Mila mianatra teolojia ny mpiserasera
1. Tefigasy
(
16/01/2012 12:06)
Raha nandinika ireo lohahevitra sy valim-panontaniana amin'ny resadresaka teto ny tenako nanditra izay taona iray nidirako teto izay dia mahatsapa fa mbola mila ezaka be ny tsirairay amin'ny fandalinana ny baiboly, amin'ny fiverenana marina ny amin'ny fanjakan'andriamanitra...
Mamporisika hatrany ny tenanay fa mba misy ihany eto madagasikara oniversite mampianatra ny teolojia sy mandalina izany araka izay voalaza marina ny amin'ny fanjakan'andriamanitra.

novalian'i AndriambyII ny 27/01/2012 10:26
2. Miharena
(
16/01/2012 13:44)
Dia mila manana diplaoma daholo izany amin'i Tefigasy vao azo lazaina fa mahalala ny Fanjakan'Andriamanitra?
Ny hany tsy ampy eo amin'ny fampianarana momba io Fanjakana io dia ny tsy filazana mihitsy hoe efa tanteraka anio ny fanjakana fa ny mitady lavitra hatrany sy manome vinavina hatrany hoe rehefa misy famantarana izatsy na izaroa dia tonga ny Fanjakan'Andriamanitra.
Ohatra iray ny fahatongavan'i Kristy, lazaina fa ho avy IZY ary io hatrany no ventesina nefa raha dinihina dia efa nisy maro ihany no olona nisehoaNY izay ary miasa manao izay iraka nampanaovina azy tsy tamin'ny resaka honohono fa tena izy.
Ka sahirana ihany isika raha hianatra nefa tsy hahay hamantatra fa ankehitriny ny Fanjakana.
Raha toa ka mbola variana mitady famaritana izany fanjakan'Andriamanitra izany dia mbola tsy tonga amin'ny fahalalàna izany ny olona iray na maromaro ary ny fianarana ataon'ny teolojiana dia izay fahalalan'ny olona ny momba ny Fanjakana ihany fa tsy azo lazaina manome ny tena izy.

3. Tefigasy
(
16/01/2012 14:17)
Miharena:
Dia mila manana diplaoma daholo izany amin'i Tefigasy vao azo lazaina fa mahalala ny Fanjakan'Andriamanitra?
Otran'ny tsy niteny aho hoe ilaina ny diploma, fa le fianarana sy fandalinana any amin'ny sehatra natokana ho amin'izany no voalazako etsy ambony
Miharena:
Ny hany tsy ampy eo amin'ny fampianarana momba io Fanjakana io dia ny tsy filazana mihitsy hoe efa tanteraka anio ny fanjakana fa ny mitady lavitra hatrany sy manome vinavina hatrany hoe rehefa misy famantarana izatsy na izaroa dia tonga ny Fanjakan'Andriamanitra.
Ohatra iray ny fahatongavan'i Kristy, lazaina fa ho avy IZY ary io hatrany no ventesina nefa raha dinihina dia efa nisy maro ihany no olona nisehoaNY izay ary miasa manao izay iraka nampanaovina azy tsy tamin'ny resaka honohono fa tena izy.
Ka sahirana ihany isika raha hianatra nefa tsy hahay hamantatra fa ankehitriny ny Fanjakana.
Raha toa ka mbola variana mitady famaritana izany fanjakan'Andriamanitra izany dia mbola tsy tonga amin'ny fahalalàna izany ny olona iray na maromaro ary ny fianarana ataon'ny teolojiana dia izay fahalalan'ny olona ny momba ny Fanjakana ihany fa tsy azo lazaina manome ny tena izy.
Samy milaza izay tiany tenenina sy izay mahamety azy ny tsirairay fa ny tena fandalinana ilay soratra masina tsy misy. Raha tena samy mandalina ny olona rehetra dia mino aho fa tsy ho toa izao ny fomba entina hizarana sy ilazana izany filazantsaran'ny fanjakan'andriamanitra izany. Baiboly iray, antokom-pivavahana tsy tambo isaina no mipoitra sy samy miteny fa ny azy irery no marina sy mahitsy ary mitodika amin'ny filazana ny fanjakan'andriamanitra. Sady mapalahelo no mampieritreritra ka izany no antony mba nitenenana hoe tena ilaina ilay mandalina teolojia any amin'ny sehatra natokana ho amin'izany fa tsy eny anelakelatrano rehetra eny akory.
4. Miharena
(
16/01/2012 14:39)
Izay indrindra ilay ilazana hoe ny omby indray mandry tsy indray mifoha. Azontsika lazaina ve fa na dia iray fiangonana tarihin'ny teolojiana iray aza dia manana fomba fandraisana mitovy ny Soratra Masina?
Ny mahatonga ireo antoko amrobe zamy milaza fa ny azy no marina dia satria voafetra n'ny fisainan'olombelona ihany ny fandalinany ka na ireo Teolojiana aza dia anisan'ny olombelona.
Izay no mahatonga ny olona tsirairay samy maneho ny heviny. Anisan'ny fanehoan-kevitry ny tsirairay ny forum toy ity ohantra ary eo no hamantarana hoe aiza ho aiza izay vatsy tafita avy amin'ny antokony avy.

5. rijadolly
(
16/01/2012 18:33)
Mila mianatra teolojia ny mpiserasera
Za koa mbola mianatra sy mampiana-tena hatramin'izao.
Alefao eto ny lesoka anantsika Teifgasy a! Aza mijery arina an-tava e! Dia zarao mba hanitsy ny mibiloka e!

6. ndenn
(
16/01/2012 21:19)
Fa angaha moa tsy fianarana foana ny fiainana mandrakizay ? Manome dipilaoma be dia be ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra aho miohatra @ ireo nandrovitra vodim-pataloha sy zipo teny ambony dabiliom-pianarana amampolon-taonany maro . Na dia nijery ny fitsinjovany ireo zanany sy taranany mba ho olo-mendrika ka hahay sy hahalàla ny fantatry ny sarambabem-bahoaka eran" ny tany fotsiny aza ( connaissances collectives et historiques )
7. niryna
(
17/01/2012 01:14)
Tefigasy:Tsy afaka mizara izay mba kely hananany ve izany ny mpiserasera sa tsy maintsy mandeha eny daholo?
Raha nandinika ireo lohahevitra sy valim-panontaniana amin'ny resadresaka teto ny tenako nanditra izay taona iray nidirako teto izay dia mahatsapa fa mbola mila ezaka be ny tsirairay amin'ny fandalinana ny baiboly, amin'ny fiverenana marina ny amin'ny fanjakan'andriamanitra...
Mamporisika hatrany ny tenanay fa mba misy ihany eto madagasikara oniversite mampianatra ny teolojia sy mandalina izany araka izay voalaza marina ny amin'ny fanjakan'andriamanitra.
8. Tefigasy
(
17/01/2012 05:42)
niryna:Tsy afaka mizara izay mba kely hananany ve izany ny mpiserasera sa tsy maintsy mandeha eny daholo?
[/quote]
Afaka mizara izay kely hananany ny mpisera saingy raha jamba mifampitantana ve, mety ho aiza no hiafarany ?
Izay no ilaina ilay fandalinana any @ sehatra voatokana mba tsy hibirioka ilay fizarana. Ao amin’i I.Jao.4:1 dia mila mizaha toetra ny amin’ny fanahy mamitaka isika satria ao amin’ny Efes.6:12 dia hahitana fa ny fanahy dia misy maro karazana: mamitaka, ratsy, … Tsy avy amin’Andriamanitra daholo ireo fanahy ireo ka tsy maintsy hizahana toetra mba tsy ho voafitaka indray isika ka voamaika hihalalina ny fahadisoam-panantenana amin’izay fiverenana amin’Andriamanitra izay.
9. didi10
(
17/01/2012 08:05)
Tsara ny Tompo ry rahalahy sy ranabavy
Aza miandry hisy hampianatra foana re isika raha te handalina momba ny finoana; tonga dia raiso ny Baibolinao, mandraisa Thème ohatra (Alahady sa Sabata, Batisa, Fanahy Masina, Paradisa sy ny Helo ...), mivavaha alohan'ny hamakianao ny Teny hoe "Omeo ahy Jesosy ny fahamarinanao fa mangetaheta mafy izany Fampianarana tsy misy kilema izany aho"
Tsy maintsy omen'Andriamanitra anao ny fahamarinana raha mangataka izany ianao, raha ny fampiharana ny fampianaran'i Jesosy no tianao ho fantatra dia vakio ny asan'ny apostoly rehetra miaraka amin'ny Epistily.
Manao comparaison fotsiny ianao avy eo hoe ito fampianarana marina, ito fampianaran-diso satria efa manana base ianao.
Mahereza mamaky Baiboly ry namana fa io ihany no fanalahidin'ny fahalalana.

10. bor2lais
(
17/01/2012 09:13)
didi10:
Aza miandry hisy hampianatra foana re isika raha te handalina momba ny finoana ...
Mety ho marina saingy fantaro fa ara-tsoratra masina ihany koa ny ilàna ny mpampianatra ...
"ataoko ahoana ny fahay raha tsy misy mampianatra ?" ;-)
didi10:
Tsy maintsy omen'Andriamanitra anao ny fahamarinana raha mangataka izany ianao, raha ny fampiharana ny fampianaran'i Jesosy no tianao ho fantatra dia vakio ny asan'ny apostoly rehetra miaraka amin'ny Epistily.
Mba efa nanamarika ve Radidi fa io bokin'ny asan'ny apostoly io dia tsy misy famaranana ! Tsy midika ve izany fa mbola tsy vita ny asa ? ;-)
didi10:
Manao comparaison fotsiny ianao avy eo hoe ito fampianarana marina, ito fampianaran-diso satria efa manana base ianao.
Tandremo fa tsy voatery ho marina ny heverinao a ! :-)
«Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy»
Fianarana foana ny fiainana hoy ny namana etsy ambony (ndenn) ! Eny fa na eto amin'ny forum aza dia mety misy azo raisina ihany koa fa tsy voatery mandeha any @ fac teolojia kosa aloha e, izay toerana natokana ho an'ny "spécialisation" ! ;-)
Fomba fijeriko ihany anefa izay a ! ;-)
11. jajajaly
(
17/01/2012 10:53)
Tefigasy
Mamporisika hatrany ny tenanay fa mba misy ihany eto madagasikara oniversite mampianatra ny teolojia sy mandalina izany araka izay voalaza marina ny amin'ny fanjakan'andriamanitra.
Aiza izany de inona hono no voalaza fa marina ny amin'ny fanjakan'andriamanitra? mba ampahafantaro eto @ forum fa tsy efa miasa de tsy afaka mivalapatra betsaka amin'ny fotoana any ampianarana intsony e!
12. Tefigasy
(
17/01/2012 11:17)
jajajaly:
Aiza izany de inona hono no voalaza fa marina ny amin'ny fanjakan'andriamanitra?
mahagaga ihany raha olona eto tana no tsy mahalala fac teolojia eto na dia iray ihany aza
jajajaly:
mba ampahafantaro eto @ forum fa tsy efa miasa de tsy afaka mivalapatra betsaka amin'ny fotoana any ampianarana intsony e!
ny mba hisorohana ilay fampianarana anjorony mihitsy no ilana ireny toerana ireny, raha afaka atao @ forum daholo ny zava-drehetra, mino aho fa na ny trano fiangonana aza efa mety tsy hisy ilana azy intsony koa raha ny fotoana no tsy hananana.
bor2lais:
Eny fa na eto amin'ny forum aza dia mety misy azo raisina ihany koa fa tsy voatery mandeha any @ fac teolojia kosa aloha e, izay toerana natokana ho an'ny "spécialisation" !
ho anao izay efa mahalala ny akotry sy ny tsiparifary dia manaiky aho fa mahita azo raisina ianao eto, fa ho an'ireo maro mbola tsy mahalala fa izay atolotra azy dia hohaniny avokoa dia eo no tena olana goavana raha aty @ sehatra toy itony no hanovozany ilay fampianarana satria mifangaro eto ny akotry sy ny tsiparifary.
didi10:
Aza miandry hisy hampianatra foana re isika raha te handalina momba ny finoana; tonga dia raiso ny Baibolinao, mandraisa Thème ohatra (Alahady sa Sabata, Batisa, Fanahy Masina, Paradisa sy ny Helo ...)
Ohatra iray io izao, ny mahamaika ny olona aty amin'ny sehatra toy itony dia tsy ny fitadiavana an'andriamanitra loatra, tsy ilay tena famantarana an'andriamanitra fa ilay endrika sy fomba ety ivelany. Tsy andriamanitra no zava-dehibe aminy fa ny andro alahady, na asabotsy, ka manjary ny andro no toriana fa tsy i Kristy. Ary dia izay moa no zava-misy fahita betsaka hatreto aloha!
13. jajajaly
(
17/01/2012 11:53)
mahagaga ihany raha olona eto tana no tsy mahalala fac teolojia eto na dia iray ihany aza
ie mahagaga! raha somary ambanivohitra sy amin'ny faritany aloa tsy mahay izay mitraga sy vaovao any @ ville any ka zay ilay lazaiko hoe Aiza zany sade mba miakatra kely any rehefa congé iny ko! sa tsiamabaratelo!!
Mahagaga de ity, i Jesosy niteny hoe "43 fa hoy izy taminy: Tsy maintsy mitory ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny tanàna maro hafa koa aho, fa izany no nanirahana ahy." Lioka 4:43 naniraka ny Apostoly izy rehefa avy eo. Ahoana ny ataon'ireo Apostoly hoy ny Asa 5:42 "42 Ary tsy nitsahatra ny nampianatra sy nitory isan'andro tao an-tempoly sy tany an-tranon'olona izy ireo fa Jeso no Kristy. " ary nataon'izy ireo maimaim-poana sy tsy misy atak'andro izany. Eto anefa ampirisihin'iTefigasy handoa vola any Fac hianatra Théologie izahay madinika mintrongy sy miasa mafy vao homana. De tsikeraina ny modely sasany nataon'ireo apostoly
Tefigasy
Sady mapalahelo no mampieritreritra ka izany no antony mba nitenenana hoe tena ilaina ilay mandalina teolojia any amin'ny sehatra natokana ho amin'izany fa tsy eny anelakelatrano rehetra eny akory.
De tsy hahay sy tsy ampianarinareo théologie ve zany zahay tsy afaka mankany @ fac itony indrindra fa ny momba ny fanjakan'Andriamanitra?
14. Tefigasy
(
17/01/2012 13:09)
jajajaly:
ie mahagaga! raha somary ambanivohitra sy amin'ny faritany aloa tsy mahay izay mitraga sy vaovao any @ ville any ka zay ilay lazaiko hoe Aiza zany sade mba miakatra kely any rehefa congé iny ko! sa tsiamabaratelo!!
dia mbola mahagaga ihany koa raha olona manana internet no mbola tsy mahalala fac teolojia eto tana na eto madagasikara na iray aza.aza mody fanina ry ise a, sa ve hilaza indray ianao rehefa avy eo we tsy hita ao anaty google izany !
Mahagaga de ity, i Jesosy niteny hoe "43 fa hoy izy taminy: Tsy maintsy mitory ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny tanàna maro hafa koa aho, fa izany no nanirahana ahy." Lioka 4:43 naniraka ny Apostoly izy rehefa avy eo. Ahoana ny ataon'ireo Apostoly hoy ny Asa 5:42 "42 Ary tsy nitsahatra ny nampianatra sy nitory isan'andro tao an-tempoly sy tany an-tranon'olona izy ireo fa Jeso no Kristy. " ary nataon'izy ireo maimaim-poana sy tsy misy atak'andro izany.
Fa efa nahita fac teolojia kristianina ve ianao tamin'ny andron'ny apostoly paoly na i petera na jaona?
Mahita ve ianao fa fampianarana mivilana no nampianarin'izy ireo teny rehetra teny ka mila sy ilainy ny miditra fac alohan'ny hampianarany ?
Ny antony ilana ireny sehatra ireny dia ny mba hanitsiana izay tsy mety ataon'ireo milaza fa mpitory ny hafatr'i kristy nefa hita be fa tsy ampy sy mivilana ny zavatra lazainy sy teneniny r'ise a!
Eto anefa ampirisihin'iTefigasy handoa vola any Fac hianatra Théologie izahay madinika mintrongy sy miasa mafy vao homana. De tsikeraina ny modely sasany nataon'ireo apostoly
Mitrongy vao homana daholo ny olona rehetra ankehitriny, ny hatsembohan'ny tava izao no hihinanana miaraka amin'ny fitahian'andriamanitra. Tsy mbola niresaka vola mihitsy i Tefigasy hatrizay. aza mba miteny ny tsy nolazaiko ry ise a! . Tsy mbola nampirisika anao handoa vola ho an'ny fanjakan'andriamanitra aho teto fa raha tianao tsy ho amin'izany ihany koa ny volanao de tehirizo any ihany fa tsisy tsiny akory
15. niryna
(
18/01/2012 06:00)
Tefigasy:satria samy mitompo-teny fatratra avokoa ka samy milaza fa ny azy no marina: izahay an'i Kaisara ,izahay an'i Paoly, ny anay Petera sns .
Samy milaza izay tiany tenenina sy izay mahamety azy ny tsirairay fa ny tena fandalinana ilay soratra masina tsy misy. Raha tena samy mandalina ny olona rehetra dia mino aho fa tsy ho toa izao ny fomba entina hizarana sy ilazana izany filazantsaran'ny fanjakan'andriamanitra izany. Baiboly iray, antokom-pivavahana tsy tambo isaina no mipoitra sy samy miteny fa ny azy irery no marina sy mahitsy ary mitodika amin'ny filazana ny fanjakan'andriamanitra. Sady mapalahelo no mampieritreritra ka izany no antony mba nitenenana hoe tena ilaina ilay mandalina teolojia any amin'ny sehatra natokana ho amin'izany fa tsy eny anelakelatrano rehetra eny akory.
Manaova anie sary iray dia maka olona maromaro mijery ilay sary ary asaivo milaza ny zavatra hitany avy izy ireo raha tsy samy manana ny fijeriny avy e.
Nisy pasitera dimy izay nandalina ny Bokin'ny Faminaniana fa e, tsy tafavoaka ilay izy fa sarotra be ka maika moa izany fa olona tsotra.Saingy izao kosa no tsara ho fantatra fa na tsy mahay mamaky tena na manoratra azy ka Atra no miantso ilay olona dia ny vavany no tendreny ka mahavita mizara ny tenin'Atra an
16. bor2lais
(
18/01/2012 09:32)
tefigasy:
ho anao izay efa mahalala ny akotry sy ny tsiparifary dia manaiky aho fa mahita azo raisina ianao eto, fa ho an'ireo maro mbola tsy mahalala fa izay atolotra azy dia hohaniny avokoa dia eo no tena olana goavana raha aty @ sehatra toy itony no hanovozany ilay fampianarana satria mifangaro eto ny akotry sy ny tsiparifary.
Aoka moa Ratefi fa lasa boramanga ny tena a ! :-)
Amiko aloha dia sehatra natao ifampizarana sy ifanakalozana ny eto ! Noho izany dia sehatra tokony ampivelatra sy/na ampitombo ... ;-)
Mazava ho azy fa amin'ny maha-public azy dia afaka miditra eto daholo ny rehetra izay samy manana ny firehany avy ara-pinoana ! Ary izay indrindra aza no isan'ny mahaliana ahy amin'ity sehatra iray ity ! ;-)
17. bichette
(
24/01/2012 15:11)
izaho manokana aloha tsy manao teolojia fa etude biblique no ataoko ary koa mandinika ny tenin'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny fanahy Masina.
18. bor2lais
(
24/01/2012 15:38)
H.S
Fa inona kay no mahasamihafa ny "étude biblique" amin'ilay hoe "mandinika ny tenin'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny Fanahy Masina" bichette ? ;-)
H.S - Tapitsa

19. bichette
(
25/01/2012 08:12)
bor2lais:
H.S
Fa inona kay no mahasamihafa ny "étude biblique" amin'ilay hoe "mandinika ny tenin'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny Fanahy Masina" bichette ? ;-)
H.S - Tapitsa
Ny teolijia, mianatra otran'ny any ampianarana, izay aloha ny base-ny. mianatra antsipirihiny hatramin'ny arkeolojia, ny tantaran'ny fiangonana, ny israely sns fa "intellectuellement" mihitsy aloha. avy eo amin'izay arakaraky ny tsirairay ny hoe tena miaina izay nianarany ve izy sa tsia, tena nanolotena ho an'i Tompo ve izy sa tsia ?
Ny etude biblique indray otran'ny cours du soir na formation ahahahaha, tsy mandalina be antsipirihiny fa mianatra tsikelikely ny essentiel mihitsy.
Tsy haiko loatra ny manazava azy ka !!!! lollll fa izay tena niova fo no mahazo revelation mihitsy ary raha mampita izany izy, dia mahakasika ny fanahin'ny olona mihitsy satria velona ny zavatra lazainy, raha tsy misy fanahy Masina kosa dia otran'ireny fampianarana tany ampianarana ireny fotsiny, mijanona ho intelligence sy connaissance.
izay no mahatonga ny toriteny sasany tsy misy aina mihitsy, tsy mi convaincre mihitsy, tsy manova fo, tsy mahakasika
;-) ;-)
tapitra !!!!!
20. Tefigasy
(
25/01/2012 08:37)
bichette:
Ny teolijia, mianatra otran'ny any ampianarana, izay aloha ny base-ny. mianatra antsipirihiny hatramin'ny arkeolojia, ny tantaran'ny fiangonana, ny israely sns fa "intellectuellement" mihitsy aloha. avy eo amin'izay arakaraky ny tsirairay ny hoe tena miaina izay nianarany ve izy sa tsia, tena nanolotena ho an'i Tompo ve izy sa tsia ?
Ny etude biblique indray otran'ny cours du soir na formation ahahahaha, tsy mandalina be antsipirihiny fa mianatra tsikelikely ny essentiel mihitsy.
Ny etude biblique ve izany tsy manao teolojia raha ny eritreritrao?
Ahitsy kely kosa angamba satria ny atao hoe teolojia anie dia fianarana ny momba an’Andriamanitra, hanambarany ny sitra-pony. Miorina amin’ny soratra masina ary eo ambany fitarihan’ny Fanahy masina mba hanazava izay rehetra tsy vosoratra sy tsy ho takatry ny saina.
Ny teolojia dia asa fanompoana, hiantrehana ny asa rehetra amin’ny maha kristianina eo anivon’ny tantara sy ny vanim-potoana.
Noho izany, ny tena atao hoe teolojianina dia izay manambara sy manantanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, mitady ny fomba hanantanterahana izany.
ka na mianatra toy ny any ampianarana, na manao cours de soir, rehefa fianarana momba an'andriamanitra dia teolojia daholo no azo hitenenana azy angamba fa tsy misy fanavahana kosa! Ny sehatra ianarana sy hiofanana no mety samy hafa fa ny tanjona mety mitovy: fianarana ny momba an’Andriamanitra