Hoy ny soratra masina

1. guett_haa ( 06/02/2012 19:14)
Matahora an'Andriamanitra ka omeo
voninahitra izy fa tonga
ny andro fitsarany
répondu par Miharena le 08/02/2012 10:41
2. RBNIR ( 07/02/2012 07:56)
3. didi10 ( 07/02/2012 09:39)
Tsara ny Tompo

Miarahaba ny namana rehetra

Misy zavatra tena nampangorintsina ahy ry namana raha sendra nitady teny iray tao amin'ny Testamenta vaovao aho tamin'ny Baiboly Konkordansa:
- Miverina 154 isa ny teny hoe famindram-po ao amin'ny testamenta taloha
- Tsy misy na iray aza ao amin'ny testamenta vaovao.

Ary teo vao tena azoko ny fanoharan'i Jesosy momba ireo mpiasa tanimboly nihaza sy nidaroka izay rehetra iraka avy amin'ny mpampiasa azy nefa mbola namindrany fo hatrany, kinanjo rehefa ny zanany lahy mihitsy ny nirahiny dia vao mainka novonoin'iretsy mpiasa, (Matio 21 33-44) izany ry havana dia mbola porofo iray hanamarinana fa tsy hisy famindram-po velively ho an'ny mpanota tsy mibebaka tao aorian'ny nahafatesan'i Jesosy satria efa ny zanany lahitokana no natao sorona ka novonointsika tamin'ny fahotantsika, ka lozan'izay mbola mieritreritra fa Andriamanitra ve tsy hamindra fo amiko fa mba tsy tena mpanota be aho, mba manao soa ihany indraindray, mba mivavaka ihany aho isankerinandro sns....
Efa akaiky ny farany ry namana fa mibebaha dieny mbola tsy tara.
AMENA
4. bor2lais ( 07/02/2012 13:08)
guett_haa:

Matahora an'Andriamanitra ka omeo voninahitra izy fa tonga ny andro fitsarany

- tsara ampiana ihany angamba hoe Apokalypsy 14.7a ! ;-)

- Amiko manokana : atao hoe na tonga ny andro fitsaraNY na tsia dia tokony hatahotra sy hanome voninahitra Azy mandrakariva isika ! Izany hoe tsy ny fahatongavan'io andro io akory no atao "condition" fa na ny famonjena (sy ny fahasoavana) izay noraisina tamiNY ihany aza dia mendrika izany ! Sady toa fiandoham-pahendrena ange izany fatahorana Azy izany e ! :-)
5. RBNIR ( 07/02/2012 13:42)
bor2lais:

AMEN!
6. Miharena ( 08/02/2012 10:41)

Tsara ny Tompo

Miarahaba ny namana rehetra

Misy zavatra tena nampangorintsina ahy ry namana raha sendra nitady teny iray tao amin'ny Testamenta vaovao aho tamin'ny Baiboly Konkordansa:
- Miverina 154 isa ny teny hoe famindram-po ao amin'ny testamenta taloha
- Tsy misy na iray aza ao amin'ny testamenta vaovao.

Ary teo vao tena azoko ny fanoharan'i Jesosy momba ireo mpiasa tanimboly nihaza sy nidaroka izay rehetra iraka avy amin'ny mpampiasa azy nefa mbola namindrany fo hatrany, kinanjo rehefa ny zanany lahy mihitsy ny nirahiny dia vao mainka novonoin'iretsy mpiasa, (Matio 21 33-44) izany ry havana dia mbola porofo iray hanamarinana fa tsy hisy famindram-po velively ho an'ny mpanota tsy mibebaka tao aorian'ny nahafatesan'i Jesosy satria efa ny zanany lahitokana no natao sorona ka novonointsika tamin'ny fahotantsika, ka lozan'izay mbola mieritreritra fa Andriamanitra ve tsy hamindra fo amiko fa mba tsy tena mpanota be aho, mba manao soa ihany indraindray, mba mivavaka ihany aho isankerinandro sns....
Efa akaiky ny farany ry namana fa mibebaha dieny mbola tsy tara.
AMENA

Manao fanavahana roa mazava moa Didi10 eto saingy ny zavatra iray izay azo hazonina indrindra amin'ny fampianaran'i Kristy dia ilay hoe Izaho sy ny Ray dia iray ihany. Ka raha be famindram-po ny Ray, Krsity ve ambakan'izany? indrindra moa fa na nofantsihana aza dia nilaza hoe : avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony.

Ny fitsaran'Andriamanitra dia tsy miompana amin'ny sazy amiko satria inona moa no soa azo avy amin'ny sazy? Tsy hihemotra ve ny fivoaran'ny fiainana raha mifototra amin'izany hatrany ny fitaizana?
Ohatra velona i Kristy izay namela heloka izay namantsika Azy. Ny ho avy no banjinina fa tsy ny lasa ratsy no hiverenana ary izay no atao hoe mibebaka. Miala tanteraka amin'y fisainana rats yrehetra efa tao anaty hatrizay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0577