aleo hazava le tany toliara

1. bazylou ( 17/12/2011 04:37)
izao no fandehany.

nisy jiolahy tratra nanafika tananan'olona dia tratra ary rehefa nofotorana ry zareo ireo dia nilaza tsy nihambahamba fa nanofa basy tany amin'ny polisy iray tao toliara.
Avy hatrany dia naiditra cellule le polisy dia teo no rafitra ny ady.
satria tsy nanaiky io fitazonana io ny ploisy namany , izay azo lazaina koa fa mpampanofa basy hoan'ny jiolahy hafa.
dia raikitra teo ny fampitifirana tao amin'ny tribonaly, dia maty ny procureur rehavana michel.

dia izao izany dia ny polisy indray ny midingin drambo f ahoe izy no marina nefa efa tratra ambody omby izao.

dia eritrereto tsara ry wiwi fa izay no fandehany aty amin'ny tanana

beuuurrrk
novalian'i nilex ny 19/12/2011 13:52
2. cpd8910 ( 18/12/2011 01:13)
Mahagaga oe mbola misy manohana Police ihany amin'io resaka io nefa anie ka tena alohalika ny ranom-bary e. Iza no tsy mahalala fa matoa misy Kalack mivoaka entin'ny mpanamboatra sy jiolahy mamaky trano sy mamono olona avy etsy avy eroa dia satria misy police na zandary na rasil=ireo hany afaka mampiasa sy manana an io basy io (arme de guerre) mivarotra na mampanofa an,ireo basy ireo.

Mbola hisy amboarin'ny mpanamboatra avy amin'ireo basy ireo ny havany na ireo rehetra miaroaro ny police ireo zay vao ho saina tonga hoe tena tay kay lé revy. Zao aloha mbola hoe vain-drahalahy tsy maharary+cela n'arrive qu'aux autres.
3. nilex ( 19/12/2011 13:52)
Mety ho marina daholo izany voalazanareo izany ry namana fa izao no marina tsy azo hodihantsihita koa efa nisy lonilony efa ela teo amin'ny mpitsara sy ny polisy ka mahatonga izao tantara izao hitatra lavitra.Izao no izy ary tena marina koa fa tsy hoe fiarovana ny polisy akory.Sorena mafy amin'ny mpitsara mihintsy ny polisy satria izy ireo miady mafy manenjika ny olondratsy ,manao ny fomba rehetra eny fa misy mihintsy aza no maty amperin'asa nefa koa rehefa azo ireny jiolahy ireny ka hatolotra ny fitsarana dia avotsitry ny fitsarana fotsiny avy eo.Mahita motif hamotsorana azy foana ny fitsarana na dia hitan'ny polisy fa tratra ambody omby izao ily olona.Tsy mifakaiza amin'ny fampanofana basy izany ataon'ny mpitsara izany fa tena voa maika aza kolikoly avo lenta be mihintsy.Samy manana ny fahadisoany goavana ireo fa tsy azo tsaratsaraina fotsiny amin'izao ary izay indrindra no mampihenjana ny raharaha toy io satria samy manana ny ho heveriny ho marina .Samy ratsy ireo e fa diniho lalina tsara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1865