Ho potika tanteraka ve ny tany?

1. jajajaly ( 17/01/2012 11:19)
ˇ Nieritreritra ny olona sasany fa ho potika tanteraka ny tany tamin’ny 21 Oktobra 2011, ani- san’izany i Harold Campin mpiteny ao amin’ny radio any Etazonia. Nilaza mantsy izy fa tamin’ny 21 Mey 2011 ny Andro Fitsarana ka hisy horohorontany lehibe eran-tany. Ho potika tanteraka, hono, ny tany dimy volana aorian’izay, izany hoe tamin’io 21 Oktobra 2011 io. Tsy
tanteraka anefa ny teniny.

Mbola ho potika ve ny tany?
novalian'i caprio ny 22/01/2012 18:36
2. Tefigasy ( 17/01/2012 11:27)
voalazan'ny tenin'andriamanitra ao anaty soratra masina voaraikitra ao anaty baiboly ny valiny. Fantaro izany, manokana fotoana fa aza variana miasa foana !Poa-tsatroka ho anao !
3. jajajaly ( 17/01/2012 11:58)
Misaotra amin'ny torohevitra, hamantatra tokoa ary hiezaka hanokana fotoana fa sarotra le izy ko! ny mahay ko moa tsy manambara.
4. Enry ( 17/01/2012 12:48)
jajajaly sôde elah no potika voalohany fa tsy ny tany?
5. jajajaly ( 17/01/2012 13:21)
Enry :
De izay aloh no nisy hatramin'izay araka ny tantara "ny olona no lasa fa ny faramandimby toa mbola eto ihany , tsy hay izay fiovany ao afara ka izay no hanontaniana ko!
6. niryna ( 18/01/2012 06:36)
jajajaly:

ˇ Nieritreritra ny olona sasany fa ho potika tanteraka ny tany tamin’ny 21 Oktobra 2011, ani- san’izany i Harold Campin mpiteny ao amin’ny radio any Etazonia. Nilaza mantsy izy fa tamin’ny 21 Mey 2011 ny Andro Fitsarana ka hisy horohorontany lehibe eran-tany. Ho potika tanteraka, hono, ny tany dimy volana aorian’izay, izany hoe tamin’io 21 Oktobra 2011 io. Tsy
tanteraka anefa ny teniny.

Mbola ho potika ve ny tany?

mpaminany sandoka io pasitera io ary manankarena be.Efa tamin'ny 1993 izy no nilaza fa ho tonga ny farany ary avy eo izy dia nilaza fa tsy mbola namaky baiboly tsara,voatarika daholo ny olona satria manana radio lehibe manerana ny tany izy.Niala tao anaty fiangonana avokoa izay olona nanaiky ho tarihany ary nivarotra ny fiangonana kanjo tsy misy lalan-kalehy satria any am-piangonana ihany no asiany manao mariazy,hi,hi.
Nisy rangahy mpanankarena iray niala tamin'ny asany ary tapitra nalainy ny volany $120,000 dollars angamba izy izay nanaovana tracts mikasika ny farandro.Teny ka teny,nizara ny tracts fa tsy niasa intsony ,asa na nisaraka tamin'ny vadiny mihitsy satria lany daholo ny teo am-pelantanana ary dia niteny fa tsy hinohino intsony.
Nisy andro iray izay volana octobre 2011 tamin'ny enina ora hariva ),niandry daholo ny olona ary ny tany am-piangonana moa dia samy nivavabavaka izay hitranga. Ny fianakaviana nifampiantso nangataka famelankeloka,ny sasany avy tany tany lavitra be no nitsidika ny reniny fa sao tsy hifankahita intsony hono ,marobe e Inona no teo,izao isika miteny izao toa marary mafy ilay rangahy .ary taola mitrakitraky sisa (efa antitra be)
Ny fampianarany? Noteneniny ny olona tsy andeha hiangona intsony fa tsy misy fanahy masina intsony hono any(dia toy ny rehetra maka teniteny kely ao anaty baiboly mba hanamafisana ny heviny) kanjo dia miady ny olona ao anaty forum foana izy isan'andro satria voafitaka ny olona izay nino azy
Mila mitandrina isika ,mila mamaky baiboly satria Kristy no manambara fa diniho ny zava-maniry... Toy ny vehivavy izay hiteraka,fiandoham-pahoriana ihany fa tsy hoe maty eo am-piterahana ilay ramatoa.dia toa izany koa isika satria ny vava manakaiky an'Atra fa ny fo manalavitra azy.Miseho daholo ny zavatra nampahafantaran'ny Tompo ka efa mihandoha ny fahatongavany ."Tsy miy mahalala izay ho avin'ny ampitso isika fa mihomana fotsiny ihany hoy izy fa toy ny fahatongavan'ny mpangalatra ny fahatongavako(tsy nisy niteny tao hoe ny fiafarako) .
7. Miharena ( 18/01/2012 15:05)
Misy tokoa ny miteniteny foana eo amin'ny mpino krisitiana indrindra ny mpitarika izay milaza hatrany fa mpaminany. Raha dinihina dia tsy hisy rava izany na kely aza eo amin'ny famoronana nataon'Andriamanitra fa mivoatra hatrany satria efa mati-paika ny namoronana izany ary ny drafitra dia efa mandeha hatrany na eo amin'ny erana rehetra misy na eo amin'ny toe-tsain'ny olombelona na eo amin'ny karazana voary hafa rehetra.

koa aleo manana loha ambonin'ny seoka tsara fa aza minomino foana fa manjary manaonao foana.
8. jesuisla ( 19/01/2012 18:09)
azfady é! zaho tsy hitsarany hafa na hanome tsiny satria tsy mitovy ny saina sy ny fahalalana, ary ny manodidina ny ts1. Amiko d tsy mitombona ny fahapotahan' tany na inona na inona loza miseho. Satria misy antony, (objectif) no nanaovana ny tany. Ho foana ny objectif raha toa ka rava ny tany. Natao ny tany honenana, hitondra soa sy fiadanana ho an' ny olona. MBA HO VONINAHITR'ANDRIAM. Tonga resy, tsy mahay, vendrana izy raha potika ny tany. Ohatra, nahoana no tsy ny mofo gasy no namojena ny olona fa ny ràn' jesos? Tsy misy anjel haf v tao? Na vahaolana haf? Nahoana no olon 2 monja no natao t@ voalohany, nefa tiana ho feno olon ny tany? nahoana no nomena ny olon ny tany? (pourquoi la création de la vie ne suffise pas le créateur? pourquoi il veut crée lhomme? )PAR SES OBJECTIFS. Mais il y a une accdient mortelle. Car, la vie se présent pour 2 faces.Elle se renverse par l'accdent, où la mort apparaitr)
1 - Foana, sy tsy misy dikany ny famojena raha toa ka ho levona tsy misy ny rehetra. 2 - noho ny objctif, d tsy ho fona ny rehetra 3 - tsy hoe resy andriamanitr raha tsy miteny. Fa misy fotoan ny zavatra rehetr. Ny fitiavany anao no mbola tsy ahatongavany. Raha tonga @zao fotoana zao izy d mety ho meloka ianao. D miandry kely izy sao mety miova ianao. Noho ianao no mbola tsy ahatongavany. MBA HO VOANVONJY IANAO
9. caprio ( 22/01/2012 18:36)
Fa mahagaga fa ilay olona pino sy matoky an'Atra, dia raha vao misy kely ady hevitra momba ny fara andro dia mangovitra sy matahotara ka lazaina daholo izao zavatra rehetra izao mba anamporofoina fa tsy misy ilay izy,kanefa za manoratra dia milaza marina @nao fa faly za raha misy marina zany, satria za dia mino fa misy ny paradisa,koa dia aza matahotra fa mifalia ry avako malala ao @ tompo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0538