ANTANANARIVO HOAN' I KRISTY

1. rijadolly ( 31/12/2011 01:27)
VITA OMALY TENY AMIN'NY FIANGONANA ANATY ROVA NY OMALY 30 DEC 2011 NY ANTANANARIVO HO AN'I KRISTY. JEREO ETO 27mn 52-30mn raha tsy tehijery vaovao hafa
novalian'i niryna ny 03/01/2012 17:35
2. rijadolly ( 31/12/2011 02:20)
ANTANANARIVO HOAN' KRISTY MATV
Notanterahina androany ny fanompoam-pivavahana fanolorana ny faritr'Antananarivo renivohitra hoa n'i Kritsy. Tamin'ny 10 desambra lasa teo no tokony natao izany saingy noho ny antony tsy nahazoana toerana ho amin'izany dia voatery nahembotra.

3. niryna ( 02/01/2012 23:01)
Io no efa noteneniko efa elabe izay ry rija.Raha ity olo-mahantra ity no miatso ka mibebaka ary mangataka amin'ny finoana dia hihaino azy aho ary ho sitraniko ny taniny .Raha isika rehetra no miaraka mivavaka ka mibebaka ary mangataka famelankeloka sy fibebahana no tadiavin'Atra ataontsika rehetra ary manomboka amin'ny tenantsika izany,ny ankohonana,ny manodidina ary ny firenena.MIlla mivavaka ireo mpitondra rehetra isika mba hametraka ny fiainany amin'Atra bka tsy hiantehitra amin'ny heriny irery
4. rijadolly ( 03/01/2012 04:31)

niryna:

Marina tanteraka, ary tokony ho vesaran'ny fifamelana tanteraka tsy misy fitaka.
5. niryna ( 03/01/2012 17:35)
Azafady fa misy fanintsiana kely e.
Raha ity olo-mahantra ity no miantso
mba tsy hiantehitra amin'ny herin'ny tenany irery ihany.
Hoy koa mantsy ny soratra masina manao hoe [b] I Samoela 7: 3 Hoy Samoela tamin'ny taranak'Israely rehetra;Raha miverina amin' i Jehovah amin'ny fonareo rehetra tokoa ary hianareo dia ario hiala aminareo ny andriamanin-kafa sy Astarata ary ampihomano ny fonareo ho an'i Jehovah ary aoka izy ihany no no ho tompoinareo ,dia hamonjy anareo amin'ny tanan'ny Filisitia Izy ( from the power of the Philistine).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0405