mofo baolina

1. ftma ( 14/02/2012 09:21)
Sao mba misy manana recette mofo baolina? misaotra mialoha
novalian'i ftma ny 28/02/2012 17:54
2. mirananirina ( 15/02/2012 10:47)
Mampi-te hihina ery izy zany,efa ela aho no tsy nanamboatra izany fa jerevo ato @ net ihany io fa sur aho fa misy ao
3. diamondra27 ( 21/02/2012 20:04)
kikou ftma sy mirananirina: mofo bol hummmmm mila lafarina sy sucre sy levure sy atody de alona 1 andro de endasina e
4. armandelau ( 21/02/2012 20:51)

ftma:

Sao mba misy manana recette mofo baolina? misaotra mialoha


WWW.YOUTUBE.COM misy mampianatra ny sakafo
5. armandelau ( 21/02/2012 21:05)

ftma:

Sao mba misy manana recette mofo baolina? misaotra mialoha


http://www.youtube.com/watch?v=MFswRXRSuU4
jereo ity aloha,mampianatra ny mofo baolina
6. Ratoa ( 21/02/2012 21:13)
tsotra fotsiny mividiana levure chimique fanaovana gâteau amin'ny sachet kely. Efa misy ny fatra anaovana azy ao (ohatra 1 sachet atao amin'ny lafarinina 500gr) ary bicarbonate de soude. Mividiana koa atody 3 raha maventy, 4 raha madinika. kapohy miaraka min'ny siramamy (amin'ny haminy itiavanao azy) ny atody. araraho tsimoramora ny lafarinina efa mifangaro amin'ny levure sy bicarbonate 1/2 na 3/4 sotrokely tsy dia kely loatra (aza atao be karibonetra fa mangidy) . raha marihitra loatra ny pâte dia tapohy ronono ho tonga no enjana kokoa noho ny pâte à cake.
Alaina amin'ny sotrokely na volavolaina amin'ny tanana miosotramenaka ny pâte dia arotsaka anaty lapoaly misy menaka tsy dia mafana loatra satria ilaina ho masaka any anatiny ny mofo.
Ny levure mampitomba azy, ny karibonetra koa, fa ny tena asan'ny karibonetra dia manome azy ilay endrika maraorao sy mampikarepoka azy.

Dia andefaso aho rehefa masaka
7. diamondra27 ( 22/02/2012 12:00)
Ratoa misaotra akia a
8. mandrindra ( 22/02/2012 13:33)
toa ny andRatoa ihany fa yaourt nature no ataoko fa tsy ronono
9. ftma ( 25/02/2012 14:37)
Misaotra fa tena nety e ilay an'i Ratoa no nataoko, ndraso andramana ny yaourt
10. Ratoa ( 25/02/2012 21:16)
ftma, aiza ilay hafatro hoe andefaso aho rehefa vita?
11. ftma ( 26/02/2012 09:34)

armandelau:


ftma:

Sao mba misy manana recette mofo baolina? misaotra mialoha


http://www.youtube.com/watch?v=MFswRXRSuU4
jereo ity aloha,mampianatra ny mofo baolina

hafa kely koa ny tsirony miaraka @ vovo-katsaka, misaotra e sady misy mofo gasy koa ao :) hummmm
12. mirananirina ( 27/02/2012 16:15)
misaotra diamondra ah!!mampite hihina zany vovokatsaka izany
13. ftma ( 28/02/2012 17:54)

Ratoa:

ftma, aiza ilay hafatro hoe andefaso aho rehefa vita?

Izay vita tato dia lany koa, tongava aty mihinana e :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2841