Azo heverina ve ny fahafahan'ny Kristiana miaina ny ankehitrininy?
1. Miharena
(
16/01/2012 14:17)
Ny fiainana ny ankehitriny dia ahafahana manana hery lehibe hiatrehana ny olana rehetra vahana ao amin'ny tontolo andro iray.
Vavaka isanandro azo lazaina manambara izany ny fangatahana amin'Andriamanitra ny hanina sahaza isanandro.
Ny zava-mahagaga anefa dia misy maro ireo voasarika amin'ny faminaniana sy faminavinana ny ho avy ary tsy eo amin'ny famakiana ny Baiboly ihany no mamaritra tetik"ady hiatrehana ny ho avy fa eo koa ireo izay manatona ireo milaza ho mpahita etsy sy eroa. Ny famakiana tononandro moa dia lasa zary fahazarana ho an'ny ankamaroan'ny olona ary ny diso fanantenana dia maro be mihitsy ary very saina sy very hevitra noho izany.
Raha manana fitaizana voalaza ao anaty Baiboly ny Kristiana momba io fiainana ny ankehitriny io dia anisan'ny efa lasa lavitra mihitsy eo amin'ny asa ataony satria tsy ny lasa intsony no fohaziny na ny ho avy no takariny fa ny ankehitrininy no atrehany.
Sa ahoana hoy ianareo?

novalian'i Miharena ny 22/01/2012 17:06
2. rijadolly
(
16/01/2012 15:54)
Betsaka mihitsy ao amin'ireo voalazan'se ireo Miharena no iraisako hevitra. Misaotra an'se
Io naveriko io no somary ampiako ny hevitro kely. Araka ny hevitro dia tsy azo atao tsinotsinona ny lasa. N ahoe modiana tsy hita, satria na dia ratsy aza ny vokatra dia azo angalana lesona lehibe izay tena manan-danja tokoa himbanjinana ny ho avy hamirapiratra.
Raha haka ohatra iray ao anaty Baiboly aho izao dia ny fampitsahivan'Andriamanitra ny tsy nety rehetra izay efa lasa tany amin'taona maro dia maro ho an'ny taranak'Israely mba handraisana ilay Jerosalema vaovao. Tsy azo atao tsinotsinona araka izany ny lasa fa atao fakana lesona. "Soa ny lavo hahay hamindra, soa ny kenda hahay mitsako" hoy ny ohambolantsika izay.
Noho ireo hevitry Miharena sy io fanampiny izay lazaiko io dia afaka miteny tsara isika fa " afaka miaina tsara ny ankehitriny ny Kristianina"
Hoy i Miharena:
Raha manana fitaizana voalaza ao anaty Baiboly ny Kristiana momba io fiainana ny ankehitriny io dia anisan'ny efa lasa lavitra mihitsy eo amin'ny asa ataony satria tsy ny lasa intsony no fohaziny na ny ho avy no takariny fa ny ankehitrininy no atrehany.
Io naveriko io no somary ampiako ny hevitro kely. Araka ny hevitro dia tsy azo atao tsinotsinona ny lasa. N ahoe modiana tsy hita, satria na dia ratsy aza ny vokatra dia azo angalana lesona lehibe izay tena manan-danja tokoa himbanjinana ny ho avy hamirapiratra.
Raha haka ohatra iray ao anaty Baiboly aho izao dia ny fampitsahivan'Andriamanitra ny tsy nety rehetra izay efa lasa tany amin'taona maro dia maro ho an'ny taranak'Israely mba handraisana ilay Jerosalema vaovao. Tsy azo atao tsinotsinona araka izany ny lasa fa atao fakana lesona. "Soa ny lavo hahay hamindra, soa ny kenda hahay mitsako" hoy ny ohambolantsika izay.
Noho ireo hevitry Miharena sy io fanampiny izay lazaiko io dia afaka miteny tsara isika fa " afaka miaina tsara ny ankehitriny ny Kristianina"
3. bor2lais
(
17/01/2012 10:18)
Afaka miaina ny finoany amin'ny vaninandro misy azy ny Kristiana, ary tena irariana tokoa izany ! :-)
4. niryna
(
18/01/2012 06:18)
Miharena:marobe no hivavahana ka,miampy ny fiderana Azy fa tsara izy sy ny fanomezana voninahitra satria Avo indrindra izy.Dia hitaro kely koa anie ,tsy ho antsika irery na ny ankohonana fa ny fianakaviana ,ny manodidina ,ny olona tsy mba manana mpiahy,ny firenena ,ny mpitondra indrindra indrindra mba ny fanahin'Atra no hitarika azy ireo ka andeha amin'ny fahamarinana amin'izay fa tsy fitiavantena.
Ny fiainana ny ankehitriny dia ahafahana manana hery lehibe hiatrehana ny olana rehetra vahana ao amin'ny tontolo andro iray.
Vavaka isanandro azo lazaina manambara izany ny fangatahana amin'Andriamanitra ny hanina sahaza isanandro.
angaha izay ihany fa variana mijery ny horoscope mihitsy aza rehefa mamaky gazetty iny ny olona k'nou.Rehefa tsy manana finoana sy fanantenana amin'Atra irery tokoa anie ny olona dia mitonantonana mitady izay mahasoa etsy sy eroa e>Hany ka na ny fianakaviana efa maty ery aza dia mbola hivavahana eny am-pasana ihany sy angatahana tso-drano oops
Ny zava-mahagaga anefa dia misy maro ireo voasarika amin'ny faminaniana sy faminavinana ny ho avy ary tsy eo amin'ny famakiana ny Baiboly ihany no mamaritra tetik"ady hiatrehana ny ho avy fa eo koa ireo izay manatona ireo milaza ho mpahita etsy sy eroa. Ny famakiana tononandro moa dia lasa zary fahazarana ho an'ny ankamaroan'ny olona ary ny diso fanantenana dia maro be mihitsy ary very saina sy very hevitra noho izany.
ny lasa hibanjinina ny ankehitriny,ny ankehitriny kosa hanana ny fanantenana ny ho avy ka
Raha manana fitaizana voalaza ao anaty Baiboly ny Kristiana momba io fiainana ny ankehitriny io dia anisan'ny efa lasa lavitra mihitsy eo amin'ny asa ataony satria tsy ny lasa intsony no fohaziny na ny ho avy no takariny fa ny ankehitrininy no atrehany.
Sa ahoana hoy ianareo?
5. Miharena
(
18/01/2012 14:58)
Misaotra ny rehetra nandray anjara. Ny hany mba isan'ny hanomezan'ny hafa tsiny ny Krisitiana moa dia ny vesatra ao anatin'ny loha noho ny fieritreretana be loatra ka hany ka zary very fotoana na koa aza variana manaka-danitra eo.
Raha ity fehezantenin'i Niryna ity ohatra dia marina nefa raha dinihintsika ny fivoarana misy ankehitriny dia zary mihemotra satria ny finoana nahery vaika tany aloha tany dia lefy arakaraka ny fandehanan'ny fotoana. Ka eo no mampametra-panontaniana hoe mahay mino ve ny olonbelona ary hainy ve ny maka lesona tokoa amin'ny fiainana nolalovany ka ahitana fa mandroso fahendrena tokoa izy mpiara-monina ary ahitana asa mivaingana tsara izany finoana iarahana izany? Sa ny onjan'ny fiainana vokatry ny natao hatrizay lasa tsy zaka intsony dia mitotongana andro aman'alina avy eo?
ny lasa hibanjinina ny ankehitriny,ny ankehitriny kosa hanana ny fanantenana ny ho avy ka
Raha ity fehezantenin'i Niryna ity ohatra dia marina nefa raha dinihintsika ny fivoarana misy ankehitriny dia zary mihemotra satria ny finoana nahery vaika tany aloha tany dia lefy arakaraka ny fandehanan'ny fotoana. Ka eo no mampametra-panontaniana hoe mahay mino ve ny olonbelona ary hainy ve ny maka lesona tokoa amin'ny fiainana nolalovany ka ahitana fa mandroso fahendrena tokoa izy mpiara-monina ary ahitana asa mivaingana tsara izany finoana iarahana izany? Sa ny onjan'ny fiainana vokatry ny natao hatrizay lasa tsy zaka intsony dia mitotongana andro aman'alina avy eo?
6. rijadolly
(
20/01/2012 18:24)
Raha ny vokatra no angalantsika na hilazantsika fa tsy dia ilaina ny famerenana ny lasa na ny fitsinjovana ny ho avy dia marina tokoa izay filazan'I Miharena izay, satria efa voalaza fa mihamangatsiaka ny finoan'ny maro. izay hevitra izay anefa no mahatonga ilay fandikana ilay teny hoe " Minoa fotsiny ihany" ka ahatonga ny Mpino hiraviravin-tanana. Tsy ao intsony ilay fihezahana hiala ny ratsy fanao taloha, tsy ao anaty ihany koa ilay fihezahana hanantateraka ny hazakazaky ny tsirairay, fa dia mino tsy misy action.
Eto anefa dia tsy fijerena amin' ankapobehiny fa fijerena ny tsirairay mihitsy. Ny tenako ohatra. Ilaina ve ny nahafantatra fa tsy mety amin'Andriamanitra ny nangalatra izay nataoko fahiny? Tsy mety, ok! tsy ataoko intsony satria izao sy izao no nahazo ahy tamin'izaho voangejan'izany. Raha tsy mangalatra aza aho ankehitriny, inona kosa no miandry ahy aorian'izay hezaka nataoko izay?...

7. Miharena
(
22/01/2012 17:06)
Marina ny fanamarihan'i Rijadolly nefa ny fampahatsiahivana ny lasa dia miteraka matetika famerenana ilay ratsy natao. Indraindray ilay izy tsy fanahy hiniana fa ny eritreritsika mihitsy raha tsy voataiza tsara dia tratran'io famerimberenana fahadisoana na ota iray io. Raha tsy mahatsiaro fa fitaovana mahomby ny fampiahatsiahivana ny lasa hibanjinana ny hoa avy dia zary lasa vesatra ilay izy.
Azo marihina ny momba ny fitsarana ny olona iray izay atao noho ny lasany fa tsy ny ankehitrininy ary hiteraka sazy izay hampitotongana ny fiainany amin'ny ho avy.
Ny fifamelana dia vokatry ny ankehitriny mibanjina ho avy milamina fa ny ozona sy ny faharatsiana rehetra miteraka vesatra dia ny fampahatsiahivana ny lasa tazonina ho manankery mandrak'ankehitriny nefa efa lasa. Eto dia mamotika ny ho avy ilay fisainana ary isan'izany ny resaka voizina momba ny helo sy ny fitsarana vinavinain'ny Krsitiana fa ho avy. Mampiteraka fisalasalana na vesatra eo amin'ny tsirairay mihaino io resaka io ary anisan'ny mila fiheverana ny momba ny fanalàna izany eo amin'ny olombelona ahafahany manana finoana feno tsy am-pihambahambana ka ahafahany miteny toa an'i Krsity hoe; na dia hoatry ny voantsimnampy aza ny finoana ka hiteny amin'ny tendrombohitra hoe mianjera dia hianjera izany.
Ny tiana ambara izany dia raha mahay miaina feno ny ankehitriny dia hanana hery tsy misy fisalasalana na fihambahambana ary ho lavitry ny fitsaratsaram(poana sy fanantenana poakaty.