MAFANA NY TANY ANTSIRABE "NALAINA TAO AMIN'NY GASY TIA TANINDRAZANA"
1. rijadolly
(
15/02/2012 19:00)
http://collectif-gtt.org/content/15022012-vaovao-farany
18h 00 : Araka ny vaovao voaray dia efa niverina avy any Antsirabe ny DST ary nandalo teo Manjakatompo. Nitafa fohy tamin'ireo zandary mandrindra ny fifamoivoizana teo amin'ny sapanana anefa izy ireo dia nanohy ny lalana toy ny nihazo ny renivohitra. Araka ny nampitain'ny mponina ihany dia mety natahotra ny vahoaka maro be mijoro hiaro ny zanaky ny Filoha RAVALOMANANA izy ireo. Raha ny fantatra ihany koa dia tsy nety nanao sonia ilay taratasy fampisamborana ny "procureur" ao Antsirabe. Fantatra fa telo mirahalahy no saika ho samborina dia i Tojo RAVALOMANANA, i Naina ilay mpiandry tanàna ary i Faly zandrin'i Vahombey izay nampangaina ho mpiara-mifoka zava-mahadomelina amin'ny zanaky ny Filoha. Raha ny fantatra dia tsy mbola nandalo any Ambohimandroso ireo fiara mitondra ny DST noho izany dia ahiana ny hanao latsak'alina tsy misy taratasy indray izy ireo.
16h 35 : Araka ny fampitam-baovao entin'ny mponina any an-toerana dia efa tonga ao Antsirabe ny DST. Volkswagen Touareg iray, PIckup iray ary camion iray no entin'izy ireo ary mirongo fiadiana mahery vaika izy ireo amin'izany. Araka ny vaovao voaray dia ao amin'ny lapan'ny fitsarana ao Antsirabe no nivantanan'izy ireo ka miandry taratasy avy amin''ilay "procureur" ao an-toerana ny lehiben'DST ahafahany manatanteraka ny fisamborana. Araka ny vaovao voaray ihany dia tsy mbola voafaritra aloha hatreto na ny zanaky ny Filoha RAVALOMANANA no ho samborina na ilay mpiandry tanàna nolazaina fa hijoro vavolombelona mikasika ilay rongony noforonina.
14h 35 : Tsy mbola tonga any Manjakatompo aloha ny DST hatreto. Ny vahoaka kosa dia efa vory lanona manodidina ny tanàna. Raha ny fanambarana nataon'ny Kaomisera Charly Nakany farany manko dia tsy mbola mijanona ity raharaha ity satria manana vavolombelona ry zareo polisy politika.
13h 45 : Manomboka mirohatra mankany amin'ny fonenan'i Tojo RAVALOMANANA ny mpomba ny Filoha RAVALOMANANA eny amin'ny manodidina. Efa manomana ny fepetra ho raisina ihany koa ny Ankolafy araka ny nambaran'ny CST Lanto Rabenatoandro. Mety hidina any an-toerana ny mpahay lalàna hijery ifotony izay ataon'ny DST.
13h 15 : Araka ny fantatra dia nanao be midina any Manjakatompo Andranomanelatra indray ny DST izao atoandro izao. Raha ny vaovao voaray dia mikasa ny hisambotra an'i Tojo RAVALOMANANA no antondian'izy ireo.
novalian'i andrywui ny 16/02/2012 23:37
2. rijadolly
(
16/02/2012 02:17)
22h 00 : Araka ny tsilian-tsofina tonga eo amin'ireo vahoaka manao andry maso eo Manjakatompo dia mitoby ao amin'ny Akademia Miaramila ao Antsirabe ireo be basin'ny DST. Ny vahoaka koa anefa, raha ny fantatra, dia tsy mbola miala eny an-toerana ka dia zary toerana filasian'izy ireo ny manodidina ny fonenan'i Tojo RAVALOMANANA sy ny ankohonany. Mailo ihany koa izy ireo satria araka ny filazany dia mety ny madivaraina manodidina ny amin'ny 01 ora ka htramin'ny 03 ora maraina no mety hanao zavatra hafahafa ny DST satria fotoana mampavesatra ny torimaso izany.
http://collectif-gtt.org/content/15022012-vaovao-farany
http://collectif-gtt.org/content/15022012-vaovao-farany
3. andrywui
(
16/02/2012 14:40)
tsisy dst haninn zany rija fa aza entimpo enao fa hanao fanadihadiana an'ireo rongony fotsiny ry zalah de zay aa !!hita eo ny marina !!! tadidio fa refa nomen'ireo mpanao gazety mikro ra-tojo de tsy niaro tena momba an'ireo rongony mitsy lery !! ny dikanzany nahitana maina tao amin'ny tazy tao !! - fa raha ny tena izy ndray alou ary lalàna manankery de tokony tsy ho atao innn ny mpanamaina (konsomatera) fa ny mpivarotra (trafikan) iany no apoaka ee
4. rijadolly
(
16/02/2012 16:27)
Andrywui:
tsisy dst haninn zany rija fa aza entimpo enao
Way koa zany fitsaran'se ahy, Vaovao ve rangahy no alefanay dia lazainareo fa entim-po zay. Marina fa makarary fo ny mihaino ny fahamarinan'ny sasany nefa mila tony tsara a!Mba mazaka vaovao contre e! Dia aza mitsara ol otran'izany fa manjary hita be ny ao an-tsainareo no sady mivoaka ny vavanareo wazy le izy.
5. andrywui
(
16/02/2012 22:29)
ayy ok ary azafady ooo !!
- fa izao rija a ! - le Tojo ane oa anie ka tsy sahy mamaly mitsy anle oe nahitana rongony tao antranony e !! itanao tamle izy nanotanian'ny mpanao gazety , le nomena micro hiapanga iny e fa tsy sahy nanohitra anle oe nisy maina tratra tao aminy !! ka iny resaka maina iny mitsy anie no hankanesandry kaomisera hanadihady azy fa tsisy resaka politika tsony ee !!!
- de io mba arovako kely io alou i Tojo eee ozy ah oe ny mpidoroka raha ny lalàna tokony tsy atao innn ,, fa ny mpivarotra no enjehina !! de sur zany fa ho anotaniana anzay nivarotra maina taminy no hitondrana kely an'i Tojo de ho averina iany izy
- fa izao rija a ! - le Tojo ane oa anie ka tsy sahy mamaly mitsy anle oe nahitana rongony tao antranony e !! itanao tamle izy nanotanian'ny mpanao gazety , le nomena micro hiapanga iny e fa tsy sahy nanohitra anle oe nisy maina tratra tao aminy !! ka iny resaka maina iny mitsy anie no hankanesandry kaomisera hanadihady azy fa tsisy resaka politika tsony ee !!!
- de io mba arovako kely io alou i Tojo eee ozy ah oe ny mpidoroka raha ny lalàna tokony tsy atao innn ,, fa ny mpivarotra no enjehina !! de sur zany fa ho anotaniana anzay nivarotra maina taminy no hitondrana kely an'i Tojo de ho averina iany izy
6. rijadolly
(
16/02/2012 22:49)
Fa nanin anefa no tsy tonga dia nentina nosamborina tamin'iny andro iny raha nisy an'izany e? izay aloha ny fijeriko azy e! Firy firy ireo tratra nifoka no tsy tonga dia ery ambany Antsinana. Analyse tsotsotra io. Satria efa tratra eo am-body omby izao ve ry se, Izay angamba ilay hoe te- hividy ny lohany nefa matahotra ny masony? sa ahoana hoy ise? Mety tsy sur tsara koa angamba ilay fisavana ô?
7. andrywui
(
16/02/2012 23:37)
ka mila fahamailona sy fanadihadiana vao entina ny oul zanaka oul ambony otrireny kou .... sady zao ko ane oa e tsy ho s amborina zan tojo oa fa hanaovana fanadihadina fotsiny anzay oul nividianany anireny rongo,ny reny !! fa diso enao raha mbola nahita mpifoka rongony samborina gadraina zany fa ny mpivarotra iany no voararan'ny lalàna fa gadraina !!! fa i Tojo anie nanamaina fotsny ry lerony e zay no nisamborana azy fa avy eo neritreretina oe iza tokoa ary no namatsy andry zalah !! ary sao de ry zalah iany ary no mpanamaina sady mpamatsy sns ...zany mbola ankety lavabe zan