Fa aminao inona no atao hoe fampianarana tsy misy kilema?
1. didi10
(
01/02/2012 12:17)
Tsara ny Tompo
Tim II 4 : 1 - 20
Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: 2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. 5 Fa hianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
Nahazo iraka ianao hanatanteraka ny fampianarana tsy misy kilema,
Fampianarana no voalaza eto, tsy afaka hionona amin'ny "tsy important" intsony isika rehefa nahazo iraka hampianatra ny hafa fa tsy maintsy mahalala tsara ny antony sy ny fiantraikin'ny zavatra ampianarintsika.
Ny fantatro aloha dia ny loza hahazo izay minia manely ny fampianaran-diso sy ny fampianaran'olona terena ho ara-baiboly tsotra izao:
Marka 7 7-8
Koa foana ny ivavahan'ireo amiko,
raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy"(Isa.29.13).
8 Mahafoy ny didin'Andriamanitra hianareo ka mitana ny fanaon'ny olona.
Aza mitompo teny fatratra amin'ny fampianarana izay hita fa kilemaina (tsy nomen'i Jesosy sy ny Apostoly):
- Ny Batisan'ny zaza atete amin'ny loha tsy atao amin'ny anaran'i Jesosy
- Ny andron'ny Tompo izay lazaina fa alahady
- Ny fampianarana ny tsy fisian'ny afobe
- Ny noely sy ny dadabenoely sy ny hazonoely sy ny halloween sy ny fivavahana amin'ny olo-masina sy ny sary sikotra.
- Ny fanafoanana ny didy10
- Ny fandrarana sakafo sy fanambadiana
- Ny fanamasinana mariazy samy lehilahy sy samy vehivavy
- Ny famporisihina ny mpino hangoron-karena
- ...
Dia mbola sahy hidrikina ve isika fa tafiditra ao amin'ny fampianarana tsy misy Kilema izay avy amin'i Jesosy Kristy ireo fampianarana ireo?

novalian'i Miharena ny 06/02/2012 14:17
2. Miharena
(
01/02/2012 15:20)

Ny fitadiavana ny marina tanteraka moa no hetahetan'ny mpanokatra lohahevitra eto matoa izy manome ireo fanamarihaina ireo. Ny hany mba tiako halalinina fotsiny dia hoe ireo zavatra voatanisa ao anaty Baiboly momba ny fombafomba arahina eo ampanatontosana fotoam-pivavahana ve fampianaran'Andriamanitra sa fampianaran'olombelona? Sa zavatra nataon'olombelona ho fomba fotsiny ihany fa tsy avy amin'Andriamanitra loatra?
Ohatra iray ny endriky ny Batisa: Misy tenin'i Kristy ve ao milaza fa mila rano izy io sa ny Apostoly no nanaraka izay fomba fanaon'i Jaona Mpanao Batisa?
Ahoana ny momba ireo Fariseo izay fatra-panaraka izay voasoratra nefa nodikai'n i Kristy? Ohatra iray ny momba ny fanasitranana andro Sabata.
3. didi10
(
02/02/2012 06:47)
Miharena:
Ahoana ny momba ireo Fariseo izay fatra-panaraka izay voasoratra nefa nodikai'n i Kristy? Ohatra iray ny momba ny fanasitranana andro Sabata.
Tsara ny Tompo
Miarahaba ny namana rehetra
Inona moa ny dikan'ny teny hoe "Kristianina"?
Tsy hoe: "mpanara-dia an'i Kristy?
Marina fa maro ny "reforme" izay nataon'i Jesosy ny amin'ny fombam-pivavahana sy ny amin'ireo lalàna samihafa fa sanatria ve ianao ry Miharena te hilahatra amin'i Jesosy Kristy Tompo indray ka hanao "reforme" vaovao indray amin'ny fampianarana nomeny sy nomeny ny Apostoly?
Ny mampalahelo anefa dia ny 98% n'ny Kristianina dia minia mamela anjorony ny fampianaran'i Jesosy sy ny Apostoly ka lasa manaraka ny fampianaran'olona niainga avy amin'ny anganongano sy ny filana (tendance).
Raha misy manana toko sy andininy afaka manamarina fa fampianaran'i Jesosy ireo fampianarana lazaiko fa kilemaina etsy ambony ireo dia lazao ny hevitrao.
4. Miharena
(
03/02/2012 03:41)
Inona moa ny dikan'ny teny hoe "Kristianina"?
Tsy hoe: "mpanara-dia an'i Kristy?
Marina fa maro ny "reforme" izay nataon'i Jesosy ny amin'ny fombam-pivavahana sy ny amin'ireo lalàna samihafa fa sanatria ve ianao ry Miharena te hilahatra amin'i Jesosy Kristy Tompo indray ka hanao "reforme" vaovao indray amin'ny fampianarana nomeny sy nomeny ny Apostoly?
Ilay manara-dia an'i Kristy sy ilay hoe milahatra Aminy no mba tiako asiana fanamarihana kely. Raha nanome IZY dia tsy mba nanome ampahany fa feno ary mandray feno ny mpianany na ny mpanara-dia AZY. Fahafenoana tsy misy toy ny fahafoizan'aina teo ambony hazo fijaliana sy ny fanomezana ny fahendrena tampony dia ny fampahafantarana amintsika fa iray ao amin'ny RAY isika. Koa mazava fa milahatra miaraka Amin'i Jesosy izany. IZY aza mbola milaza fa miorim-ponenana ao am-pontsika tsirairay avy.
Raha misy manana toko sy andininy afaka manamarina fa fampianaran'i Jesosy ireo fampianarana lazaiko fa kilemaina etsy ambony ireo dia lazao ny hevitrao.
Dia tonga eto amin'ity fitadiavana fanamarinana ara-tsoratra ity isika. Inona no marina tazonina ary heverina fa tsy hahavery? ilay fanarahana ny fombafomba maro ao anaty Baiboly va sa ny fahafantarana izay FOTOTRA ka nilazan'i Paoly hoe : Tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko?
Aoka ho fantatsika tsara fa ireo Apostoly ireo dia tsy manana izay handrian'ny lohany fa nampianatra andro aman'alina. Ka sao lahy isika maka fahamarinana any amin'ny tsy tokony hovoizina toy ny fombafomba fanao ka very amin'ny FOTOTRA.
Raha mamaky tsara ny fampianaran'ny Apostoly isika dia hahatsapa fa teny feno fahendrena no ampiasain'izy tsirairay avy. Izay ilay Fanahin'AAndriamanitra ao anatiny ka na dia efa lasa aza Kristy dia mitohy ny fitomboam-pahendren'izy ireo ary mizara izany izy. Toy izany koa ny Kristianina, manana izay fahendrena FOTOTRA zaraina ary miezaka manazava izay FOTOTRA fa tsy tokony ho variana amin'ny hodikodin-javatra.
Amiko mizara izao ohatra dia ny Andriamanitra no FOTOTRA ary tsy misy afa-tsy IZY na any an-danitra ambony na any amin'ny tany ambany. Ny tsirairay dia IZY fa tsy hoe novolavolain'ny tanaNY. Ny FanahiNY no ao anatin'y tsirairay ary tsy misy afa-tsy IZY.
Ny sisa dia fombafomba tsy mahavonjy avokoa. Io ilay resaka hoe toy ny taim-boraka ny fahalalàna eo anatrehan'ny fahendren'Andriamanitra. Ka sao lahy ny finoanao tafiditra ao amin'ilay taimboraka fa tsy miFOTOTRA tsara.
5. tsioka
(
04/02/2012 17:17)
Ka @ izo anie ry namana isany lasa ohatra ny bizinesy ilay fampianarana krisitiana e ! sahirana mihitsy ny olona @ hoe iza aza no marina , fa dia fakambola no betsaka @ fivavahana @ izao
6. Miharena
(
06/02/2012 14:17)
Ny vola kosa angamba aloha tsy hoe fanaovana bizinesy araka ny filazan'i Tsioka fa fanatevenana ny ambain-dain'ny mpiara-miombom-bavaka.
Fa na izany na tsy izany, raha toa ka variana amin'ny vola dia very ny FOTOTRA.
Raha tena zohina dia fombafomba na endrika avokoa ny ankoatry ny FOTOTRA toriana. Toy ny Rano ny Fototra ary ny fiangonana tsirairay dia toy ny tavoahangy samy manana ny endriny sy ny akora nanaovana azy avy. Ilay tavoahangy no azo oharina amin'ny fombafombam-piangonana tsirairay fa ny ao anatiny dia iray ihany : dia ilay rano.
Koa mila hay ny manavaka ny fombam-pitaizana amin'ny fahalalàna ny FOTORA mba tsy hisian'ny adi-hevitra tsy mandroso sy mampiady.