TE HIOVA FO
1. niryna
(
12/01/2012 05:16)
Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra.sady manana aretina tsy azo sitranina.
Iza moa no mahafantatra ny aminy?
IZAHO JEHOVAH NO MPANDINIKA NY FO sy MPAMANTATRA NY VOA.Mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy.Dia araka ny vokatry ny asany.
Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin'ny rariny. Handao azy amin'ny an-tenatenan'androny izany ka ho adala no farany.
Nisy olona izany nivoaka tany ivelany ary dia hoy ny nambarany hoe:nandeha tany an-dafy aho dia namboarina ny foko ka lasa tsara fanahy be aho ankehitriny(dokotera izany no nanova ny fony dia lasa tsara fanahy izy an)
1 Inona aloha izany hoe miova fo izany e
2 Ary ilay fitenenana hoe lasa olom-baovao?
3 Inona tokoa no tokony atao raha te hiova fo? miankina amintsika ve io sa Atra no mamolavola antsika dia miova tsikelikely ny fo-tsika?
4 Harena azo amin'ny tsy rariny: mivavaka ho an'ny firenentsika isika mba ho olom-banona no omeny ka hitondra ny fitondrana andeha amin'ny rariny sy hitsiny .Inona no vokatra mety ho ahazo amin'ny harena azo avy amin'ny tsy rariny hoy hianareo?
misaotra mialoha

novalian'i Miharena ny 18/01/2012 15:14
2. didi10
(
12/01/2012 06:57)
Tsara ny Tompo!
Miarahaba anao namana niryna,
1 Inona aloha izany hoe miova fo izany e?
Tsotra, ny fiovam-po dia fialana amin'ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy, fitadiavana fiainana misy filaminana anaty hahatonga fahasambarana.
Ny dingana voalohany dia io fahatsapa-tena io fa tsy mety ny ataon-tsika manoloana ny hafa indrindra manoloana an'Andriamanitra, mahatsapa tena fa mpanota ary mila fiovana, matetika anefa dia mijanona faniriana ihany ilay fiovam-po satria hoy ny Soratra Masina
Rom 7 : 18 - 20
18 Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato. 19 Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. 20 Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.
2 Ary ilay fitenenana hoe lasa olom-baovao?
Ny dingana faharoa aorian'ny fahatsapana fa mpanota sy mila fiovam-po dia ny fibebahana, mifona amin'Andriamanitra tamin'ny fahotana rehetra natao toa an'i Davida rehefa avy nangala-badin'olona, namono olona (vadin'ilay ramatoa), nandainga sns... izany hoe mifona amin'ny fahotana rehetra ;izay tsy misy kely sy lehibe eo anatrehan'Andriamanitra, ary mivoady fa tsy hamerina izany intsony.
Raha araka ny Soratra Masina dia tokana ihany no mahatonga ny olona iray ho lasa olom-baovao dia ny Batisa: fandevenana ny fahotana ary fahaterahana ao amin'Andriamanitra, hoy i Jaona ao amin'ny Soratra Masina
Jao I 5 : 18 - 20
18 Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak'Andriamanitra dia miaro ny tenany [Na: Ilay naterak'Andriamanitra no miaro azy.], ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy. 19 Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin'ilay ratsy avokoa. 20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Afaka mijoro vavolombelona aminao aho fa tanteraka amiko io tenin'Andriamanitra io, mety sarotra inona hoy ianao fa "possible" izany tsy mahay manota izany.
3 Inona tokoa no tokony atao raha te hiova fo? miankina amintsika ve io sa Atra no mamolavola antsika dia miova tsikelikely ny fo-tsika?
Maro tokoa ry namana ny olona no te hanatona an'Andriamanitra kanefa dia izao, hoy Jesosy
Jao 6 : 37
37 Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy
Jao 6 : 44
44 Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
Ho valin'ny fanontanianao dia tsy miankina amintsika fa Andriamanitra ihany no misafidy, mitsonga izay tiany hovonjena ary maniraka izany olona izany hanatona an'i Jesosy
4 Harena azo amin'ny tsy rariny: mivavaka ho an'ny firenentsika isika mba ho olom-banona no omeny ka hitondra ny fitondrana andeha amin'ny rariny sy hitsiny .Inona no vokatra mety ho ahazo amin'ny harena azo avy amin'ny tsy rariny hoy hianareo?
Io ilay lohahevitra efa nentiko teto hoe tsy tokony ny olona no mifidy ny mpitindra azy (Democratie) fa Andriamanitra no tokony hanendry olona hifehy antsika (Théocratie).
Raha ny valin'ny hoe harena azo avy amin'ny tsy rariny dia efa novalianao tetsy ambony ny valiny fa ho lasa adala izy satria hoy ny Soratra Masina
Mat 6 :21
Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.

3. bible
(
12/01/2012 07:59)
Miarahaba an'ise didy10 sy niryna
Marina avokoa ny filazan'i didy10 azy tsy analana ary tsy ampiana.

4. bor2lais
(
14/01/2012 09:54)
niryna:
Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra.sady manana aretina tsy azo sitranina.
Nefa ny fo no lapan'ny Fitiavana ihany koa ! :-)
didi10:
Afaka mijoro vavolombelona aminao aho fa tanteraka amiko io tenin'Andriamanitra io, mety sarotra inona hoy ianao fa "possible" izany tsy mahay manota izany.
Azo lazaina izany araka ny fahazoako azy fa manjaka ao amin'ny fonao ao Ilay Fitiavana ! ;-)
5. niryna
(
14/01/2012 21:09)
niryna:
Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra.sady manana aretina tsy azo sitranina.
Iza moa no mahafantatra ny aminy?
IZAHO JEHOVAH NO MPANDINIKA NY FO sy MPAMANTATRA NY VOA.Mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy.Dia araka ny vokatry ny asany.
Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin'ny rariny. Handao azy amin'ny an-tenatenan'androny izany ka ho adala no farany.
adinoko ny nanazava fa tao anatin'ny baiboly io no notsongoiko an
Jeremia 17 9-11
6. niryna
(
14/01/2012 21:32)
didi10:
Tsara ny Tompo!
Miarahaba anao namana niryna,
1 Inona aloha izany hoe miova fo izany e?
Tsotra, ny fiovam-po dia fialana amin'ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy, fitadiavana fiainana misy filaminana anaty hahatonga fahasambarana.
Ny dingana voalohany dia io fahatsapa-tena io fa tsy mety ny ataon-tsika manoloana ny hafa indrindra manoloana an'Andriamanitra, mahatsapa tena fa mpanota ary mila fiovana, matetika anefa dia mijanona faniriana ihany ilay fiovam-po satria hoy ny Soratra Masina
Rom 7 : 18 - 20
18 Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato. 19 Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. 20 Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.
ka izay zavatra tokony ataoko anie tsy ataoko e,izay sitrapon'ny foko ihany no ataoko tanteraka fa tsy mijery izay sitrapon'Atra aho e,hi,hi.
Raha misy olona izao milaza ho tia tanindrazana ohatra dia hafafy daholo izao teny rehetra izao kanefa rehefa tonga eo izy dia mitovy daholo.Samy manao izay maha diavolana ny fony avokoa. Samy manao izay hiadanan'ny kibony ary mameno ny paosiny ka ny samy malagasy no mifampihinana sy mifamono ary mifampangalatra noho ny tsy fahatongavan'ny vola any amin'izay tokony alehany:toa lasa manana 4X4 avokoa izay tafiditra ao
dia tokony arahintsika olombelona rehetra izany rehefa tena mahatsampa ny fahotana nataontsika isika saingy e,e ny ataoko ihany hoy aho no ataoko,izay sitraky ny foko no ataoko tanteraka,mahay mitsikera olona isika ary miteny hoe tsy amerina intsony na anao fanindrony saingy rehefa tonga indray ilay andro iray dia ny ataoko ihany no ataoko e .
2 Ary ilay fitenenana hoe lasa olom-baovao?
Ny dingana faharoa aorian'ny fahatsapana fa mpanota sy mila fiovam-po dia ny fibebahana, mifona amin'Andriamanitra tamin'ny fahotana rehetra natao toa an'i Davida rehefa avy nangala-badin'olona, namono olona (vadin'ilay ramatoa), nandainga sns... izany hoe mifona amin'ny fahotana rehetra ;izay tsy misy kely sy lehibe eo anatrehan'Andriamanitra, ary mivoady fa tsy hamerina izany intsony.
Ohatra hoe tonga ny fotoana vaovao: hijanona tsy hifoka sigara intsony aho,mandeha eny andro ,ny volana fa e,e niverina indray.Tsy nahatohatra mihitsy izany ilay filan'ny nofo an
Tsy hisotro toaka intsony aho ,tsy andainga hitsony aho ,miala any ry mpihatsara velatsihy,ry mpifosafosa,ny mpanao sotrobe lavatango.Dia mijanona kely isika fa avy eo liana ihany dia miverina indray .
fanaovana batisa ve no maha olombaovao antsika?
Raha araka ny Soratra Masina dia tokana ihany no mahatonga ny olona iray ho lasa olom-baovao dia ny Batisa: fandevenana ny fahotana ary fahaterahana ao amin'Andriamanitra, hoy i Jaona ao amin'ny Soratra Masina
fa angaha tsy ny fanatonana an'ATra ,ny fametrahana ny fiainana amiNy Ny teny mantsy manambara fa ny lasa dia lasa fa ny ho avy no ho banjinina ka tsy ho tsaroaNy intsony izay fahotana rehetra any raha toa ka nibebaha,tsy anjarantsika ihany koa no mitsikera izay fahotana nataon'ny olona any rehefa nibebaka izy satria hovan'Atra ny fony ary anomboka ahafantatra ny fahamarinana izy sa ? .Batisa izany anie misy zazakely atao e.aiza koa no ahalalany hoe olom-baovao izy.sa diso aho?
tsy azoko ,inona no hidiran'ny olom-baovao eto?
Jao I 5 : 18 - 20
18 Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak'Andriamanitra dia miaro ny tenany [Na: Ilay naterak'Andriamanitra no miaro azy.], ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy. 19 Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin'ilay ratsy avokoa. 20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
7. niryna
(
15/01/2012 00:40)
didi10:ka izay ilay hoe tsy hianareo no nifidy ahy fa izaho no nofidy anareo e !
Afaka mijoro vavolombelona aminao aho fa tanteraka amiko io tenin'Andriamanitra io, mety sarotra inona hoy ianao fa "possible" izany tsy mahay manota izany.
3 Inona tokoa no tokony atao raha te hiova fo? miankina amintsika ve io sa Atra no mamolavola antsika dia miova tsikelikely ny fo-tsika?
Maro tokoa ry namana ny olona no te hanatona an'Andriamanitra kanefa dia izao, hoy Jesosy
Jao 6 : 37
37 Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy
Jao 6 : 44
44 Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
Ho valin'ny fanontanianao dia tsy miankina amintsika fa Andriamanitra ihany no misafidy, mitsonga izay tiany hovonjena ary maniraka izany olona izany hanatona an'i Jesosy
Raha te hiova izany ary ny olona tsy afaka raha tsy misy ny fanahy masina izay manampy azy raha izany an
hoy mantsy ny ao amin'ny Jeremia 17:5-6 Ho voahozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny ka miala amin'i Jehovah ny fony.Fa ho tahaka ny olona mahantra any antan--hay izy ka tsy mba hahita ,na dia avy aza ny soa
4 Harena azo amin'ny tsy rariny: mivavaka ho an'ny firenentsika isika mba ho olom-banona no omeny ka hitondra ny fitondrana andeha amin'ny rariny sy hitsiny .Inona no vokatra mety ho ahazo amin'ny harena azo avy amin'ny tsy rariny hoy hianareo?
Io ilay lohahevitra efa nentiko teto hoe tsy tokony ny olona no mifidy ny mpitondra azy (Democratie) fa Andriamanitra no tokony hanendry olona hifehy antsika (Théocratie).ary izay mamafy rano dia hijinja tadio
Raha ny valin'ny hoe harena azo avy amin'ny tsy rariny dia efa novalianao tetsy ambony ny valiny fa ho lasa adala izy satria hoy ny Soratra Masina
Mat 6 :21
Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.
Hoy ny soratra masina hoe: Omeo olom-banona aho hanangana firenena vanona
8. niryna
(
15/01/2012 00:45)
bor2lais:mety ho izay aky a,tsy afaka mitia raha tsy manana fitiavana ao anaty ao sa ?
niryna:
Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra.sady manana aretina tsy azo sitranina.
Nefa ny fo no lapan'ny Fitiavana ihany koa ! :-)
didi10:
Afaka mijoro vavolombelona aminao aho fa tanteraka amiko io tenin'Andriamanitra io, mety sarotra inona hoy ianao fa "possible" izany tsy mahay manota izany.
Azo lazaina izany araka ny fahazoako azy fa manjaka ao amin'ny fonao ao Ilay Fitiavana ! ;-)
9. Miharena
(
15/01/2012 18:09)
Niryna:
Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra.sady manana aretina tsy azo sitranina.
Tsara heverina ihany hoe fahamarinana azo raisina ve io tanisain'i Niryna io? Sa fomba fiteny fotsiny ihany ka zary lasa raisina ho raiki-tampisaka?
Amiko manko dia tsy misy idiran'ny fo mihitsy ny famitahana. Tsy ny fo mikasa fa ny saina ka ny famehezana ny saina no mila heverina mba tsy hankarary ny fo na hanangona loto ao am-po.
Raha tena dinihina dia malemy dia malemy ny fo ka manaiky izay rehetra ampidirin"ny saina sy ny manodidina azy ao aminy. Izay no mahatonga ny Malagasy miteny hoe mila mahay manindry fo isika mba tsy hanaonaovam-poana. Mila fantarina io mba tsy tonga dia handraisana fanomezan'-tsiny ny fo toy io fanambarana voalaza eo ambony io.
10. niryna
(
15/01/2012 23:53)
didi10:
Afaka mijoro vavolombelona aminao aho fa tanteraka amiko io tenin'Andriamanitra io, mety sarotra inona hoy ianao fa "possible" izany tsy mahay manota izany.
niryna:
3 Inona tokoa no tokony atao raha te hiova fo? miankina amintsika ve io sa Atra no mamolavola antsika dia miova tsikelikely ny fo-tsika?
Maro tokoa ry namana ny olona no te hanatona an'Andriamanitra kanefa dia izao, hoy Jesosy
Jao 6 : 37
37 Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy
Jao 6 : 44
44 Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
Ho valin'ny fanontanianao dia tsy miankina amintsika fa Andriamanitra ihany no misafidy, mitsonga izay tiany hovonjena ary maniraka izany olona izany hanatona an'i Jesosy
niryna:
ka izay ilay hoe tsy hianareo no nifidy ahy fa izaho no nofidy anareo e !
Raha te hiova izany ary ny olona tsy afaka raha tsy misy ny fanahy masina izay manampy azy raha izany an
hoy mantsy ny ao amin'ny Jeremia 17:5-6 Ho voahozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny ka miala amin'i Jehovah ny fony.Fa ho tahaka ny olona mahantra any antan--hay izy ka tsy mba hahita ,na dia avy aza ny soa
niryna:
4 Harena azo amin'ny tsy rariny: mivavaka ho an'ny firenentsika isika mba ho olom-banona no omeny ka hitondra ny fitondrana andeha amin'ny rariny sy hitsiny .Inona no vokatra mety ho ahazo amin'ny harena azo avy amin'ny tsy rariny hoy hianareo?
Io ilay lohahevitra efa nentiko teto hoe tsy tokony ny olona no mifidy ny mpitondra azy (Democratie) fa Andriamanitra no tokony hanendry olona hifehy antsika (Théocratie).
Raha ny valin'ny hoe harena azo avy amin'ny tsy rariny dia efa novalianao tetsy ambony ny valiny fa ho lasa adala izy satria hoy ny Soratra Masina
Mat 6 :21
Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.
niryna:fanitisiana: Izay mamafy rivotra no hijinja tadio
ary izay mamafy rano dia hijinja tadio
Hoy ny soratra masina hoe: Omeo olom-banona aho hanangana firenena vanona
11. Miharena
(
18/01/2012 15:14)
Niryna:
Ho valin'ny fanontanianao dia tsy miankina amintsika fa Andriamanitra ihany no misafidy, mitsonga izay tiany hovonjena ary maniraka izany olona izany hanatona an'i Jesosy
Tsy mampihemotra izay te-hiova fo ve ity resaka ity raha fantany tsara fa tsy voafidin'Andriamanitra izy?