Izay mino sy atao Batisa no hovonjena
21. didi10
(
06/12/2011 16:11)
Namana Tefy
Aza avilana sy misy dinganina ilay tenin'Andriamanitra fa tsy milaza mihitsy io teny io fa tao am-ponja i Paoly no nanao Batisa.
Asa 16 32-34
32 Ary izy roa lahy nitory ny tenin'ny Tompo taminy sy tamin'izay rehetra tao an-tranony. 33 Ary nandray azy roa lahy izy tamin'izany ora amin'ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin'izay izy mbamin'izay azy rehetra. 34 Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin'izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an'Andriamanitra.
And 32: Nitory ny tenin'ny Tompo izy: io ilay fampianarana mitarika finoana
And 33: Nandeha nanasa ny kapoka dian-kapoka izy ary nanao Batisa
And 34: Nentiny niakatra tao an-trano izy roalahy: izany ho tsy tao an-trano ilay batisa sy fanasana ny fery fa tany ivelany, tany amin'izay misy rano nandalovan'izy ireo fa mbola tsy tonga tany an-trano izy.

22. safira2
(
06/12/2011 16:13)
ok e tsy hiadian-kevitra zany fa antsointsika ny Fanahy MAsina dia Izy hanazava amintsika tsirairay avy izay tokony hatao, samy manana ny fandraisany azy ny olona dia hajaina amin'zay, tsy miteny za hoe ny ahy no marina na ny anareo, fa samy manao izay fantatsika fa mety avy isika, mino aho fa samy ho voavonjy dhl fa zany no tanjonan-tsika kristianina. Amen
23. didi10
(
06/12/2011 16:49)
bor2lais:
Misaotra an'i didi10 manamafy ny fandraisako ny voalaza !
Misy fanontaniana vitsivitsy manitikitika ka asa na mba azonao valiana raha tsy mahadiso :
1. Inona no fandraisanao ilay teniNY hoe : "mandehana ataovy mpianatro ny firenena rehetra, manao Batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina" ? Mitovy amin'io ve ny Batisa resahinao eto ?
2. Samy hafa ve ny hoe "mino sy atao Batisa" sy ny hoe "atao Batisa sy mino" ?
3. Ny Kristiana ve rehefa tsy mahatsiaro tena (matory, mamo, marary, coma, ...) mbola azo lazaina fa Kristiana ihany ? Sa tsy misy ifandraisany amin'ilay resaka fahatsiarovan-tenan'ny zaza io lazaiko io ?
Misaotra anao mialoha !
Misaotra namana bor2lais
1. Io teny io dia teny fanirahana (mission) miendrika didy (ordre) nomen'i Jesosy ny mpianatra. Mazava tsara ny teniNY ary misy fizarana 3 mazava:
a) Ataovy mpianatro ny firenena rehetra
Mazava be io fa mila ampianarina ny momba an'Andriamanitra sy Jesosy Kristy ny olombelona rehetra eto an-tany, ny teny hoe ataovy mpianatro dia midika fa iray ihany ny niavian'ny fotom-pampianarana dia Jesosy izany. Rehefa avy ampianarina ny olona dia manaiky ary mino izay fampianarana tsy misy kilema notoriana taminy.
b) manaova batisa azy
Tsy asiana fanazavana betsaka fa efa Jesosy mihitsy no nanao ohatra ny tenany tamin'ny Batisa.
c) amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy masina
Raha maniraka ny zanakao ianao mandeha any amin'ny Epicerie hitrosa siramamy dia hoy ilay zanakao: Mba anaovy siramamy hono dadanay dia ataovy amin'ny Kaontiny. Dia rehefa handray an-tsoratra ve ilay mpivarotra dia hanoratra hoe "dadanay"? tsy maintsy anaran'olona no soratany ao oh: Rabe na farafaharatsiny "dadan'i Ketaka".
Jao 10 30
Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
Jao 14 26
26 fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako,
Vakio daholo ny Batisa nataon'ny Apostoly sy Paoly fa amin'ny anaran'i Jesosy avokoa.
Fanamarinana farany, tandremo fa misy ny ray hafa sy zanaka hafa:
Jaona 8:44
44 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin'ny [mitoetra amin'ny] marina satria tsy misy marina aminy.
Rehefa avy eo indray aho mamaly ilay faharoa
24. didi10
(
06/12/2011 17:05)
2. Samy hafa ve ny hoe "mino sy atao Batisa" sy ny hoe "atao Batisa sy mino" ?
Mbola averiko eto hatrany ny étape tokony lalovan'ny kristianina.
1. Mianatra: mpianatr'i Jesosy
2. Mino: ny fampianaran'i Jesosy
3. Mibebaka: Miaiky ny fahotana rehetra ary mangataka ny fandiovan'ny ran'i Jesosy maty teo amin'ny hazo fijaliana.
4. Batisa rano: Fahaterahana vaovao, olona vaovao izay tsy ilay teo aloha intsony fa i Kristy no velona ao anatiny.
5. Batisa Fanahy Masina: Angatahina amin'Andriamanitra ahazoana hery sy fanomezam-pahasoavana
6. Mizara ny fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina
oh: lasa mpanasitrana sy mpandroana fanahy ratsy, lasa mpitory teny, lasa evanjelistra mpampianatra ny Soratra Masina...izany hoe miverina en boucle @ 1. sns...
Izay inversen'ireo étape ireo dia tsy mba fampianarana avy amin'i Jesosy.

25. didi10
(
06/12/2011 17:28)
3. Ny Kristiana ve rehefa tsy mahatsiaro tena (matory, mamo, marary, coma, ...) mbola azo lazaina fa Kristiana ihany ? Sa tsy misy ifandraisany amin'ilay resaka fahatsiarovan-tenan'ny zaza io lazaiko io ?
Inona moa no dikan'ny hoe: Kristianina amin'ny ankabeazan'ny olona? tsy hoe mpanara-dia an'i Krsity?
Afaka milaza azy ho Kristianina daholo ny olona rehetra rehefa mahafantam-pantatra an'i Jesosy Kristy, mivavaka indray mande isan-kerinandro , rehefa mahavita ny dingana rehetra ao amin'ny fiangonana: Zaza (Batisa) , (Tanora) mpandray, mariazy sns... Antitra (Diakona, Fifohazana).
Tadidio anefa fa ny tena mpanara-dia an'i Kristy dia zanaka toa an'i Kristy ary mpandova ny fanjakan'ny lanitra
Rom 8-17
Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
Izaho miteny aminao namana bor2lais fa maro no kristianina fa vitsy ny tena zanak'Andriamanitra marina satria mitompo amin'ny fampianaran-diso.
Indramiko kely ilay tenin'ny monja jaona hoe: "io dia mitovy amin'ny bokotra lobaka rehefa mifandiso ny aty ambany dia mifandiso hatramin'ny farany ambony", inona ilay farany ambany tiako lazaina? ilay Batisa natao taminy fony izy tsy vory saina ary sarotra ho azy ny hiverina amin'io satria tena remis à zero mihitsy ny fiainany ara-panahy.

26. didi10
(
06/12/2011 17:37)
safira2:
ok e tsy hiadian-kevitra zany fa antsointsika ny Fanahy MAsina dia Izy hanazava amintsika tsirairay avy izay tokony hatao, samy manana ny fandraisany azy ny olona dia hajaina amin'zay, tsy miteny za hoe ny ahy no marina na ny anareo, fa samy manao izay fantatsika fa mety avy isika, mino aho fa samy ho voavonjy dhl fa zany no tanjonan-tsika kristianina. Amen
Tsy amen.
Mahereza mivavaka sy mandalina ny Soratra Masina ianao namana fa tsy misy Kristianina samy manao izay fantany fa mety izany ka handova ny fanjakan'ny lanitra.
Jao 14 : 6 - 12
6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. 7 Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy.
8 Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. 9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? 10 Tsy mino va hianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa. 11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.
12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa;
27. Prime
(
06/12/2011 18:04)
... Mbola tsy voavaly hatrany ny fanontaniako hatramin'izao ary dia manantena aho fa hovalianao amin'ny manaraka, averiko ny fanontaniana : "mahavoavonjy ve ny batisa" satria aompanao amin'ny batisa ny lohahevitra? Eny na Tsia no tokony ho valiny!
28. Tefigasy
(
07/12/2011 04:28)
Didi10 >> ie, marina ny anao fa ny baiboliko tsy misy hoe: "namakivaky ny alina zareo nandeha nitady renirano mba hitsobohana"
Tsy misy koa ny baiboly novakiako hoe nandeha teny amorondrano na tany anaty dobo ry zareo rehefa niala tao am-pigadrana.
Ary mbola tsy tafiditra ao anaty baiboliko koa ny hoe natao batisa tao anaty koveta tao an-trano ilay mpiambina ny fonja sy izay rehetra azy.
Tsy haiko na nisy nadrovitra angamba ny baiboliko de tsy hitako tao ireo soratra ireo ry ise ?
29. didi10
(
07/12/2011 06:38)
Tefigasy:

Tsara ny Tompo
Namana Tefigasy
Ny toro-hevitro amin'ise dia aza misy dinganina ny tanisa ara-baiboly rehefa maneho hevitra fa izany no mamatotra an'ise.
Mazava kosa aloha ny voasoratra fa tsy tao am-ponja ny mpiambina sy ny azy no natao Batisa e!
Ary avy eo rehefa avy nanasa ny fery tany ivelany sy nanao Batisa izy vao niakatra tao an-trano (And 34).
Tsy haiko ny dikan'ny hoe niakatra aminao fa amiko aloha izany dia avy amin'ny toerana ambany ry zareo ary avy nanao Batisa sy nanasa dian-kapoka, tsy haiko hoe mila asiana sary ve?
30. Tefigasy
(
07/12/2011 06:43)
didi10 >> eny wa e, za anie efa nanaiky fa nisy nandrovitra ny baiboliko de tsy voalaza tao le faminaniana hitanao ry Didi10 hoe tena nirotsaka tany anaty ranobe izy e.
Tsy de sarotra amiko ny manoratra io texte kely io, ary tsy de mandany ranomainty loatra fa dia nahagaga ahy no tsy nahitako io texte kely hoe narotsaka tany anaty rano io zareo.
Manaiky aho fa nisy ary misy tokoa ny natao batisa tany @ onin'i Jordana - mety natsoboka araky ny fanaonareo -, ambara mazava tsara ao hoe onin'i jordana. Koa maninona re no tsy nambara mazava teto ilay anaran'ilay ony e?

31. Tefigasy
(
07/12/2011 06:45)
azafady Didi10 a, hay moa nambara ihany le izy fa ao amin'ny baibolinareo ihany no hahitana azy.
32. didi10
(
07/12/2011 07:28)
Misaotra namana Tefigasy fa itako fa liana amin'ilay Batisa teny izy ianao dia hovaliako hatrany ny fanontanianao.
Aleo omeko toko sy andininy indray ianao.
Asa 8 : 36 - 38
36 Ary raha nandeha teny an-dàlana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa? 37 Dia hoy Filipo: Raha mino amin'ny fonao rehetra hianao, dia azo atao ihany. Ary izy namaly ka nanao hoe: Mino aho fa Jesosy Kristy no Zanak'Andriamanitra. 38 Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy.
Mivavaha mafy dia mangataha ny Fanahy Masina mba hampitombo ny finoanao,
eto dia rano teny an-dàlana no nanaovana Batisa ity tandapa ity, tsy mitombona izany ny filazan'ny olona sasany fa tsy maintsy ao Jordana no atao ny Batisa. Fa jereo kely ilay condition napetraky ny mpianatra vao natao Batisa izy.

33. Tefigasy
(
07/12/2011 07:36)
za anie ry ise tsy manda ny batisa atao eny @ ranobe e, fa kosa rehefa tsy voasoratra dia tokony tsy hamorona.
Manaiky aho fa nisy ary tena nisy io Asa 8:36-38 io sy izay natao tany Jordana sy ny ranobe rehetra. Fa kosa tsy misy mihitsy ao anaty baiboly ao hoe tsy maintsy eny amin'ny ranobe no atao ny batisa. Mba omeo ahy ny toko sy ny andininy raha misy an'izany ny baibolinao azafady dia akomboko ny vavako.
Misy toerana maro ao anaty baiboly nanaovana batisa, misy olona marobe no indray natao batisa, ary tsy nambara fa teny anaty ranobe daholo no nanaovana izany rehetra izany, ka hoy aho hoe raha tsy voasoratra r'ise de aza foronina fa izany no mahatonga ny atao hoe fampianaran-diso a, faminaniana sandoka araka izay voalaza any @ apokalipsy any

34. didi10
(
07/12/2011 07:49)
Eny ary e!
Mazava izany fa manaiky ny batisa atao amin'ny ranobe ise.
Aleo tsy hiady hevitra momba ny karazana ranobe intsony isika rehefa manaiky ise fa ny Batisa asitrika ihany no tena izy.
Fa ahoana ny hevitr'ise amin'ilay hoe amin'ny anaran'iza no atao ny Batisa?

35. Tefigasy
(
07/12/2011 07:54)
Non, tsy manaiky miaraka aminao aho hoe ny batisa asitrika no tena izy. Hamarino ao anaty baiboly ary io teninao io hoe "ny batisa asitrika ihany no tena izy". Tsy misy izany tompoko ny baiboly fa averiko indray hoe aza mamorona. Raha mahita teny ao ianao hoe ny batisa asitrika no tena izy dia akomboko indray koa ary ny vavako fa tsy maninona.
36. Tefigasy
(
07/12/2011 08:00)
Ny zavatra nosoratako teo ambony dia hoe: misy ny batisa natao teny @ ranobe, fa tsy midika akory izany fa ny batisa tsy eny @ ranobe dia tsy izy. Tsy midika akory izany fa ny batisa teny @ ranobe daholo no ao anaty baiboly. Tsy midika akory izany fa ny ranobe no mahavonjy, tsy midika akory izany fa ao anaty ranobe ny famonjena, averiko indray fa aza mamorona izay tsy voasoratra re tompoko ô
Araka ny fahitako azy dia ny hevitra ara-teolojikan'ny batisa mihitsy no tsy tafapita any aminareo ka mahatonga anareo tsy hahita afa-tsy contexte tokana. Raha ilainao ny hamerenana izany fampianarana izany eto dia vonona ny hitondra ny anjara birikiko aho. fa kosa raha hiziriziry amin'ny hevitrao ianao n'inon'inona voalaza ao anaty baiboly dia rano araraka eny @ lamosin-gisa fotsiny izany ka tsy de hitako loatr any hanaovana azy

37. didi10
(
07/12/2011 08:15)
Eny ary e! efa nitondra ny hevitro momba ny batisa ary aho dia mba ento izany anjara birikinao izany mba hofantarina satria mila fantarina ny zavatra rehetra.
Ny tiako hotsindriana farany fotsiny dia ny définition étymologique ny atao hoe Batisa dia avy amin'ny teny grika hoe baptizo izay midika hoe asitrika ao anaty rano (immersion)%

38. bor2lais
(
07/12/2011 17:01)
Misaotra an'i didi10 niezaka nanome valiny ny fanontaniana.
Miala tsiny fa izaho mihitsy no tsy nahay nametraka ny fanontaniana. Ny ahy mantsy ilay "Batisa amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina" no nampifandraisiko tamin'io fanontaniana io.
Na izany aza dia nahafinaritra ahy ilay valinteny satria nahalalako fa hay ve mizara 3 ny fandraisan'i didi10 io fehezan-teny io.
Dia iza ilay mampanaiky azy ka mahatonga azy mino ? Ilay nomena baiko hampianatra ve sa ny Fanahy Masina ?
Somary gaga ihany aho tamin'ilay valinteny ka nahatonga ahy nilaza fa tsy haiko ny nametraka tsara ny fanontaniana angamba na tsy hitan-dRadidi ity fanontaniana ity hoe : "Mitovy amin'io ve ny Batisa resahinao eto ?"
Tsy hitako mihitsy ny fifandraisan'ilay ohatra amin'ny fanontaniako eto !
Betsaka ny azo tsoahina amin'ity valinteny nomenao ity :
- namaly ny fanontaniako 2 ianao : tsy mitovy aminao ny hoe "mino sy atao Batisa" sy ny "atao Batisa sy mino" sa izaho no mety diso fandray !
- rehefa ampifandraisiko ny valinteny nomenao an'ilay fanontaniako 1 sy 2 dia izao ny fandraisako (mety ho diso aho a !) ny fahazoanao ilay hoe : "mandehana ataovy mpianatro ny firenena rehetra, manao Batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina"
a) voalohany mety ho ity :"amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, mandehana ataovy mpianatro ny firenena rehetra, manao Batisa azy " : io no mitovitovy amin'ilay ohtra épicerie nomenao
b)faharoa mety ho ity koa : "mandehana ataovy mpianatro ny firenena rehetra, manao Batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy manao Batisa azy amin'ny anaran'ny Zanaka ary manao Batisa azy amin'ny anaran'ny Fanahy Masina". Izany hoe Batisa 3 izany no nanirahaNY, saingy satria iray ihany Izy ny Ray dia lasa Batisa 2 sisa. Koa satria ny Zanaka ihany no fantatra ny Anarana dia Batisa amin'ny anaran'i Jesoa sy Batisa amin'ny Fanahy Masina no izy aminao.
d) fahatelo hoy ianao :
"Izay inversen'ireo étape ireo dia tsy mba fampianarana avy amin'i Jesosy."
Izany an !
Midika ve izany fa ny anareo ihany no marina ? :-)
Ahoana moa hoy i Gamaliela izay ao aminy Asa 5 ao : "39 fa raha avy amin'Andriamanitra kosa, tsy ho hainareo foanana velively, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra hianareo. "
Teto aho dia mbola nahatsiaro indray fa tsy mahay mametraka fanontaniana mihitsy satria ny antsoina hoe Kristiana indray no toa novelabelarinao. Nefa mba notohizako ihany amin'ny hoe : "Sa tsy misy ifandraisany amin'ilay resaka fahatsiarovan-tenan'ny zaza io lazaiko io ?"
Misaotra anao na dia izany aza niezaka namaly ahy ary ialako tsiny raha toa ka somary lavalava ny teniko !
Mirary soa ! :-)
fanontaniana1_napetrako:
1. Inona no fandraisanao ilay teniNY hoe : "mandehana ataovy mpianatro ny firenena rehetra, manao Batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina" ? Mitovy amin'io ve ny Batisa resahinao eto ?
didi10:
Io teny io dia teny fanirahana (mission) miendrika didy (ordre) nomen'i Jesosy ny mpianatra. Mazava tsara ny teniNY ary misy fizarana 3 mazava:
Miala tsiny fa izaho mihitsy no tsy nahay nametraka ny fanontaniana. Ny ahy mantsy ilay "Batisa amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina" no nampifandraisiko tamin'io fanontaniana io.
Na izany aza dia nahafinaritra ahy ilay valinteny satria nahalalako fa hay ve mizara 3 ny fandraisan'i didi10 io fehezan-teny io.
didi10:
a) Ataovy mpianatro ny firenena rehetra
Mazava be io fa mila ampianarina ny momba an'Andriamanitra sy Jesosy Kristy ny olombelona rehetra eto an-tany, ny teny hoe ataovy mpianatro dia midika fa iray ihany ny niavian'ny fotom-pampianarana dia Jesosy izany. Rehefa avy ampianarina ny olona dia manaiky ary mino izay fampianarana tsy misy kilema notoriana taminy.
Dia iza ilay mampanaiky azy ka mahatonga azy mino ? Ilay nomena baiko hampianatra ve sa ny Fanahy Masina ?
didi10:
b) manaova batisa azy
Tsy asiana fanazavana betsaka fa efa Jesosy mihitsy no nanao ohatra ny tenany tamin'ny Batisa.
Somary gaga ihany aho tamin'ilay valinteny ka nahatonga ahy nilaza fa tsy haiko ny nametraka tsara ny fanontaniana angamba na tsy hitan-dRadidi ity fanontaniana ity hoe : "Mitovy amin'io ve ny Batisa resahinao eto ?"
didi10:
c) amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy masina
Raha maniraka ny zanakao ianao mandeha any amin'ny Epicerie hitrosa siramamy dia hoy ilay zanakao: Mba anaovy siramamy hono dadanay dia ataovy amin'ny Kaontiny. Dia rehefa handray an-tsoratra ve ilay mpivarotra dia hanoratra hoe "dadanay"? tsy maintsy anaran'olona no soratany ao oh: Rabe na farafaharatsiny "dadan'i Ketaka".
Tsy hitako mihitsy ny fifandraisan'ilay ohatra amin'ny fanontaniako eto !
fanontaniana2_napetrako:
2. Samy hafa ve ny hoe "mino sy atao Batisa" sy ny hoe "atao Batisa sy mino" ?
didi10:
Mbola averiko eto hatrany ny étape tokony lalovan'ny kristianina.
1. Mianatra: mpianatr'i Jesosy
2. Mino: ny fampianaran'i Jesosy
3. Mibebaka: Miaiky ny fahotana rehetra ary mangataka ny fandiovan'ny ran'i Jesosy maty teo amin'ny hazo fijaliana.
4. Batisa rano: Fahaterahana vaovao, olona vaovao izay tsy ilay teo aloha intsony fa i Kristy no velona ao anatiny.
5. Batisa Fanahy Masina: Angatahina amin'Andriamanitra ahazoana hery sy fanomezam-pahasoavana
6. Mizara ny fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina
oh: lasa mpanasitrana sy mpandroana fanahy ratsy, lasa mpitory teny, lasa evanjelistra mpampianatra ny Soratra Masina...izany hoe miverina en boucle @ 1. sns...
Izay inversen'ireo étape ireo dia tsy mba fampianarana avy amin'i Jesosy.
Betsaka ny azo tsoahina amin'ity valinteny nomenao ity :
- namaly ny fanontaniako 2 ianao : tsy mitovy aminao ny hoe "mino sy atao Batisa" sy ny "atao Batisa sy mino" sa izaho no mety diso fandray !
- rehefa ampifandraisiko ny valinteny nomenao an'ilay fanontaniako 1 sy 2 dia izao ny fandraisako (mety ho diso aho a !) ny fahazoanao ilay hoe : "mandehana ataovy mpianatro ny firenena rehetra, manao Batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina"
a) voalohany mety ho ity :"amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, mandehana ataovy mpianatro ny firenena rehetra, manao Batisa azy " : io no mitovitovy amin'ilay ohtra épicerie nomenao
b)faharoa mety ho ity koa : "mandehana ataovy mpianatro ny firenena rehetra, manao Batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy manao Batisa azy amin'ny anaran'ny Zanaka ary manao Batisa azy amin'ny anaran'ny Fanahy Masina". Izany hoe Batisa 3 izany no nanirahaNY, saingy satria iray ihany Izy ny Ray dia lasa Batisa 2 sisa. Koa satria ny Zanaka ihany no fantatra ny Anarana dia Batisa amin'ny anaran'i Jesoa sy Batisa amin'ny Fanahy Masina no izy aminao.
d) fahatelo hoy ianao :
"Izay inversen'ireo étape ireo dia tsy mba fampianarana avy amin'i Jesosy."
Izany an !
Midika ve izany fa ny anareo ihany no marina ? :-)
Ahoana moa hoy i Gamaliela izay ao aminy Asa 5 ao : "39 fa raha avy amin'Andriamanitra kosa, tsy ho hainareo foanana velively, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra hianareo. "
fanontaniana3_napetrako:
3. Ny Kristiana ve rehefa tsy mahatsiaro tena (matory, mamo, marary, coma, ...) mbola azo lazaina fa Kristiana ihany ? Sa tsy misy ifandraisany amin'ilay resaka fahatsiarovan-tenan'ny zaza io lazaiko io ?
Teto aho dia mbola nahatsiaro indray fa tsy mahay mametraka fanontaniana mihitsy satria ny antsoina hoe Kristiana indray no toa novelabelarinao. Nefa mba notohizako ihany amin'ny hoe : "Sa tsy misy ifandraisany amin'ilay resaka fahatsiarovan-tenan'ny zaza io lazaiko io ?"
Misaotra anao na dia izany aza niezaka namaly ahy ary ialako tsiny raha toa ka somary lavalava ny teniko !
Mirary soa ! :-)
39. didi10
(
07/12/2011 18:11)
bor2lais:
Midika ve izany fa ny anareo ihany no marina ? :-)
Ahoana moa hoy i Gamaliela izay ao aminy Asa 5 ao : "39 fa raha avy amin'Andriamanitra kosa, tsy ho hainareo foanana velively, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra hianareo. "
[quote=fanontaniana3_napetrako]
Miarahaba namana
Izaho ry ise tena tsoriko aminao fa tena vao haingana no nandalina ny fahamarinana ara-baiboly. Tena mamporisika ny mpino rehetra aho hamaky sy handalina ny testameta vaovao rehetra fa iray ihany ny fahamarinana.
Raha miteny ianao hoe sa ny anareo ihany no marina?
Eto aloha dia samy manaiky aloha isika fa ny Baiboly no fototra iaingana.
Resaka Batisa aloha no lohahevitra eto dia sahiko ny milaza fa io Batisa lazaiko eto io no mamerina tsy misy fiovana na kely aza ny Batisa nataon'ireo Apostoly sy ny mpianatra rehefa avy nandray ny Fanahy Masina izy ireo.
Koa samia mieritreritra ary fa raha "authenticité" no tadiavina dia aleo mampitovy amin'ny voasoratra.
Misaotra anao :-)
40. Tefigasy
(
08/12/2011 05:22)
Didi10 >> Marihiko aloha fa raha ny fampianarana momba ny batisa dia tsy ho vita ao anatin'ny ora iray. Noho izany mety ho lavalava ihany ny fanazavako ka ho tapatapahiko. Hiainga amin'ny hevitra efa novoaboasanareo teto aho: ny batisa amin'ny rano be, ny batisa amin'ny zaza, ny batisa amin'ny anaran'ny ray sy ny zanaka ary ny fanahy masina ary any am-parany any vao hotsoahiko ny hevitra teolojikan'izany batisa izany araka ny baiboly irery ihany, ny dikan'ny hoe olona vita batisa.