LOHALAHARANA

1. ydifas ( 05/01/2012 07:57)
Manonona ny Fiadana'i Kristy ho antsika rehetra. Izany Fiadanany izany anie hitoetra ao am-potsika mandrakizay ka hiara mitombo amin'ity taona 2012 ity. Arahabaina noho izao asaramanitra izao.

Fotoana ho an'ny fiaingàna vaovao ny fiandohan'ny taona toa izao. Samy mametraka ny faniriany ny tsirairay, samy milaza izay tanjona sy tarigetra tiany hotratrarina. Ao ny te hiova ho amin'ny fahatsaràna, ao ny te hiala amin'ny fahazaran-dratsy...
Tsara dia tsara izany nefa matetika maro no tsy tanteraka eo amintsika izy ireny. Ahoana ary hoy isika no hatao?

Hoy ny Jakoba 4/ 13-14: "He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra, kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona."

Eto dia mametrapetraka ny drafitra hataony ilay olona. Efa maminavina sahady izy ny zavatra mety ho azony sy ny mety hiseho. Miseho miharihary eto fa tonga amin'ilay fiteny hoe "mandidy alohan'Andriamanitra" ny olona toa izany. Mety mihevitra hitoky amin'ny fahaizany sy ny harenany ny olona ka hilaza toa izany. Toa midika izany fa ny an'ny olombelona dia ny fiafaran'ny zavatra iray no mahamaika azy fa tsy ny fiandohàny. Inona, ry havana malala, no lohalaharana sy voalohany tokony hataontsika?

"Fa aleo manao izao: Raha sitrapon'ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany." Jakoba 4/15. Raha dinihina ity Teny eto ity dia mifono fanetre-tena sy mametrahana an'i Kristy ho Voalohany sy Lohalaharana amin'ny fikasàna rehetra. Izany hoe, mialoha ny zavatra rehetra dia tsy maintsy ny sitrapon'Andriamanitra no tanteraka alohan'ny dingana kasain'ny olombelona hatao. Tompon'ny zavatra rehetra Izy, Tompon'ny fotoana ary Tompon'ny fahalavorariana rehetra: "Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany" Ohabolana 16/9

Ekena fa tsara ilay hevitra sy ny drafitra napetrak'ilay olona fa tsy azo adinoina ny hoe "Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso hianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao." Ohabolana 27/1
Alohan'ny hisamborana Azy, Jesosy nivavaka ka nanao hoe: "...Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao." Matio 26/39b.
Nanetry tena i Jesosy ka ny sitrapon'ny Rainy no Lohalaharana sy Faratampony Aminy. Na zanak'Andriamanitra aza Izy dia ny hevitra sy ny planin'Andriamanitra ihany no mahamaika Azy ary izany no tsy maintsy nataony.
Inona aza no lesona azontsika tsoahana avy amin'izany?

Apetraho mandrakariva fa voafetra isika olombelona. Ny tiana hambara eto dia hoe: tsy manana fahefàna hihazona na hamela ny fisehon-javatra iray isika olombelona. Tsy afaka manomboka na manao zavatra tsy ao anatin'ny sitrapon'Andriamanitra isika.
Koa noho izany, ny fiaikena fa zava-poana sy miovaova isika olombelona dia fiandohan'ny fametrahana Ilay Mpahary ho Tompon'ny fotoana sy ny fahatanterahana rehetra.
Raha amin'ny hevitra hafa ihany koa dia fanomezana Fahefàna sy Fanapahana ho an'Andriamanitra ny mametraka ny ampitsotsika sy izay hataontsika rehetra eo an-Tànany.

Amin'izao fiandohan'ny taona izao, manoro hevitra antsika Kristy ny hametraka izay fikasantsika rehetra eo an-Tànany; Hanontany Azy alohan'ny hanapa-kevitra amin'izay rehetra hatao. Fantaro fa Andriamanitra ihany no mahavita antsika, Izy irery ihany no mahazaka ny faharatsiantsika sy ny olana mianjady amintsika ary mahay mitantana ny momba antsika manontolo (harena, fahaizana, fahalalàna, fahasalamàna...). Koa apetraho ho Voalohany (Lohalaharana) sy Faratampony amin'ny zavatra rehetra ny hanontany ny Sitrapony ka hilaza toa Azy isika manao hoe: "raha azo atao... aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao."

Ho an'Andriamanitra irery anie ny dera sy ny laza ary ny voninahitra mandrakizay. Ary fiadanana ho an'izay rehetra ety ambonin'ny tany ka mametraka ny ho aviny eo an-Tànan'Ilay Manam-pahefàna ny amin'ny ampitso. Aleloia

Hafatra: "Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny Anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany." Kolosiana 3/ 17
novalian'i niryna ny 12/01/2012 04:58
2. bor2lais ( 05/01/2012 10:48)
Misaotra an'i ydifas amin'ny fizarana !
ydifas:

... zava-poana sy miovaova isika olombelona ...
... manoro hevitra antsika Kristy ny hametraka izay fikasantsika rehetra eo an-Tànany ...

Mankasitraka e ! :-)
3. taxerick ( 05/01/2012 21:38)
misaotra betsaka fa mampaery o!mba tehizara kely ihany koa za ho fanampin'ny voalazan'i ydifas satria rehefa nanao bilan ny fiainako za t@ iny faraparantaona iny dia nahatsapa fa betsaka ny tanjona tiako notratrarina na t@ fanompoana an'ANDRIAMANITRA na t@ fianako sy ny ankohonako fa tsy tratra;ny zavatra tsapako dia toa nitady andeha irery zany za indraindray fa tsy nahatsiaro intsony hoe :hay moa ka misy mpitondra ny fianako.Tena nifona t@ TOMPO aho noho izany satria IZY no Mpitantana fa tsy izaho.ity ny sary mba azoko tao anatin'izay:AZO HOARINA @ NY FIARA NY OLOMBELONA:izany hoe tsy maintsy misy ny mpamily ;ka raha raisina ara-panahy dia misy karazany telo no mety amily ny fianan'olombelona iray:1)NY TENANAO
2)ILAY FETSY(satana)
3)JESOSY
dia ny tsapako nitondra ny fiainako t@ iny taona iny dia 1)izaho sy ilay 3)JESOSY fa tsy ilay fetsy kosa lony e!dia raiso indray nge hoe olona tsy mahay mi-chauffeur no mitondra fiara e!na simba ny ilay fiara na manao accident dia raisoko arapanahy indray hoe: ra 1)IZAHO no mitondra ny fiainako dia ireo ny zavatra mety hitranga @ fianana olombelona maika moa fa ilay fetsy (satana) no itondra azy.F@izao taona vaovao zao kosa dia maery tsara aho satria efa nesorin'i JESOSY avokoa izay (piece)maty sy simba t@iny taona iny ka navaoziNY avokoa ka afaka anatratra izay tanjoko ahoa satria i JESOSY no itondra ny fiainako @ty taona vaovao ity ka tsy ho simba intsony ilay fiara an'i JESOSY (izaho=tempolin'ANDRIAMANITRA)mino aho fa naharay zavatra isika rehetra.tahin'nyTOMPO E
4. niryna ( 12/01/2012 04:58)
ydifas:


Eto dia mametrapetraka ny drafitra hataony ilay olona. Efa maminavina sahady izy ny zavatra mety ho azony sy ny mety hiseho. Miseho miharihary eto fa tonga amin'ilay fiteny hoe "mandidy alohan'Andriamanitra" ny olona toa izany. Mety mihevitra hitoky amin'ny fahaizany sy ny harenany ny olona ka hilaza toa izany. Toa midika izany fa ny an'ny olombelona dia ny fiafaran'ny zavatra iray no mahamaika azy fa tsy ny fiandohàny. Inona, ry havana malala, no lohalaharana sy voalohany tokony hataontsika?
misaotra anao fa marina tokoa izany.Eo anie no olana e,misy nahazo fampianarana fa izay rehetra tadiavinao sy angatahinao dia ho azonao avokoa ooops.
Tsy ny baiboly ve no efa nanambara izany tamintsika tamin'ny mpanompony iray ka nolazainy (rehefa nangataka in-telo izy ka tsy nahazo izay notadiaviny) dia hoy ny Tompo hoe AMPY HO ANAO NY FAHASOAVAKO!
Nisy ramatoa izay hoy aho nandefa hafatra teo amin'ny TVPlus namporisika ny olona ho tonga hiangona ao aminy fa ahita fihovana hianao,hiova tanteraka ny fiainanao.....sns
Ny fahafantarana fa mametraka ny fiainantsika amin'Atra isika dia efa zava-dehibe izay ary Izy no hitondra ny diantsika .Mibaribary izany ao amin'ny
Ohabolana 3 1- 4 Anaka,aza manadino ny lalako;fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko. Fa andro maro sy taona efa iainana.Ary fiadanana no hanampiny ho anao.Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana.Afehezo ao am-bozonao izany ary Ary sorato ao amin'ny fonao tahaka ny vatofisaka
Ity ary no tokony ataontsika
Ohabolana 3 5-6 Matokia an'i Jehovah ,amin'ny fonao rehetra, aza miankina amin'ny fahalalanao, maneke Azy amin'ny alehanao rehetra fa Izy andamina ny lalanao (Trust in the Lord with all your heart,lean not on your own understanding,in all the ways acknowledge Him and He will guide your path.)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7453