VAOVAO MA-TV 03 JANVIER 2012

1. rijadolly ( 04/01/2012 02:11)
Nandritra ny andro vitsivitsy nirotsahan'ny orambe teto an-drenivohitra sy ny manodidina dia nahitana fiakarana ireo renirano . Hatramin'izao aloha dia tsy mbola misy atahorana izay hahavon'ny rano izay.


Noho ny fikaran'ny rano eny amin'ny kaominina Ankadikely Ilafy sy teny Sabotsy Namehana dia trano maromaro no rava ka nahatonga tra-boina roapolo mahery teo.


novalian'i rijadolly ny 04/01/2012 02:50
2. rijadolly ( 04/01/2012 02:16)
Vokatry ny ady lova dia trano iray etsy Isotry no noravaina androany maraina ka nahatonga savoritaka teny an-toerana. Misy tamin'ireo mpandova no tsy nanaiky ny handravana ity trano ity.


Nitokona ireo mpivarotra mpanofa trano eva etsy amin'ny toeram-pivarotana lehibe iray etsy Analakley, izay tazomina teratany sinoa. Araka ny fanazavana dia teraka ny disadisa noho ny tsy fanajan'ilay sinoa ny fifanarahana nifanaovana tamin'ny volana jolay 2011.



3. rijadolly ( 04/01/2012 02:28)
Mbola mitohy ny adi-hevitra mikasika ny asa fikarohana ny fasi-mainty any amin'ny distrikan'i Manakarana.Nanamafy ny fitakiany amin'ny hampitsaharana ny tetikasa ny filohan'ny delegasiona manokana.


3 taona mahery izao no noezahana novarotana ny fiaramanidina Air Force II. Izany hoe hatramin'izay dia nijanonana tsy afaka nanidina izy ity. Ny teknisiana anefa dia manamarika fa vao maika mampihena ny vidiny ny fijanonany tsy manidina izay. Tokony hanapa-kevitra haingana ary ny fitondrana hoy izy ireo.


4. rijadolly ( 04/01/2012 02:45)
Navesatra ny fandaharam-potoan-dramatoa Ramalason Olga, minisitry ny varotra, ny herinandro lasa teo. Nidina tany Toamasina ny tenany nandray ireo vary nafarana avy any Birmanie, nanadihady akaiky mikasika ny sehatry ny jirofo, ary niara-nivovry tamin'ireo mpandraharaha any an-toerana.


Ao anatin'izao taona vaovao izao kosa dia nanamafy hatrany ny fanamby rehetra napetrany ny filohan'ny fahefana tetezamita Andry Rajoelina. Raha ny sosialy manokana dia notsindriny fa mitohy ny fizarana ny trano mora amin'ny alalan'ny atsapaka.


Nivalona ny taona 2011, miditra ny taona vaovao isika. Nanamarika iny taon-dasa iny ny krizy politika, ary azo lazaina ho tena nampiferinaina sy navaivay tamin'ny vahoaka mihitsy.


5. rijadolly ( 04/01/2012 02:48)
Tsy azo ihodivirana ny fanomanana ny fifidianana. Rariana ary ny hahavitany mialohan'ny faran'ity taona ity, hoy Rakotomanana Yves Herinirina, filohan'ny vaomieram-pirenna mahaleo tena momba ny fifidianana . .


6. rijadolly ( 04/01/2012 02:48)
Nilaza Atoa Andriamihanta Benjamin, avy amin'ny ankolafy Ravalomanana fa mbola tsy foana ny Notam hisakanana an'ny filoham-pirenena teo aloha hody an-tanindrazana. Nilaza ihany koa izy fa manana porofo mikasika izany.


7. rijadolly ( 04/01/2012 02:50)
Misy amin'ireo fitsarana eto Madagasikara no efa manatanteraka asa amin'ny ampahany amin'izao fotoana izao ary efa miasa ihany koa ireo mpiraki-draharaha.Mandroso soso-kevitra ny holafitry ny mpisolovava amin'ny tokony hisian'ny lalàna hanalavana ny fe-potoana hanaovana ny voie de recours.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4234