Izay mino sy atao Batisa no hovonjena
61. danielio
(
16/01/2012 11:38)
Faly ny hitafa amintsika rehetra indray ,ny Batisa izany dia anisany zavatra iary izay tsimaintsy tediaviny olona iray kristianina te hifandry aminy Tompo misy roa anefa ny batisa dia ny batisa ny fibebahana sy batisa ny fanahy masina na hoe batisa amin'ny ra sy afo dia batisa ny fanhy masina ihany izany zany hoe ireo basita roa ireo no tsimaintsy hatao kanefa ilay voalohany ihany anefa no olombelona no manatanteraka azy fa ilay faharoa dia Jesosy no manao azy MATIO3:11 ,"ASA1:5 fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa hianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy"tanteraka ty farany ao aminy ASA2:4 Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.
62. Zakhari
(
24/08/2012 15:56)
Ahoana ny fandraisanao ity teny ao anatin'ny Baiboly ity?
"Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izy." Jaona 3 : 5
Ilay fototra iorenan'ilay batisa mihitsy no mbola tena tsy azonareo raha izany. Mino aho fa mbola misy fotoana handalinana dia mazotoa mandalina hatrany fa mety hipoitra eny ihany ny tena izy
[/quote]

63. Zakhari
(
24/08/2012 16:02)
Tefigasy> "Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina" Asa 2.38
RAha araka io fanambarana io, moa ve ny zaza, na ny ankizy dia azo lazaina sy mahatsapatena tokoa fa afaka mibebaka mba hahazoana famelana ny helony????
Ilaina fibebehana ny batisa, fialana @ratsy natao ary mandia @fiainambaovao. moa ve ny ankizy atao batisa mahatsapa izany?
Marina fa tsy mamaritra taona mazava ny Baiboly ny @hanaovana batisa kanefa mametraka antony mazava ny amin'ny maha-tokony olona tonga saina, afaka manapakevitra ny amin'ny hoaviny.

Tefigasy:
safira2:
fa tsy mbola mahay manavaka ny ratsy sy ny tsara fotsiny.
Fa hono wa, toa efa betsaka ihany ny baiboly amin'ny fiteny maro novakiako fa mbola tsy nahita aho hoe "izay mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy ihany no atao batisa".
I-Kor 1 : 16 :"Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan'i Stefanasy koa aho "
==> Inona moa ny atao hoe ankohonana : ray, reny, zanaka, mety mbola misy koa hoe ray be, reny be, dadatoa. Io zanaka io ve voambara eto hoe efa feno 18 taona no mihoatra daholo ? Tsia !
64. Zakhari
(
24/08/2012 16:09)
Tefigasy> Ohatra sa tena izany?
Rehefa vita ny batisa dia mandray ny Fanahy Masina. Fa mialoha izany, tsy tokony hadinoina ny fibebahana mialoha ny batisa. Inona no antony anaovana batisa anao raha tsy fantatrao akory hoe mpanota ianao.
Ary ny Baiboly dia tsy milaza fa ny "izay mino sy hatao batisa no voavonjy", fa "IZAY MINO SY HATAO BATISA NO HOVONJENA" . Dingana iray ny batisa fa tsy milaza fa voavonjy.
Tsy tokony hoadinoina fa manana safidy ny zaza ary afaka misafidy ny handao an'Andriamanitra Izy aoriana kely.
Tsy tokony ifanerena ihany koa ny batisa satria Andriamanitra tsy manery antsika ho zanany. Noho izany, tsy manana zo hanery ny zanany hoatao batisa ny Raiamandreny, ny mitarika azy ho eo amin'Andriamanitra no ataony sy anjarany. Safidy ny hovonjena, ary safidin'ny tena manokana fa tsy safidin'ny raiamandreny na ny havana aman-tsakaiza. Ny manolotra ny zaza ho an'Andriamanitra no adidin'ny raimandreny, tahaka ny nataon'i Josefa sy Maria an'i Jesosy.

otran'ny toa hoe asan'ny fanahy masina hono anie izany batisa izany e: iharana ianao ao anatiny fa tsy mpanao. Izany fahaterahana izany anie ka tsy misy ezak'ilay zaza ho ateraka mihitsy fa noho ilay reniny e !
noho izany tsy tokony hahalala fahotana intsony ianao
Ataoko angamba fa na ireo pasitera mampanao batisa ireo aza dia tsy misy tanteraka na iray aza.
Averiko kely ity tenin'ny namana iray etsy ambony ity sady io rahaeo no voalaza ao anaty baiboly hoe izay mino sy atao batisa fa tsy hoe izay mino no atao batisa. Samihafa be mihitsy ireo !
65. Zakhari
(
24/08/2012 16:22)
Inona moa ny hevitry ny teny hoe batisa.
Ny teny grika hoe "baptizo" no niaingan'ny teny hoe batisa ary raha mijery texte original ianao dia ny teny hoe "baptizo" mihitsy no matoanteny ampisain'ny mpanoratra ilazana ny zavaniseho tamin'io fotoana lazainao io. RAha izay no jerena, ary araka ny hevitry ny teny hoe batisa hatrany am-piandohana mihitsy dia atsoboka ao anaty rano no dikany.
Mazava izany eto fa tsy natao araka izay itiavana azy ilay batisa, fa tena natsoboka tao anaty rano mihitsy, RAHA NY VOALAZAN'NY BAIBOLY.
Raha ny hevitrao aloha ny hoe tsy misy dobo ny tranomaizina, tsy mbola namangy tranomaizina aho na indray mandeha aza ka tsy afaka mamaly ny fanontanianao fa raha ny tranomaizina tsara jerena dia mety ilay nanagadrana azy roalahy mihitsy no hanamarina raha misy izany dobo izany ao na tsy misy. Ary tsy ny hanamarina an'izany akory no tokony hahamaika fa araka ny fitantarana dia batisa (natsoboka tao anaty rano) izy ireo.

fantaro fa i Paoly dia nanao batisa tany am-pigadrana ary tamin'ny andro alina. Manontany anao aho hoe, aiza ho aiza eto ambonin'ny tany no misy fonja ka misy rano be na andeha ataoko hoe dobo be ao anatiny ?
Asa.16:32-33 "ary izy roalahy(paoly sy silasy) nitory ny tenin'ny Tompo tamin'izay rehetra tao an-tranony ary nandray azy roalahy izy tamin'izany ora amin'ny alina izany ka nanasa ny dia-kapoka, ary natao batisa tamin'izay izy mbamin'izay azy rehetra
66. Zakhari
(
24/08/2012 16:24)
Izay fantatsika sa izay takian'Andriamanitra e??
safira2:
ok e tsy hiadian-kevitra zany fa antsointsika ny Fanahy MAsina dia Izy hanazava amintsika tsirairay avy izay tokony hatao, samy manana ny fandraisany azy ny olona dia hajaina amin'zay, tsy miteny za hoe ny ahy no marina na ny anareo, fa samy manao izay fantatsika fa mety avy isika, mino aho fa samy ho voavonjy dhl fa zany no tanjonan-tsika kristianina. Amen
67. Inja
(
07/09/2018 04:28)
Ny fifampiresahana no ivoahana hevitra maro,fa iray ihany ny marina fa tsy misy marimaritriraisana ny ao anaty Baiboly ka ny Fanahy Masina anie hanampy,sy hanazava ny tsy takatry ny saintsika
68. Prime
(
12/09/2018 14:22)
Tsy roa ihany ny batisa lazain'ny baiboly fa maro :
Samy manana ny heviny sy ny foto-pampianarana sy ny antony ara-panahy avy nefa ireo, mahalaza foto-pinoana mihitsy maha-kristiana. Ary nefa samy batisa avokoa.
Rehefa hitanareo ireo dia afaka miditra midinika ny maha-batisa ny batisa isika, fa tsy hiresaka fomba sy fanao fa manjary diso ny sori-dinika nefa mahaliana ny lohahevitra... misaotra
Mahereza daholo!
- batisan'i Mosesy
- batisan'i Abrahama
- batisan'i Josoa
- batisan'i Jaona mpanao batisa
- batisan'i Jesosy Kristy
- batisan'ny Fanahy Masina
- batisan'ny rano sy afo