Certificat médical

1. didi10 ( 06/02/2012 11:21)
Tsara ny Tompo

Mahalasa saina ahy ry namana ity fanoharana iray izay nataon'ny Mpitandrina iray ity.

Fantatsika hoy izy fa misy fitsarana miandry antsika aorinan'izao fiainana mandalo izao, manao ahoana hoy izy raha misy olona voaratran-tsika ka maka certificat médical eny amin'ny hopitaly; tsy ho arakaraky ny halavan'ny ny fetrandro tokony hitsaharan'ilay olona maratra no hampavesatra ny sazintsika sy ny onitra halohantsika aminy rehefa tonga ny fitsarana?

Tonga dia ho tsapanao avy hatrany fa lojika raha avarina any amin'ny farihy mirehitra afo avy hatrany hianao raha asehon'i Jesosy eo amin'ny Fitsarana ny Certificat Médical ny tamin'ny nanombohanao azy teo amin'ny hazo fijaliana, nadefonanao azy noho ny fahotanao.

Andriamanitra ry havana dia manantena antsika hamoa voa mendrika ny fibebahana (Mat 3,8), manao ahoana moa ny loza miandry ireo olona namono ny zanaky ny tompon'ny tanimboaloboka ao amin'ny fanoharana nataon'i Jesosy? (Matio 21 33-41)

Dia mbola ho sahinao ihany ve ry namana no milaza fa:
- Tsy ilaina intsony ny fibebahana, ny fanadiovana ny fahotana amin'ny ràn'i Jesosy Kristy
- Tsy misy ny farihy mirehitra afo misy ny fahaverezana mandrakizay?

Ny tombon'andro ahafahanao miaina androany sy rahampitso ry namana dia famindram-po avy amin'Andriamanitra mba hahafahanao miverina aminy, aza miandry intsony mibebaha.
novalian'i Miharena ny 29/02/2012 11:53
2. mirananirina ( 06/02/2012 13:55)


Tonga dia ho tsapanao avy hatrany fa lojika raha avarina any amin'ny farihy mirehitra afo avy hatrany hianao raha asehon'i Jesosy eo amin'ny Fitsarana ny Certificat Médical ny tamin'ny nanombohanao azy teo amin'ny hazo fijaliana, nadefonanao azy noho ny fahotanao.

Andriamanitra ry havana dia manantena antsika hamoa voa mendrika ny fibebahana (Mat 3,8), manao ahoana moa ny loza miandry ireo olona namono ny zanaky ny tompon'ny tanimboaloboka ao amin'ny fanoharana nataon'i Jesosy? (Matio 21 33-41)


Io dia tena mbola mahatalanjona ahy mht h@ izao??Misy tokoa ve ny afobe??De nahoana ireo lazaina fa mpanota no hoany @ afobe??Zany hoe mamono olona koa ve Atra satria hoe mpanota ireo???Izay ny finoantsika sy nampianarina atsika!Raha jereny ny baiboly dia betsaka tokoa ny olona maty taloha fa hoe manota,oh: Noé,ry Samson sns.....De hoe avy @ Atra ve ny naono ireny olona ireny eh???Toa tsy mino izany ny saiko
3. Miharena ( 06/02/2012 14:32)
Manomboka hita tokoa hoe manjary maro be ireo fiangonana tsy mampianatra afa-tsy izay resaka fitsarana sy sazy any aoriana any ary mapiteraka tahotra ho an'ny olombelona mihaino azy. Lasa zary rava ny fanomezan-toky voazara ao anaty Baiboly amin'io fandroritana ireo fahaverezana hihatra ireo.

Asa rahoviana marina no hiova tanteraka ny fampianaram-pinoana ka hifototra amin'ny maha-zanak'Andriamanitra fotsiny ihany ka hiara-paly ny rehetra haneho ny talenta ao anatiny avy ami'ny androm-piainany.

Raha hiverina kely amin'ilay clohahevitra dia milaza izy ao ny momba ilay zanaky ny tompon'ny tanimboaloboka. Raha nofatsihana i Kristy dia nilaza mazava hoe: Ray o! mamela ny helony fa tsy fantany izay ataony!

Alaivo sary an-tsaina hoe ilay nomena ny fahefana rehetra no miteny izany.

Ka sao tokoa aza tsy Ilay niteny io no Krsity toriana ary tsy Ilay Ray be famindram-po no toriana ankehitriny fa ny hetraketraka izay fantatra fa vokatry ny fitak'i Satana?

Hou Kristy izay hoe : n fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka. Marina io satria raha fandoto hatrany no toriana, aiza intsony ilay fandio?
4. didi10 ( 06/02/2012 14:37)
Misaotra anao namana Mirananirina

Mba matahora an'Andriamanitra isika ry namana, aoka asehoko anao hoe manao ahoana izany fahatezeran'Andriamanitra izany dia ho fantatrao fa misy ny afobe na tsia.

Isaia 5 8-25
Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no hisandratra amin'ny fitsarana,
Ary Andriamanitra masina dia hiseho ho masina amin'ny fahamarinana.
17 Ary ny zanak'ondry hikania toy ny eny amin'ny tany fiandrasana azy ihany;
Ary ny tany foana izay nipetrahan'ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.
18 Lozan'izay mitari-keloka amin'ny kofehin'ny faharatsiana
Ary mitarika ota toy ny amin'ny mahazakan-tsariety,
19 Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika,
Ary aoka izay kasain'ny Iray Masin'ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika!
20 Lozan'izay milaza ny ratsy ho tsara ary na tsara ho ratsy!
Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina!
Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!
21 Lozan'izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina!
22 Lozan'izay fatratra nefa amin'ny fisotroan-divay ihany,
sy izay kanto* nefa amin'ny fampiharoharoana toaka ihany! [Heb. mahery]
23 Ary izay manamarina ny meloka noho ny kolikoly
sy manala ny rariny amin'ny marina!
24 Koa toy ny fandevonan'ny lelafo ny mololo,
ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda,
dia toy izany no hahalovan'ny fakany sy hijofoan'ny voniny hanjary vovoka,
satria efa nandà ny lalàn'i Jehovah, Tompon'ny maro izy
Sy nanamavo ny tenin'ny Iray Masin'ny Isiraely.
25 Koa izany no irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny olony
Sy aninjirany ny tànany aminy ka amelezany azy;
Dia mihorohoro ny tendrombohitra,
Ary ny fatin'ny olona dia tonga tahaka ny diky eny an-dalambe.
Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany,
Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.

kanefa

Tantara II 30 9-25
9 Fa raha miverina amin'i Jehovah hianareo, dia hahazo famindrampo eo anatrehan'izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin'ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy hianareo.

Mahereza namana, mibebaha, ary mbola averiko ihany fa ny tombon'andro omen'i Jehovah anao dia faindram-po ahafahanao mangatam-pamelana amin'ny alalan'ny ran'i Jesosy Kristy maty ho anao teo amin'ny hazo fijaliana.
5. didi10 ( 06/02/2012 14:47)
Namana Miharena

Tim II 4 : 3-4
6. RBNIR ( 06/02/2012 14:51)
[/quote]
Io dia tena mbola mahatalanjona ahy mht h@ izao??Misy tokoa ve ny afobe??De nahoana ireo lazaina fa mpanota no hoany @ afobe??Zany hoe mamono olona koa ve Atra satria hoe mpanota ireo???Izay ny finoantsika sy nampianarina atsika!Raha jereny ny baiboly dia betsaka tokoa ny olona maty taloha fa hoe manota,oh: Noé,ry Samson sns.....De hoe avy @ Atra ve ny naono ireny olona ireny eh???Toa tsy mino izany ny saiko
[/quote]
Faly miarahaba Namana miranirina,

Andriamanitra dia tsy hita maso, ary noho izany dia maro ny olona no tsy mino ny fisiany ka tsy mandraharaha izay sitrapony,

Hoy anefa Izy indray andro tamin'ny olona (niteny tamin'ny alalan'ny mpaminaniny Isaia Izy tamin'izay) « Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony. » (Isaia 7:11)
Nasainy nangataka famantarana ny olona.

Saingy.....hoy ny olona tamin'izany « Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah » (Isaia 7:12)
Tsy sahy nangataka ny olona satria natahotra ny haka fanahy an'Andriamanitra

Dia Andriamanitra no voatery nanome ny famantarana ho an-tsika :
« Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ? » (Isaia 7:13)
« Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra] » (Isaia 7:14)
Io no famantarana nampanantenain'Andriamanitra ny olona : Hanan'anaka ny virijiny ka hiteraka.

Dia tanteraka tokoa io fanomezana famantarana io taty aoriana namana :« Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: » (Matio 1:22)
« Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. » (Matio 1:23)

Io famantarana io dia tsy inona fa : « ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany.» (Matio 1:21)
I Jesosy namana no famantarana nomen'Andriamanitra an-tsika.

Nirahina hanao famantarana lehibe sady marobe Jesosy hanamporofoana fa tena misy tokoa Andriamanitra (Jereo ny boky Matio, Marka, Lioka ary Jaona) ao amin'ny testameta vaovao ao amin'ny Baiboly Masina fa ao no nanoratana ireo asa lehibe rehetra nataony.

Ary lehibe dia lehibe tokoa izany asa sy famantarana izany ka izay no mahatonga ny tantaran'i Jesosy mbola voarakitra foana na dia efa 2000 taona lasa aza izany rehetra izany.
Ataoko angamba fa ny ankamaroan'ny olona dia mahafantatra izany daholo ankehitriny.

Ireto avy anefa no tena antony nanirahana an'i JEsosy tety ka nanaovany ireny famantarana lehibe ireny :
1- Hoy Izy ao amin'ny Mat.7:21 « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. »
Antony voalohany : Hitaona ny olona rehetra mba hanao ny Sitrapon'Andriamanitra mba hahazoan'ny olona hiditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

2- « Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. » (Matio 11:21)
Araka io teny io dia ny mba hibebahan'ny olona no tena antony faharoa nanaovana ireny famatarana lehibe ireny.

Ireo ihany no antony nanirahana an'i Jesosy Tompo tety an-tany namana,
Ampahafantarana ny olona fa dia MISY TOKOA Andriamanitra ka tokony HIBEBAKA sy HANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA avokoa ny olona rehetra.

Tsy misy antony hafa fa ireo ihany.

Fa maninoa tokoa moa? Satria hoy Jesosy Tompo :
« Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy; » (Matio 25:31)
« Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; » (Matio 25:34)
« Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny; » (Matio 25:41)
« fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; » (Matio 25:42)

Araka ireo teny nataon'i Jesosy Tompo ireo dia ho avy ny fotoana mbola hiverenany indray ka hisy FANAVAHANA LEHIBE SADY MAHATAHOTRA AMIN'IZAY,

Ny zava-doza dia ny anjaran'ireo izay voahavaka ho eo an-kaviany. AFO MAHARITRA MANDRAKIZAY NO ANJARA HO AZY.
Afo maharitra mandrakizay izay tsy natao ho an'ny olona tamin'ny voalohany fa hoe ho an'ny devoly sy ny anjeliny ihany, saingy taty aoriana dia voatendry hanana anjara any koa ny olona rehefa tsy MIBEBAKA SY MANAO NY SITRAPON ANDRIAMANITRA.

Minoa izay nolazain'i JEsosy Tompo namana ka hinoy ny fisian'ny Afo maharitra mandrak'izay.

Tian-tsika Jesosy ,
Ankehitriny dia mitaona an-tsika rehetra aho HIBEBAKA SY HANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA.

Samy ho tahin'ny Tompo namana







7. RBNIR ( 06/02/2012 14:59)
Miharena:

Manomboka hita tokoa hoe manjary maro be ireo fiangonana tsy mampianatra afa-tsy izay resaka fitsarana sy sazy any aoriana any ary mapiteraka tahotra ho an'ny olombelona mihaino azy.

Faly miaraha namana,

Satria dia tena izay ihany no antony nanirahana ny zanakon'Andriamanitra tety namana,
Vakio tsara io hafatra nalefako ho an'ny naman-tsika mirananirina io namana.
Izay no Marina : ary ny Marina tsy azo afenina fa lozan-tsika raha manafina izany isika.
« Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho! » (1 Korintiana 9:16)

Samy ho tahin'ny Tompo namana


8. Miharena ( 06/02/2012 15:38)
Tim II 4: 3-4:
3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama]
4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano.


Misaotra an'i Didi10 nanome io andininy io ary araraotina izany hizarana ihany koa/

Ilay anganongano no aoka avy hatrany dia asiana teny satria mazava fa izay miankina amin'izany dia miankina amin-java-tsisy fijoroany tokoa. Izay no ilazana matetika ny amin'ny fanavahana ny atao hoe rafitra sy ny atao hoe FOTOTRA efa zaraina ato matetika.

Raha ny Baiboly dia mazava fa misy rafitra ao ary misy FOTOTRA. Io rafitra io dia mety miova arakaraka ny vanim-potoana fa ny FOTOTRA dia tsy miova mandrakizay.

Koa aleo omena ohatra iray isika ahafahantsika hilaza hoe rehefa manao ahoana no misy mampangidihidy sofina ka lasa mifidy mpampianatra araka ny filany:

Raisintsika avy hatrany ny teny hoe : manaova batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Raha raisina amin'io teny io dia manam-pinoana ny olona satria ao amin'ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Ny fomba fanaovana azy kosa anefa dia niova rehefa nandeha ny vanim-potoana ka raha i Jaona Mpanao Batisa no nanao azy dia nirobo-drano na renirano, raha ny Kritiana taty aoriana no nanao azy dia nampitete rano na nampisy dobo teo amin'ny alitara. Raha Kristy no manome toro-lalana dia hoy IZY hoe Raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy ary araka ny Tenin'i Jaona Mpanao Batisa hoe : ho avy izay aoriako ka hanao batisa amin'ny Fanahy.

Rehefa tena zohian izay tena FOTOTRA amin'ireo dia dia ity farany ary tsy manan-danja intsony ireo fomba fanaovana azy satria ny TENY FOTOTRA dia ara-panahy avokoa fa tsy ara-materialy na ara-pomba.

Ka ny olona mangidihidy sofina dia ireo izay mitana ilay fombafomba ka raha tonga ny olona iray ka hitany fa tsy manaraka ilay fomba niheverany azy dia tafintohina tokoa izy. Eto dia ny fahalalàna ilay fomba no manafintohina azy. Fa ny FOTOTRA dia lazainy fa rava vao manaraka fomba hafa ny fanatontosana azy na dia mibaribary aza fa mitovy tsy misy valaka fa teny iray ihany ny FOTOTRA niorenan'ireo fomba samihafa ireo.

Koa tsara ny mitory fa ny mitory ny FOTOTRA no tena tsara kokoa noho ny mitory ny fombafomba mba hahafahan'ny hitoriana mahalala ny vontoatiny tiana hampitaina.

Ahoana moa hoy Kristy? raha ny masonao no manafintohina anao dia esory hiala aminao izany satria aleo tsy manana maso roa nefa miditra ny fanjakan'ny lanitra toy izay very amin'ny masonao tazoninao ianao.

Fehiny: Miteraka fanafintohinana tohivakana ny tsy fananana fandeferana eo amin'ny fombafomba fanao ka nilazan'i Kristy hoe aza mitsara mba tsy ho tsaraina. Mila manana fahalalàna FOTOTRA ary mahay manavaka tsara izany avy ao anaty Baiboly mba tsy ho verin'ny fombafomba fanao ny ezaka fitoriana atao sy ny fijoroan'ny fanahin'ny tena amin'ny finoana marina izy zava-panahy fa tsy zavatry ny nofo.
9. Miharena ( 06/02/2012 16:38)

Miharena
Manomboka hita tokoa hoe manjary maro be ireo fiangonana tsy mampianatra afa-tsy izay resaka fitsarana sy sazy any aoriana any ary mapiteraka tahotra ho an'ny olombelona mihaino azy.




RBNIR:

Faly miaraha namana,

Satria dia tena izay ihany no antony nanirahana ny zanakon'Andriamanitra tety namana,
Vakio tsara io hafatra nalefako ho an'ny naman-tsika mirananirina io namana.
Izay no Marina : ary ny Marina tsy azo afenina fa lozan-tsika raha manafina izany isika.
« Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho! » (1 Korintiana 9:16)


Ianao moa RBNIR dia manitrikitrika fa izay tokoa no nahatongavan'i Kristy teto an-tany nefa milaza indray ianao hoe fa lozako raha tsy mitory ny Filazan-tsara aho.

Aoka ho raisina ilay hoe Filazan-tsara tokoa fa tsy ilay tahotra no voizina. Asa aloha ny fandraisana izany Filazan-tsara izany na misy ratsy ao na tsia satria ny fahafantarako an i' Kristy dia mampahafantatra ahy fa manana Ray niandohana aho ary tsy misy afa-tsy izay ihany fa ny sisa dia fitaka avokoa izay adika koa hoe izao tontolo izao.


10. didi10 ( 07/02/2012 10:01)

Miharena:


Ahoana moa hoy Kristy? raha ny masonao no manafintohina anao dia esory hiala aminao izany satria aleo tsy manana maso roa nefa miditra ny fanjakan'ny lanitra toy izay very amin'ny masonao tazoninao ianao.

Fehiny: Miteraka fanafintohinana tohivakana ny tsy fananana fandeferana eo amin'ny fombafomba fanao ka nilazan'i Kristy hoe aza mitsara mba tsy ho tsaraina. Mila manana fahalalàna FOTOTRA ary mahay manavaka tsara izany avy ao anaty Baiboly mba tsy ho verin'ny fombafomba fanao ny ezaka fitoriana atao sy ny fijoroan'ny fanahin'ny tena amin'ny finoana marina izy zava-panahy fa tsy zavatry ny nofo.


toy izay very amin'ny masonao tazoninao ianao.

Mba lazao hoe ry miharena hoe inona no fampianarana fototra amin'io teny io?
Fa ngaha moa ny anareo misy very indray sa inona indray no dikan'ilay hoe very eto?

11. Miharena ( 07/02/2012 17:11)
Ilay very lazaina eto dia izay mifandraika amin'ny maha-nofo izay fikirina nefa tsy manome ny tena aina ara-panahy.

Safidy anefa ny fiainana izany zavatra izany fa ny maha-zanak'Andriamanitra dia mitoetra hatrany satria raha tsy misy IZY tsy misy ny olombelona.
12. didi10 ( 08/02/2012 06:18)

Miharena:

Ilay very lazaina eto dia izay mifandraika amin'ny maha-nofo izay fikirina nefa tsy manome ny tena aina ara-panahy.

Safidy anefa ny fiainana izany zavatra izany fa ny maha-zanak'Andriamanitra dia mitoetra hatrany satria raha tsy misy IZY tsy misy ny olombelona.


Mat 5 : 29
29 Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao; ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny helo.

Dia milaza ve ianao fa tsy manodina ny lazain'ny Tenin'Andriamanitra? milaza fa tsy misy ny helo?
13. Miharena ( 08/02/2012 10:12)
Ilay tsy fisianrny helo anie tsy izaho loatra no milaza azy hoy aho fa Jesosy e! Dia tsy maintsy hilaza indray ianareo hoe efa voasoratra fa hisy Krsity hafa hiseho amin'ny AnaraNY araka ny voalazan'ny Baiboly.

Misy fivoarana ny fiainan'olombelona sy ny fanehoana ny fahamarinana araka ny nilazan'o Jesosy tamin'ny Mpianany fahiny hoe: mbola manana zavatra maro lazaina aminareo Aho saingy mbola tsy zakanareo izany ankehitriny. Ka raha aty aoriana no milaza IZY fa io ilay zavatra tiaNY lazaina amin'olombelona hoe ao anaty ihany ny helo sy ny afobe na ny Devoly dia tsy ho zakan'ny olona tokoa satria toa antsika izay milaza fa ny Baiboly ihany no marina ary ny voasoratra ao dia misy ny helo.

Efa any amin'ny resaka momba ny famelabelarana izany fahamarinana voalazan'i Kristy izany indray moa izy ity fa sao dia lasa mivoana amin'ny lohahevitra nosokafanao teto indray Didi10.
14. didi10 ( 08/02/2012 11:05)
Fibebahana no lohahevitra eto ka noho izany tsy afaka misaraka amin'izany ny resaka Helo sy Paradisa.

Miala tsiny aho namana Miharena fa ilay Jesosy ivavahako tsy nanafoana ny helo sy ny demonia velively, hafa angamba ny Baiboly ampiasainao fa tsy mitovy ny ahy,

Atolotro ho anao manokana ity teny ity ry namana:
Apok 2 4-5
4 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany hianao. 5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jirona hiala amin'ny fitoerany; raha tsy mibebaka hianao.

15. Miharena ( 08/02/2012 12:16)

Apok 2 4-5
4 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany hianao. 5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jirona hiala amin'ny fitoerany; raha tsy mibebaka hianao.

Misaotra anao manome andinin-tSoratra Masina fa mba milaza ny hevotro koa aho aloha amin'io Teny io:

Ny Fitiavana voalohany dia ny maha-zanak'Andriamanitra, dia ny maha-kristy antsika tsirairay avy.
16. didi10 ( 28/02/2012 13:10)

Miharena:

Ny Fitiavana voalohany dia ny maha-zanak'Andriamanitra, dia ny maha-kristy antsika tsirairay avy.


Aza atao bambaray kosa aloha ny olombelona rehetra e, lainga ny fitenenana fa zanak'Andriamanitra avokoa ny olombelona rehetra. Avahan'ny Soratra Masina tsara ny an'Andriamanitra sy ny tsy Azy.

Rom 8, 9
9 Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy.
17. Miharena ( 28/02/2012 14:41)
Ilay manavaka mihitsy Didi10 no hitako hoe misy mandringa rehefa mitory isika Kristianina.Toy ny olona mitsipaka izay lazainy eny am-piandohana isika rehefa mitompo teny fantatra fa tsy AZY ny hafa lazaina fa tsy manana AZY.

Tsy isika ihany ve no milaza fa IZY no namorona izao rehetra izao ary raha tsy misy IZY tsy misy izao Hary rehetra izao?

Ny olombelona rehetra dia manana ilay FOFON"AIN'Andriamanitra avokoa ary tsy misy an-kanavaka fa ny fomba fisainan'ny tsirairaiy fotsiny no tsy feno ao AMINY.

Azo lazaina fa andalam-pianarana avokoa isika tsirairay avy nohariany fa tsy misy very na iray aza rehefa tonga ny fotoana voatendry hifohazantsika tsirairay araka ny fotoanany avy.

Mety hilaza indray ianao hoe ka ny Baiboly no milaza izany fa tsy ianao. Marina ny teninao fa saingy mila jerena hoe hatraiza ny fetran'ny tenin'ny Baiboly eto: Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy.. Misy resaka raha ao anatin'io fehezanteny io izay midika fotoana izay azo lazaina hoe ampahany eo amin'ny fiainan'ny olona iray. Ny fiainan'ny olona anefa dia an'Andriamanitra ka tsy misy iray nateraka tsy hanana ny FanahiNY fa ny fahatsiarovana izany no samy manana ny azy araka ny fe-potoana itomboany avy.
18. didi10 ( 28/02/2012 15:15)
Aza avilana ny tenin'Andriamanitra ry Miharena aleo omeko dika teny amin'ny teny frantsay ianao dia hazava aminao fa ny raha = si = condition

Louis Segond Bible (1910)
Pour vous, vous ne vivez pas selon la chair, mais selon l'esprit, si du moins l'Esprit de Dieu habite en vous. Si quelqu'un n'a pas l'Esprit de Christ, il ne lui appartient pas.

Darby Bible (1859 / 1880)
Or vous n'étes pas dans la chair, mais dans l' Esprit, si du moins l' Esprit de Dieu habite en vous; mais si quelqu'un n'a pas l' Esprit de Christ, celui-là n'est pas de lui.

Ny condition si dia miteraka "possibilité" maromaro, izay midika fa rehefa tsy A dia mety ho B na mety ho C, dikany: misy ny manana ny fanahiNY misy ny tsy manana.
19. Miharena ( 29/02/2012 11:53)

Ny condition si dia miteraka "possibilité" maromaro, izay midika fa rehefa tsy A dia mety ho B na mety ho C, dikany: misy ny manana ny fanahiNY misy ny tsy manana


Tsy mitsipaka ny maha-mpamorona izao rehetra izao AZY ve izany ry Didi10 ? Fofon'ain'iza no nanamboarana ireo olombelona?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0478