Mila mianatra teolojia ny mpiserasera

21. bichette ( 25/01/2012 12:21)
Tefigasy > ianao manao teolojia aiza ? misy fanontaniana tiako apetraka manko, any amin'ny protestanta ve sa katolika ?
22. Tefigasy ( 25/01/2012 12:33)

bichette:

Tefigasy > ianao manao teolojia aiza ? misy fanontaniana tiako apetraka manko, any amin'ny protestanta ve sa katolika ?

Afaka apetrakao ny fanontaniana fa tsy olana angamba ny mahaprotestanta na katolika satria tsy ny fiangonana akory no mahavonjy.

Eny @ université Ravelojaona aho no mianatra teolojia aloha hatreto saingy tsipiako tsara fa tsy etude pastoraly akory no ataoko eny fa fandalinana teolojia miaraka amin'ireo mpampianatra eny ihany. Sao mantsy mieritreritra ianao hoe ny ho pasitera no tanjoko, tsia, araka ny efa nazavaiko ery ambony ny antony hanaovako izany teolojia izany
23. Victoria ( 27/01/2012 08:14)
Tsy misy maharatsy izany hoe mianatra theologie izany an ! saingy toa mazana be vao ho tonga any am zany. Izany theologie izany mantsy ohatran'ny efa etude goavana be, hivoahan'ny théologien ! koa maninona moa ? nefa tsy natao ho an'ny rehetra izany fa samy manana ny fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra azy.
"1Ko 12,7 Samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy, mba hahasoa ny be sy ny maro. .. 29 Moa Apostoly izy rehetra? Moa mpaminany izy rehetra? Moa mpampianatra izy rehetra? 30 Moa manao fahagagana izy rehetra? Moa nahazo fanomezana hanasitrana izy rehetra? Moa miteny fiteny samihafa tsy fantatra izy rehetra? Moa mandika teny izy rehetra? "

"Mila mandalina ny finoana misy azy ny rehetra" angamba no marimarina kokoa ; atomboka any amin'ny Sekoly alahady, na Katesizy ! fa tsy tonga de any am avo ! fa sao fanina any !

Dia izao koa, raha misy mampihazohazo, de izay atokisanao atao fakana hevitra (Pasitera, mompera, document na site fantatra fa eken'ny finoana misy anao) fa tsy izao rehetra izao ! Mila mitandrina, fa betsaka ny milaza azy ho "spécialiste" !
Mankasitraka .
24. AndriambyII ( 27/01/2012 10:26)
Mampahatsiahy ny fianarana katekomena fahazaza ny resaka , raha mandinika tsara isika dia andro iray na roa na andro vitsivitsy dia voavaky ny baiboly raha mamaky izany tsy miverimberina isika , ny fitadidiana sy ny fampitàna ary ny fampiharana ny zavatra voasoratra ao anatiny no olana @ sasany , ( ohatra vitsivitsy ireo sivilizasiona tsy nandairan' ny finoana xana , ireo sivilizasiona tsy nanana ny alfabeta hebraika na arameana , ohatry ny grika , ny taoista , ny inca , ny latina , ny amarika , ny semitika , ... , dia ny teny malagasy sy ny malagasy izay fantatra fa manakaiky indrindra ny teny arameana sy jiosy ve @ fomba amam-panao , dia haka sarotra miohatra ireny sivilizasionina ireny raha handalina ny soratra masina (..) ? Na dia navadika t@ teny latina aza ny baiboly malagasy , dia ataoko fa mazava be ny antony nandikana izany t@ andron-dRadama ,teny fototra avy t@ taranak'israely no nohezahina ho fakafakaina sy nodinihana nandritr' izay 2arivo taona izay , fomba iray nentin' ny tsy xana hahazahoany mandrava ny mandan'i Jericho mandrak' ity ny androany !!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0668