ROMBAHY
1. YDIFAS
(
09/02/2012 21:02)
Manonona ny arahaba ho antsika rehetra. Ny fiadanan'i Kristy anie hanapaka ny fotsika rehetra.
Fony mbola kely izahay (mety ho izany koa ianao), rehefa nizara mofo (brioches) tany am-pianarana, raha nisy ambiny dia natao "fandrombaka". Raikitra ny an-kanosika, ny an-kisintona... Raha entina amin'ny sehatra hafa izany dia mety hiafara amin'ny fifamonoana mihitsy aza.
Fa "...hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny." Matio 11/12.
Rehefa mandinika tokoa isika, ry havana malala, dia samy manana ny fandikàny ity hoe "rombahina" ity ny fiangonana.
Ao ny mihevitra fa rehefa misy teny fikasàna tononin'ny mpitory teny ho an'ny fiangonana dia manao "amena" haingana sy mafy mba hahatanteraka ilay teny no atao hoe "mandrombaka".
Ao ny mihevitra fa ny fombafombam-pivavahana sy ny fifanenjehana (fifanosehana sy fifampisitonana) no hidirana ny fanjakan'ny lanitra.
Toa lasa fifandrafiana sy fanamarinan-tena no hita, toa lasa mpifahavalo ireo izay tokony hifanome tànana ao anaty fanompoana an'Andriamanitra.
Isika, ry havana malala, tsy manam-pahavalo afa-tsy ilay ratsy dia ny devoly izany (Efesiana 6/12). Faly ery izy (ny devoly io) mahita antsika mifanditra: samy te hiditra ny fanjakan'ny lanitra nefa ilaozana mifanosika sy mifampisintona eo am-baravarana. Aoka tsy ho isika no iantefan'ity teny ity: "Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; fa hianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra" Matio 23/13.
Manitsy antsika Jesosy amin'ity anio ity. Ny hoe "mandrombaka ny fanjakan'ny lanitra" dia tsy mamela ny devoly hanana hirika eo amintsika (eo amin'ny samy zanak'Andriamanitra: tsy mifidy fiangonana; eny, eo amintsika olombelona rehetra mihitsy). Izany hoe, esorina tsy ho eo amintsika ny toetra tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra.
Izany (ny sitrapon'Andriamanitra) nefa dia efa ambarany ao amin'ny Teniny dia ny baiboly izany. Ny làlana mankany amin'ny fanjakan'ny lanitra izany dia ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra.
Noho izany, rehefa mandray ny Tenin'Andriamanitra isika dia tsy maintsy mandeha araka izay voambara raha te hiditra ny fanjakan'Andriamanitra: mino sy mankatò izay teny noraisina na notoriana. (Matio 7/21)
Fantaro ihany koa fa ny tanjon'ny devoly dia ny tsy hidirantsika ny fanjakan'ny lanitra. Koa ny hoe "mandrombaka" eto izany dia mila manohitra ny sain-daliny (devoly) sy tsy maintsy manana hery mihoatra ny azy isika.
Fantatsika fa izay rehetra ambaran'Andriamanitra amintsika no atao hoe Fahamarinana ho antsika raha eketsika izany.
Misy fiteny izay manao hoe: "izay manam-pahalalàna dia manam-pahefàna" (Le savoir, c'est le pouvoir). Izany mihitsy: izany no Fahamarinana rehefa miaraka amin'Andriamanitra: "Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana..." Hosea 4/6. Rehefa fantatsika ny marina, dia afaka isika (Jaona 8/32).
Rombahy ny fahefàna, ry havana malala (Efesiana 6/13 - 17).
Raha fehezina izay voambara dia hoe: tsy fahavalontsika fa mpiara-mihazakazaka amintsika ny zanak'Andriamanitra ka hiara-hiditra ny fanjakan'ny lanitra. Ny hany fahavalontsika dia ny devoly izay mampandainga ny maro, mamingana ny efa mijoro tsara ary manana tanjona handringana ny zanak'Andriamanitra tsy hahatrarany ny toetra mendrika ny fahafahana. Ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra no Fahamarinana hidirana ny fanjakan'ny lanitra ary fahefàna ho an'izay mankatò Azy izany.
Ho an'Andriamanitra irery anie ny Voninahitra mandrakizay ary ho an'izay mifampitantana handrombaka ny fanjakan'ny lanitra ny fiadanan'i Kristy. Aleloia
Hafatra:
"Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?" Romana 8/31

novalian'i didi10 ny 10/02/2012 06:04
2. didi10
(
10/02/2012 06:04)
Tsara ny Tompo
Misaotra an'i Safidy amin'ny lohahevitra,
Tim II 4 : 1 - 4
[-4-] Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: 2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano.
Ny fahazoan'ny olona ny hoe mifandrombaka ry namana dia manosika ny sasany tsy hiditra mba hidirana samy irery na ahazoana zavatra iray tsy ifampizarana, izaho kosa ry namana rehefa navotan'Andriamanitra tamin'ny fahotana sy nomeny ny fampianarana tsy misy kilema dia tsy hanakana anao velively aho ny hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, "au contraire" tiako hianao hiala amin'ny fampianaran'olona ka hiverina amin'ny didin'Andriamanitra, mba hidiranao amin'izany fanjakana izany.
Marka 7,8 : Mahafoy ny didin'Andriamanitra hianareo ka mitana ny fanaon'ny olona.
Ataoko ahoana moa ny fijery fotsiny ny Kristianina:
- Miankohoka sy mandohaloka eo anoloan'ny sary vongana, mivavaka amin'ny maty (olo-masina hono), miantso mpanandro rehefa hanao trano, fasana sns...
Didy faharoa:4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;
6 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. (Eks 20 4-6).
- ...
* Misy ny fampianarana tsy tokony hifampitsarana: ohatra resaka hanina maloto sy madio,
Rom 14,3 :3 Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana;
* Fa misy kosa ny fampianarana izay tena lazain'ny Baiboly fa fampianaran'i demonia izay tsy azo leferina na oviana na oviana.
Tim I 4 : 1 - 6
[-4-] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia, 2 amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,
Koa miala tsiny aho namana Safidy fa afaka tsy miteny ianao raha tianao izany fa izaho kosa dia hanaraka sy hampianatra ny fampianaran'i Kristy sy ny Apostoly:
Efe 2, 20
20 natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; 21 ao aminy no irafetan'ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin'ny Tompo. 22 Ary ao aminy no miaraka aorina koa hianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy.
AMENA.
didyfoloarobazyahoo.fr