IZA NO MANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA?
![](https://avatar.serasera.org/d9b86bf2c5af2ec33d00a025ab6a43fa.jpg)
1. RBNIR
(
07/02/2012 13:55)
Hoy Jesosy Kristy Tompo :
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)
Dia hoy koa izy :
« Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio. » (Matio 21:28)
« Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. » (Matio 21:29)
« Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy. » (Matio 21:30)
« Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Matio 21:31)
Izay tsy ho tafiditra dia any ivelany izay voalaza fa fikotrohanify no miandry any.
Koa efa mba nandinitena v isika?? Nanao ny Sitrapony toy ilay lahimatoa Marina tokoa v?
Anjaran'ny tsirairay no mamantatra tsara ny tenany fa izaho dia mitaona hoe aza manao toy ilay faralahy izay manaiky am-bava fotsiny nefa tsy manantateraka.
Mamita-tena ny olona toy izany ary manao izay mampalahelo ny Rainy.
Samia tahin'i Jesosy Tompo ry namana isany

novalian'i Miharena ny 13/02/2012 04:02
![](https://avatar.serasera.org/ad4ad89e23794b07986b2839a6f04333.jpg)
2. bor2lais
(
07/02/2012 14:43)
RBNIR:
« Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Matio 21:31)
Izay tsy ho tafiditra dia any ivelany izay voalaza fa fikotrohanify no miandry any.
Ilay hoe "mialoha anareo" angaha RBNIR midika fa tsy ho tonga mihitsy ireo no-dépassé-na ? :-)
![](https://avatar.serasera.org/d9b86bf2c5af2ec33d00a025ab6a43fa.jpg)
3. RBNIR
(
07/02/2012 14:56)
[/quote]
Ilay hoe "mialoha anareo" angaha RBNIR midika fa tsy ho tonga mihitsy ireo no-dépassé-na ? :-)
[/quote]
Aza dia miraikiraiky namana a! isika tsy mahafantatra ny ampitso.
Raha tsy voasasa aingana koa anie ilay ankanjo namana dia mety ho tanteraka ihany koa ity e:
« Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy. » (Matio 22:12)
« Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. » (Matio 22:13)
Ary ny tena mampalahelo eto dia antsoina hoe "sakaiza" ihany ilay olona an.
Mahereza e, aza dia zatra misotro ronono fa mba tokony ho efa lehibe daholo amin'izay.
Tadidio fa natao hitombo ny olona fa tsy ho zaza trotroina eny foana namana.
Samy ho tahin'ny Tompo daholo

4. bor2lais
(
07/02/2012 15:20)
RBNIR:
Aza dia miraikiraiky namana a! isika tsy mahafantatra ny ampitso.
Miraikiraiky miohatra amin'iza kay ? Ndao fa làlana ary e ! :-)
RBNIR:
Raha tsy voasasa aingana koa anie ilay ankanjo namana dia mety ho tanteraka ihany koa ity e:
« Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy. » (Matio 22:12)
« Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. » (Matio 22:13)
Ary ny tena mampalahelo eto dia antsoina hoe "sakaiza" ihany ilay olona an.
Sûr ve RBNIR fa tsy nanasa ny akanjony ilay "sakaiza" tamin'io resaka io ? Ary Ilay "Akanjo" koa angaha mila sasana intsony rehefa tafiana ?
RBNIR:
Mahereza e, aza dia zatra misotro ronono fa mba tokony ho efa lehibe daholo amin'izay.
Tadidio fa natao hitombo ny olona fa tsy ho zaza trotroina eny foana namana.
Fa angaha tsy ny olona efa lehibe no antsoina hoe misotro ronono ? :-)
![](https://avatar.serasera.org/57d255e539572e27b60ab8098dea07e9.jpg)
5. Miharena
(
10/02/2012 07:59)
RBNIR:
Hoy Jesosy Kristy Tompo :
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)
Dia hoy koa izy :
« Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio. » (Matio 21:28)
« Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. » (Matio 21:29)
« Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy. » (Matio 21:30)
« Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Matio 21:31)
Izay tsy ho tafiditra dia any ivelany izay voalaza fa fikotrohanify no miandry any.
Koa efa mba nandinitena v isika?? Nanao ny Sitrapony toy ilay lahimatoa Marina tokoa v?
Anjaran'ny tsirairay no mamantatra tsara ny tenany fa izaho dia mitaona hoe aza manao toy ilay faralahy izay manaiky am-bava fotsiny nefa tsy manantateraka.
Mamita-tena ny olona toy izany ary manao izay mampalahelo ny Rainy.
Samia tahin'i Jesosy Tompo ry namana isany
Mamintina ny tokony tsy hanavakavahana ny olon-drehetra ity resaka ity RBNIR ary tokony ho fantatry ny Kristiana tsara izany. Matetika manko dia ny Krsitiana milaza fa izy irery no voavonjy fa ny hafa tsy izy avokoa. Ao amin'ny fombam-pivavahana Silamo koa dia ahitana io fomba fiheverana io. Ilay fomba fiheverana manilika ny hafa rehefa manohana antoko iray no tian'i Krsity mandrakariva tsiahivina amin'ny fanoharana toy itony satria Andriamanitra dia IRAY ao anatin'ny olon-drehetra ary raha tsy IZY tsy misy izao rehetra izao.
Mila alàna ao anatin'y olona ny fanavakavahana sy ny fiheveran-tena fa avo noho ny hafa.
![](https://avatar.serasera.org/385a2f54f5dcabbb1dac574563a54b10.jpg)
6. didi10
(
10/02/2012 12:36)
Mamintina ny tokony tsy hanavakavahana ny olon-drehetra ity resaka ity
Tsy hanavakavahana ahoana moa?
Rom 8,9
Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy.
Misy ny an'i Kristy, misy ny an'i devoly rainy koa mitovy ahoana moa?
42 Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy hianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako aty; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy. 43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko hianareo. 44 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao.
![](https://avatar.serasera.org/57d255e539572e27b60ab8098dea07e9.jpg)
7. Miharena
(
11/02/2012 09:49)

Eo indrindra isika no mila mamantatra hoe aiza ho aiza ny tena fototra azo raisina amin'io teny io. Ireo olona izay niresahan'i kristy dia mazava fa manao an'Andriamanitra ho rainy nefa tsy tia an'i Kristy. Izany hoe tsy Andriamanitra izany no mibaiko azy fa izay lova azony tamin'y fampianaran'i Satana tamin'izany fotoana izany. Midika tsy fahatomombanan'ny fahalalana ao anatin'izy ireo no tian'i Krsity lazaina.
Ary Izy dia tonga hiantso ny mpanota fa tsy ny marina, ka rariny raha novakiana bantsikana toy izao ny zava-misy.
Tsy hijanona ho ao anatin"ny tsy fahatsiarovan-tena mandrakariva anefa ny olombelona ka raha tanteraka izay dia ho fantany fa zava-poana ihany ny nanvakavahana ny olona lazaina fa tsy mitovy hevitra amn'ny tena.
Raha toa izao i Hitler any am-paradisa ka mifanena aminao satria izay no sitrapon'Andriamanitra, dia hilaza ve ianao hoe izaho efa natao batisa sy ny sisa ary nanompo mandrakariva nefa ve dia hitovy amn'i Hitler ny fahasoavana omen'Andriamanitra ahy?
Tsy tokony hanantena tombony isika krsitiana satria iray ihany ny olon-drehetra no tanjon'i Kristy. Ny fiarahamonina nateraky ny fahadisoana no nampisy ny tombo sy hala ka nahatonga izao zavamisy rehetra hitantsika izao izay fitambaram-ben'ny tsy fahalavorariana.
Ka ny manitrikitrika fa misy fiavahany ny toetran'ny olombeona dia eo amin'ny sehatry ny fiarahamonina sy fotopisainana ihany fa ny singa mandrafitra ny maha-olona araka ny nanaovan'Andriamanitra azy dia tsy ho afaka ao aminy mihitsy.
![](https://avatar.serasera.org/51c1cfe086eab694296a5eecd04296f0.jpg)
8. niryna
(
11/02/2012 21:16)
RBNIR:misaotra anao.
Hoy Jesosy Kristy Tompo :
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)
Izay mihitsy ilay izy ,tsy ny fiangonana ,na ny fombafomba ,na ny hoe tsy maintsy manao izao sy izao isika no ahazo famonjena fa izay rehetra mametraka ny fiainany ho eo amin'Atra.
Hoy ny Tompo hoe Izaho sy ny Ray dia iray ihany koa apetraho eo am-pelantanan'ny Tompo ny fiainantsika fa izay rehetra mitady Azy dia ahita tokoa.
![](https://avatar.serasera.org/e07b1b7be8d70583fc85adcfdbfc5bfb.jpg)
9. mirananirina
(
12/02/2012 15:59)
Izao ange lay mahagaga ahy mht @ baiboly eh??
zany hoe lasa any @ fanjakan'ny lanitra ve izany izy ireo sa lasa aiza???Dia raha lhl janga zany toa tsy hita hoe ahoana lol
Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Matio 21:31
zany hoe lasa any @ fanjakan'ny lanitra ve izany izy ireo sa lasa aiza???Dia raha lhl janga zany toa tsy hita hoe ahoana lol
![](https://avatar.serasera.org/57d255e539572e27b60ab8098dea07e9.jpg)
10. Miharena
(
13/02/2012 04:02)
???Dia raha lhl janga zany toa tsy hita hoe ahoana lol
Eto isika dia mahita hoe ny baiboly dia isan'ny ahitana taratra ny fiarahamonina tamin'ny fotoan'androny iizay ny lehilahy no manjaka. Noho ny fahalavoan'i Eva angamba no isan'ny nahatonga izany fanavahana izany. Efa ravan'i Krsity anefa izany aty aoriana saingy mahagaga fa mbola mitohy ao amin'ny fomba fitenenana ihany ny vehivavy janga teo am-bavan'i Kristy. Aoka angaha lazaina hoe mahafoaka ny rehetra na lahy na vavy io resaka fijangajangana io raha ara-piarahamonina fa raha ara-panahy dia oharina toy ny vehivavy madio ny olon-drehetra mahitsy fo fa izay mibiloka noho ny fitarihan'ny saina tsy mitombina tsara dia oharina toy ny vehivavy janga.
Ny fototra mahatonga fitsarana hoy aho dia ny fahadisoana atao eo amin'ny fiarahamonina izay mifototra hatrany amin'ny fandikan-dalàna napetraky ny fiarahamonina. Fa ny ara-panahy kosa dia misy lalany hafa mihitsy izay nilazan'Andriamanitra hoe : ny lalako sty lalanareo. Dia mila mitady io LALAN'Andriamanitra io isika tsirairay ary ataoko fa tsy sarotra ny mitady azy satria ao am-po ny lalaNY fa tsy ao an-tsaina voavolavolan'ny fiarahamonina.
Efa voalaza hoe : hisy hilaza fa aty na eroa ny Tompo, aza mino ireny fa ny Tompo dia ao ampontsika tsirairay avy. Ny fiamgonana dia mila mitandrina amin'ny fampianarana amin'io teny io satria azo antoka fa ny ankamaroany, indrindra ny sekta dia zary manao ny fampianarana hoe aty ihany no misy ny Tompo fa tsy any amin'ny hafa. Misambo-drivotra ny olona mankany amin'izany fiangonana izany fa lazaiko marina aminareo. Fa ny Tompo dia ao am-po.
Dia miverina amin'ny lohahevitra hoe iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra? isika : Izay olona mampianatra ny hafa fa ao am-po IZY no manao ny sitrapon'Andriamanitra fa ireo izay mandrirotra toetoe-piarahamonina hatao ho fahamarinana tanteraka no manao ny fanaon'izao tontolo izao.