NY BAIBOLY SY NY SIANSA ARY NY FOMBAN-DRAZANA

1. RUZ9 ( 11/02/2012 14:25)
Te hahalala ny hevitra miafina fonosin'ny baiboly ve ianao?
Mifanohitra ve ny baiboly sy ny finoana nentim-paharazana?
NY FANAHY NO OLONA
Ny Lalan'ny Tody (loi du Karma)
Ny fampianaran'i Kristy
Lamina handaminana ny tany (indrindra ny firenentsika)
Efa voasoratra mialoha izany
Tsidiho ny http://cyrius.unblog.fr
novalian'i Miharena ny 21/02/2012 14:52
2. didi10 ( 12/02/2012 06:21)
RUZ9:

Te hahalala ny hevitra miafina fonosin'ny baiboly ve ianao?
Mifanohitra ve ny baiboly sy ny finoana nentim-paharazana?
NY FANAHY NO OLONA
Ny Lalan'ny Tody (loi du Karma)
Ny fampianaran'i Kristy
Lamina handaminana ny tany (indrindra ny firenentsika)
Efa voasoratra mialoha izany
Tsidiho ny http://cyrius.unblog.fr


Tsara ny Tompo
Vao tsy ela aho nampitandrina ny tanora amin'ny resaka New Age,
http://forum.serasera.org/forum/message/m4eec2fea6e53e
Voaporofo izao fa efa maro ny tanora malagasy tafalatsaka sahady ao anatiny,
anisan'izany i RUZ9, mibebaha namana fa hoy ny hiran'i Rija Rasolondraibe hoe: " Zava-doza izany helo izany fa ianao ity toa mihazakazaka ho any".
3. rijadolly ( 12/02/2012 10:58)
Ny zavatra tsara ho fantatsika Kristianina dia ny fomba fiadin'ny fahavalon'Andriamanitra. Mazava ary azontsika an-tsaina fa anisan'ireo tao amin'ny fanjakan'Andriamnitra io fahavaloNY io. Noho izany mahay ny fombafomba rehetra nentina manompo an'Andriamanitra sy ny zava-miafina na dia tsy izy rehetra aza, ohatra mivavaka, miantso na mampiditra fanahy(na Fanahy) hafa ao anaty, ny antony maha tsy afahan'ny zavatra iray mikasika ny olona iray(hananany fahefana), ny firesahana mivantana sy ny zava-miafina ary ny zava-miseho ao anaty vavaka, ny zavatra takiana eo amin'ny zava-dalina ara-panahy, sns...sns...
Noho izany indrindra no tokony hametrahantsika fanontaniana amin'ny tenantsika foana hoe iza ilay Andriamanitra inoako? Fantatro ve? ity antsoiko ity ve no tena Andriamanitra?

Sarotra araka izany rehetra izany ny hilaza fa avy amin'ny devoly zaroa na i zatsy, izay mitovy ny nahazo an' Jesoa Kristy fa avy amin'ny devoly no nahavitaNY fahagagana izay tena zava-dalina tokoa, ka tsy zakan' fahavaloNY sy ny mpanaradia Azy sasany ny hanazava azy.

Eo amin'izay fanazavana izay, no andrasana an'i RUZ9 eto. Raha tsy zakanay ny antony mampitovy ny fivavahana Kristianina sy ny zavatra vohizin'se, ahoana ny hanazavan'se marina fa iray ihany izy ireo?
Misaotra mialoha
4. mirananirina ( 12/02/2012 15:49)
Nahoana tokoa moa no mila ampianarina ny olona na toriana teny????efa lehibe izao de tokony hamaky irery baiboly sy mivavaka irery na koa miaraka olona maro mivavaka!(any ampiangonana ohatra)ny mahagaga anefa dia mifanenjika foana ny olona tsy mitovy hevitra ,nefa samy mino an Atra sy Jesoa daholo ihany !Misy aza dia mahavita miteny ratsy ny hafa mht!!satria nahoana???
5. Miharena ( 13/02/2012 05:10)
Ny resak'i Mirananirina dia voavaly rehefa mijery ireo fanahy fito voambara ao amin'ny rohy etsy ambony nalefan'i RUZ9. Misy ireo izay mampiasa ireo fanahy ambany eo amin'ny fitondrana hevitra iray ka izany no mampisy ny tsy fitovian-kevitra. Toy ny milalao izany ny olona mampiasa ny fanahin'ny emotion ohatra na ny fanahin'ny eritreritra ka mampiditra hevitra amin'ny hafa hitarihana azy hanao fombafomba iray sy foto-pisainana iray izay heveriny fa fahamarinana. Dia tonga daholo ireo resaka fifanavakavahana rehetra ireo satria ny hevitra no miady arakaraka ny fironany avy.

Fa raha fanahin'i Kristy kosa indray no miteny dia IRAY ihany izy rehetra hoy IZY, dia ao amin'ANdriamanitra avokoa. Raha io no voaloham-pahendrena ananana dia mazava fa tsy misy intsony ny ady.

Ny ara-nofo dia fanahy ambany izay midika koa hoe fanahin'ny maha-biby antsika no mibahana aminy ka izany no mahatonga antsika rehetra manenjika ny ara-nofo hatrany ary matetika aza dia zary lasa mirona tenteraka any ny saina iray manontolo ka very ilay fahalalàna fototra ahafahana mamehy ny fahendrena tokony hananana mandrakariva.

Ny tena tanjona amin'ny fahendrena rehetra misy dia ny fahalalàna ny fananan'ny tena ny FANAHY LEHIBE dia ny maha-Kristy. Tsy misy afa-tsy io no mampahazava ny rehetra sy mampiray azy ary tsotra ny mandray io maha-IZY antsika io. Ny adihevitra sy ny hafa rehetra dia ao amin'ny fanahy enina ambanin'io FANAHY LEHIBE io avokoa ka anisan'izany ny momba ny tantaran'ny devoly sy ny resaka mitan-droa rehetra (tsara sy ratsy, andaniny sy ankilany).
6. mirananirina ( 15/02/2012 10:50)
Miharena,ny voalazan ny baiboly sy ny fombandrazantsika taloha anie ka misy itovizany ihany(@ testamenta taloha)izay tena nihainan'ny olonan'Atra fahiny !!!!fa rehefa tonga ny Kristianina teto amitsika dia novaina daholo izany!!
7. Miharena ( 15/02/2012 13:46)
Ka eo indrindra no mila jerena hoe inona avy ny fahalalana ananan'ireo fomba fivavahana isan-karazany eo anatrehan'ny fahazoam-baliny mazava amin'ny fanontaniana mipetraka rehetra eo amin'ny ara-nofo sy ny ara-panahy.

Ny fanatitra ohatra dia anisan'ny fomba iray izay nifanekena tamin'ny andron'ny Levita ary notohizan'ny taranaka voatondro hanao izany ihany fa tsy ny sarababem-bahoaka no manao azy. Dia eo no misy mpanelanelana ny olona izay mpiara-mivavaka. Ny an'ny Kristiana indray dia vavaka azo ataon'ny rehetra mivantana amin'Andriamanitra tsy misy mpanelanelana izay ilàna fanatitra.

Na izany na tsy izany dia ny fahalalàna fototra mihitsy no tiana ahatongavana eo amin'y fahalalàna ny momba ny tenan'ny olombelona tsirairay avy izay ny FOTOTRA dia ny maha-Endrik'Andriamanitra ny tsirairay ka mila mifanaja arak'izany ka ny fiheveran'-diso rehetra dia efa azontsika sokajiana avy hoe inona no mahatonga izany raha oharina amin'ny tenantsika sy ny fanahintsika izay misy karazany fito arak'io voalaza amin'ny rohy io.

Ny olon-drehetra izany dia mitafy an'i Kristy raha ny fanadihadiana no jerena fa misy fotsiny ireo tsy mahalala fa manana izany fitafiana izany raha tsy tonga ny fotoana hifohazany.
8. milamina ( 15/02/2012 23:30)
mirananirina:

Miharena,ny voalazan ny baiboly sy ny fombandrazantsika taloha anie ka misy itovizany ihany(@ testamenta taloha)izay tena nihainan'ny olonan'Atra fahiny !!!!fa rehefa tonga ny Kristianina teto amitsika dia novaina daholo izany!!
Ny fanompoan-tsampy sy ny fanompoana an'Andriamanitra koa anie ka somary mitovitovy ihany ka raha tsy dinihina akaiky tsy hita hoe ny fototra iorenany mihitsy samihafa tanteraka e :)

+ samy manana hery tsy hita maso, samy mitaky "dévotion", ...
+ samy mitaky fandatsahan'aina atao sorona SAINGY:

  • ny fanompoan-tsampy izay mifikitra amin'ny herin'i Satana dia ny ain'olona mpiara-belona (na fianakaviana na namana na fahavalo) no takiany
  • ny fanompoana an'Andriamanitra kosa dia Izy no nanome ny ainy tamin'ny alalan'i Kristy satria tsy manala ota mandrakizay ny ran'ny biby atao fanatitra (tsarovy fa tsy navelany hamono an' Isaka i Abrahama fa i Kristy zanany no natolony)
9. RUZ9 ( 18/02/2012 14:20)
Didi10
Tsara ny Tompo
Vao tsy ela aho nampitandrina ny tanora amin'ny resaka New Age,
http://forum.serasera.org/forum/message/m4eec2fea6e53e
Voaporofo izao fa efa maro ny tanora malagasy tafalatsaka sahady ao anatiny,
anisan'izany i RUZ9, mibebaha namana fa hoy ny hiran'i Rija Rasolondraibe hoe: " Zava-doza izany helo izany fa ianao ity toa mihazakazaka ho any".
………………………………………..

Rijadolly


Sarotra araka izany rehetra izany ny hilaza fa avy amin'ny devoly zaroa na i zatsy, izay mitovy ny nahazo an' Jesoa Kristy fa avy amin'ny devoly no nahavitaNY fahagagana izay tena zava-dalina tokoa, ka tsy zakan' fahavaloNY sy ny mpanaradia Azy sasany ny hanazava azy.

Eo amin'izay fanazavana izay, no andrasana an'i RUZ9 eto. Raha tsy zakanay ny antony mampitovy ny fivavahana Kristianina sy ny zavatra vohizin'se, ahoana ny hanazavan'se marina fa iray ihany izy ireo?
Misaotra mialoha


VALINY

Marina fa tampoka sy tsy nampoizin’ny ankamaroan’ny Kristiana izay voalaza ao,
Misy ny hevitra tsy itovizanao amiko satria tsy nampianatra an’izany ny mpitondra fivavahana.
Tsy izay tsy mitovy hevitra aminao nefa dia devoly ry Didi10.

Moa misy fitarihana hanao ratsy, handoro trano na handroba magazay ve ao? Tsy misy mitarika hamono olona koa ao na hankahala ny hafa.

Mifanohitra @ izany aza satria ny LALAN’NY TODY na LOI DU KARMA dia ahafantarana fa izay rehetra ataonao tsy maintsy hiverina sy hivaly aminao.
Hitanao ao ihany koa fa mandoto ny FANAHY na AURA-nao ny fisainana maloto, ny fankahalana sy ny fialonana,…….sns

Ny inona @ ireo no manohitra an’Andriamanitra sy ny fampianaran’ny baiboly?
Sa rehefa tsy mampitahotra @ afobe sy ny devoly dia ratsy ?

Hamafisiko ihany fa tompon’andraikitra tanteraka ny tsirairay @ izay ataony sy saininy ary tsy maintsy mizaka ny vokatr’izany.

Isika Malagasy no vaovao, na tsy tena vaovao raha any marina fa nanadino an’io taranja io fa ny vahiny dia nitrandraka an’io an-kalalahana hatr@ ela ary misy mpitondra fivavahana aza. Nahoana nefa izy ireo no nanafina an’izany hatr@ izay?


Vakio amim-pahatoniana ireo rohy ato ambany dia ho fantatrao


http://forum.serasera.org/forum/message/m4f368c292044b






10. didi10 ( 20/02/2012 07:56)
Tsara ny Tompo

Miarahaba ny namana RUZ

Omeo ahy ry namana ny toko sy andininy (ao anaty Baiboly Masina) milaza fa:
- Misy ny réincarnation
- Misy ny ôra sy ny karma ....
- sy ireo finoana orientale boudiste rehetra forcenao ampivadina amin'ny fivavahana kristianina ireo.

Tim I 4 : 1 - 16
[-4-] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia, 2 amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,
11. Miharena ( 21/02/2012 14:52)
Raha dinihina tokoa Didi10 dia toa zary ny kristianina indray aza no voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany satria raha misy zavatra fantatra fa tena misy dia lazainy fa tsy misy satria tsy ao anaty Baiboly hono ary avy hatrany dia lazaina fa fampianaran'ny Devoly.

Toy ny milaza hoe raha mahay matematika izay tsy hita ao anaty Baiboly dia fampianaran'ny Devoly.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2582