SALAMO 139: AIZA NO HANDOSIRAKO TSY HO EO ANATREHANAO ?

1. niryna ( 06/02/2012 05:24)
Jehovah O ! Efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy. Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako. Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.Voadinikao ny toetro,na mandeha aho ,na mandry. Sady fantatrao tsara ny alehako rehetra.Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin'ny lelako, Jehovah o. Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao.Ary apetrakao amiko ny tànanao. Fahalalana mahagaga ahy loatra izany,
ka ambony lavitra noho izay mety ho takatro. Aiza no hialako amin' ny Fanahinao?
Aiza no handosirako tsy hoe oe anarehanao ?
Na dia miakatra any an-danitra aza aho, dia any Hianao,
Ary na dia manao ny fiaiant-tsi-hita ho fandriako aza aho,indro, any Hianao. ......Salamo 139:1-8

Hidera Anao aho ;fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovanao ahy.Mahagaga ny asanao. Salamo 139 14

Aiza ny toerana alehako ka tsy miaraka amiko Atra?
Aiza ny toerana hiafonako ka tsy hitan'Atra?
Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehan'Atra?
Na dia tsy mbola miloa-bava aza aho dia efa fantany sahady ny ato an-tsaiko


Miaraka amintsika foana Atra ary na dia mbola tsy mangataka aza isika dia efa fantany sahady izay mahasoa antsika
Mino izany ve hianao? Ataovy ny fanandramana,mivavaha ary ankino aminy ny ho avinao,ny fiainanao,ny olana mianjady aminao ary aza mitsahatra misaotra Azy fa ny zavatra mitranga amin'ny fiainantsika rehetra dia mampianatra antsika ny hino sy ametraka ary hanana fanantenana fa eo amintsika mandrakariva izy


Tsy misy afaka ampisaraka antsika ny fitiavan'Atra na inona na inona.

Niryna
répondu par niryna le 11/02/2012 21:26
2. mirananirina ( 06/02/2012 14:08)
Marina mht izany niryna,na ho aiza na ho aiza dia eo akaiky foana Atra ary ny devoly koa tahaka izany!manenjika atsika isan andro lava izao,saingy mahery ilay Atra inoatsika ka mitahy atsika mandrakariva amen
3. bor2lais ( 07/02/2012 09:06)
lohateny:

AIZA NO HANDOSIRAKO TSY HO EO ANATREHANAO ?

Ny fandosirana (andraikitra ohatra) izany dia toa fanakaikezana Azy ihany e ! ;-)
4. niryna ( 11/02/2012 21:21)

mirananirina:

Marina mht izany niryna,na ho aiza na ho aiza dia eo akaiky foana Atra ary ny devoly koa tahaka izany!manenjika atsika isan andro lava izao,saingy mahery ilay Atra inoatsika ka mitahy atsika mandrakariva amen
ary tsy misy takona izay tsy ho hita koa an
hoy ny soratra manohy hoe ny maizina dia mazava ao amiNao..hmm
indraindray tokoa isika dia mihevitra hoe tsy misy mahita e,maizina amintsika ilay izy fa tsy misy izay tsy mibaribary toy ny masoandro be lohataona eo amin'Atra izany.

Ny fanoharana koa dia milaza hoe " ny ahafantarana ny toetran'ny olona na ny asa ataony dia rehefa tsy misy mijery izy na tsy misy manara-maso azy eo.Diniho tokoa anie fa mitombona io e
5. niryna ( 11/02/2012 21:26)

bor2lais:

lohateny:

AIZA NO HANDOSIRAKO TSY HO EO ANATREHANAO ?

Ny fandosirana (andraikitra ohatra) izany dia toa fanakaikezana Azy ihany e ! ;-)
ka arakaraky ny handosirantsika no vao maika hitany k'nou.Ha,ha
Bor2lais an ! ohatran'ireny milalao ny ankizy ireny aky io an.Manao fangalampiery ohatra.aiza ary aho o! tapenany ny masony kanefa izy eo akaiky eo ihany.Toa izany koa isika: indraindray isika toa mihevitra fa hoe tsy misy mahita,eny tsy misy mahita tokoa saingy ilay Atra eo akaikintsika mijery antsika.
Efa nahita olona manao zavatra miafina ve indry,mijerijery olona izy na mangala-pijery ka mihevitra hoe tsy misy mahita.Dia toy izany koa ny ao anatin'ny fo-tsika indraindray rehefa manao zavatra tsy mety
.E,e aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao! Tsy misy miafina aminy ny ataontsika rehetra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0375