Rehefa tsy misy dia tsy misy

21. didi10 ( 01/03/2012 15:27)
Eo indray de sendoatra eo dia manomboka miteniteny foana, manomboka mandrava didy 10 indray.

Bedy enao a!

Matio 5,17
17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. 18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.
22. hery ( 01/03/2012 15:33)
Matio 22. 37- 40

Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. 38 Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; 39 ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 40 Ao amin'izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany.

Joany toko 13. 34
34 Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankativa ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo.
23. Miharena ( 01/03/2012 15:40)
Mazava be ny Tenin'Andriamanitra tao amin'i Kristy ary ataoko fa tsy hiala amin'io Teny io mandrakizay IZY.

Izay ilay ilazàna hoe indraindray isika mitoky amin'olona mizara amintsika fa tsy mandray izay FOTOTRA tsy azo hozongozonina mandrakizay.

Dia rehefa mafy loha mitana izay tsy azo hozongozonina izay ny olona dia lazain'i Didi10 fa mandrava ny didy folo.

24. didi10 ( 01/03/2012 15:48)

hery:

Matio 22. 37- 40

Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. 38 Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; 39 ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 40 Ao amin'izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany.

Joany toko 13. 34
34 Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankativa ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo.


ary nataonao aiza ny Didy momba ny Fitiavana an'Andriamanitra?
Sa tia an'Andriamanitra amin'izao fotsiny ianao dia miteny hoe je t'aime, je t'aime mon Dieu: dia ampy izay fa tsy mila manao ny sitrapony sy ny didiny?
25. Miharena ( 01/03/2012 15:52)
Tsy voavakin'i Didi10 intsony izay nosoratan'i Hery
26. hery ( 01/03/2012 15:53)
Matio 22. 37
Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra.

Ny fitiavana an'Andriamanitra dia ny fanatanterahana ny sitra-pony sy didiny.
Ny didin'Andriamanitra dia "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao".

Izay no mahatonga ilay hoe

39 ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao:
27. didi10 ( 01/03/2012 16:01)
Ay azoko, izay izany no antony maha-foana ity Didy ity?


Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;
6 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
28. hery ( 01/03/2012 16:08)
Ahoana ny fahazoanao azy?

Indrindra rehefa misy an'ito

Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. 38 Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; 39 ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 40 Ao amin'izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany.

Euh, tao anaty baiboly koa io an.
29. didi10 ( 01/03/2012 16:12)
Misaotra Hery a! Rahampitso indray fa mba matory koa indraindray, mampamangy ao amin-dry masin-bavy sy ry masin-dahy ao e!
30. hery ( 01/03/2012 16:22)
didi10> Mivavaka ho anao koa hono izy ireo e :-)
31. maresaka.com ( 01/03/2012 22:18)
Hery,

"Tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalan'i Jesosy ihany". Tena tsy misy tokoa raha tsy amin'ny alalany.

"Na inona na inona angatahina amin'ny Anarany dia azo". Eny rehefa angatahina amin'ny anaran'i Jesosy Kristy dia azo tokoa na inona na inona.

Marina tanteraka ireo Tenin'i Jessy ireo fa tsy iadiako hevitra. Inona no tsy azonao? :)
32. maresaka.com ( 01/03/2012 22:19)
Marina tanteraka ireo Tenin'i Jesosy ireo fa tsy iadiako hevitra. Inona no tsy azonao? :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2507