LALI E, MISY FEO HAFAHAFA MOMBA AZY.

1. rijadolly ( 02/01/2012 15:03)
Izay mahalala mba hampitao vaovao, reko mantsy fa somary sahirakirana tanteraka izy io, mbola tsy hitako mantsy ka izay no antony ity lohahevitra ity. Raha tena marina izany, inona moa no vato misakanan ny mpanankato rehetra, indrindra ireo izay niaraka taminy izay tena maro tokoa, tsy hanokana fampisehoana ho azy.

Mialatsiny indrinda aho raha tsy izy ilay hitan'olona, indrindra indrindra Lalie ary dia mirary soa ho anao tanteraka, fa dia mitovy aminao tanteraka izany izay olona izay.











novalian'i Tokoa ny 09/05/2016 12:24
2. rijadolly ( 02/01/2012 15:10)
3. rijadolly ( 02/01/2012 15:33)
JEREO NY NAMANA RAHA MARINA IZANY E! AZA AVELA IRERY IZY E!

FA TSY MISY NY ATOKONA
NY MANODIDINA AHY TOA NGAZANA
NAHOANA NO MITOKONA.



4. ziva6 ( 02/01/2012 20:45)
tena tsy maharaka zay fa nisy inona,ary aiza any dago sa any am-pita! sao mba misy azo atao ihany mantsy!
5. rijadolly ( 03/01/2012 02:44)
Aty Mada izy izay hitan'olona izay, fa ny fahamarinany hatreto aloha dia miandry izay tena mahafantatra isika.
6. m.i.s.a ( 03/01/2012 08:09)

rijadolly:

Aty Mada izy izay hitan'olona izay, fa ny fahamarinany hatreto aloha dia miandry izay tena mahafantatra isika.
efa ela tokoa no nahenoko ny mahazo azy , olona tena mahafantatra azy ao anatin'ny mpanakanto no nilaza ny mahazo azy.

misy dia misy tokoa ny mpanakanto azoko lazaina hoe manaonao foana, mampalahelo ny nihafarany avy eo.

mirary soa ho azy e! enganie ka ho avotra satria toa henjana ihany ny mahazo azy.
7. dadasy ( 03/01/2012 11:48)
Ka le nanjo azy aza tsy fantatray ko inona no ahafahanay manampy raha misy aza ny azo atao??
8. kelly13 ( 03/01/2012 15:02)
za kou mba te hahalala oe fa inn no nanjo azy zany
9. rijadolly ( 04/01/2012 10:17)

Hoy i m.i.s.a:


rijadolly:

Aty Mada izy izay hitan'olona izay, fa ny fahamarinany hatreto aloha dia miandry izay tena mahafantatra isika.
efa ela tokoa no nahenoko ny mahazo azy , olona tena mahafantatra azy ao anatin'ny mpanakanto no nilaza ny mahazo azy.

misy dia misy tokoa ny mpanakanto azoko lazaina hoe manaonao foana, mampalahelo ny nihafarany avy eo.

mirary soa ho azy e! enganie ka ho avotra satria toa henjana ihany ny mahazo azy.

Manahirana angaha ry MISA raha tenenina ilay izy? raha manahirana aza dia tsy maninona aza tenenina, fa ny tiako ho fantatra sy hamarinina fotsiny dia hoe manana olana goavana ve izy? Ary tena marina ve izay sa tsy izy na tsaho no miely eran'tanana mikasika azy.
10. mirananirina ( 04/01/2012 13:15)
Za aloha ohatra ny tsy mino satria olona 3 izao no nilaza tamiko io zvt io ,dia hoe ny masoko ny nahita(dia samy nahita daholo tokoa ve ireo?????)angamba tsao kosa ilay izy fa izao no henoko:hoe lasa mpangataka eny @ arabe i Lali(lasa mahantra izany) !!!fa asa re
11. m.i.s.a ( 04/01/2012 14:26)

=rijadolly

Manahirana angaha ry MISA raha tenenina ilay izy? raha manahirana aza dia tsy maninona aza tenenina, fa ny tiako ho fantatra sy hamarinina fotsiny dia hoe manana olana goavana ve izy? Ary tena marina ve izay sa tsy izy na tsaho no miely eran'tanana mikasika azy.
Ny azoko lazaina @ io fotsiny dia tsotra: mpanakanto roa tena hinoako satria nihanona taminy aho no nilaza ny momba azy ary tena mampalahelo ny mahazo azy .

Nilaza ireo mpanakanto ireo fa mafy dia mafy ary tena mampalahelo ny mahazo azy. Efa nisy dia nisy ny mpanakanto nanampy azy saingy sarotra dia sarotra ary tena tsy nahatody t@ tanjona ry zareo noho ny fahasahiranana sy ny olana t@ zany fanampiana natao zany, indrindra teo anivon'ny fanarahana azy.

Tao Ambohibao no nisy lanonana ahazahoana vola hanampiana azy saingy be ny fahasahiranan'ny olona te hanampy azy sady tsy mora ny faharahana an'izany dia nankinina t@ fianakaviany izany fanaraha-maso azy zany saingy ......tsy nisy tohiny .

Rehefa hanampy olona koa ianao ka lasa any @ zavatra hafa izay nandetika anao ny fanampiana dia tsy hanao intsony ny olona.

Raha sihosio hoe henoko fotsiny etsy sy eroa aloha dia tsy hinoako, fa kosa raha ireo mmanakanto roa hitako ireo no nilaza dia tena mino aho satria tsy anisan'ny mpanamparitaka tsaho ry zareo, olona tena malaza, indrindra moa io rangahy efa manenika ny 70 taona io. Io rangaha io manko dia anisany ny nikarakara zany lanonana natao ho azy zany (fanampiana) efa niverina aty ivela io rangaha io zao. Vao aingana zany satria tafaraka izahay t@ nody.

Mivavaka hatrany ho azy e!
12. rijadolly ( 04/01/2012 17:34)
Io an'ny Mirananirina io koa no henoko, dia izay no nitarika ahy hanokatra ity loha hevitra ity. Tsy olona iray koa mantsy no henoko nilaza io henon'ny se io.

Fa ny an'ny MISA no ohatry ny hafahafa satria raha nandalina an'ilay zavatra efa niseho sy natao taminy aho araka io voalaza eo ambony io dia mahita fa, Nahoana no mila fanaraha-maso ny fandehan'ilay vola fanampiana izay napetraka tamin'ireo fianakaviany izay andraikitra fanarahana izay. Inona no antony, tsy azo antoka ve izy ka tsy hafaka hanarina ny tenany na dia vola be aza?
13. m.i.s.a ( 04/01/2012 18:55)

rijadolly:


Inona no antony, tsy azo antoka ve izy ka tsy hafaka hanarina ny tenany na dia vola be aza?
voalazanao ny tiako hatongavana na dia tsy nazavaiko eto aza.

Dia nolazaiko teo koa hoe: Rehefa hanampy olona koa ianao ka lasa any @ zavatra hafa izay nandetika anao ny fanampiana dia tsy hanao intsony ny olona.

Fanampiana no natao nefa lasa aiza ireo fanampiana ireo? ara-bola no tiako lazaina eto.

Ka raha ny vola azony rehetra mba hanampiana azy tsy nazahoana vokany fa mbola laniana t@ zavatra hafa NANDETIKA azy dia izay ny vokany! Fijaliana , lasa mikoroso fahana , lasa inona no nihafarany ? dia izany voalaza zany ! misy tena marina ny voalazan'ny olona ary voamarina koa noho ireo voalazan'ny ireo mpanakanto izay tena nahafantatra azy.

mampalahelo e
14. andrywui ( 04/01/2012 23:09)
ssh io ndray le resakin'ny jamba !!! maninnn zao raha manao zavatra ,resaka mahitsy tsara miresaka direct fa tsy hay mitsy oe naninnn i Lalie ? voan'innn ? lasa adala ve izy sa nitapy ? sa tsy ampy saosy ? sa nidegà soamantsa ? sa voafitaky ny bandy ?? sa tempalaza tena fa nilentika ?? sa innn .... tsy misy azo fa le 2ém escaliers daolo no minanaka nareo !! miverena eny ambony alou de mikozy ny pokina oe handefa 200£ na 300£ ho ani lalie zah na zao atao na zao !!! le discution lasa lavabe nefa ny oul tsisy cop oe innnn ny aona , manakory ny aiza ny oviana !! asio jiro ary !!!!! surtt rijadolly !!! vakio mazava tsara ze resahana !! okkkk ve ???
15. andrywui ( 04/01/2012 23:30)

1° - NANINNN I LALIE ???
16. andrywui ( 04/01/2012 23:50)
ssh !! vao niantso an'i Lalie vao zao de zao mintsy ah amzany kozinareo rehetra zany fa efa norma be izy zao fa tsy lasa vizana sosy zany e ,,, fa somary nentin'ny maina kely izy no tena marna de nadolany kely niakatra izy ee le mampisento rivotra miakatra reny ee fa efa nentina tany ambohibao izy zany defa efa notsaboina milay izy zany de efa norma fa aoka zay le honohono ee tsisy mafiady zany izy fa nioarany trop fotsiny eee
--zany oe diso dozy kely fotsiny le maina de nipirina kely izy ee ..... azonareo ve le kozy eee !!!! otrotrizay le izy diso kajy daholo ry tazy tato ,,mbola hiverna hivazo izy ee manana villa izy ao Antanetibe ,,voiture 2 ...etc

17. rijadolly ( 05/01/2012 03:22)
Ilay izy anie Andrywui ka tsy azontsika hoentina mokon-doha fotsiny amin'izao ka ho tantaraina eto daholo ny antony nahatonga an'ilay fahavoazana nefa tsy misy porofo mazava e! fa ny zavatra fantatra aloha hatreto dia mbola ireo izay naheno tamin'ny olona no namoaka hevitra, ary tsy azo antoka daholo ilay izy.

Ny zavatra tsy azo lavina anefa dia ireo mpanankanto akaiky azy dia azo antoka tokoa fa mahalala ny marina mikasika azy. Dia izay no antony nandefasako ity loha hevitra ity mba ahalalana ny marina avy any amin'izy ireo sy handraisan'ireo mpanankato andraikitra. Ary rehefa hitantsika ny fandraisan'izy ireo andraikitra dia samy mino isika fa tena nisy tokoa ilay fahavoazany.

raha eo amin'ilay lazain'ny se hoe hampalaza azy indray noho izy tsy tazana eo amin'ny fifaninana dia tsoriko an'se fa tsy fantatro akaotry ny maha mpanankato azy Lalie, ary raha ny feo reko dia efa ela tokoa izy no efa nanana olana sy fahasahiranana io ary izao vao niahabetsaka ny milaza io vaovao mampalahelo io.

Hoy Andrywui:

--zany oe diso dozy kely fotsiny le maina de nipirina kely izy ee ..... azonareo ve le kozy eee !!!! otrotrizay le izy diso kajy daholo ry tazy tato ,,mbola hiverna hivazo izy ee manana villa izy ao Antanetibe ,,voiture 2 ...etc

Marina ve io?
18. m.i.s.a ( 05/01/2012 09:42)
Tsy hitako izay hamalian'io andryui io @ ity dinika ity satria manao resaka tsy manjary eto @ forum na lahatsoratra aiza na aiza izy !!!!

ny olona dia efa tsy mamaly ny dinika ataony intsony satria bandy mivika!!!!


Mbola averiko etoana ihany fa mpanakanto 2 no tafaraka tamiko azy anisan'ny nanao lanonana ahazahoana vola hanampiana azy saingy tsy nisy vokany avy eo zany fanampiana izany satria ny vola azo dia mbola lany t@ NANDEDIKA azy .

Nanao ny adidiny ireo mpanakanto t@ fanampiana azy ka manasa tanana fa vita ny adidiny.

Efa nolazaiko etsy ambony fa ireo mpanakanto tafaraka tamiko ireo dia tsy anisan'ny ry andryui mpamorona sy mpamely tsaho fa tena olona azo hitokisana satria ny iray @ ireo dia efa mananika ny 70 taona.

Dia hatsaharo ity mamorona ity ry andryui fa resaka matotra no atao eto e!
19. rijadolly ( 07/01/2012 03:53)
Niandry izay tena nahalala ny tena marina moa izany isika hoe naninona marina i Lalie nefa dia tsy nisy sahy afatsy io nambaran'i MISA io hatramin'izao ary efa naveriny nohamarinina io ambany io ny zavatra fantany mikasika an'i LALIE.

Ny vahaolana angamba izany sisa no azo atao satria efa voamarin'ny MISA ilay feo reko fa tena sahirana tokoa Lalie amin'izao fotoana izao.

Raha ny hevitro: Dia tsy amintsy ireo mpanankato niaraka taminy ireo ihany nomahavaha ny olana voalohany fa isika ivelan'ny mpanankato dia tsy misy afatsy ny fandraisana anjara ilay fampisehoana.
Somary notsindrin'se tsara ilay hoe efa nanao izy ireo ka mety leo. Ny zavatra tsapako anefa dia tokony efa hita ny lesoka nahatonga ilay tsy fahombiazana tamin'iny voalohany iny ka eo no apetraka ilay zavatra atolotr'azy, ohatra hoe zavatra azo ahofa mba ahazoana vola tsy tapaka isam-bolana, trano no tena azo antoka tsy ho rava vetivety, tsy ambany noho izany ny fampisehoana ny fitiavan'ny tsirairay azy.
20. andrywui ( 10/01/2012 10:47)
o lty ry m.i.s.a a fa tsy mety ve raha tsy mamorondainga elah e !! tsisy marina ny resaka ataonlah fa otran'ny fanaovanlah politika ihany no fikozinlah eto !!
-- voalohany alou de efa niantso mivantana tamin'i nanie (dosol ) ah nanotany marina ny nahazo an'i lalie zany fa resakbe zany oe nanaovana tsipaipaika zan fa lalie ary pakta be ery a Mandrosoa Ivato !! fa somary navilan'ny maina izy no nahavoa azy raha tianlah ho fantatra ,, somary nentin'ny rano izy ,,fa efa nentina nidetoxiquéna ery ambohiao amzao defa norma !! fa aza manely tsaho eto tsony ry misa malala a !!
-be loatra le dozy de niainga kely ikala ee fomban'ny kofy zany refa manampoizina izy ee zany oe tsy mbola tena lasany be loatra ikala fa vao nanomboka izy iny le midemande 25 (vints) kely amin'ny sipa mitondra vam eran'ny tanana iny (sipa ihany koa no koziny fa tsy mikozy am bandy izy )
- fatsisy ataorana tsony io fa efa norme be izy zao eee

mahazoa fahasalamana r'ikala aaa !!!!!!
-
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3961