Izay mino sy atao Batisa no hovonjena

1. didi10 ( 05/12/2011 16:42)
Tsara ny Tompo

Efa mba nandinika ny Batisa natao tamintsika ve isika ka nanontany hoe: Ankasitrahan'Andriamanitra sa tsia?

Samy manaika angamba isika fa ny Batisa dia dingana tsy maintsy atao handovana ny fanjakan'ny lanitra.

Ny Batisa va atao amin'ny zaza sa atao amin'ny olona vory saina?
Ny Batisa va atao amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina sa atao amin'ny anaran'i Jesosy?
Ny Batisa va atete amin'ny handrina sa atsoboka anaty rano?
novalian'i Prime ny 12/09/2018 14:22
2. safira2 ( 05/12/2011 18:03)
Amiko dia mazava be io teny io, izay mino sy atao batisa no ho vonjena, ny zaza amiko tsy afaka hino n'inona n'inona satria mbola tsy mahalala ny ratsy sy ny tsara akory, en plus Jesosy 33 ans vao natao batisa fa tsy mbola kely, ny zavatra tsy voasoratra anaty baiboly dia doctrine nataon'ny olombelona ka izay ray hinoana na ny tenin'Andriamanitra mazava tsara, na izay noforon'ny olombelona, ny fitsobohana tanteraka anaty rano dia milaza fa alevina tanteraka ny fahotana ary mivoaka ho olom-baovao.
Tahian'ny Tompo dhl

didi10:

Tsara ny Tompo

Efa mba nandinika ny Batisa natao tamintsika ve isika ka nanontany hoe: Ankasitrahan'Andriamanitra sa tsia?

Samy manaika angamba isika fa ny Batisa dia dingana tsy maintsy atao handovana ny fanjakan'ny lanitra.

Ny Batisa va atao amin'ny zaza sa atao amin'ny olona vory saina?
Ny Batisa va atao amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina sa atao amin'ny anaran'i Jesosy?
Ny Batisa va atete amin'ny handrina sa atsoboka anaty rano?
3. safira2 ( 05/12/2011 18:06)

4. Prime ( 05/12/2011 19:46)
safira2> ny voasoratra dia hoe, izay mino sy atao batisa no hovonjena fa tsy hoe, izay mino no atao batisa (mahakasika ilay zaza tsy tokony atao batisa resahanao satria hoy hianao tsy mino)!!!... dia Jesosy raha natao batisa dia tsy misy ifandraisany amin'io teny itondran'i Didi10 io ny lohahevitra satria na tsy natao batisa aza i Kristy dia Izy mihitsy no famonjena ka nilazan'i Jaona mpanao batisa hoe : izaho no tokony hataonao batisa...
5. didi10 ( 06/12/2011 03:34)
Tsara ny Tompo

Misaotra namana

Namana safira, betsaka tokoa ireo Kristianina no tsy mahatsapa fa tsy misy mifampibaby any an-danitra, maro no mionona fotsiny amin'ny fampianaran-diso ka tsy manana hery na finiavana hitady ny fahamarinana fa miaro "bétement" ny fiangonana misy azy fotsiny.
Raha mba manana finiavana hamaky ny soratra masina manomboka eo amin'ny asan'ny Apostoly ka hatrany amin'ny Apokalipsy tokoa mantsy ny tsirairay dia hazava aminy ny Etape tsirairay mankany amin 'ny fiainana tena kristianina, zanak'Andriamanitra ary mpandova ny fanjakan'ny lanitra.

Namana Prime
Ny Batisa natao tamin'i Jesosy dia fitaratra na ohatra alain-tahaka mitovy amin'ilay vavaka nampianariny ihany. Nasehony mazava fa tsy maintsy atao Batisa ny olona raha te ho zanaka ka handova ny fanjakan'ny Lanitra.
6. LazaDaddy ( 06/12/2011 04:10)
Ry namana isany,

Ny torohevitro tsotra dia ny hoe: "aza be theorie fa ekeo sy tiavo amin'ny fonao, ny fanahinao sy sainao ary ny herinao manontolo ny Tompo."

Aza heverina ho toy ny "tsy misaina" ny zaza sanatria fa "tsy misy mandray ny fanjakan'ny lanitra tahaka azy ireny".

"Hamindra fo amin'izay tiako hamindrana fo aho, ary hiantra izay tiako hiantrana" hoy ny Tompo.

Ho aminareo anie ny fiadanana.
7. rekinbelo ( 06/12/2011 05:48)
Mila fantarintsika aloha namana fa ny batisa dia misy karazany 7 ao anaty baiboly ary ny Batisa kristianina dia hafa mihitsy fa tsy mitovy @ batisa ny kristy akory.
Marina aloha ny hoe olona efa vory saina sy afaka manana finoana no atao batisa fa tsy ny zazakely akory ary tsy rano mitete akory izy io fa atsoboka tanteraka ao anaty rano.
Mahereza
8. didi10 ( 06/12/2011 06:07)
Marina tokoa ry Namana Laza fa ohatriny be théorie loatra aho.
Niniako mihitsy aloha no tsy namoaka toko sy andininy mba hampieritreritra antsika amin'ny fo tsy miangatra fa ho avy ny andro handavan'i Jesosy ireo izay tsy manana ny tombon-kaseny na dia mahay manao fahagagana sy mandroaka devoly ary maminany amin'ny anaraNY aza.

Eritrereto hoe mandeha eny an-dalana ny olona iray dia misy olona iray hafa avy ato aorinanay mandraraka ranon'apango amin'ny lohany sady miteny hoe minoa fotsiny ihany fa efa nataoko batisa ianao, dia hanaiky ve ianao?
Ny 80% n'ny Kristianina anefa dia manaiky satria mahatoky ilay olona nandraraka rano azy izy satria mety ho Fiangonana lehibe io na mety ho havany akaiky ka maminy.

Miteny antsika namana tokoa aho fa mafy ary tena mafy izany hiteny amin'ny havana aman-tsakaiza fa hiala amin'ny fampianaran-diso izany ary hisintaka amin'ny Fiangonan-drazana satria efa niainako izany ka hampahereziko antsika namana rehetra.
9. Tefigasy ( 06/12/2011 07:38)

didi10:

Eritrereto hoe mandeha eny an-dalana ny olona iray dia misy olona iray hafa avy ato aorinanay mandraraka ranon'apango amin'ny lohany sady miteny hoe minoa fotsiny ihany fa efa nataoko batisa ianao, dia hanaiky ve ianao?
Ny 80% n'ny Kristianina anefa dia manaiky satria mahatoky ilay olona nandraraka rano azy izy satria mety ho Fiangonana lehibe io na mety ho havany akaiky ka maminy.

Ilay fototra iorenan'ilay batisa mihitsy no mbola tena tsy azonareo raha izany. Mino aho fa mbola misy fotoana handalinana dia mazotoa mandalina hatrany fa mety hipoitra eny ihany ny tena izy
10. safira2 ( 06/12/2011 09:23)

Prime> Ny zaza tsy atao batisa, fa hoy Jesosy hoe avelao ny zaza hanantona ahy fa any toa azy ny fanjakan'ny lanitra, c'est à dire zany en tant que innocent ny zaza dia avotra sans condition, tsy niteny mitsy Jesosy hoe ataovy batisa ny zaza dia miditra ny fanjakan'ny lanitra.
Ary tsy niteny mitsy koa izaho hoe tsy misaina ny zaza, fa tsy mbola mahay manavaka ny ratsy sy ny tsara fotsiny tsy misy ifandraisany.
Be dia be ny zavatra nampidirina tao an-dohantsika tamin'ny andron'ny tsy fahalalana fa refa te hahafantatra ny tena sitrapon'ny Tompo dia tsotra vakiana ny baiboly, fa angataho aloha ny Fanahy Masina alohany mamaky azy mba hazava tsara zay tena izy.
Ny antony nanaovana batisa an'i Jesosy dia mba ho exemple ho an'ny olona rehetra, matoa izy ni insiste mba hanaovan'i Jaona batisa azy, na dia tsy nanota aza Izy.
11. Tefigasy ( 06/12/2011 10:19)
safira2:

fa tsy mbola mahay manavaka ny ratsy sy ny tsara fotsiny.

Fa hono wa, toa efa betsaka ihany ny baiboly amin'ny fiteny maro novakiako fa mbola tsy nahita aho hoe "izay mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy ihany no atao batisa".

I-Kor 1 : 16 :"Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan'i Stefanasy koa aho "
==> Inona moa ny atao hoe ankohonana : ray, reny, zanaka, mety mbola misy koa hoe ray be, reny be, dadatoa. Io zanaka io ve voambara eto hoe efa feno 18 taona no mihoatra daholo ? Tsia !

12. didi10 ( 06/12/2011 10:44)
Marina ny teninao Tefigasy fa maro no ohatra voalaza ao amin'ny asan'ny apostoly fa misy ireo natao Batisa niaraka tamin'ny ankohonany saingy tsy ahafahana manamarina ny Batisa atao amin'ny zaza ataon'ny fiangonana lehibe ankehitriny izany.

Alohan'ny Batisa mantsy dia misy dingana maromaro tsy maintsy atao dia ny fianarana sy ny Fibebahana. Rehefa vita Batisa ianao dia nateraka indray ary tsy ianao intsony no velona fa i Kristy no velona ao aminao, noho izany tsy tokony hahalala fahotana intsony ianao. Dia aiza ho aiza amin'izany ary ianao mihevitra fa efa vita Batisa tamin'ny fahazazana? manao ahoana ny fiainana ara-panahinao? ary mba efa nandray ny fanahy masina ve ianao taorian'izany Batisa izany?

13. Tefigasy ( 06/12/2011 11:14)
otran'ny toa hoe asan'ny fanahy masina hono anie izany batisa izany e: iharana ianao ao anatiny fa tsy mpanao. Izany fahaterahana izany anie ka tsy misy ezak'ilay zaza ho ateraka mihitsy fa noho ilay reniny e !

noho izany tsy tokony hahalala fahotana intsony ianao

Ataoko angamba fa na ireo pasitera mampanao batisa ireo aza dia tsy misy tanteraka na iray aza.

Averiko kely ity tenin'ny namana iray etsy ambony ity sady io rahaeo no voalaza ao anaty baiboly hoe izay mino sy atao batisa fa tsy hoe izay mino no atao batisa. Samihafa be mihitsy ireo !
14. didi10 ( 06/12/2011 11:34)
Tsy maninona namana Tefy raha tsy maharesy lahatra anao ny Batisa par immersion atao amin'ny anaran'i Jesosy ao aorian'ny fibebahana fa efa nitory izahay dia anjaranao ny sisa. Mahereza mamaky Baiboly fa izay ihany no ahafantaranao ny fahamarinana.
15. Tefigasy ( 06/12/2011 12:00)

didi10:

Tsy maninona namana Tefy raha tsy maharesy lahatra anao ny Batisa par immersion atao amin'ny anaran'i Jesosy ao aorian'ny fibebahana fa efa nitory izahay dia anjaranao ny sisa. Mahereza mamaky Baiboly fa izay ihany no ahafantaranao ny fahamarinana.

Non, diso kely ingahy, tsy ny batisa atao any anaty rano be migodana no tsy metimety amiko, misy an'izany mihitsy ao anaty baiboly. Fa kosa raha izay indray no andeha ho tompoina ka hilazana fa diso daholo izay tsy manao izany dia izay no tsy metimety amiko. Fantaro fa misy heviny teolojika tena lehibe izany batisa izany fa tsy endrika ivelambelany fotsiny akory.
Toy izany koa, manaiky aho fa misy ao anaty baiboly ary tena betsaka ny olona efa tonga saina no atao batisa, fa raha izany ihany koa no entina hitompoina sy hilazana fa tsy mety ny fanaovana batisa ny zaza, na koa hitenenana fa tsy nisy zaza natao batisa mihitsy ao anaty baiboly dia izay ihany koa no tsy metimety amiko satria tsy misy andalana manambara mihitsy ao hoe "aza atao batisa ny zaza" fa ny mifanohitra amin'izany ary no toa voalaza ao kou.
16. Prime ( 06/12/2011 13:25)
safira2:

Prime> Ny zaza tsy atao batisa, fa hoy Jesosy hoe avelao ny zaza hanantona ahy fa any toa azy ny fanjakan'ny lanitra, c'est à dire zany en tant que innocent ny zaza dia avotra sans condition, tsy niteny mitsy Jesosy hoe ataovy batisa ny zaza dia miditra ny fanjakan'ny lanitra.
Fa toa tsy niteny koa Jesosy hoe innocent ny zaza ary tonga dia avotra sans condition...

safira2:

Ary tsy niteny mitsy koa izaho hoe tsy misaina ny zaza, fa tsy mbola mahay manavaka ny ratsy sy ny tsara fotsiny tsy misy ifandraisany.
... sao dia izay olona niteny izany no tsara resahanao sy valianao fa tsy niteny izany aho no sady tsy hevitro izany???!!!

safira2:

Be dia be ny zavatra nampidirina tao an-dohantsika tamin'ny andron'ny tsy fahalalana fa refa te hahafantatra ny tena sitrapon'ny Tompo dia tsotra vakiana ny baiboly, fa angataho aloha ny Fanahy Masina alohany mamaky azy mba hazava tsara zay tena izy.
... dia ento ary ny lazain'ny baiboly fa hatreto aloha toa ilay hevitrareo sy fahafantaranareo azy sy nampianarina anareo no lazainareo mahakasika ny batisa fa tsy misy avy amin'ny tenin'Andriamanitra na dia iray aza...

safira2:

Ny antony nanaovana batisa an'i Jesosy dia mba ho exemple ho an'ny olona rehetra, matoa izy ni insiste mba hanaovan'i Jaona batisa azy, na dia tsy nanota aza Izy.
... je n'ai pas dit le contraire... fa manamarika fotsiny aho ny nambaranao hoe :

safira2:
en plus Jesosy 33 ans vao natao batisa fa tsy mbola kely,
... ka raha 33 ans Izy vao natao batisa dia midika ve izany fa tsy azo atao batisa ny zazakely???!!! ampifangaroanao avokoa ny hevitra rehetra no nahatonga ahy nanao fanamarihana hoe, "hafa mihitsy ny batisan'i Jesosy fa tsy misy ifandraisany amin'ny lohahevitra entina eto..."
17. bor2lais ( 06/12/2011 13:27)
didi10:

Tsy maninona namana Tefy raha tsy maharesy lahatra anao ny Batisa par immersion atao amin'ny anaran'i Jesosy ao aorian'ny fibebahana ...

Izay vao manomboka azon'i bor2lais ny anton'ity fanontaniana ity hoe :
didi10:

Ny Batisa va atao amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina sa atao amin'ny anaran'i Jesosy?

Hay ilay Batisa "par immersion" moa izany tsy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina raha azoko tsara !

Ary raha hitarina ilay resaka dia ho tonga hatrany amin'ny fandavana na fanekena ny Trinité izany izy ity e!
:-)
18. didi10 ( 06/12/2011 13:39)
Namana Bor2lais

Azonao tsara ilay izy, ny Batisa tokony alaintsika tahaka dia ny batisa nataon'ireo Apostoly
- Atao aorian'ny finoana sy fibebahana
- Anaty rano be
- Amin'ny anaran'i Jesosy

tsy misy olona afaka manohitra ireo zavatra telo ireo raha mbola samy baiboly mitovy no ampiasain'ny Kristianina sa mbola manana hevitra hanoherana ireo ny namana?
19. bor2lais ( 06/12/2011 14:02)
Misaotra an'i didi10 manamafy ny fandraisako ny voalaza !

Misy fanontaniana vitsivitsy manitikitika ka asa na mba azonao valiana raha tsy mahadiso :

1. Inona no fandraisanao ilay teniNY hoe : "mandehana ataovy mpianatro ny firenena rehetra, manao Batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina" ? Mitovy amin'io ve ny Batisa resahinao eto ?

2. Samy hafa ve ny hoe "mino sy atao Batisa" sy ny hoe "atao Batisa sy mino" ?

3. Ny Kristiana ve rehefa tsy mahatsiaro tena (matory, mamo, marary, coma, ...) mbola azo lazaina fa Kristiana ihany ? Sa tsy misy ifandraisany amin'ilay resaka fahatsiarovan-tenan'ny zaza io lazaiko io ?

Misaotra anao mialoha !
20. Tefigasy ( 06/12/2011 14:16)
fantaro fa i Paoly dia nanao batisa tany am-pigadrana ary tamin'ny andro alina. Manontany anao aho hoe, aiza ho aiza eto ambonin'ny tany no misy fonja ka misy rano be na andeha ataoko hoe dobo be ao anatiny ?

Asa.16:32-33 "ary izy roalahy(paoly sy silasy) nitory ny tenin'ny Tompo tamin'izay rehetra tao an-tranony ary nandray azy roalahy izy tamin'izany ora amin'ny alina izany ka nanasa ny dia-kapoka, ary natao batisa tamin'izay izy mbamin'izay azy rehetra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3165