Aza avela hiditra i Satana, saingy raha efa tafiditra izy dia avoahy.
1. LazaDaddy
(
20/12/2011 01:34)
Araka ny Soratra Masina dia fantatra fa tsy mifidy asiana i Satana ary nokendreny hatramin'i Kristy mihitsy aza. Tsy tafiditra anefa izy tamin'izany satria nidian'i Kristy tsara ny varavarana fidirany.
Tsy tafiditra amin'ny olona koa i Satana na ny demoniny raha manidy ireo varavarana fidirany isika ka mitafy an'i Kristy isan'andro.
Ireto misy ohatra vitsy manokatra ny varavarana fidiran'ny demonin'i Satana ao amin'ny olona:
1) Fanaovana fati-dra na inona na inona. Fandavana ny ra nalatsak'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana izany izay natolotr'Andriamanitra ho antsika. Mahaliana tokoa fa misy hevi-dehibe ara-panahy noho izy mirakitra "aina" io resaka ra io, ary ny ran'i Kristy ihany no mitondra famonjena.
2) Fanompoan-tsampy amin'ny endriny maro. Ny fanaovana ireny dia fanokafana midanadana ny varavarana hidiran'ny demony. Araka ny Baiboly (Apok. 2) dia ireny ilay "antsoin'ny sasany hoe sain-dalin'i Satana" (ohatra: ody fiarovana @ mpangalatra, ody avandra, ody mosavy, dadarabe/mpitaiza, tromba, ody fitia, mosavy, faminaniana "horoscope" sns...)
3) Tsy fibebahana amin'Andriamanitra (lainga, fijangajangana, halatra, sns...)
Fantatro tsara koa anefa fa betsaka ny Malagasy no efa tafiditra amin'ireo. Mahazo fandrahonana ho faty sy areti-mandoza izy ireny raha mitady hiala satria te hifikitra mafy ao aminy ilay ratsy. Tsarovy anefa fa hamonjy ny olona toy ireny indrindra no nahatongavan'i Kristy. Tonga hanafaka ny voageja Izy. Mety mandrahona sy mampihorohoro anao i Satana sy ny demoniny, fa i Kristy kosa manome aina vaovao. Mahereza ry namana ka aza avela tampenan'i Satana tsy ahita ilay fahazavana ny masonao. Tsy afaka mandrombaka anao ilay ratsy raha mankeo am-pelatanan'i Kristy ianao.
Ho fiainam-baovao tokoa anie ny an'ny Malagasy rehetra manomboka amin'izao fahatsiarovana ny nihavian'i Kristy izao.

novalian'i bichette ny 27/12/2011 00:16
2. milofo
(
20/12/2011 06:44)
Miarahaba anao ! ary misaotra @ sakafo mpanahy e
Ny zavatra mba tsapako dia izao : TSY MAHAY MIVAVAKA NY MALAGASY , heveriny fa mitovy @ lamaody ny fivavahana , izany hoe : fitafiana anaovana de rehefa maloto dia sasaina ,heveriny hoe : azo aseho hoe Kristianina iano , ary hita mibaribary fa olona tsy mivavaka fa mpanompo sampy e!
tsy mitsara olona za fa manambara ny ataony ; noho izany dia i satana no manapaka ny fiain'ny ankamaroan'ny Malagasy .......!

3. bichette
(
22/12/2011 08:33)
LazaDaddy:

misy zavatra hafa ihany koa izay tena varavarana hidiran'ny fanahy maloto :
4) ny firaisana ivelan'ny fanambadiana, ny firaisa amin'ny samy mpihavana (inceste) : tena "voie royale" mihitsy na "porte royale". Ilay ra amin'ny firaisana voalohany dia zava dehibe eo amin'ny vehivavy satria karazana "alliance" io, misy ra latsaka eo. alliance amin'ilay vehivavy sy ny vadiny izay tena mampiray azy ireo. izany no mahatonga matetika ilay olona nanaovana firaisana voalohany dia tsy hadino mihitsy ary tena mi "marquer" amin'ny fiainana.
:-) :-)
4. bichette
(
22/12/2011 08:39)
milofo :
Miarahaba anao ! ary misaotra @ sakafo mpanahy e
Ny zavatra mba tsapako dia izao : TSY MAHAY MIVAVAKA NY MALAGASY , heveriny fa mitovy @ lamaody ny fivavahana , izany hoe : fitafiana anaovana de rehefa maloto dia sasaina ,heveriny hoe : azo aseho hoe Kristianina iano , ary hita mibaribary fa olona tsy mivavaka fa mpanompo sampy e!
tsy mitsara olona za fa manambara ny ataony ; noho izany dia i satana no manapaka ny fiain'ny ankamaroan'ny Malagasy .......!
ny tena olana eo amin'ny gasy koa dia "occulte" ny ankabeazan'ny fombafomba syny tradition. ohatra fotsiny :
- mandraraka toaka amin'ny sisin'ny rindrina, amin'ny kodiaran'ny fiara mitondra razana, toaka araraka etsy sy eroa, anefa iny toaka araraka iny dia "fanatitra" na "offrande" omena ny "razana" hono, omena ny devoly iny.
- misy andro tsy handevenana : fombafomba fotsiny
- ny famadihana : ito moa dia tena abomination eo anatrehan'Andriamanitra mihitsy. Ny mpanandro no misafidy ny andro, avoaka ny razana dia mivavaka amin'ny razana sns .... anefa isika tsy tokony hanana andriamanin-kafa ankoatran'i Jehovah ! ny fangataham-pitahiana amin'ireo "razana" ireo dia efa mampiseho fa mandray an'izy ireo ho andriamanitra
Maro ny fombantsika malagasy izay otran'ny tsy manan-tsiny anefa tena '"occulte".
5. bor2lais
(
22/12/2011 11:37)
Lazadaddy:
1) Fanaovana fati-dra na inona na inona. Fandavana ny ra nalatsak'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana izany izay natolotr'Andriamanitra ho antsika. Mahaliana tokoa fa misy hevi-dehibe ara-panahy noho izy mirakitra "aina" io resaka ra io, ary ny ran'i Kristy ihany no mitondra famonjena.
bichette:
4) ny firaisana ivelan'ny fanambadiana, ny firaisa amin'ny samy mpihavana (inceste) : tena "voie royale" mihitsy na "porte royale". Ilay ra amin'ny firaisana voalohany dia zava dehibe eo amin'ny vehivavy satria karazana "alliance" io, misy ra latsaka eo. alliance amin'ilay vehivavy sy ny vadiny izay tena mampiray azy ireo. izany no mahatonga matetika ilay olona nanaovana firaisana voalohany dia tsy hadino mihitsy ary tena mi "marquer" amin'ny fiainana.
Misaotra anareo amin'ny fizarana : izay no isan'ny mba mahafinaritra ahy eto amin'ity sehatra iray ity ! ;-)
6. rekinbelo
(
22/12/2011 14:45)
Ny kristianina mihitsy namana no asiany Satana fa tsy ny olona any ivelany akory a!Efa azony izao tontolo izao fa ireo Kristianina manaraka an'i Jesosy Kristy ihany no enjehiny fatratra,ataony izay ahatonga antsika kristianina hivadika ka hanaraka ny fanaon'izao tontolo izao. Fantaro anie fa ny fomba ampiasainy amandrihana antsika dia ny haino aman-jery isan-karazany ireo e: Télé, radio, internet ary eo koa ny namana (mpiara-mianatra na mpiara-miasa) tsy midika akory hoe mila mitoka-monina isika fa mahay misivana ny zvt tokony ataontsika sy ny hojerena sy henointsika. Tsy ho tafiditra ao ampo tsika mihitsy @ izay iSatana sy ny hev-dratsiny.
zay fa mahereza namana a
zay fa mahereza namana a
7. bichette
(
22/12/2011 16:29)
rekinbelo:

ie, efa azon'ny satana izao tontolo izao ka vao maika safosafoiny.
Ny fiangonan'i Kristy mihitsy izao no tena attaquer-ny. Ataony izay hidirany ao ampiangonana sy hametrahany ny "semence'ny" na ny voa afafiny. dia amin'ny alalan'ny :
- hira no anisany tena ampiasainy koa. I satana dia tena nanana talenta amin'ny hira mihitsy, raha nazeran'Andriamanitra izy, tsy milaza mihitsy ao amin'ny baiboly fa niala tamin'ny satana ny talentany io, ao aminy foana io. ary io no tena ampiasainy ahafahany miditra ao ampiangonana amin'izao fotoana izao. ny zavatra rehetra atao amin'ny alalan'ny hira dia voarain'ny ati-doha haingana. mora hay, mora tadidy, tonga dia mahazo ny fo, mampilatsa-dranomaso, mahafaly, mampalahelo sns ! misy fiantraikany be amin'ny ame'ny olona ny hira ka io no ampiasain'i satana hahazaoana olona, ary ahafahany miditra be indrindra ao ampiangonana. SEDUCTION !!!
- ny 5 sens koa mila tandremana; indrindra ny maso mila tandremana. ny maso no jiron'ny tena hoy ny tenin'Andriamanitra. Eo no miditra ny filana ... mila mangataka ny ran'i Jesosy Kristy hatrany isika
;-)
8. Miharena
(
22/12/2011 16:39)
Mila fahatsiarovan-tena lehibe ny Kristianina ary tokony haka ny fomban'ny Boudhiste manao méditation izy ahafahany mahafantatra ny ratsy izay miorim-paka ao anatiny. Tsy ny maso loatra no maninona fa ny fo no tsy hain'ny kristiana loatra ny mamantatra azy ka izay no mahatonga ny tsy fahatsiarovan-tena be dia be mitranga. Indrindra moa fa ny mametraka lalàna marobe manavaka ny tsara sy ny ratsy nefa tsy mahay mamintina hoe ireto no atao hoe izao tontolo izao ary izatsy no atao hoe tsy izao tontolo izao.
9. taxerick
(
22/12/2011 21:40)
ny zavatra hitako koa dia afangaron'ny MALAGASY ny fanompoana an'ANDRIAMANITRA sy izao tontolo izao,izay heveriny fa mety foana ary afaka miaraka kanefa eo indrindra no idiran'isatana @ fiaianan'NY GASY.OHATRA:(raha misy olona anangana trano iray dia ny fanaony dia ny miantso mpanompon'ANDRIAMANITRA hitsodrano,etsy andanin'izay fafazana toaka sy ny zavatra alevina any anaty tany)ny tena marina dia misy tahotra sy fanahiana ao anatin'ny gasy :"sody misy zavatra hitranga fa aleo manao sorona"nefa nny tahotra sy ny fanahiana anie dia avy @satana e
10. Prime
(
23/12/2011 10:24)
Raha fehezina ny ambaranareo rehetra dia varavarana marobe no ahafahan'i Satana miditra ary dia izany tokoa no izy.
Voahidy avokoa ve ireo? tsia.
Efa tafiditra ve izy? eny, ka na any amin'ny fiangonan'Andriamanitra aza, na ny mpanompon'Andriamanitra aza dia maro no voafatotra, voafitaka, efa lavo ka tsy afa-manoatra fa miafina ao ambadiky ny hoe : ka "tradition" efa nitaizana nandritra ny fotoana ela izany, izany no nampianarina anay... ka na lazaina aza hoe tsy ara-tsoratra masina intsony anie izany atao izany e! dia izy ireo indray no manamarin-tena ka manenjika ny asan'ny Fanahin'Andriamanitra sy ny voalazan'ny Tenin'Andriamanitra mitondra fanitsiana, fanavaozana, fanarenana.
Raha tafiditra izy dia ahoana no amoahana azy? eo angamba no tena mila dinika lalina kokoa...

11. bor2lais
(
23/12/2011 11:07)
prime:
Raha tafiditra izy dia ahoana no amoahana azy? eo angamba no tena mila dinika lalina kokoa...
Hoy ilay namana dokotera izay hoe : tsy misy sarotra tahaka ny mitsabo olona tsy manaiky fa marary izy !
Ilaina ny fahatsiarovan-tena fa marary mialoha ny fitsaboana rehetra !
Ahoana no atao mba ahatsiarovan'ilay olona tena fa marary izy ? ... :-)
12. LazaDaddy
(
23/12/2011 21:56)
Ireo voa mafy dia mahatsapa tsara ny fahavoazany saingy misalasala noho ny fampihorohoroana ataon'I Satana azy. Ny tokony tsaroana mandrakariva dia hoe "possible" avokoa ny zava-drehetra rehefa miaraka @ Tompo, eny fa na legiona aza no tiana avoaka dia mety!
13. bichette
(
27/12/2011 00:16)
Prime:
Raha fehezina ny ambaranareo rehetra dia varavarana marobe no ahafahan'i Satana miditra ary dia izany tokoa no izy.
Voahidy avokoa ve ireo? tsia.
Efa tafiditra ve izy? eny, ka na any amin'ny fiangonan'Andriamanitra aza, na ny mpanompon'Andriamanitra aza dia maro no voafatotra, voafitaka, efa lavo ka tsy afa-manoatra fa miafina ao ambadiky ny hoe : ka "tradition" efa nitaizana nandritra ny fotoana ela izany, izany no nampianarina anay... ka na lazaina aza hoe tsy ara-tsoratra masina intsony anie izany atao izany e! dia izy ireo indray no manamarin-tena ka manenjika ny asan'ny Fanahin'Andriamanitra sy ny voalazan'ny Tenin'Andriamanitra mitondra fanitsiana, fanavaozana, fanarenana.
Raha tafiditra izy dia ahoana no amoahana azy? eo angamba no tena mila dinika lalina kokoa...
Raha tafiditra izy dia :
- mifona tanteraka eo anatrehan'Andriamanitra tamin'ny andron'ny tsy fahalalana aloha
- ny ran'i Jesosy mba hanadio, hanamasina
- Ny zavatra rehetra natao, ny sorona natao, ny teny rehetra natao, ny varotra natao rehetra tamin'ny monde des tenebres na tamin'ny fomba inona na inona dia :
renoncer - briser - annuler - tapahana ny malediction rehetra, ny fatotra tamin'ny nanaovana ireny fombafomba ireny - declarer notre appartenance A Dieu en Jesus Christ . vakio esaia 54. dia proclamer-na ny tenin'Andriamanitra amin'ny fiainantsika
hoy ny tenin'Andriamanitra hoe "la vie et la mort sont au pouvoir de la langue" "par ta parole tu seras condamnée et par ta parole tu seras justifié" , misy lanjany sy hery be ny teny aloaky ny vava.
izay no atao