Raha hiverina Ravalo

1. hery ( 16/01/2012 07:52)
dia mety mihitsy ilay hoe mitondra mpanao gazety iraisam-pirenena maro miaraka aminy. Raha tena te hisambotra azy amin'izay ny HAT dia ho hita eo ny fomba sy ny antony hisamborana azy.
novalian'i andrywui ny 18/01/2012 10:48
2. mirananirina ( 16/01/2012 09:57)
Marina izany,ny tsy fantany manko de hoe inn no miandry azy(tgv) aorian io tetezamita lavabe io!!ny mpanao gazety ao Mada ihany no azony vonoina fa ny any ivelany kosa ho raharaha be
3. galasm ( 16/01/2012 13:25)

mirananirina:

Marina izany,ny tsy fantany manko de hoe inn no miandry azy(tgv) aorian io tetezamita lavabe io!!ny mpanao gazety ao Mada ihany no azony vonoina fa ny any ivelany kosa ho raharaha be

mety tsy sahy hisambotra toute suite ,nefa raha vao be mpitsena koa dia vita ny FAT,sarotra ny haminavina an'io,possible hoe raha vao betsaka ny mpitsena ,na ireo miaramila foza aza mety hivadika tampoka hanohana an'i ra8
4. Miharena ( 16/01/2012 14:30)
Alohan'ny alarobia izao hono hoy ny gazety no ho tonga ingahirainy. Ny zavatra mitranga aty Mada fotisny dia io mody anaovan'ny ankolafy Zafy fihetsiketsehana eo amin'ny kianjan'ny Demokrasia io rahampitso Talata ahafahana mandrefy ny fihetsiky ny mpitondra sy ny fihetsiky ny vahoaka ka mety io angamba no hitsapan-Ingahirainy ny halalin'ny rano. Rehefa hitany fa tsy misy hidirana dia mety tsy hiverina aloha izy fa raha misy hidirana dia tonga izy amin'ny angady sy ny harona.
Ho hitantsika eo e!
5. rijadolly ( 16/01/2012 15:14)

Alohan'ny alarobia izao hono hoy ny gazety no ho tonga ingahirainy.


Alohan'ny alarobia izao no hilazany ny daty ahatongavany ka, fa ny faniriana sy mba zavatra ataony dia ny mba ho to teny izy amin'ireo izay manaraka azy mba tsy hanao valifaty na manana ny marina na nisy fadisoana. Dia hitondra filaminana aaka ny nambarany anie ny fahatongavany. Ary dia ahay andray azy koa ny FAT etsy andanin'izay ka hifandray tanana sy hifamela tanteraka tsy misy fitaka.

http://collectif-gtt.org/content/14012012-filoha-ravalomanana-ho-ampahafantariny-amin-ny-alarobia-izao-ny-ora-hiverenany


«Tonga ny fotoana , amin’ny Alarobia izao dia ho lazaiko aminareo ny andro hahatongavako». Namaly ny fiandrasan’ny vahoaka mpandala ny ara-dalàna tonga maro teo amin’ny Kianjan’ny Finoana ny fanambarana nataon’ny Filoha RAVALOMANANA Marc ary noraisin’ny vahoaka tamin-kafaliana tokoa. Fotoana iray tsy maintsy andraisana fanapahan-kevitra izao araka ny fanazavany satria efa diso mijaly loatra ny mpiray tanindrazana. Fahatelo alohan’ny farany amin’ny Firenena mahantra indrindra manerana ny tany no misy antsika amin’izao fotoana. Nihaona tamina mpitondra Afrikana maro ny tenany nandritra ny fankalazana ny tsingerintaonan’ny ANC tao Afrika Atsimo ,araka ny nambaran’ny Filoha RAVALOMANANA, ary talanjona amin’ny tsy mbola mahatafaverina azy aty an-tanindrazana ny ankamaroan’izy ireo.

Nijoroany vavolombelona ny traikefa nozarain’ny Filohan’ny Burundi taminy. Nolazain’ity farany fa mbola henjana lavitra noho ny tranga eto Madagasikara ny zava-nisy tany amin’io Firenena iray io saingy rehefa niroso tamin’ny fifampiresahana dia voavaha hatrany. «Tapakevitra aho» hoy ny Filoha «fa tsy maintsy hasehoko an’izao tontolo izao ny finiavako hamaha ny olana eto Madagasikara». Nanteriny fa ny Alarobia ho avy izao no hambarany amin’ny vahoaka Malagasy ny andro hiverenany ary mpanao gazety iraisam-pirenena am-polony maro no hiara-dia aminy hijery ny zava-misy marina eto Madagasikara.
6. amboditsiry ( 16/01/2012 15:46)
Ny eo ary tsy voava ko maka blem indray le gasy maika2 anla azy eo ko zao vao oe dada a dada a!zao le oe voan'ny heviny fa mazaka eeeeeeeeeee
7. rijadolly ( 16/01/2012 16:22)
Amboditsiry a! Tsy ny rehetra kosa e! N aizany aza niarahan' nizaka ny fahavoazana, dia izay no ilaina ny fifandraisan-tanana sy ny fifamelana tanteraka mba hijerena ny ho avy ny rehetra.
8. andrywui ( 16/01/2012 17:18)

dia mety mihitsy ilay hoe mitondra mpanao gazety iraisam-pirenena maro miaraka aminy. Raha tena te hisambotra azy amin'izay ny HAT dia ho hita eo ny fomba sy ny antony hisamborana azy.
aza mipapapapa hery fa tsisy haninnn azy zany eo raha miditra eo izy fa handeha amin'ny étape normal ny resaka a !!! otran'ny fitsarana andry mahandry sy ry Steve sy ry Lama ireny ihany koa e !!! tsy misy olona ambany lalàna akory fa refa tonga i dada de raisina soa amantsara izy de alefa ny fitsarana amin'ny ambaratonga mahefa rehetra de tsaraina aradalana tsisy ankamono na ankitifitra akory eo amzay !!! ho tenenina mafy i Gal Fidy mba hipetraka tsara , otrizay koa i colonel lalaina (efa general) sy i kapiteny Donné neveu an'i Boba izay manana eritreritra hafahafa aùin'i dada ,, de mba asaina mandefitra alou ry lerony de miditra amin'ny aradalana ny fikarakarakana an'i dada !!!
9. andrywui ( 16/01/2012 17:22)
azafd !!! tsisy olona ambonin'ny ambony lalàna akory .... mahazo miditra i dada !!

mandefera lesy Fidy sy Lalaina ,Donné a !! aza tabainlisany lesy fa aleo dada hiditra ampiadanana a !!

mbola manelonelo any koa ny avelon'ireo teo Ambohitsorohitra !!!
10. andrywui ( 16/01/2012 17:23)

HISY RAHARAHA ETO SANNN' A ....
11. rijadolly ( 16/01/2012 17:38)
OTSKSO! OTSKSO! ve izany ataon'se izany e!
12. andrywui ( 16/01/2012 23:15)
o rijadolly a !!! mba raiso amin'ny fo tsy miangatra kosa fa be loatra reo matin'ny dada de mba aleo izy hizaka ny vokatrizay eee !!

mandrosoa dada aa !mandrosoa fa masaka ny loh'omby eee

mandrosoa enao ry mpanarato fa miandry anao ireo fianakams n'ireo maty teo Ambohitsorohitra reny eee manginy fotsiny ireo miaramila marobe mbola mivonto fo be amzao !!!!

- vorokrly azon'adala io anio ozy ka raha tsy maty , mifoufou volo !!!
13. rijadolly ( 17/01/2012 00:02)
Aza manao otskso! wa fa inona ary ty, andao hihavana sy hifamela, fa ny marina anie tsy antsika e! Samy mbola tsy manana ny fahamarinana hatreto aloha.
14. hery ( 17/01/2012 00:12)
Vavan'ny maty andrano daholo izany.

Raha tena nisy helok'i Ravalo dia efa ela iny no nasaindry zalahy nody notsaraina sy nogadrainy teny TSiafahy fa tsy nanaovana an'izao NoTAM rehetra izao. Nanana points be mihitsy Rajoelina raha vitany ny nisambotra an-dRavalo sy nampiditra azy teny Tsiafahy satria izay no nandrasan'ny maro.

Saingy tsy sahy izy satria raha vao tsaraina eo Ravalo dia tsy maintsy voarohirohy ao Rajoelina sy Roindefo... dia mety samy mihinana. Dia naleondry zalahy Ravalo nilentika tany Afrika atsimo.

Amin'izao tsisy hevitra intsony fa tsy maintsy hiverina Ravalo dia mody ny azy indray no ataony tonga aloha hoe modia malaky. Ary jereo tsara fa Rajoelina no anisan'ny hiantsoantso fihavanana eo sy hizesta hoe noho izy no nahatonga an-dRavalo tafaverina tsisy rohirohy. Holazainy mihitsy aza angmba hoe nanao amnistie izy. Kanefa ny tena marina dia tsy sahy hisambotra sy hanao fitsarana izy satria miaraka midoboka.

Ny vahoaka nanaraka an'i TGV nefa tsy hita izay anaovana azy, tahaka an'i Andrywui, satria mangataka ny hanagadrana an'i Ravalo... dia tsy maintsy ahodikodina eo ny resaka hoe hotsaraina hotsaraina, kanefa mazava be fa tsy vita izany.

15. andrywui ( 17/01/2012 13:09)
ouuntsss ..!!! eritreritra daholo ny an'i hery izany !! tsisy marina ny vinavina apetrakao fa tsy zany mitsy no izy ! - zavatra roa no itondran'ny Phat ny zafera :
-1° tsy avela hiditra i dada mba ahafahana miasa aradalana ankalalahana tsisy puce sy virus manelonelo hitaritarika olona eo Ambohijatovo eo noho izany aleo izy sakanana tsy hiditra ,,,ohateny nataon'ny Filoha mihitsy aza mo ary mbola novahany ny hoe : aleo isika hanao anti-cyclone fa mitady handrava ny tanana ny rivodoza (mbola mipetraka io fa tandremo)

2° raha ty mo ka midongy be iany i dada ka mikiribiby hiditra iany fa tsy manaiky de vohaina midanadana ndray ny trano !!! de eo amzay le resabomanga lazain'i hery :na inona lazain'i dada na innn de mazava amin'ny vahoaka rehetra manana ny maty fa i dada no namono ny havany !!! raha i Rajoelina sy Roindefo ve tafiditra koa ,, efa teto amin'ny tanana fona anie ry lerony ee ka naninnn ary tsy nisy nametraka fitoriana na tapa panjaitra azy mitsamy reo hatramzao ???? de lazaivo oe mataoatra andry zalah ndray ny olona oe na zao na zao !... fa marina fa misy miandry ny fiverenan'i dada ireo mpiondana kely sisa tapaporohana kely navelandry Yves Aimee sy ny tariny sy ry hery !!! fa ny betsaka de fitia te hijery (otran'ny ratsiraka iny e) nga arema daholo reny houn !!! fa refa tafiditra eo tokoa amzay de ipongatra tsirairay eo amzay reo naotsan'ny dada ,,,na vono olona io na hala-bola na fipehana sipa tsy ampy taona otrandry Onja reny zao vao 17taona defa nabanak'i dada ny entany !!
16. trondrogasy ( 17/01/2012 21:52)
i ravolo ry andrywui tsy maintsy mody an ,ny firenena rehetra resy lahatra @ izany ,ny FAT irery sisa no miziriziry eo nefa inona no mba vitany ,i sakozy aza antenaina ho amin'izany eo fa very lisany.
17. andrywui ( 18/01/2012 10:48)
trondro gasy !! marina zany ! i RAVOLO ampidiritsika de i ravalo koa ampidiritsika fa i ravalo tsy mandalo sedra !!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0857