CAUSE RACIAL, AOKA IZAY

1. RUZ9 ( 08/01/2012 11:05)
Aoka izay ny fivoizana an'ity Cause Andriana sy tsy Andriana ity fa tsy misy Andriana izany eto. Ny andriana fantatray dia izay nitondra an'ity Firenena ity hatr@ izay ihany, dia RANAVALONA III sy ny teo alohany rehetra izany.

Ny ankoatr'izay, mahalaza zavatra betsaka i Molière raha nilaza fa : "La vertu est le premier titre de noblesse"

Averiko eto koa ny tenin'i Kristy manao hoe "Afaka maorona taranak'i Abrahama avy @ ireto vato ireto ny Raiko" .

NY FANAHY NO OLONA ARY NY FANAHY no fototry ny fahendrena fa tsy ny rà, ny Fanahy no hoenti-mitondra fa tsy ny rà na ny hambom-po diso toerana. Fanampin'izany; OLO-MARINA no ilaina fa tsy olona mitondra anaran-dray. Aoka tsy hanao ratsy tarehy mangata-bady ka anaran-dray no enti-mangataka.

VALIO FA HAMALY ANAO AHO

Raha tianao hohalalinina ny atao hoe FANAHY sy ny antsipiriany momba azy ara-tsiantifika dia tsidiho ato http://cyrius.unblog.fr
novalian'i nilex ny 09/01/2012 10:21
2. rijadolly ( 08/01/2012 16:26)
Fa iza no mbola henon'se miteny an'izany e?
3. nilex ( 09/01/2012 10:21)
Tazony fotsiny izay fomba fijerinao dia miezaha mandresy lahatra ny hafa fa ny olona tsy azo sakanana amin'izay tiany ho lazaina amin'izao andron'ny fahalalahana izao.Samy manana ny heviny sy ny fomba fijeriny mantsy ny olona ka sarotra ary indrindra samy manana izay heveriny ho marina avokoa.Aza maka lagy amin'izany fa fiainana izany e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1503