Faminaniana 2012
1. didi10
(
01/01/2012 07:50)
Tsara ny Tompo
Faly miarahaba antsika rehetra nahatratry ny taona 2012.
Raha mino ny fitahiana avy amin'i Jehovah angatahana amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianao dia aminanio, soraty eto ny fahasoavana tianao ho tonga aminao:
Ho tafiditra ENAM aho Jesosy amin'ity taona ity AMENA.

novalian'i niryna ny 12/01/2012 04:33
3. niryna
(
02/01/2012 21:43)
didi10:
Tsara ny Tompo
Faly miarahaba antsika rehetra nahatratry ny taona 2012.
Raha mino ny fitahiana avy amin'i Jehovah angatahana amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianao dia aminanio, soraty eto ny fahasoavana tianao ho tonga aminao:
Ho tafiditra ENAM aho Jesosy amin'ity taona ity AMENA.
kay ! izay zavatra tadiavintsika ka arahina amin'ny finoana dia ataony tanteraka avokoa,mety ho eny ny valiny,mety ho tsia ary mety miandrasa.Izay fantany fa mahasoa antsika no omeny fa tsy izay tiantsika rehetra akory ka
4. didi10
(
03/01/2012 08:49)
Tsara ny Tompo
Miarahaba ny namana rehetra!
Mampalehelo fa tsy misy mandeha amin'ny finoana isika na dia iray aza fa manaraka ny onjam-piainana eny fotsiny, raha mety ny atao dia misaotra raha tsy mety ny atao dia misaotra, inona kay no mba zavatra ataontsika rehefa mivavaka? Moa tsy misy fangatahana?
Raha tsy mino isika fa ho avy amintsika ny zavatra angatahintsika amin'i Jesosy; inona no tokony antony hivavahana? sa matahotra ny fahadisoam-panantenana ka mety hanome tsiny an'Andriamanitra?
Ity misy teny fankaherezana ho antsika rehetra!
Jer 17; 7-8
Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah,
Dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
8 Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy
Izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha;
Ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro,
Sady ho maitso ny raviny,
Ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro,
Fa tsy hitsahatra ny famoany.

5. rijadolly
(
03/01/2012 15:59)
Misaotra betsaka Didifolo amin'ilay teny fampaherezana...
Somary gaga angamba se hoe nahoana no tsy sahy maka zavatra be ny olona sasany nefa afaka omen'Tompo na inona na inona zavatra angatahintsika amin'ny AnaraNY.
Somary tantaraiko zavatra kely isika, ary ny namako ankaiky ahy tokoa no hitako voa amin'io zavatr' io.
Nisy nitory teny izy ka resy lahatra tanteraka, ny olana anefa dia io fanantenana tahaka izao zavatra antenain'ny Didifolo Amin'Andriamanitra izao no masaka tao an-dohany noho ilay toroteny izay mampanantena eo no eo. Ary noho izay faharesen-dahatrany izay dia efa voantantara sy nampiseho finoana ny olona manodidina azy izy fa manana an'Jesoa Kristy hanatanteraka ny zavatra niriny. Inoako fa tonga dia mazava amintsika tsirairay ny tohiny.
Sarotra nanomboka teo, raha ny fandraisako ny fomba fiteniny, ny hanitsy azy sy hanazava fa tsy ny soa ihany no azo avy any amin'Andriamanitra noho isika mbola mandalo test mavaivay. Nilatsaka ilay Finoana nananany.
Misy vavaka izay nataon'ny Jesoa Kristy raha nivavaka nihari-tory ny alin'ny hisamborana Azy Izy, izay sombiny tena tiako tokoa " nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao."
Azo lazaina fa tsy midika tsy finoana izany ataoNY izany, fa kosa mametraka an'Andriamanitra amin'ny toerana misy AZY.

6. niryna
(
03/01/2012 16:29)
didi10:aiza no ahalalanao izay any am-pon'ny olona ary ry didi10? tsy mandeha amin'ny finoana ahoana indray re izany e? omeo fiara aho Atra o,ataovy tonga president aho?
Tsara ny Tompo
Miarahaba ny namana rehetra!
Mampalehelo fa tsy misy mandeha amin'ny finoana isika na dia iray aza fa manaraka ny onjam-piainana eny fotsiny, raha mety ny atao dia misaotra raha tsy mety ny atao dia misaotra, inona kay no mba zavatra ataontsika rehefa mivavaka? Moa tsy misy fangatahana?
aoka tsy ny sitrapoko no ho tanteraka fa ny anao hoy ny Tompo rehefa nangataka tamin'ny Rainy ny hialan'ny zioga Izy.Noho izany tsy izay rehetra angatahinao akory dia omen'Atra anao avokoa.Tandremo fa sao manao fampianaran-diso isika an? Vereno jerena foana ny baiboly hoy aho. Tsy azo atao koa anefa ny manara-bakiteny fotsiny,tandremo an! Izay fitadiavana sy fangatahan-javatra tsy omeny antsika eo noho eo izay indrindra no tena mahatonga antsika hifikitra amin'Atra.Manjaray lasa miova ilay finoana ry didi10 an,mangataka aho dia tsy mahazo dia tsy mitady azy intsony indray satria ny teninao no mampianatra hoe tsy maintsy omeny ilay izy hmmmm!
Ny finoana sy ny fahafantarana ny sitrapon'Atra dia tsy tongatonga ho azy ary tsy moramora hoe mangataha hianareo dia omeny anareo daholo izay tadiavinareo.Tandremo dia tandremo an ,sao dia hanao ilay ramatoa nanao propangandy ny fiangonany hoe tongava maro hianareo fa izay rehetra tonga eo dia hiova tanteraka ny fiainanareo.Aiza ao amin'ny baiboly no misy an'izany? Tsy ny tenin'i Kristy indrindra ve no nanambara fa ho halan'ny olona hianareo noho ny anaraKo? Izay fijaliana efa nianjady Azy dia mety hianjady ho an'ireo izay rehetra hanaraka Azy? Mitondra ny hazofijaliana?
Mangataka aho ary dia tsy maintsy arahiko amin'ny finoana sy ny fahafantarako fa aoka tsy ny sitrapoko no ho tanteraka fa raha fantaNy fa mahasoa ahy izany dia omeny tokoa.Mbola mandalo fitsampana avokoa anefa isika ka eo no mila miandry fa tsy hoe aiza re izany finoanareo izany e.misaotra tompoko
Raha tsy mino isika fa ho avy amintsika ny zavatra angatahintsika amin'i Jesosy; inona no tokony antony hivavahana? sa matahotra ny fahadisoam-panantenana ka mety hanome tsiny an'Andriamanitra?
Ity misy teny fankaherezana ho antsika rehetra!
Jer 17; 7-8
Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah,
Dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
8 Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy
Izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha;
Ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro,
Sady ho maitso ny raviny,
Ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro,
Fa tsy hitsahatra ny famoany.
[/quote]
7. Miharena
(
09/01/2012 19:52)
Raha ny marina dia tsy mety ny mangataka zavatra ivelany fa ny fahendrena anaty ao amin'Andriamanitra no tokony angatahana araka ny Teny hoe : katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany dia hanaraka ny zava-drehetra.
8. bichette
(
11/01/2012 12:36)
didi10:
Tsara ny Tompo
Miarahaba ny namana rehetra!
Mampalehelo fa tsy misy mandeha amin'ny finoana isika na dia iray aza fa manaraka ny onjam-piainana eny fotsiny, raha mety ny atao dia misaotra raha tsy mety ny atao dia misaotra, inona kay no mba zavatra ataontsika rehefa mivavaka? Moa tsy misy fangatahana?
Raha tsy mino isika fa ho avy amintsika ny zavatra angatahintsika amin'i Jesosy; inona no tokony antony hivavahana? sa matahotra ny fahadisoam-panantenana ka mety hanome tsiny an'Andriamanitra?
Ity misy teny fankaherezana ho antsika rehetra!
Jer 17; 7-8
Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah,
Dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
8 Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy
Izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha;
Ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro,
Sady ho maitso ny raviny,
Ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro,
Fa tsy hitsahatra ny famoany.
fa ahoana moa ianao no tonga dia hoe malahelo satria tsy nisy nanao ny olona ? mety tsy te hamoaka izany eto fotsiny ny olona fa mety nosoratany tao anaty agenda na tao am-pony na ao amin'ny boky any an-danitra fa tsy hoe satria tsy namaly eto dia tsy manana finoana. Andriamanitra irery ihany no tena mahita ny ao ampon'ny tsirairay avy ary tsy voatery habaribary eto ange !!! ;-) ;-) ;-) :-)
9. niryna
(
12/01/2012 04:33)
didi10:na dia mbola tsy mangataka akory aza isika dia efa fantany sahady ,maninona moa no mangataka ,mangataka toa piso kely foana? Misaotra Azy fa lehibe ny famindram-poNy ,fa tsara Izy ary mandrakizay izany famindram-poNy izany.Misaotra aminy fa mbola nomeny andro iray indray hivelomana.Mangataka fifonana aminy tamin'ny fahotana rehetra natao na fantatra izany na ny tsy fantatra ,misaotra Azy ihany koa fa mbola nomeny fo hifamela heloka na hamela heloka ny hafa .Tsy hoe rehefa tsy mangataka zavatra amiNy dia tsy mandeha amin'ny finoana ka,iza moa isika no hitsara izay any am-pon'ny olona any? tandremo an!
Tsara ny Tompo
Miarahaba ny namana rehetra!
Mampalehelo fa tsy misy mandeha amin'ny finoana isika na dia iray aza fa manaraka ny onjam-piainana eny fotsiny, raha mety ny atao dia misaotra raha tsy mety ny atao dia misaotra, inona kay no mba zavatra ataontsika rehefa mivavaka? Moa tsy misy fangatahana?
Raha tsy mino isika fa ho avy amintsika ny zavatra angatahintsika amin'i Jesosy; inona no tokony antony hivavahana? sa matahotra ny fahadisoam-panantenana ka mety hanome tsiny an'Andriamanitra?dia mila mitandrina tsara isika fa na satana aza manome zavatra ny olona an.Tsy hoe tsy finoana akory ilay izy fa aza mitompo teny fatratra ka izay fampianarana nomen'ny olona dia lazaina fa ho izy avokoa.Vereno jerena foana ny baiboly hoy aho fa tsy izay rehetra tadiavintsiaka akory no omeny.Tandremo koa aza sao mangataka zavatra tsy any mihitsy fa dia ho tonga amin'ny teninao eo indray hianao vao hoe avereno ity fa tsy mila an'ity indray aho.: " Moa ny soa ihany va no azo avy amin'Atra fa tsy ny ratsy ihany koa" Ny zavatra mitranga amin'ny fiainantsiaka rehetra dia misy antony avokoa : ny lasa .mampianatra antsika ny ankehitriny,ny ankehitriny mahatonga antsika hanana ny finoana ilay fanantenana(hope).ka tsy ho voatery hangataka foana hoy aho fa misaotra amiNy ihany koa no ataovy.Andramo anie ny tsy mangataka fa manandrama midera sy mankalaza ny anarany fotsiny e!Dia omeny anao ilay fahasambarana tsy voavidy vola e !