AZO ATAO V NY MANOTA AO AMIN I KRISTY JESOSY?

1. RBNIR ( 08/02/2012 15:14)
RAHA ARAKA IRETO TENY REHETRA IRETO DIA TSIA DIA TSIA TOKOA

« Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. » (Efesiana 4:26).
« Izay manota dia anaro eo anatrehan'ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany. » (1 Timoty 5:20)
« Fa raha mizaha tavan'olona kosa ianareo, dia manota ka helohin'ny lalàna ho mpanota. » (Jakoba 2:9)
« Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » (1 Jaona 3:4)
« Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. » (1 Jaona 3:6)
« Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly. » (1 Jaona 3:8)
« Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra. » (1 Jaona 3:9)
« Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak'Andriamanitra, dia miaro ny tenany* ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy. [* Na: Ilay naterak'Andriamanitra no miaro azy] » (1 Jaona 5:18).

INDRINDRA INDRINDRA MOA FA ITY TENY IRAY FARANY ITY.
« Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, » (Hebreo 10:26)

INONA ARY NO AZO ATAO? DIA HO VERY DAHOLO V? AHOANA NY LALANA AHATONGAVANA AMIN'ILAY VOASORATRA AO AMIN NY 1 JAO.3:6??

HOY JESOSY TOMPO HOE IZAY NOMENA MAIMAI-POANA AOKA IZY HIZARA MAIMAI-POANA.
JEREO NAMANA ILAY FANDAHARANA AO AMIN'NY TELE JERY ISA-MARAINA ALAROBIA-SABOTSY AMIN NY 5 ORA MARAINA - 6 ORA MARAINA FA TAO NO NAHALALAKO FA KAY AZO ATAO NY MANAISOTRA NY OTA IZAY MAMPIHETSIKA NY FILAN-TSIKA REHETRA KA MAHATONGA AN-TSIKA HO ANDEVON NY OTA.

MISY IHANY KOA FANDRAHARANA MANOKANA NY ALATSINAINY MARAINA MANOMBOKA NY 13-02-2012 HO AVY IZAO KA DIA JEREO RY NAMANA ISANY FA TENA FAMONJENA HO AN-TSIKA.

IZAY NANDRAY ITY FAHASOAVANA ITY NO NANDRAY NY FAMONJENA NAMANA ISANY. ARY IZAY NANDRAY ITY FAHASOAVANA ITY NO TSY MAHAY MANOTA INTSONY FA I KRISTY NO VELONA AO ANATINY :
« Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. » (Ezekiela 36:25)
« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Ezekiela 36:26)
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:27)

TSY NY OLONA NO TOKONY HIHEZAKA HANANTANTERAKA NY LALANA SY NY FITSIPIK ANDRIAMANITRA FA FANOMEZANA NO HOMENA ANAO : OLONA VAOVAO MAHAY MANANTANTERAKA NY SITRAPON ANDRIAMANITRA. IZAY NO MAHA FAHASOAVANA AZY.

MINOA DIA RAISO NY ANJARA-PAHASOAVANA HO ANAO SY NY ANKOHONANAO.

HIROTSAKA AMIN-TSIKA ANIE NY FAHASOAVANA.

SAMY HO TAHIN I JESOSY DAHOLO
novalian'i RBNIR ny 13/02/2012 06:56
2. RBNIR ( 09/02/2012 08:15)
AZAFADY E! FANDAHARANA VITAO NY ASAN NY FAHAMARINANA ILAY IZY.
SAMIA TAHIN I JESOSY DAHOLO
3. didi10 ( 09/02/2012 11:50)
Tsara ny Tompo

Tsy mila miandry izany fandaharana izany isika ry Namana fa afaka manokatra avy hatrany ny Baibolintsika hamaly ny fanontaniana hoe: Azo atao ve ny matote ao amin'i Kristy Jesosy?

Misy karazany roa tokoa ny olombelona ry namana:

1- Ireo izay ao amin'i Kristy Jesosy: Nandray Azy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainany, vita Batisa amin'ny Anarany ka tonga zanak'Andriamanitra mpandova ny fiainana mandrakizay.

Gal 3, 21
26 Fa hianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. 27 Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. 28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. 29 Fa raha an'i Kristy hianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.

2. Ireo izay tsy ao amin'i Jesosy Kristy: Ireo izay mbola variana ao amin'ny rendrarendran'izao tontolo izao,
Rom 12; 2
2 Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.

Mazava tsara fa efa nofaritan'ny mpanome lohahevitra fa izay ao amin'i Jesosy Kristy no tokony havaly eto.

Rom 6 : 1 - 21
[-6-] inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? 2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? 3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. 5 Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; 6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. 7 Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.
8 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika; 9 ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. 10 Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy. 11 Ary aoka ho tahaka izany koa hianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy. 12 Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany; 13 ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra. 14 Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna hianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.
15 Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany! 16 Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo hianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo hianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana? 17 Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon'ny ota aza hianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban'ny fampianarana izay nanolorana anareo; 18 ary rehefa natao afaka tamin'ny ota mhianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana. 19 Miteny araka ny fanaon'ny fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.

Ny valiny ry namana tsy hoe tsy azo atao ny manota raha ao amin'i Jesosy Kristy fa tsy mahay manota ny olona ao Aminy:

Ohatra: tsy hainy ny mandaingalainga, ny misoloky, ny manao fampianarana tsy ara-Baiboly...

I Jao 3,9
9 Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak'Andriamanitra.




4. bor2lais ( 09/02/2012 12:48)
lohateny:

AZO ATAO V NY MANOTA AO AMIN I KRISTY JESOSY?

Izany hoe : Misy ve ny "fahotana masina" ? :-)

Rehefa mamaky dia hay ity no tian'ny namana ahatongavana :
RBNIR:

HOY JESOSY TOMPO HOE IZAY NOMENA MAIMAI-POANA AOKA IZY HIZARA MAIMAI-POANA.
JEREO NAMANA ILAY FANDAHARANA AO AMIN'NY TELE JERY ISA-MARAINA ALAROBIA-SABOTSY AMIN NY 5 ORA MARAINA - 6 ORA MARAINA FA TAO NO NAHALALAKO FA KAY AZO ATAO NY MANAISOTRA NY OTA IZAY MAMPIHETSIKA NY FILAN-TSIKA REHETRA KA MAHATONGA AN-TSIKA HO ANDEVON NY OTA.

MISY IHANY KOA FANDRAHARANA MANOKANA NY ALATSINAINY MARAINA MANOMBOKA NY 13-02-2012 HO AVY IZAO KA DIA JEREO RY NAMANA ISANY FA TENA FAMONJENA HO AN-TSIKA.

IZAY NANDRAY ITY FAHASOAVANA ITY NO NANDRAY NY FAMONJENA NAMANA ISANY. ARY IZAY NANDRAY ITY FAHASOAVANA ITY NO TSY MAHAY MANOTA INTSONY FA I KRISTY NO VELONA AO


O ry ingahy mpitahiry vola ô, tsy voatery atao sora-baventy tahaka io ange ilay izy e ! ;-)

Vazivazy iny fa amiko tahaka ny fanafody izy io : io no mety amin'ny namana RBNIR (nahasitrana azy), saingy tsy voatery mahomby amin'ny sasany ka tokony hitandrina ihany amin'ny fampiasana azy ! Radidi izao milaza fa ny baiboly ihany no fanafodiny (fa tsy mila ny an'i RBNIR) ! :-) :-)
5. RBNIR ( 10/02/2012 05:11)
Faly miarahaba namana isany a!

Antso ho an'izay MINO sy TIA ny FIAINANA MANADRAK IZAY io ry namana isany a!
Mino ianao : FALY AHO! tsy mino ianao : MAMPALAHELO AHY!
Fantatro ny fanomezana nomen'i Jesosy Tompo ahy satria ato anatiko izany ankehitriny:
« Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo*.» (Lioka 17:21) Ny fahatanterahan'ilay TENY FIKASANA nampanantenaina ny olona ao amin'ny bokin'ny Ezekiela iry ambony iry io ry namana.
Misy hoy aho ny làlana (CHEMIN) ahatongavana amin'izany (izay ilay ampianariana ao amin'ilay fandaharana).
Mino ianao : FALY AHO! tsy mino ianao : MAMPALAHELO AHY!

Samy ho tahin'ny Tompo ry namana isany

6. didi10 ( 10/02/2012 06:27)
Namana RBNIR

Raha mino ianao rahalahy fa manana ny fampianarana avy amin'ny fahamarinana dia aza matahotra ny mitory izany, rehefa resy lahatra ny olona fa manana ny fahamarinana ianao dia izy no hanatona anao na ny fiangonana misy anao satria mangetaheta fahamarinana bebe kokoa izy.
Ny Baiboly no tokony ho reférence nao fa tsy i Pasteur Herinirina akory,
Raha tena te hamonjy ny fanahin'ny namana ianao dia aza asiana condition ohatr'izany hoe: ity misy lohahevitra dia izaho tsy hamaly fa tongava aty amin'ny fiangonanay, sahia mijoro amin'ny filazan-tsara namana.
Mahereza.
7. RBNIR ( 10/02/2012 07:21)

didi10:

Ny Baiboly no tokony ho reférence nao fa tsy i Pasteur Herinirina akory,

Misaotra betsaka anao namana,
Ary marina ny fanamarihanao saingy tsy mbola niteny mihitsy aho teto hoe ataovy reférence izy fa ny fantatro sy tsapako tsara koa dia manana fanomezam-pahasoavana tena tsara izy dia ny "FAHAIZANY MIZARA" ary amiko tsy henatra ny manetry tena manoloana izany satria tokana ny tanjona : FAMONJENA HO AN NY REHETRA.
Koa raha nahavonjy ahy ny fampianarany ireo zavatra rehetra izay nampianarin'i Jesosy Kristy Tomo azy, nahoana no tsy mba hahavonjy ny hafa koa??
Fa nozarazaraina ho samihafa ny fanomezam-pahasoavana.....

Ary raha eto aloha dia tsy ho ampy mihitsy satria sady forum koa anie ity e!

Samy ho tahin'ny Tompo namana
8. didi10 ( 10/02/2012 11:20)

RBNIR:


Ary raha eto aloha dia tsy ho ampy mihitsy satria sady forum koa anie ity e!



Manao excuse n-jazakely indray i RBNIR.

Tsy tsapanao ve fa rehefa tsy mifankahafantatra sy tsy mifankahita tava ny olona dia tsy matahotra mihitsy izy milaza ny heviny sy ny ao am-pony, mino aho fa efa betsaka ny olona na tsy mandray anjara aza ka mamaky itony forum itony dia voasarika hitodika amin'Andriamanitra sy hibebaka tokoa,
Maro ireo misalasala amin'ny lohahevitra iray fa eo amin'ny fomba fanehoan-kevitra sy ny ady hevitra no ahatsapany ny tena fahamarinana e!

Mahereza rahalahy fa matoa ianao mazoto mandray anjara eto dia tokony mampita ny fahamarinana nomena anao fa mety tsy hitovy amin'ny làlana nalehanao no entina hamonjena ny olona iray fa mety ho avy aminao mihitsy aza.
9. niryna ( 11/02/2012 20:57)
RBNIR:


IZAY NANDRAY ITY FAHASOAVANA ITY NO NANDRAY NY FAMONJENA NAMANA ISANY. ARY IZAY NANDRAY ITY FAHASOAVANA ITY NO TSY MAHAY MANOTA INTSONY FA I KRISTY NO VELONA AO ANATINY :
tsy azoko!
ahoana no andraisana ilay famonjena amin'ilay fahasoavana izay nomeny anao ?
ny ota anie dia ao amin'ny olona tsirairay e,ary efa samy nanota avokoa isika rehetra ka tsy mendry ny hiantso ny anaraNy akory.
fa ny hoe azo atao ve ny manota dia tsotra ny valiny.
Samy mangataka ary mivavaka isan'andro isika mba tsy ho tratry ny fakam-panahy,mangataka ny famelankeloka tahaka ny namelan'ny Tompo ny helontsika.Ka rehefa tonga kosa izany fakam-panahy izany dia ny mitodidoha amiNy no tokony ataontsika.Toa hafahafa be izany fampianarana azonao izany hoe tsy mahay manota intsony izany.Raha mbola velona eto an-tany koa isika dia tsy maintsy miaraka amin'ny nofo sy ny ra.Miady,miady hatrany mba tsy ho tratran'ny fakam-panahy fa na iza na iza(pasitera,monpera,olon'Andriamanitra dia mety handalo izany fakam-panahy izany avokoa ary tafiditra amin'izany koa isika) .


Nisy fiangonana izany tonga nitsidika taty aminay dia hoy ilay vadin'ilay pasitera taminay hoe: hatramin'izay niangonako tato dia tsy narary intsony,tsy nisy olana intsony ny fiainako,sns..Eny mety ho sitrana tokoa isika fa tsy hoe hatramin'izay nidirako tato amin'ity fiangonana ity aho dia tsy nisy olana intsony.Amiko izany dia lasa mitodi-doha amin'ny anaran'ilay fiangonana ilay olona fa ny anaran'i kristy izay nanasitrana azy,namonjy azy ho afaka tamin'ny fahoriana sy ny ota dia tsy hita fa takona.
Mila mitandrina isika fa misy ny anaran'ny fiangonana foana no jereny fa tsy ny fahasoavana azo avy tamin'i kristy . FA KRISTY NO NAHATOA IZAO AHY!

« Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. » (Ezekiela 36:25)
« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Ezekiela 36:26)
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:27)
aleloia ! Deraina anie ny anaraNy!


10. mirananirina ( 12/02/2012 15:55)
Mahagaga ahy ilay fanontaniana?

AZO ATAO V NY MANOTA AO AMIN I KRISTY JESOSY?


zany hoe raha tsy ao @ Kristy Jesosy zany dia afaka manota tsara???
11. RBNIR ( 13/02/2012 06:56)
mirananirina:

Mahagaga ahy ilay fanontaniana?

AZO ATAO V NY MANOTA AO AMIN I KRISTY JESOSY?

zany hoe raha tsy ao @ Kristy Jesosy zany dia afaka manota tsara???


Faly miarahaba namana,
Ny anton'ity lohahevitra ity dia satria misy ny kristianina mihevitra fa efa vitan'i Jesosy Kristy Tompo ny famonjena rehetra ka tsy mila miasa saina amin'izay hoe manota sy tsy manota intsony (manota = mandika ny lalàn'Andriamanitra satria ny ota no fandikana ny lalana hoy ny tenin'Andriamanitra ery ambony).

Izay tsy ao amin'ny kristy indray, : ka izy ary angeh efa tsy hovonjena noho n'ny tsy finoany e!
Saingy aza manahaka azy fa mba minoa e!
Saingy raha mino isika dia izay rehetra nolazainy dia hinoy avokoa fa aza ny sombitsombiny mampetimpety ny fiainanan-tsika ihany.

Mahereza fa tianao Jesosy Kristy Tompo

Samy ho tahin'ny Tompo namana

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6824