Izao zany vao tsapanareo FITSARANA ny mangidy sy ny marary ? ? ?

1. rebiryx ( 16/01/2012 18:49)
Tsy momba ireo POLISY aho, na koa manome rariny ny FITSARANA. Misaotra an'Andriamanitra anefa aho ry namana fa izao vao tsapan'ny tontolon'ny FITSARANA ny mangidy sy ny marary, izay niainan'ireo vahoaka madinika voaheloka noho ny tsy rariny satria tsy manam-bola. Betsaka anie ry Namana izay Malagasy MATY tany amponja noho ny tsy rariny izay e. Tsy meloka ny hankamaroany saingy noho ny tsy fananana VOLA asisika any amin'ny MPITSARA dia tsy maintsy midoboka dia very fady any satria MAHANTRA. Ny sasany indray dia hita fa tena meloka izao nefa dia afaka miriharia eny rehetra eny satria nahavoaloa ÉCOLAGE tamin'ny Mpitsara. Sendra ny nahasahy azy izy ireo tamin'ity indray mitoraka ity ka mitabataba etsy sy eroa. Ny tody anie ry Namana tsy misy fa ny atao no miverina e. Ny alahelon'ireny vahoaka madinika ireny izao fa tsy avy amin'ny POLISY izany. Tohizo hatrany ny KOLIKOLInareo ry MPITSARA an !!! "Ny soa atao levenambola, fa ny ratsy hatao kosa mbola ho loza miatra aminareo mianakavy"
novalian'i cpd8910 ny 12/03/2012 01:43
2. rijadolly ( 16/01/2012 23:02)
Milaza izany kolikoly izany se, Jereo ao ny vaovao TVPLUS 16/01/12 fa tsy matahotra ny hanambara ny marina mikasika izay ny solotenan'ny mpitsara. Mafana izy ao fa jereo ao amin'ny Hoy ny gazety io vaovao io
3. jesuisla ( 17/01/2012 16:05)
izah aloha tsy manome tsiny na iza na iza. Mpamosavy mandeha alina az misy mahita. Nefa ny olona rehetra samy matory daholo. Misy farany fona na tsara na ratsy. Hita eny fona ny vokany. Ny tokony ho fantatry ny maro, d hoe sao lahy any @ zanakao no mandeha ny loza sy ny afo ampirehetinao. Tsy mino ianao satria tsy mahita no sady tsy mahalala. Nahoana àry ireo vehivavy bevoka no maro fady? Satria misy hery samy hafa mifanintona eo @ izao rehetra izao.
4. cpd8910 ( 19/01/2012 03:24)

Tsotra be foana ilay manome tsiny ny mpitsara sy manasoketa azy fa mba efa nisy nisaina ve hoe mpitsara azo baikoina ny misy ao amin-tsika noho ny rafitra misy? Baiko, afaka manome baiko ny mpitsara ny mpitondra. tsy hitondra fanatsarana ny fanasoketana toa izao hoe kolikoly sns fa samia mientana manohana ny fananganana fitsarana mahaleo-tena. Ho tapitra ny kolikoly amin izay fotoana.

Fa mahazo mi-geste aloha zay mpakasitraka ireo Pràn' i toliary fa manana maimbo vava fa maimbo vava hany koa no hamonoan'ny kil azy. Maimbo vava ampanofain'ny Pràa na bodega na Rasil naman'izy ireo na namidin'izy ireo any amin'ny sisiny tahaka ny nataon ity ranamana nosazian ny fitsarana ity.

Mahazo miresaka aloha izay mbola tsy tratra fa be ny hihomehy anareo refa ajedaky ny mpanamboatra avy amin'ny basim-panjakana koa nareo hahah
rebiryx:

5. cpd8910 ( 19/01/2012 03:28)

Tsotra be ilay manasoketa fitsarana ary efa zary mankaleo maheno ny hoe kolikoly sns fa mba nisaina kely v enao io hoe fitsarana miankin-doha, mpitsara azo omen ny mpitondra baiko no misy eto noho ny rafitra misy izay azahoan izy ireo manao an'izany? sy mbola tonga saina ihany v enao io mahita ireny fanapahakevitry ny HCC farany teo ireny momba ny feuille de route?mbola tsy hitanao mibaribary ihany v fa tsy voatery ny mpitsara no ratsy fa refa azom-baiko dia tsy misy azo atao? Eo ambany vahoan'ny Mpanatanteraka ny fitsarana
ka zay tian'ny mpitondra no atao. Raha tena misaina enao dia tsy faly manome tsiny ny mpitsara fa tokony hanohana azy ireo hanangana fitsarana mahaleotena.

Mahazo mi-geste aloha zay mpakasitraka ireo Pràn' i toliary fa manana maimbo vava fa maimbo vava hany koa no hamonoan'ny kil azy. Maimbo vava ampanofain'ny Pràa na bodega na Rasil naman'izy ireo na namidin'izy ireo any amin'ny sisiny tahaka ny nataon ity ranamana nosazian ny fitsarana ity.

Mahazo miresaka aloha izay mbola tsy tratra fa be ny hihomehy anareo refa ajedaky ny mpanamboatra avy amin'ny basim-panjakana koa nareo hahah

rebiryx:

Tsy momba ireo POLISY aho, na koa manome rariny ny FITSARANA. Misaotra an'Andriamanitra anefa aho ry namana fa izao vao tsapan'ny tontolon'ny FITSARANA ny mangidy sy ny marary, izay niainan'ireo vahoaka madinika voaheloka noho ny tsy rariny satria tsy manam-bola. Betsaka anie ry Namana izay Malagasy MATY tany amponja noho ny tsy rariny izay e. Tsy meloka ny hankamaroany saingy noho ny tsy fananana VOLA asisika any amin'ny MPITSARA dia tsy maintsy midoboka dia very fady any satria MAHANTRA. Ny sasany indray dia hita fa tena meloka izao nefa dia afaka miriharia eny rehetra eny satria nahavoaloa ÉCOLAGE tamin'ny Mpitsara. Sendra ny nahasahy azy izy ireo tamin'ity indray mitoraka ity ka mitabataba etsy sy eroa. Ny tody anie ry Namana tsy misy fa ny atao no miverina e. Ny alahelon'ireny vahoaka madinika ireny izao fa tsy avy amin'ny POLISY izany. Tohizo hatrany ny KOLIKOLInareo ry MPITSARA an !!! "Ny soa atao levenambola, fa ny ratsy hatao kosa mbola ho loza miatra aminareo mianakavy"
6. rebiryx ( 19/01/2012 06:30)
Izay anie ry cpd8910 no naoratako fa tsy momba ny Polisy aho na manome rariny ny Mpitsara. Ity farany no nentiko taminao tamin'iny voalohany fa raha tianao dia ity koa ny an'ireo POLISY. Efa voalazanao teo ny mikasika ny fivarotana, na fampanofana basy, marina io ary betsaka ny victime ny amin'izany. Fa izao tsy ny POLISY anie no mahery fa ny fatahorantsika ireo maimbovava entiny ireo no manome tanjaka azy. Firifiry tokoa moa ry namana ny olona mana-takaitra tsy fidiny noho ny herisetra ataon'izy ireny, ireo mamoy ny ainy moa dia tsy lazaina intsony noho ny fampihorohorona sy fampiharana ny herin'ny be sandry ataon'izy ireo amin'ireo kely tsy mba mamindro rehefa nandray ECOLAGE izy ireo. Ny mahantra sy ny madinika ary ny fadiranovana no tratra io trandga iray io. Ny tena loza anefa dia ity. Maro ireo tsy manara-dalana eto amin'ity Nosy ity nefa noho ny fananany vola aman-karena dia afaka miriaria eny rehetra eny koa izy ireny. Ny antony dia tsotra : manana ireo be Lamosina (Mpitsara, olom-panjakana ambony, olona mpanao pôlitika) izay manery ny Pôlisy tsy hampiatra ny lalana amin'izy ireny.
Mba hanafoanana tsikelikely io kolikoly io anefa dia tsotra ny ahy, hampiaro amin'ny olona rehetra ny lalàna e !
cpd8910:


Tsotra be foana ilay manome tsiny ny mpitsara sy manasoketa azy fa mba efa nisy nisaina ve hoe mpitsara azo baikoina ny misy ao amin-tsika noho ny rafitra misy? Baiko, afaka manome baiko ny mpitsara ny mpitondra. tsy hitondra fanatsarana ny fanasoketana toa izao hoe kolikoly sns fa samia mientana manohana ny fananganana fitsarana mahaleo-tena. Ho tapitra ny kolikoly amin izay fotoana.

Fa mahazo mi-geste aloha zay mpakasitraka ireo Pràn' i toliary fa manana maimbo vava fa maimbo vava hany koa no hamonoan'ny kil azy. Maimbo vava ampanofain'ny Pràa na bodega na Rasil naman'izy ireo na namidin'izy ireo any amin'ny sisiny tahaka ny nataon ity ranamana nosazian ny fitsarana ity.

Mahazo miresaka aloha izay mbola tsy tratra fa be ny hihomehy anareo refa ajedaky ny mpanamboatra avy amin'ny basim-panjakana koa nareo hahah
rebiryx:


7. cpd8910 ( 12/03/2012 01:43)
Ka nofinofy zany hoe ampiharo amin'ny rehetra ny lalàna raha tsy miova rafitra isika. tsotra tononina io fa raha ny Gouvernemanta afaka mandidy ny fitsarana, ny Antenimiera vola baoritra oui M'sié amin'izay tenenin'ny filoha sy ny gouvernemanta...iza no hiharan'ny lalàna fa tsy ny madinika irery ihany? Ny fotondrana mpanatanteraka zao no rôle eto amin'ny tanàna. Tsy refesi-mandidy izy satria tsy misy aro fanina. Ary isika vahoaka dia fitahin'ireo mpanao politika ireo tsy ho tia ny mpitsara sy tsy hatoky fitsarana amin'ny fivoizana ombieny ombieny fa manao kolikoly ireo ary efa lo tanteraka. Tsy misy hetsika hanatsarana mithinsy avy eo. Raha mijery akaiky nefa isika dia iza no mahazo tombotsoa amin'izao rafitra goragora zao = fitsarana azo atao fitaovana sy mpitsara azo baikoina sy halam -bahoaka noho ny fivoizana ombieny ombieny hoe manao kolikoly ireo???? valiny= zay eo amin'ny fitondrana satria tena azony atao na hovarotiny ambongadiny aza ity madagasikara ity nefa tsy hisy arakaraka mihitnsy satria ny mpitsara sy ny fitsarana tsy afaka hanao n'inon 'inona azy. isika vahoaka rahateo manaraby fotsiny ireo mpitsara fa tsy manohana azy ireo hitraka mba ho afaka hiatrika ny hadalàna be ataon'ny mpitondra (mpanatanteraka).

diniho lavidavitra kokoa ilay zava-miseho ry sakaiza dia ho hitanao fa diso lay manomeme tsiny mpitsara sy polisy sns nefa ny tena gisa mangala ketsa miedinedina tsy misy mpikitika..
rebiryx:

Izay anie ry cpd8910 no naoratako fa tsy momba ny Polisy aho na manome rariny ny Mpitsara. Ity farany no nentiko taminao tamin'iny voalohany fa raha tianao dia ity koa ny an'ireo POLISY. Efa voalazanao teo ny mikasika ny fivarotana, na fampanofana basy, marina io ary betsaka ny victime ny amin'izany. Fa izao tsy ny POLISY anie no mahery fa ny fatahorantsika ireo maimbovava entiny ireo no manome tanjaka azy. Firifiry tokoa moa ry namana ny olona mana-takaitra tsy fidiny noho ny herisetra ataon'izy ireny, ireo mamoy ny ainy moa dia tsy lazaina intsony noho ny fampihorohorona sy fampiharana ny herin'ny be sandry ataon'izy ireo amin'ireo kely tsy mba mamindro rehefa nandray ECOLAGE izy ireo. Ny mahantra sy ny madinika ary ny fadiranovana no tratra io trandga iray io. Ny tena loza anefa dia ity. Maro ireo tsy manara-dalana eto amin'ity Nosy ity nefa noho ny fananany vola aman-karena dia afaka miriaria eny rehetra eny koa izy ireny. Ny antony dia tsotra : manana ireo be Lamosina (Mpitsara, olom-panjakana ambony, olona mpanao pôlitika) izay manery ny Pôlisy tsy hampiatra ny lalana amin'izy ireny.
Mba hanafoanana tsikelikely io kolikoly io anefa dia tsotra ny ahy, hampiaro amin'ny olona rehetra ny lalàna e !
cpd8910:


Tsotra be foana ilay manome tsiny ny mpitsara sy manasoketa azy fa mba efa nisy nisaina ve hoe mpitsara azo baikoina ny misy ao amin-tsika noho ny rafitra misy? Baiko, afaka manome baiko ny mpitsara ny mpitondra. tsy hitondra fanatsarana ny fanasoketana toa izao hoe kolikoly sns fa samia mientana manohana ny fananganana fitsarana mahaleo-tena. Ho tapitra ny kolikoly amin izay fotoana.

Fa mahazo mi-geste aloha zay mpakasitraka ireo Pràn' i toliary fa manana maimbo vava fa maimbo vava hany koa no hamonoan'ny kil azy. Maimbo vava ampanofain'ny Pràa na bodega na Rasil naman'izy ireo na namidin'izy ireo any amin'ny sisiny tahaka ny nataon ity ranamana nosazian ny fitsarana ity.

Mahazo miresaka aloha izay mbola tsy tratra fa be ny hihomehy anareo refa ajedaky ny mpanamboatra avy amin'ny basim-panjakana koa nareo hahah
rebiryx:



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0975