonana hahatanteraka ny fikasana farany dia ny tsy hahavery ny olona rehetra na ny efa lasa na ny mbola velona na ny mbola ho avy fa asa ny an'ny mpiondana Baiboly na mandeha amin'izany lalana izany na dia mionona mijery fotsiny izay solafaka satria izany hono no sitrapon'Andriamanitra.
Ny zavatra anisan'ny voamarika be eo amin'ny mpamaky Baiboly sy mpitory sasany dia rehefa itanisana teny iray izy ao anaty Baiboly ao ka mifono fahatokisana an'i Kristy tanteraka iny dia rafitra indray izy mitady teny mifanohitra amin'iny ao anaty Baiboly ihany.
Dia rehefa mitohy ny adibevitra dia hoy izy hoe : IO FA MIALA PA ilay olona.

Tefigasy:
Tena satrin'Andriamanitra tokoa ny hanome ny olona tianao hiditra any amin'ny fanjakan'Andriamanitra, saingy ... ataovy eo amin'ny toeranao hoe hanome mofo ho an'ny zanakao ve ianao raha mbola maloto be ny tanany ?
Betsaka ny vavaka no tsy mivaly, satria tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'andriamanitra matetika no tadiavin'ny olona fa ny filany fotsiny ihany!
Ity fanamarihan'i Tefigasy ity ohatra dia isan'ny fahatsiarovana fa mila mandray ny toeran'Andriamanitra vao mahalala ny sitrapoNY. Ka rehefa tsy mahazo valim-bavaka dia mionona, na koa hoe niteniteny foana angaha teo am-pivavahana matoa tsy nahazo valimbavaka.
Ny amin'ny hoe "na inona na inona" dia mazava fa marina rehefa mahatoky satria na ny tendrombohitra aza mety azo avarina any amin'ny ranomasina rehefa toy ny voantsinampy ny finoana.
Fa isika tsy manana io voantsinampy io akory fa ny resabe fotsiny no betsaka matoa tsy mahazo valiny eo no ho eo.
Amiko aloha raha ny tena izy dia tokony hanosika mafy mihitsy ny fiangonana hahatanteraka ny fikasana farany dia ny tsy hahavery ny olona rehetra na ny efa lasa na ny mbola velona na ny mbola ho avy fa asa ny an'ny mpiondana Baiboly na mandeha amin'izany lalana izany na dia mionona mijery fotsiny izay solafaka satria izany hono no sitrapon'Andriamanitra.
Ny zavatra anisan'ny voamarika be eo amin'ny mpamaky Baiboly sy mpitory sasany dia rehefa itanisana teny iray izy ao anaty Baiboly ao ka mifono fahatokisana an'i Kristy tanteraka iny dia rafitra indray izy mitady teny mifanohitra amin'iny ao anaty Baiboly ihany.
Dia rehefa mitohy ny adibevitra dia hoy izy hoe : IO FA MIALA PA ilay olona.
18. didi10
(
01/03/2012 14:29)
Miharena:
Ny zavatra anisan'ny voamarika be eo amin'ny mpamaky Baiboly sy mpitory sasany dia rehefa itanisana teny iray izy ao anaty Baiboly ao ka mifono fahatokisana an'i Kristy tanteraka iny dia rafitra indray izy mitady teny mifanohitra amin'iny ao anaty Baiboly ihany.
Dia rehefa mitohy ny adibevitra dia hoy izy hoe : IO FA MIALA PA ilay olona.
Manao "avocat du diable " (façon de parler io ry Hery a) ndray Miharena!
Itan'i Miharena? otran'ny any amin'ny Boxe io, rehefa hitany ny fomba ialana amina totohondry iray dia miala pà izy fa rehefa avy ilay totohondry hafa tsy nampoiziny dia K.O izy.
:-)
Ny tenin'Andriamanitra tsy misy mifanohitra araka ny fiteninao azy izany fa rehefa ialany pà ny fananarana iray dia omena hafatra hafa mafimafy kokoa mafimafy kokoa noho ilay teo izy.
19. hery
(
01/03/2012 15:11)
Ny tenin'Andriamanitra tsy misy mifanohitra araka ny fiteninao azy izany fa rehefa ialany pà ny fananarana iray dia omena hafatra hafa mafimafy kokoa mafimafy kokoa noho ilay teo izy.
Sao dia mba didi10 kosa ara no miala pà rehefa tsy mifanaraka amin'ny heveriny ny teny anakiray fa ny teny hafa no azoazony.
Inona ara ny fananàrana farany indrindra satria efa nialany pà ny teo aloha?
Ny azo antoka aloha izany izao dia efa ny ankamaroan'ny didy 10 dia efa nialany pà satria natambany tao anatin'ilay didy vaovao izay mafimafy kokoa "Didy vaovao no omeko anareo"... fitiavana ny namana tahaka ny tena sy ny fitiavana an'Andriamanitra.
20. Miharena
(
01/03/2012 15:21)
Ka io didy tsotra kely io no entina resahana dia mitady izay mavesatra be efa nialana pà taloha foana i Didi10 koh !
Asa aloha na tsapany izany na tsia fa mahay mitady teny toy ny hoe voapetaky ny vy mahamay sy ny sisa ho an'ny tsy manaiky izay fitondramn-kevitra arosony izy fa tsy mieritreritra hoe sao dia izaho 'Didi10) aza no voapetaky ny vy mahamay ny lohako?