Andao hifanome tanana hanala ny fat

1. rebiryx ( 07/01/2012 18:02)
Vita soa ny Noely ary harahabaina tratry ny taona daholo e !
Zao ry zareo a, tsy vitan'ny serasera intsony ity zavatra ity fa andao hifanome tanana hanala ny fat : biby fandrava mamotika ny tanindrazantsika. Telo taona izao no lasa, aiza ho aiza no misy ny Firenentsika izao ? ? ? ireo teneniko ireo fotsiny anie no vahaolana dia hilamina ny zava-drehetra, indrindra ny fahafahan'i Dada mamonjy antsika. Ankaherezo aby ny namana e !
novalian'i rebiryx ny 13/01/2012 05:57
2. nilex ( 09/01/2012 10:28)
Raha ny hevitro dia izao raha toa ka alana ankeriny eo ireo dia ho afaka tokoa fa saingy mbola afaka mivazavaza any ambadika izy ary miseho azy ho mbola mahavita azy foana e.
Fa aleo ry zareo ho eo hanao ny hadalany rehetra eo ,mividy basy hitifirana ny tenany ange izy izao e,ary mandavaka ny lavaka hilevenanany ka aleo ho lalina tsara ny lavaka dia mianjera ho azy any ireo.Marina ihany ange ny tenin'ny olona sasany hoe efa fian'ny hat ny propagande ny ra8 e.Raha izao no misy fifidianana tsy hisy hifidy an'ireo mihintsy ny olona.Tsy miteny mantsy izao ny olona fa efa tonga saina ihany anefa eny fa na dia ireo mpanohana ny hat teo aloha ary.
Ny miaramila nge sisa no mitazona ireo eo e ,fa ao aoriana ao dia mino aho tsy maintsy hitranga ny olana handrodana io hat io.
3. andrywui ( 10/01/2012 00:33)
Hon hon hon hon her her her her hin hin hin hin (miala tsiny fa voatery mamerina kely anty fiomean'alika ty ah fa taolana ny nify e) iza no olona adala iditra am jeux anlah zan les ry rabiry a hiditra depart zero ndray ve ny firenena efa mande, ny agoa zao efa mahabe fanantenana ,ny fotodrafitr'asa vitavita aby, ny karamampiasampanjakana voaloa aradalana daol hatramzao, n firenena hita oe miroso iany na d be mpanipy hoditr akondro aza, ny firenena ef manomboka mankato daolo. . . . Ka zao ndray toi hitarika ny pokna eto am serasera eto hanota indray?. . . Ra te hanota toi de reveo rery any ny afobean i toi fa aleo ny serasera hiakatra ny tany kanana tondradronono sy tantely . Reveo seul any ko ny tongolo manitr i toi fa efa 40taona tany antany hay ny vahoaka ka efa tojo ny niriany . Ok ve?
4. nilex ( 10/01/2012 05:31)
Sao ihany aloha fa ianao no niteny hoe fihomehin'ali... fa tsy izahay an.Tsy fantatro aloha ny niveau entinao mijery ny zava-misy fa raha ny AGOA izany dia tsy mbola misy fanantenana hatramin'izao.Mila firenena ara-dalana ny agoa izay tsy mbola misy eto.Miandry ny amin'ny taom-baovao 2013 indray isika raha toa ka mahafapo andry zareo ny zava-misy eto.Aza adino anefa fa ny USA dia tsy mankasitraka mihintsy izao fitondrana izao.Ka asa izay mahatonga anao hiteny hoe misy fanantenana nefa ny hat aza tsy mampihatra ny tondrozotra akory.
Raha ny momba ny fotodrafitrasa indray,inona moa no tena mandeha eto ny 2% ny zavatra tokony ho ataon'ny fanjakana ihany no mba vitany.Trano mora sy hopitaly 2 no mba vita ta ny ankoatra izay manao ahoana fa anga izany hahavelona ny malagasy maro an'isa.
Ny firoboroboan'ny tsy fandriam-pahalemana fotsiny dia mbola tsy nisy toy izao teto madagasikara raha tsy izao ny mpitandro ny filaminana mihintsy no lasa mpandroba izao satria misy mpiaro ao ambony ao.Fitondran'ny jiolamboto e.Za anefa milaza aminao fa tsy hateza mihintsy akory ny fitondrana toy izany.Ny3% ny malagasy ihany no mankasitraka azy ka raha vao mandalo fifidianana fotsiny io dia rava.
5. rebiryx ( 10/01/2012 05:31)
Aza dia tia tena letsy Andrywui an, izao firenena milatsaka ankady izao ve dia mbola atao hoe tondra-dronono ? Malagasy agnao iaho koa. Tsy hampanakarena ny fat no tanjona fa ny hampandroso an'i Madagasikara. De ireny lainga sy fitaka feno ronona an-tavy ireny ve no maha resy lahatra agnao ? Hitako agnao mahay fihomehezan'alika ka y efa nihinana ny fat ?
6. andrywui ( 10/01/2012 10:24)
nenareo anie ny fo no miasa fa tsy ny saina e !! raha tsara anie no nataon'nny mpitondra teo alou zay vaky nandositra nohon'ny taoabahoaka de tsary nisy naninnn azy ny oul ee !! fa ratsy ny nataony matoa nitsoaka matanjaka izy !! ka aza de manantena vorona andanitra ry zalah fa ze eo amboarina a efa io PHAT io netsika !!! io atao ze ahatafavoaka azy !! tohano !! omeo hery !! fa raha hiandry anze oul efa vizakin'ny fandosirana any ndray isika de hilentika eto foana !!!
7. nilex ( 11/01/2012 06:26)
Fa inona moa no mahatonga ny any ivelany tsy hankato io fitondrana ankehitriny io.Tsotra ny antony tsy ny vahoaka mihintsy no naka ny fahefana fa miaramila voakarama fotsiny no naka an'ambohitsirohitra.Ny teo amin'ny 13 mei ary tamin'ireny efa saika rava maina i TGV efa niafina tany amin'ny ambassade de françe.
Raha izao no mitohy dia mino aho fa hiongana tsy ho ela koa io ary i Rajoelina indray no handositra any ivelany.
Raha vahoaka no nametraka azy teo maninona moa izy tsy sahy mampody andra8 eto dia milatsaka ho fidiana izy roalahy dia ho hita eo izay tena hevitry ny vahoaka.
Lazaina fa ho samborina ra8 nefa koa tsy avela mody eto,tsy resaka adala ve izany raha mandinika ianao ,tsy eto ary ve izy no mora samborina.Misy raha tena mampatahotra ny fat ao fa alefaso lavitra ny fandinihina.Mody ny fandriampahalemana no anilihina ny olana fa nga tsy misy mpitandro ny filaminana eto sa tena incapable .Fitondrana mampihomehy io fa ho hita eo e.
8. mankafy ( 12/01/2012 03:43)
Otran'izao fifamalianareo izao no tsy mampandeha ny fifanakalozankevitra eto amin'ny firenena, tô faly mahita ny tsy fetezana fotsy ry zanak'i Dada:
- io fa tsy mahazo fankatoavana
- tsy arahina ny tondro zotra
- io fa kenda
- efa tsy tian'ny vahoaka intsony io fandao am'zay
hainareo ny mijery ny tsy fahaizan'ny FAT fa tsy hitananareo ny ERREUR goavana nataon'i R8
AMIKO :izay isokajianareo an'i Andry R. tsy olana fa ny isaorako azy lehibe dia ny nahafahany nanala an'i R8 teo. fa lasa andriamanitra kely tsy maintsy tompoina iny raha nitohy lavalava ny fananany fahefana hoe filohan'ny Malagasy
9. nilex ( 12/01/2012 05:54)
Tsy azonao no tena tiana ho hambara na tsy takatrao mihintsy.Tsy ny maha eo andra8 na tsia no olana fa ny ny politika tsy mahomby misy ankehitriny mihintsy.sahy milaza ve ianao fa afaka hatavoaka ny firenena raha ny fat sy ny ekipany ankehitriny.Leo ny vahoaka ka lojika be raha hitodika any amin'dra8 ho azy satria lava loatra ny tetezamita nefa ny fat tsy mahavita démonstration hoe mahomby sy mahavita azy.Ny tena marina dia mila olom-baovao mihintsy ny firenena nefa tsy mbola misy izany fa ny mbola hitan'ny olona ho nahomby sady nampandroso teto aloha dia ra8 eny fa na dia misy aza ny tsy nety nataony.
Io no atahoran'ny fat ankehitriny ka tsy hamelany andra8 miditra eto satria azony antoka fa mbola be valeur amin'ny malagasy ra8 raha hoarina amin'ny rajoelina.Mety ho tafaverina eo ra8.Tantara efa nitranga teto io tamin'i Ratsiraka sy zafy .
Amiko ny tena vahaolana eto dia ny fijerena ny tena hevi-bahoaka marina.Tokony hilahatra eo amin'ny fifidianana avokoa ra8 ,rajoelina sy ireo milaza azy ho mafy eto dia aleo ny vahoaka no hitsara dia ho hita eo ny valiny .Tsy hisy hitabataba intsony avy eo.
10. pulm ( 12/01/2012 06:01)
iza ary no sahy itarike? ny vahoaka ange efa leo e! miandry fotsiny, toy ny rafotsy very laona ka miandry izay higadonany eto. Tairo ry zalahy, zavavy, ry dada, ry neny, ry zoky, ry zandry fa tena ambavahoana ny fahafatesana eeeeeeeeeeeee!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!mila vonjy ny gasy, tsy mila olona taloha fa olombaovao sahy mijoro, sahy manatanteraka
11. rebiryx ( 12/01/2012 06:32)
izay fahazarantsika manana andriamanitra maro izay no mahatonga izao zavatra rehetra izao, aiza ve ka misy ny andriamanitra kely... andriamanitra inona koa no sasany ry mankafy an ? Tokana ny Andriamanitray dia ilay Mesia, Mpamonjy... Izay no andrianay rehefa tsy andrinareo. Fa zao ry namana an, ERREUR ve ny fanaovana ireny foto-drafitr'asa maro natao ho fanana iombonana vitan'i Dada ireny (lalana, orinasa, fifandraisana iraisam-pirenena...) ? Fahasoavana izany ny fahitano ireny zavatra maro nodoran'ny fat sy ireo mpandroba niaraka taminy, tamin'ny 2009 ireny ? Fantatrro fa ianao no isan'ireo olona ory hava-manana ! satria rehefa mba mandeha ny orinasan'i Dada dia malahelonareo dia atao izay fomba rehetra hamotehana azy... AMIKO:izay isokajianareo an'i Dada. tsy olana fa ny isaorako azy lehibe dia ny tsy fanarihany ny zanany na dia misy maditra aza. Mahreza rahalahy fa ny marina tsy mba maty. MINOA FOTSINY IHANY NAMANA !
mankafy:

Otran'izao fifamalianareo izao no tsy mampandeha ny fifanakalozankevitra eto amin'ny firenena, tô faly mahita ny tsy fetezana fotsy ry zanak'i Dada:
- io fa tsy mahazo fankatoavana
- tsy arahina ny tondro zotra
- io fa kenda
- efa tsy tian'ny vahoaka intsony io fandao am'zay
hainareo ny mijery ny tsy fahaizan'ny FAT fa tsy hitananareo ny ERREUR goavana nataon'i R8
AMIKO :izay isokajianareo an'i Andry R. tsy olana fa ny isaorako azy lehibe dia ny nahafahany nanala an'i R8 teo. fa lasa andriamanitra kely tsy maintsy tompoina iny raha nitohy lavalava ny fananany fahefana hoe filohan'ny Malagasy
12. nilex ( 12/01/2012 14:03)
Isan'ny olana mampihitsoka ny raharaha ankehitriny ny fodiandra8 eto,tsy manaiky ny fat ary manao ny fomba rehetra.Raha tsy hanaiky mihintsy anefa ny fat dia tsy hivaha mihintsy ny olana eto amin'ny tanana.Tokony hahay hifamela isika satria tsy misy marina nge ireo mpitondra ireo fa samy manana ny kilemany avokoa e.
Tsy misy diakany ve hoy ianao ireny zavatra vitan-dra8 ireny?
Tena nahavita be tokoa i ra8 ary tsy nisy toa azy ary nanana politikam-pandrosoana tena avo lenta tokoa izy ary tonga amin'ilay fiteny hoe tena "actif" be mihintsy.Tena isan'ny mpanohana azy aho amin'izay lafiny izay nefa koa manana lafiny azo hanakianana azy tsara i ra8 ary izaho koa dia isan'ny mpanakihana azy.Somary tia tena ra8 ka mamingana ny hafa teo amin'ny lafiny fandrarahana no tena nahasorena ny olona maro taminy.Misy koa moa ny antony hafa.
Raha tena atao anefa ny analyse lalina dia izao no hevitro:
Raha toa ka vonona ny hanova ny toetra izay tsy nety taminy ra8 dia izy no afaka hanarina ny malagasy haingana ao anatin'izao krizy izao.Mino aho fa tena ainy tsara io.
Ny fitondrana ankehitriny izany hoe ny fat izany dia nantenaina hanova zavatra nefa voa maika nanimba satria tsy nahay nifidy ny olona niara-niasa taminy rajoelina ka jiolam-boto politika no nalaina ho namana ka ho rendrika ho azy eo ireo.
Ka rehefa tsy ho averina eto ary i ra8 dia tsy aleo ve mitady olona vaovao izay mbola any ankibon'ny omby fa raha ity fat ity aloha dia sarotra ny manantena azy.tsy hoe fanaratsiana be fahatany izany fa vokatry ny fandinihina lalina.
Tena mbola ankamantatra be ny ho avin'ny vahoaka malagasy ankehitriny nefa efa maro ny mijaly .
Ny zavatra mety hitranga eto dia mety hisy explosion mazefatra be eto ary tsy hisy hitarika io fa vahoaka sorena fotsiny dia ho lasa korontana be amin'izay ny eto na mety hiady an-trano eto e.
13. rebiryx ( 13/01/2012 05:57)
Tena mitovy hevitra aminao 100% aho namana nilex. Vao avy namaky ilay document (MAP) nataon'i Dada iny mihitsy aho izao. Ity 2012 ity moa no nifanarahany hanatanterahana izay voalaza tao, nefa indrisy ! ! ! Tsy misy tsy diso lehitsy izay mandia amin'ny tany, na ny tenako izao anie ka diso e nefa rehefa miaky ianao ka vonona ny hiavao dia izay no tena mahomby. Lazaina anie fa fitondrana jadona ny an'i Dada, ankehitriny kosa dia miharihary toy ny vay an-kandrina ny fitondrana tsy refesi-mandidy eto amin'ny firenena. Ny fiverenan'i Dada ihany no vahaolana hivoahana amin'ny crise. Blaaa, blaaa n'ny tsy ampy taona aby ireny kabarindrjoelina ireny !!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.101