HO AN' I FIRENENA MALAGASY
1. rijadolly
(
27/11/2011 03:31)
[dailymotion]http://www.dailymotion.com/video/xb7ue5_hiara-hivavaka-isika-rija-rasolondr_music#rel-page-9[/dailymotion]
Ho anjakan'i FIFAMELANA tanteraka izay eo ambany fahefan'i JESOA KRISTY anie ny taona taona vaovao
novalian'i Prime ny 10/12/2011 10:22
2. didi10
(
27/11/2011 16:09)
Tsara ny Tompo.
Misaotra ny namana Rija
Ny olana anie eto Madagasikara dia samy milaza fa tsy meloka daholo e!
I Dadabe aza vao tonga dia tsy mba nitondra "message de paix" akory fa tonga dia hoe tsy meloka aho.
Ny teny hoe fifamelana mantsy dia samy miaiky ny helony aloha ny olona tsirairay ary mangatam-pamelana amin'ny olona izay nanaovany ny tsy mety ary vonona ihany koa hamela ny heloky ny hafa.
Mahereza rahalahy mitory fa mbola lavitra ny ezaka.

3. rijadolly
(
28/11/2011 02:17)
didi10:

Niresaka izay Dadabe Ratsiraka izay marina Didifolo, dia nahatsiaro ny resaka mandeha ireo mpanaraka tantara ny tena amin'izao fahatongavany izao. Maro ireo nanome tsiny an' Avoko izay nandray an-tanana ny fitsenana teny Ivato. Na tsy maty na maty ny rainy Rakotoharijaona Pierre Mizaël, dia betsaka ireo nanome tsiny an' Avoko. Raha ny rary sy ny hitsiny amin'ny maha olombelona dia mpifahavalo ny filaza azy mianaka. Ny zava-nitranga anefa dia tsy arakaraky ny fihevitry ny hafa ny zava-niseho. Ekena fa tsy meloka izy no nambaran'Ratsiraka azy izay. Fa ny an' hafa izay mahatsapa ny fifamelana dia tsy miandry ny fanolorak'heloky ny hafa. Andriamanitra dia manana Fijery tsy arakaraky ny fijerin'olombelona, ny anjaratsika Mpino dia manosika ny mpifahavalo hihavana ao amin' Kristy.
5. Prime
(
28/11/2011 07:51)
Misaotra an'Andriamanitra fa mbola misy olon-kendry amin'ny Malagasy!
Mankasitraka Rija dia mahereza fa izany ambaranao izany tokoa no izy! tsy mila miandry an'i Ratsiraka, Zafy, Ravalomanana, Rajoelina, Manandafy... sns hibebaka vao mamela heloka fa avelao ny helok'ireo, avelao ny fahadisoany, f'andrao tsorakazo ny azy fa ny ahy dia andry be eo amin'ny maso...
Ny tena"ko" no ilain'i Jesosy ary rehefa avy mifona sy mibebaka aho ka mandray an'i Kristy ho Tompo"ko" sy mpamonjy ny fiaina"ko" dia mamela ny hafa rehetra ihany koa izay nananako alahelo ary tsy mitsahatra eo ny andraikitro fa mila mitondra izay heveriko ho fahavalo indrindra amim-bavaka mba hamelan'Andriamanitra ny helony sy ampahiratan'Andriamanitra ny masom-panahiny hahita ny anjara famonjeny!
Ny famaizan'Andriamanitra ity firenena Malagasy ity dia mianga avy amintsika vahoaka Malagasy no voalohany... manompo sampy, mampirafy an'Andriamanitra, mankahala mpitondra fanjakana napetrak'Andriamanitra (tsy misy mahazo fahefana raha tsy avy Aminy irery ihany ka na iza na iza mitondra dia tsara ny mahatsiaro fa avy amin'Andriamanitra izany) fa tsy mitondra azy amim-bavaka hanam-pahendrena sy hatahotra an'Andriamanitra, miteny ratsy olom-boahosotra sy fiangonana ary olom-boatendrin'Andriamanitra, be taraina sy mimonomonona, mampitaha olona amin'ny fahalemeny, maniratsira olom-panjakana sy olon'Andriamanitra, maniratsira an'Andriamanitra mitondra ny zavatra rehetra sy mamelona ny zavatra rehetra, mampiely lainga sy mandainga ary manendrikendrika, mialona, be otripo...
Izay vao ireo nomen'Andriamanitra fahefana amin'ny isan-tsokajiny avy (Filoha, mpikambana amin'ny Governemanta sy ny Antenimiera, Mpitondra fivavahana, Mpandraharaha, Mpiasam-panjakana sy tsy miankina...), fa mbola hotsarain'Andriamanitra mafy kokoa ireo raha nomen'Andriamanitra fahefana nefa tsy mampiasa izany ho famonjena ny olony...
Koa mahereza mivavaka fa ho amin'izany no niantsoana antsika rahalahy!
Tahian'i Jesosy! amena!
Prime

6. centor
(
28/11/2011 13:57)
Mahafinaritra ny fifanakalozan-kevitra eto amin'ny serasera, zava-dehibe ny amoahanao hevitra eto satria sady fanitsiana ny hevi-diso ao amin'ny hafa izany no ahafahan'ny hafa ihany koa manitsy ny lesoka ao aminao. Ny fifanakalozana toy itony no mampanankarena ara-kevitra. Hoy ny Ntaolo hendry hoe; "Ny hevitra tsy azo tsy amin'olombelona". Koa mahereza ry namana isany fa tombontsoa iombonantsika no katsahina eto.
Mahafa-po ahy amin'ny ankapobeny ny lahatsoratra nalefan'ny Prime fa misy teboka iray izay tsy dia iombonako hevitra aminao : ny hoe "tsy misy olona mahazo fahefana raha tsy avy amin'Andriamanitra". Fantantsika fa maro ny manam-pahefana amin'izao fotoana izao izay nahazo izany amin'ny fomba tsy mendrika, ohatra hala-bato, fanonganam-panjakana, kolikoly, sns, eny fa hatramin'ny olom-boafidim-bahoaka amin'ny fomba madio sy ara-dalana aza dia tsy sahiko lazaina hoe avy amin'Andriamanitra. Tsy hita ao amin'ny Baiboly ny teny hoe : "feom-bahoaka feon'Andriamanitra" fa noforonin'ireo mpandala ny demokrasia izany nohon'ny antony ara-politika. Raha jerentsika ohatra ny tantaran'i Hitler dia hohitantsika fa olona mpanompon'ny satana izy, ary maro ny mpitondra toa azy ankehitriny indrindra ireo any amin'ny firenen-dehibe. Sarotra amiko ny hino fa avy amin'Andriamanitra ireny.
Mirary ny fiadanan'i Tompo ho antsika rehetra.

Prime:

7. centor
(
28/11/2011 14:54)

8. Prime
(
28/11/2011 20:55)
Mankasitraka anao rahalahy amin'ny fanamarihana mazava entinao ary hita hoe mitombina raha fijery tsotra sy lojika no andraisana azy hoe ahoana tokoa moa no anekena hoe avy amin'Andriamanitra ohatra i Hitler (tsy Hitler no olon-doza indrindra fa propagandy avy amin'ny tandrefana no betsaka fa mbola nisy loza no izy)?
1. Tsy niteny aho rahalahy na dia indray mandeha aza no sady tsy nanipika ny hevitra demokratika hoe "feom-bahoaka, feon'Andriamanitra"... sady tsy mitovy hevitra amin'izany aho no manohitra izany rahateo satria tsy hevitr'Andriamanitra sy fihevitr'Andriamanitra hatramin'ny voalohany sy ifotony ny demokrasia fa tena satanika tanteraka (jereo ny vono-olona entin'ny demokrasia maneran-tany entin'ny "illuminatis" hifehezana izao tontolo izao ankehitriny... korontaniny avokoa amin'ny anaran'ny demokrasia ny firenena manan-karena ara-boajanahary sy ara-paritra ahafahan'izy ireo mamoritra hatrany ny firenena tsiriritiny... tsetsatsetsa tsy aritra iny...) ary isika mahalala tsara ankehitriny ny hafetsen'i Satana momba izany...
2. Mangataka anao aho handray ireto teny vitsivitsy ireto amin'ny anaran'i Jesosy :
a. « Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra. » Romana 13:1
b. « 10 Dia hoy Pilato taminy: Tsy miteny amiko va Hianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin'ny hazo fijaliana koa? 11 Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa. » Jaona 19:10-11
Ireo teny roa ireo no notsongaiko fa mbola maro no porofoin'ny tenin'Andriamanitra fa fahefana avy amin'Andriamanitra no teo ampelatanan'ny Farao fony ny Zanak'Israely tany Egypta ary fahefana avy amin'Andriamanitra no nanamafisany fo ny Farao tsy handefa ireo ho afaka amin'ny fanandevozana... fahefana avy amin'Andriamanitra no nomena ny mpanjaka lehibe Nebokadnezara tany Babylona nihazona ny Zanak'Israely ho andevo... rehefa mikapoka sy manafay Andriamanitra dia maneho zava-mahagaga isankarazany ary izany no fahendreny ka tsy hoe Andriamanitra Tsara Izy dia tsy manafay ny zanany, manome fahefana ny fahavalony, fa tsarovy fa Marina Andriamanitra ary tsy azo vazivazina ka afaka manome fahefana ny fahavalo rehefa fantany fa izany no mahasoa ny zanany...
Moa tsy nomen'Andriamanitra fahefana Satana hizaha toetra an'i Joba mpanompony?
Moa tsy nomen'Andriamanitra fahefana Satana hanombo sy hamono an'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana hamonoana ny otan'izao tontolo izao sy hahatanteraka ny famonjena?
3. Ary i Hitler, fa ahoana moa no ilazanao fa tsy avy amin'Andriamanitra ny fahefana nomena azy? tsy tsara ny manafangaro ny hoe "iza no Tompon'ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany" sy ny hoe ""maninona no nomeny olona iray mety tsy ho ankasitrahan'ny firenena sy ny olona ny fahefana ary indrindra ny hoe "ahoana no nampiasàn'ilay olona ny fahefana teo am-pelatanany"... mazava ho azy fa raha olona natahotra an'Andriamanitra izany olona izany dia nitandrina kokoa ny fomba nampiasany azy, fa raha olona tsy natahotra an'Andriamanitra, na i Hitler io, na i Pilato io, na i Néron io, na i Staline io na iza na iza dia samy nampiasa izany araka ny filàny... tsy manafoana velively izany hoe tsy avy amin'Andriamanitra ny fahefany... manana ny antony mandrakariva Andriamanitra ao amin'ny fahendrena lalina izay Azy irery, matetika hanafaizana sy hikapohana ny olony hiverina Aminy fa variana loatra amin'ny andavanandrony ka mampirafy Azy sy mandrafy Azy ary manadino sy tsy mahatoky Azy...
Fanamarihana : aza adino ny tantara dia aza mihinana am-bolony izay tantarain'ny tandrefana fotsiny rahalahy rehefa mandinika tantara : fa i Hitler ohatra tsy nanongam-panjakana no niakarany teo amin'ny fitondrana fa lanim-bahoaka (ara-demokratika hatramin'ny 80%) no niakarany ho Chancelier sy Président ka niantsoana azy hoe "Führer" (sady Lehiben'ny Governemanta no Filoham-pirenena)... (ny ambadika mazava ho azy fa tamin'ny hafetsena ara-politika sy ny fampihorohoroana ihany koa)... ary ny Alemà, leon'ny fangoronan-karen'ny jiosy, nampahantra ny firenen'izy ireo, nampifilafila ny zanaky ny jiosy tsy handeha an'ady tamin'ny ady lehibe voalohany fa ny zanaky ny alemà ihany no betsaka maty nefa dia ny am-pahatelon'ny vahoaka dia nisy rà jiosy avokoa, ary indrindra ny firongatry ny komionisma tao amin'ny fikambanan'ny jiosy mpanan-karena, tompon'ny 70% orinasa tany alemàna nefa ny zanaky ny alemà nahantra sy tsy an'asa avokoa reraka avy any an'ady lehibe voalohany... vokatr'izany no nahatafita an'i Hitler mora foana t@ propagandiny fa ny alemà no ataony voalohan-daharana, (alemà iray=asa iray=trano iray=fiara volkswagen iray) (efa nisy propagandy toa izany teto Madagasikara raha tsy diso aho), ary hofongorany ny fototry ny fahantrana dia ny jiosy... na ny eoropeana sy ny amerikana aza dia nanohana azy tamin'izany hatrany amin'ny parlemanta niombonan'ny firenana eoropeana vitsivitsy, Italia, Espana, Frantsa, Angletera, Aotrisy, Soisa, Holandy sns... saingy indrisy nivadika famonoana olona mivantana ilay propagandy (tonga koa ny fasisma tany Italia sy ny olana tany Espana) fa tsy fomba fiady politika anilihana jiosy fotsiny tato aoriana... ary farany, ny tena nampanan-karena an'i Hitler nahafahany nanamboatra fitaovam-piadiana mahery vaika tao anatin'ny fotoana fohy (taorian'ny adilehibe voalohany) dia ny amerikana ihany no nanohana azy tato aoriana tamin'ny alalan'ny pétrol, ny dollars, ny banky, ny volamena... (mba jereo ihany ny momba an-dry Rockfeller sy ry Rothschild dia ho fantatrao ny tena marina...), fa rehefa nanaiki-nono dia tonga ny amerikana amin'nhy fomba fanaony toy ny ankehitriny... dia natao ho fialan-tsiny ny nanafihan'ny Japoney an'i Pearl Harbor...
Tena farany, aoka tsy hadinontsika Malagasy, fa matoa tanteraka ny tolona 1947 dia noho ny fandresen'i Hitler an'i Frantsa tao anatin'ny 3 volana monja (tamin'ny fotoana namoriany ny fanjakana eoropeana ho eo ambany fifehezany 1939-1943)... hoe hay ve ireto mpanjanaka antsika ireto ka maivana kely... niely nanerana an'izao tontolo izao fa i Frantsa "renimalala dia ni "capituler" tao anatin'ny telo volana monja... ary dia nitroatra avokoa ny zanatany frantsay rehetra nanerana izao tontolo izao... (fa rehefa resy moa i Hitler dia azo tenenina ratsy araka izay azo lazaina toy ny resy rehetra... izy rahateo koa dia namono olona tsy hita noanoa rahateo)... fa tsy nisy sahy niteny ratsy an'i Staline (namono ny mpiray firenena taminy tany amin'ny goulag amin-tapitrisany), na i De Gaule (famonoan'olona feno habibiana nataon'ny "resistance" tamin'ny frantsay noheverina ho "collaborateur"), na i Churchill (famonoana ny zanaky ny anglisy hiroso ho faty hatramin'ny farany teo anoloan'ny bombardements nahatsiravina an'i Londres).
Ka aza mihinana am-bolony na mijery ivelany fa midira lalina kokoa rahalahy...
Miala tsiny be dia be aminao aho raha lava ny nambarako fa misy fotoana tsy maintsy ambara ny marina ary mihoatra noho izany izay lazain'ny tenin'Andriamanitra.
Mahereza hatrany! Tahian'Andriamanitra!

9. LazaDaddy
(
29/11/2011 02:47)
centor>
Amin'ny maha Andriamanitra Azy dia Izy no tompon'ny fahefana rehetra, raha tsy izany dia tsy Andriamanitra Izy fa sandoka.
Ny fitenenana kosa hoe "avy amin'Andriamanitra ny fahefana" dia tsy midika velively fa mankatoa ny fomba ratsin'ny olona mampiasa ilay fahefana Andriamanitra.
Raha manome fahefana ny mpiambina (guard) ianao ohatra miandry tanana dia tsy voatery ho ankatoavinao avokoa izay fomba nampiasany izay fahefana izay, indrindra fa raha mamono olona izy.

10. bor2lais
(
29/11/2011 08:48)
didi10:
Ny teny hoe fifamelana mantsy dia samy miaiky ny helony aloha ny olona tsirairay ary mangatam-pamelana amin'ny olona izay nanaovany ny tsy mety ary vonona ihany koa hamela ny heloky ny hafa.
+1
Fanampiny fotsiny :
- raha tsy mahatsiaro tena ilay heverina fa meloka dia anjaran'ilay niharan'ny tsy mety no manambara am-pitiavana izany aminy : ilaina ny fifampiresahana.
- rehefa vita ny alanenina rehetra ka mbola "tsy azonao ihany ny fony" dia ankinina AmiNY ny raharaha fa tsy tazonina ao anaty akory : tsy azo atao ny manao otri-po fa mety manimba.
Mariky ny fitiavana ny fitenenana amin'izay hita sy heverina fa tsy mety ! :-)
11. niryna
(
29/11/2011 17:07)
Prime:tonga soa prime a
Misaotra an'Andriamanitra fa mbola misy olon-kendry amin'ny Malagasy!
Mankasitraka Rija dia mahereza fa izany ambaranao izany tokoa no izy! tsy mila miandry an'i Ratsiraka, Zafy, Ravalomanana, Rajoelina, Manandafy... sns hibebaka vao mamela heloka fa avelao ny helok'ireo, avelao ny fahadisoany, f'andrao tsorakazo ny azy fa ny ahy dia andry be eo amin'ny maso...
Ny tena"ko" no ilain'i Jesosy ary rehefa avy mifona sy mibebaka aho ka mandray an'i Kristy ho Tompo"ko" sy mpamonjy ny fiaina"ko" dia mamela ny hafa rehetra ihany koa izay nananako alahelo ary tsy mitsahatra eo ny andraikitro fa mila mitondra izay heveriko ho fahavalo indrindra amim-bavaka mba hamelan'Andriamanitra ny helony sy ampahiratan'Andriamanitra ny masom-panahiny hahita ny anjara famonjeny!
Ny famaizan'Andriamanitra ity firenena Malagasy ity dia mianga avy amintsika vahoaka Malagasy no voalohany... manompo sampy, mampirafy an'Andriamanitra, mankahala mpitondra fanjakana napetrak'Andriamanitra (tsy misy mahazo fahefana raha tsy avy Aminy irery ihany ka na iza na iza mitondra dia tsara ny mahatsiaro fa avy amin'Andriamanitra izany) fa tsy mitondra azy amim-bavaka hanam-pahendrena sy hatahotra an'Andriamanitra, miteny ratsy olom-boahosotra sy fiangonana ary olom-boatendrin'Andriamanitra, be taraina sy mimonomonona, mampitaha olona amin'ny fahalemeny, maniratsira olom-panjakana sy olon'Andriamanitra, maniratsira an'Andriamanitra mitondra ny zavatra rehetra sy mamelona ny zavatra rehetra, mampiely lainga sy mandainga ary manendrikendrika, mialona, be otripo...
Izay vao ireo nomen'Andriamanitra fahefana amin'ny isan-tsokajiny avy (Filoha, mpikambana amin'ny Governemanta sy ny Antenimiera, Mpitondra fivavahana, Mpandraharaha, Mpiasam-panjakana sy tsy miankina...), fa mbola hotsarain'Andriamanitra mafy kokoa ireo raha nomen'Andriamanitra fahefana nefa tsy mampiasa izany ho famonjena ny olony...
Koa mahereza mivavaka fa ho amin'izany no niantsoana antsika rahalahy!
Tahian'i Jesosy! amena!
Prime
marina tanteraka ny teninao ary anampiko azy dia ny fahaizana manetry tena fa tsy manandratra ihany koa fa izay manetry tena no hasandr'Andriamanitra
12. centor
(
30/11/2011 14:52)
Miarahaba ny namana Prime,
Misaotra anao fa nahafantarako zavatra maro ny lahatsoratra nalefanao. Mazava amiko tsara ny hevitrao sy ireo toko sy andinin-tsoratra masina nanohananao hevitra.
Ny antony nilazako ny hoe "feom-bahoaka feon'Andriamanitra" dia nanohanako ny hevitro momba ny fahefana izay ampindramin'ny vahoaka olona iray.
Araka ny fahafantarako azy dia misy karazana fahefana roa mifanohitra : ny fahefan'ny maizina sy ny fanjakan'ny mazava (Kolosiana 1:13 ... sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany.)
Navahan'i Jesosy Kristy tsara ny fanjakany sy ny fanjakan'izao tontolo izao, izany hoe rehefa tsy Azy dia an'i Satana.
Fantatr'Andriamanitra mialoha daholo ny zavatra hitranga raha omeny fahefana ny olona iray ka sarotra amiko ny hino heo avy aminy ny fahefana ampiasaina anaovana tsindrio fa lavo sy vono olona faobe izay hita matetika amin'ny vaovao. Ny fahazahoako azy dia olona ao anaty fanjakan'Andriamanitra no mahazo fahefana avy aminy toy ireo mpitarika ny vahoakan'Andriamanitra (mpiandry, pasitora, mon père, sns).
Mirarisoa indray
Misaotra anao fa nahafantarako zavatra maro ny lahatsoratra nalefanao. Mazava amiko tsara ny hevitrao sy ireo toko sy andinin-tsoratra masina nanohananao hevitra.
Ny antony nilazako ny hoe "feom-bahoaka feon'Andriamanitra" dia nanohanako ny hevitro momba ny fahefana izay ampindramin'ny vahoaka olona iray.
Araka ny fahafantarako azy dia misy karazana fahefana roa mifanohitra : ny fahefan'ny maizina sy ny fanjakan'ny mazava (Kolosiana 1:13 ... sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany.)
Navahan'i Jesosy Kristy tsara ny fanjakany sy ny fanjakan'izao tontolo izao, izany hoe rehefa tsy Azy dia an'i Satana.
Fantatr'Andriamanitra mialoha daholo ny zavatra hitranga raha omeny fahefana ny olona iray ka sarotra amiko ny hino heo avy aminy ny fahefana ampiasaina anaovana tsindrio fa lavo sy vono olona faobe izay hita matetika amin'ny vaovao. Ny fahazahoako azy dia olona ao anaty fanjakan'Andriamanitra no mahazo fahefana avy aminy toy ireo mpitarika ny vahoakan'Andriamanitra (mpiandry, pasitora, mon père, sns).
Mirarisoa indray
Prime:
Mankasitraka anao rahalahy amin'ny fanamarihana mazava entinao ary hita hoe mitombina raha fijery tsotra sy lojika no andraisana azy hoe ahoana tokoa moa no anekena hoe avy amin'Andriamanitra ohatra i Hitler (tsy Hitler no olon-doza indrindra fa propagandy avy amin'ny tandrefana no betsaka fa mbola nisy loza no izy)?
1. Tsy niteny aho rahalahy na dia indray mandeha aza no sady tsy nanipika ny hevitra demokratika hoe "feom-bahoaka, feon'Andriamanitra"... sady tsy mitovy hevitra amin'izany aho no manohitra izany rahateo satria tsy hevitr'Andriamanitra sy fihevitr'Andriamanitra hatramin'ny voalohany sy ifotony ny demokrasia fa tena satanika tanteraka (jereo ny vono-olona entin'ny demokrasia maneran-tany entin'ny "illuminatis" hifehezana izao tontolo izao ankehitriny... korontaniny avokoa amin'ny anaran'ny demokrasia ny firenena manan-karena ara-boajanahary sy ara-paritra ahafahan'izy ireo mamoritra hatrany ny firenena tsiriritiny... tsetsatsetsa tsy aritra iny...) ary isika mahalala tsara ankehitriny ny hafetsen'i Satana momba izany...
2. Mangataka anao aho handray ireto teny vitsivitsy ireto amin'ny anaran'i Jesosy :
a. « Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra. » Romana 13:1
b. « 10 Dia hoy Pilato taminy: Tsy miteny amiko va Hianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin'ny hazo fijaliana koa? 11 Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa. » Jaona 19:10-11
Ireo teny roa ireo no notsongaiko fa mbola maro no porofoin'ny tenin'Andriamanitra fa fahefana avy amin'Andriamanitra no teo ampelatanan'ny Farao fony ny Zanak'Israely tany Egypta ary fahefana avy amin'Andriamanitra no nanamafisany fo ny Farao tsy handefa ireo ho afaka amin'ny fanandevozana... fahefana avy amin'Andriamanitra no nomena ny mpanjaka lehibe Nebokadnezara tany Babylona nihazona ny Zanak'Israely ho andevo... rehefa mikapoka sy manafay Andriamanitra dia maneho zava-mahagaga isankarazany ary izany no fahendreny ka tsy hoe Andriamanitra Tsara Izy dia tsy manafay ny zanany, manome fahefana ny fahavalony, fa tsarovy fa Marina Andriamanitra ary tsy azo vazivazina ka afaka manome fahefana ny fahavalo rehefa fantany fa izany no mahasoa ny zanany...
Moa tsy nomen'Andriamanitra fahefana Satana hizaha toetra an'i Joba mpanompony?
Moa tsy nomen'Andriamanitra fahefana Satana hanombo sy hamono an'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana hamonoana ny otan'izao tontolo izao sy hahatanteraka ny famonjena?
3. Ary i Hitler, fa ahoana moa no ilazanao fa tsy avy amin'Andriamanitra ny fahefana nomena azy? tsy tsara ny manafangaro ny hoe "iza no Tompon'ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany" sy ny hoe ""maninona no nomeny olona iray mety tsy ho ankasitrahan'ny firenena sy ny olona ny fahefana ary indrindra ny hoe "ahoana no nampiasàn'ilay olona ny fahefana teo am-pelatanany"... mazava ho azy fa raha olona natahotra an'Andriamanitra izany olona izany dia nitandrina kokoa ny fomba nampiasany azy, fa raha olona tsy natahotra an'Andriamanitra, na i Hitler io, na i Pilato io, na i Néron io, na i Staline io na iza na iza dia samy nampiasa izany araka ny filàny... tsy manafoana velively izany hoe tsy avy amin'Andriamanitra ny fahefany... manana ny antony mandrakariva Andriamanitra ao amin'ny fahendrena lalina izay Azy irery, matetika hanafaizana sy hikapohana ny olony hiverina Aminy fa variana loatra amin'ny andavanandrony ka mampirafy Azy sy mandrafy Azy ary manadino sy tsy mahatoky Azy...
Fanamarihana : aza adino ny tantara dia aza mihinana am-bolony izay tantarain'ny tandrefana fotsiny rahalahy rehefa mandinika tantara : fa i Hitler ohatra tsy nanongam-panjakana no niakarany teo amin'ny fitondrana fa lanim-bahoaka (ara-demokratika hatramin'ny 80%) no niakarany ho Chancelier sy Président ka niantsoana azy hoe "Führer" (sady Lehiben'ny Governemanta no Filoham-pirenena)... (ny ambadika mazava ho azy fa tamin'ny hafetsena ara-politika sy ny fampihorohoroana ihany koa)... ary ny Alemà, leon'ny fangoronan-karen'ny jiosy, nampahantra ny firenen'izy ireo, nampifilafila ny zanaky ny jiosy tsy handeha an'ady tamin'ny ady lehibe voalohany fa ny zanaky ny alemà ihany no betsaka maty nefa dia ny am-pahatelon'ny vahoaka dia nisy rà jiosy avokoa, ary indrindra ny firongatry ny komionisma tao amin'ny fikambanan'ny jiosy mpanan-karena, tompon'ny 70% orinasa tany alemàna nefa ny zanaky ny alemà nahantra sy tsy an'asa avokoa reraka avy any an'ady lehibe voalohany... vokatr'izany no nahatafita an'i Hitler mora foana t@ propagandiny fa ny alemà no ataony voalohan-daharana, (alemà iray=asa iray=trano iray=fiara volkswagen iray) (efa nisy propagandy toa izany teto Madagasikara raha tsy diso aho), ary hofongorany ny fototry ny fahantrana dia ny jiosy... na ny eoropeana sy ny amerikana aza dia nanohana azy tamin'izany hatrany amin'ny parlemanta niombonan'ny firenana eoropeana vitsivitsy, Italia, Espana, Frantsa, Angletera, Aotrisy, Soisa, Holandy sns... saingy indrisy nivadika famonoana olona mivantana ilay propagandy (tonga koa ny fasisma tany Italia sy ny olana tany Espana) fa tsy fomba fiady politika anilihana jiosy fotsiny tato aoriana... ary farany, ny tena nampanan-karena an'i Hitler nahafahany nanamboatra fitaovam-piadiana mahery vaika tao anatin'ny fotoana fohy (taorian'ny adilehibe voalohany) dia ny amerikana ihany no nanohana azy tato aoriana tamin'ny alalan'ny pétrol, ny dollars, ny banky, ny volamena... (mba jereo ihany ny momba an-dry Rockfeller sy ry Rothschild dia ho fantatrao ny tena marina...), fa rehefa nanaiki-nono dia tonga ny amerikana amin'nhy fomba fanaony toy ny ankehitriny... dia natao ho fialan-tsiny ny nanafihan'ny Japoney an'i Pearl Harbor...
Tena farany, aoka tsy hadinontsika Malagasy, fa matoa tanteraka ny tolona 1947 dia noho ny fandresen'i Hitler an'i Frantsa tao anatin'ny 3 volana monja (tamin'ny fotoana namoriany ny fanjakana eoropeana ho eo ambany fifehezany 1939-1943)... hoe hay ve ireto mpanjanaka antsika ireto ka maivana kely... niely nanerana an'izao tontolo izao fa i Frantsa "renimalala dia ni "capituler" tao anatin'ny telo volana monja... ary dia nitroatra avokoa ny zanatany frantsay rehetra nanerana izao tontolo izao... (fa rehefa resy moa i Hitler dia azo tenenina ratsy araka izay azo lazaina toy ny resy rehetra... izy rahateo koa dia namono olona tsy hita noanoa rahateo)... fa tsy nisy sahy niteny ratsy an'i Staline (namono ny mpiray firenena taminy tany amin'ny goulag amin-tapitrisany), na i De Gaule (famonoan'olona feno habibiana nataon'ny "resistance" tamin'ny frantsay noheverina ho "collaborateur"), na i Churchill (famonoana ny zanaky ny anglisy hiroso ho faty hatramin'ny farany teo anoloan'ny bombardements nahatsiravina an'i Londres).
Ka aza mihinana am-bolony na mijery ivelany fa midira lalina kokoa rahalahy...
Miala tsiny be dia be aminao aho raha lava ny nambarako fa misy fotoana tsy maintsy ambara ny marina ary mihoatra noho izany izay lazain'ny tenin'Andriamanitra.
Mahereza hatrany! Tahian'Andriamanitra!
Prime
13. Prime
(
30/11/2011 18:46)
Misaotra anao centor nampita ny hevitrao.
Ny lazain'ny soratra masina dia tsy misy fahefana afatsy avy amin'Andriamanitra irery ihany.
Hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy : « 1 Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra. 2 Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana. » Romana 13:1-2... mazava anie izany rahalahy centor e! sambasamba ny Apostoly Paoly tena nahitsy nampita izany fampianarana lalina izany... ao anatin'izany ny voalazanao, ny mpanompon'Andriamanitra rehetra, na Apostoly, na Mpaminany, na Evanjelistra, na Mpitandrina, na Mpiandry, na Loholona, na Diakona, na mpitondra fivavahana sns... fa ao anatin'izany ihany koa, na ny mpitondra fanjakana, na ny mpanapaka, na ny manam-pahefana...
Hafa indray ny lazainy raha ny momba ny fanjakan'izao tontolo izao sy ny fanjakan'Andriamanitra, ny fanjakan'ny maizina sy ny an'ny mazava, manapaka an'izao tontolo izao sy ny manapaka ny fanjakan'Andriamanitra. Tsy manana fahefana mihitsy Satana rahalahy fa mpisandoka fotsiny fa Andriamanitra irery ihany no manana izany. fa hevidiso avy amin'ny Satana no ilazany fa manana ny fahefany koa izy. Matoa izy toy ny manana sarim-pahefana dia satria Andriamanitra mihitsy no mamela izany hisy saingy aoka ho fantatrao fa matoa izany avelany hisy dia tsy noho i Satana loatra fa ho anao zanak'Andriamanitra novidian'i Jesosy tamin'ny ràny. Hoy indrindra ny tenin'Andriamanitra momba izany amin'ny anaran'i Jesosy : « Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany. » I Korintiana 10:13...
Dia hoy koa Izy momba an'i Joba mpanompony mantsy an'i Satana, « Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana. » Joba 2:6... ny zavatra rehetra na ny an-danitra na ny ety an-tany dia fahefana avy amin'Andriamanitra avokoa ary eo ambany fahefany... Andriamanitra mihitsy no nanome fahefana an'i Satana hampijaly an'i Joba (rakotry ny aretina, maty vady aman-janaka, fongotra ny hareny sy ny fihariany, very ny fananany manontolo), entina izahana toetra azy raha haharitra amin'ny finoana i Joba raha hampijaliana satria i Joba dia olon'ny fahatokiana an'Andriamanitra nahagaga tamin'izany fotoana izany ary anisan'ny olona tokana neken'Andriamanitra manokana fa "marina" raha hoy Andriamanitra momba azy amin'ny anaran'i Jesosy : « Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy. » Joba 1:8... Andriamanitra mihitsy no Tompon'ny fahefana nahatanteraka izany ary naneho ny voninahiny tamin'i Joba rehefa naharitra izy ka nataony nihoatra lavitra noho ny taloha no nomeny an'i Joba... asa raha isika no izahana toetra toa izany raha haharitra na tsia fa vao fitondram-panjakana fotsiny no miova izahan'Andriamanitra toetra ny zanany eto Madagasikara dia efa tabataba sy monomonona sy hetraketra sy fitenenan-dratsy no mameno ny fon'ny olona... Andriamanitra mihitsy nefa no mampianatra antsika mpino tsy hahatoky olona na iza io na iza fa Aminy irery ihany... miala tsiny amin'ny mpomba an'ingahy Rajoelina sy ny "zanak'i dada" sy ny mpanara-dia an'ingahy Ratsiraka sy ny mpomba ny rain'ny demokrasia Zafy rehetra fa tsy sitrak'Andriamanitra ny itokianareo amin'olona mihoatra noho Izy Andriamanitra ary ao anatin'ny fototry ny famaizana antsika avokoa izany...
Na izay olona sy mpanjaka sy mpanapaka farany heverinao ho ratsy indrindra aza dia tsarovy fa Andriamanitra ihany no Tompon'ny fahefana ary Izy no manome ny fahefana amin'izay tiany omena izany, eny fa na dia io olona heverinao ho ratsy indrindra sy ho tsy mendrika io aza. Ny tsara tokony ihoarana manomboka izao ary tena itoviako hevitra tanteraka amin'ny lazain'i Rijadolly sy ny namana eto dia ny mahazavadehibe ny FAMELAN-KELOKA SY NY FIFAMELAN-KELOKA fa tena ilaintsika vahoaka Malagasy izany ary tena ilain'ny firenena... tsy anjarantsika ny mitsara ilay olona ary indrindra ny miteny ratsy ny fahefana nomena azy satria avy amin'Andriamanitra izany ka toy ny mitsara an'Andriamanitra hoe, fa ahoana koa no io mahazo fahefana??? ny andraikitsika dia ny mivavaka ho azy mba hisokatra ny masom-panahiny hahafantatra fa Andriamanitra no nanome fahefana azy ka tokony hiverina amin'Ilay nanome fahefana azy izy hamantarany ny sitrapony marina...
Azonao tsara ve ny nambaran'i Pilato an'i Jesosy tamin'ny fitsarana azy? I Pilato nihevitra fa manam-pahefana izy toy izany heverinao izany hoe misy fahefana hafa noho ny an'Andriamanitra... satria dia tena mpanapaka mihitsy i Pilato amin'ny maha-governora azy... dia ahoana hoy i Kristy, « Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony;... » Jaona 19:11... mazava tsara ny lazain'i Jesosy : NOMENA AVY AMBONY (Avy amin'Andriamanitra)
Ny fihevitr'Andriamanitra dia hafa mihitsy. Ny tena fahadisoantsika rehefa mandray ny tenin'Andriamanitra dia mihevitra fa raha Tsara tokoa Andriamanitra, ary tena izany tokoa Izy dia heverintsika mitovy amintsika sy ny fihevitsika hoe "koa maninona no... misy mijaly? koa no havelany ho toy izao no zavatra hitranga? koa no olona ratsy fanahy no mandray ny fahefana?...". Mahadiso hevitra tanteraka antsika io rahalahy ka mila itandremana.
Samihafa ny hoe Tompon'ny fahefana sy ny mpampihatra izany... ny mpampihatra, na olona io na fanahy dia malalaka hisafidy ny ampiasany izany saingy hotsaraina amin'izany izy fa tsy azy io fa mpindrana ihany izy... ao anatin'izany Satana...
Tian'Andriamanitra mihoatra noho i Jesosy va isika? tsia ry havako... fa mbola tiany lavitra ny Malalany dia Ilay Tokan'Andriamanitra, antony nanorenany an'izao tontolo izao... nefa tena tiany ary tena tiany ihany koa izaho sy hianao ka na Ilay tena tiany indrindra aza dia natolotr'Andriamanitra hovonoin'i Satana : ny fitsaran'ny synedriona, ny fitsaran'i Heroda, ny fitsaran'i Pilato, ny fitsaram-bahoaka ka nanaovana Ilay Marina hoe : HOMBOY! HOMBOY ary nanolorana azy homelohina sy hokapohina ary holefonin'ny miaramila ho faty teo amin'ny hazofijaliana, hahavoavonjy ahy sy hianao... tsy misy fahefan'ireo izany na dia kely aza fa Andriamanitra mihitsy no nanome izany fahefana izany an'ireo hahatanteraka ny planiny ho an'izao tontolo izao dia ny famonjena ahy sy hianao amin'ny ozon'ny fahafatesana sy ny ota...
Mananatra antsika mpino rehetra mihitsy aho amin'izany fa mahatonga fampianaran-diso sy hevidiso mihitsy ny fiheverena fa manana fahefana Satana, sy izao tontolo izao, sy ny maizina... tsy fahefana no eo am-pelatanany fa fanjakana sy fanapahana izay voafetran'ny toerana sy ny fotoana... tena zavatra samihafa mihitsy izany resahana izany fa tonga afangaronao ry rahalahy centor... ary fahefana avy amin'Andriamanitra avokoa ny ahafahany manao izany, tsy noho izy loatra satria efa voatsara izy fa noho ny olombelona mbola antsoin'Andriamanitra hiverina ao Aminy handray an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany...
Koa mahereza rahalahy centor sy ny namana rehetra dia miovà amin'ny fanavaozana ny saina... fantatro fa tsy eken'ny sainao sy ny fonao angamba na ny andaniny na ny ankilany na izay mitondra sy voahilika ankehitriny eto amin'ny firenena izany voambara izany... fa marina ny lazain'ny tenin'Andriamanitra : tsy misy fahefana raha tsy ao amin'Andriamanitra irery ihany... ary aza malahelo amin'izany hianareo fa fantatr'Andriamanitra ny mahasoa antsika Malagasy matoa avelany hiseho izao fahoriana mianjady amin'ny vahoaka izao... Izao ihany no andrasan''Andriamanitra aminao, mitodika Aminy, miantso Azy, mitady Azy, manatona Azy, mihaino Azy, manaiky Azy, mankatoa Azy, mahatoky Azy... efa betsaka izay fangatahanao Taminy izay, mba andramo ampanginina indray ny avy aminao fa avelao Jesosy hiteny, hiasa, hanambara ny sitrapony, haneho ny voninahiny dia hahita zava-mahagaga mihoatra lavitra noho izay takatry ny sainao avy Aminy hianao... fa raha mbola tsy mino izay ambarany sy mbola hianao no ho be teny, be alahatra dia mihaino anao Izy izany!!! ary rehefa mihaino anao Izy dia aza gaga raha toy ny ela ny valim-bavaka satria hianao foana no miteny sy mitaraina fa Izy tsy omenao anjara hanambara ny heviny mihitsy...
Miala tsiny mandrakariva fa toa lavabe hatrany ny voasoratra saingy tsy voambara izay anirahan'ny Fanahy Masina ahy hambara raha toa ka tapahana izany... raha misy ny tsy sitrakareo voalazako dia avereno amiko, izaho no ankahalao sy lavo fa Jesosy raiso ho fiainanao!
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra fa ho aminareo kosa ny fiadanan'i Kristy! amena!

14. Prime
(
30/11/2011 20:29)
Niverina aho hitondra fanampim-panazavana.
Nahafinaritra ahy centor ny nandraisanao ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny kolosiana 1:13 manao hoe amin'ny anaran'i Jesosy : « sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, » Kolosiana 1:13...
Handeha anie hodinihantsika fohy izany voambara izany e!
1. Raha raisina araka izay voasoratra io teny io dia milaza tokoa hoe : "fahefan'ny maizina" amin'ny dikan-teny Malagasy na "pouvoir des ténèbres" amin'ny dikan-teny frantsay, ary raha zohina araka izay ny tohin'ny teny dia mampametram-panontaniana ny tohiny manao hoe, "ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany" fa tsy hoe "ho amin'ny fahefan'ny Zanany malalany"... azonao ve ny hevitra fototra??? fa raha izany indray no andraisana azy dia ny maizina izany no misy fahefana (sanatria izany) fa fanjakana ny an'i Jesosy. Izay no antony tsy andraisana ny teny araka ny hitsiny fa iverenana amin'ny tena hevitra fototra mandrakariva.
Tsy misy fahefana roa na any an-danitra na ety an-tany fa iray ihany dia ilay an'Andriamanitra.
Fa somary afangaronao ny hevitry ny hoe fahefana, fanjakana, fanapahana izay samihafa samy manana ny tena heviny fa tsy mitovy tsy akory. Ny fahefana dia ilay an'Andriamanitra sady avy Aminy irery ihany... ny fanjakana dia ilay nomena izany fahefana izany hahafahany manapaka sy manjaka... ary ny fanapahana dia ilay hery fitsarana ahafahana manapaka sy mandidy ary mitsara. Ka tsy hoe misy soratra hoe "fahefan'ny maizina" dia midika izany fa manana izy na tompony mihitsy koa.
Izay no antony tsy maintsy nitondrana fanazavana lalina kokoa etsy amin'ny voasoratra etsy ambony ka tsy ilay teny hoe "fahefana" no tena zavadehibe ka andraisana ilay hevitra fa ny hevitra fototra ambaran'ny soratra masina sy ny tenin'Andriamanitra.
2. Raha jerena amin'ny teny fototra (teny hebreo sy teny grika) niaingany io kolosiana 1:13 io dia izao no tena dikany fa tsy io dikan-teny Malagasy io, izay manao hoe "fanandevozan'ny fanahin'ny maizina" ary izay no tena voasoratra ary mbola misy tohiny mazava kokoa aza ilay hoe "fanjakan'ny Zanany malalany" izay midika hoe raha ny teny fototra "fahafahana ao amin'ny fanjakan'ny Zanak'Andriamanitra"...
Izany hoe ny hevitr'io raha ny teny fototra dia toy izao : « sady namaha antsika tamin'ny fanandevozan'ny fanahin'ny maizinaka namindra antsika ho amin'ny fahafahana ao amin'ny fanjakan'ny Zanak'Andriamanitra,» Kolosiana 1:13
Hamaranana azy, tsy ilay "fahefana" araka ny tiantsika resahana no hevitr'io fa izay hevitra "fanandevozana" izay, ary mbola misy toko sy andininy iray koa ity mitovy dika fototra amin'ny teny nanoratana azy (teny hebreo sy teny grika) hoe "fanandevozana", dia ity omena ity amin'ny anaran'i Jesosy : « hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. » Asan'ny Apostoly 26:18... fa raha ny tena voasoratra dia manao hoe : "...ary amin'ny fanandevozan'i Satana ho amin'ny fahafahana ao amin'Andriamanitra..."... izany no manamarina hatrany fa tsy misy fahefana afatsy ao amin'Andriamanitra sy avy amin'Andriamanitra...
Ny fanjakana no misy roa, ny fanapahana no misy roa fa ny fahefana dia iray ihany, dia ilay an'Andriamanitra saingy azon'ny maizina isandohana na alain-tahaka.
Ireto misy teny vitsivitsy zaraina entina hanamafisana ny mahasamihafa izany amin'ny anaran'i Jesosy :
« Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; » Lioka 4:6
« Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra] » Efesiana 6:12
« ary ianareo dia tanteraka ao Aminy (Jesosy), sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra, » Kolosiana 2:10
Ho aminareo anie ny fahasoavan'Andriamanitra! amena!

15. fejere
(
01/12/2011 02:52)
Miarahaba antsika rehetra amin' anaran'Ilay Tompo Mpamonjy antsika.
Voalohany tiako ho soratana eto de hoe Misaotran Andriamanitra aho afaka nahita sy nahafantatra fahalalana ny marina , dia ilay marina avy AMINY, nahafantatra sy nahalala ihany koa aho teto ny fiheverana sy fandinihana diso avy amintsika olombelona , faharoa misaotra an'ILAY nanokatra ny lohahevitra, tsy ho adinoko ary Ankasitrahako manokana ilay Fampianarana nomen' Andriamatoa Prime zay tena nampihetsi-po satria izaho de saiky nitovy fijery tamin' Atoa Centor ny amin' zava-misy eto amin' izao fitondrana misy eto izao, eny na ny teo aloha aza.
Raha ny Malagasy rehetra, no afaka mahita sy mandinika izao lohahevitra izao, izaho manokana de mino fa IHENA ny mpimonomonona, IHAVITSY isa ireo mpitaraina fa tsy rariny izao fitondrana izao, ary mety tsy hisy na ho foana aza angamba ny tolona, ady amin' ny izay fiheverana ho tsy rariny sy ny fitokonana etsy sy eroa, indrisy fa tsy ny rehetra anefa no afaka ahita sy ahalala izao fampianarana izao.
Andriamanitra le manampahefana manokana anie ry Rahalahy sy Anabavy Hanome sy Hampitombo hatrany ny fahalalana sy ny fahefana tsara avy Aminy ho amintsika tsirairay avy.
Mankasitraka ihany koa ny Serasera sy ny Mpikirakira sy Tompon'andraikitry ny Serasera. De ho Tahian' Andriamanitra amin' zavatra rehetra anie isika, Amen!

16. sitlo
(
01/12/2011 20:37)
kay kay kay,
Raha mbola ny malagasy no iharan'ny famaizan'Andriamanitra dia Andriamanitra efa mipaorina mihitsy izany.
Ny zavamisy dia ny malagasy iharan'ny famaizan'olombelona satria ny malagasy nisafidy ny hanaraka an'Andriamanitra.

17. sitlo
(
01/12/2011 20:43)
Fampatsiahivana kely:
Fihirana sy baiboly ary antsam-piderana no nataon'ireto malagasy nanao rodobe ho eny Iavoloha ny 10 Aogositra 1991.
Grenade, basy, helikoptera mandatsaka baomba, mine eny an-tanimbary sns no niandry azy.
Ankehitriny, hoy Ratsiraka, tsy nisy fahadisoko nataoko.
Hoy ny malagasy, tsy miandry azy hiaky ny helony aho fa tonga dia mamela azy.
O rey roy eh, io ilay teneniko hoe aza mihinana ambolony ny fivavahana na avy aiza io na avy aiza.

18. rijadolly
(
02/12/2011 14:56)
Ekena kosa anie Sitlo ny hoe misy diso ao e! Fa raha mijery ny fandehan'ny rahraha eto amintsika isika dia miara manaiky fa ny fifamelana izay takian'Andriamnaitra hatrizay no vaha olana hany sisa, ary tsy afaka miolakolaka atsy sy ero intsony fa mila mitodika amin'Andriamanitra ny rehetra.
Inona ary hoy se ny anton'izay? Satria tsy misy na iray izay nanao ny mety ireo olona izay mila fifamelana ireo. Efa nadeha teo ny fanjakana Frantsay, rà mandriaka ny valiny. 1er repoblique, Rà mandriaka ny valiny, 2em Rà mandriaka ny valiny, 3ém Rà mandriaka ny valiny, FAT????? Raha ny heritreritr'ise, raha tsy misy ny fifamelana tanteraka eto amin'Firenena, moa tsy miaina amin' tebiteby ny manam-pahefana amin'izao? Iza no teo amin' fitondrana ka nihevitra azy ho mahery ka tsy niharan'valifaty?
Aleo Sitlo atao hoe fandemena ny Fivavahana Kristianina tsy manino, Fa kosa manaiky aho ankehitriny fa mahery IZY, ary izay maha mahery azy izay indrindra no tsy maintsy haneken'ny rehetra ny fifamelana, izay no teneniny hatrizay. Raha toa moa ka tsy hanaiky izay TeniNY izay isika rehetra, indrinda fa ireo izay mitonotena ho Kristianina dia hoy aho hoe "efa akaiky" . Anjaran' Kristianina hoy aho hatrany am-boalohany ny mitaona sy manosika ny Mpifahavalo hifandray tanana eo amban'ny Fahefan'Jesoa kristy.

19. centor
(
02/12/2011 15:42)
Miarahaba indray,
Raha azoko tsara izany dia ny fahefan'Andriamanitra no lehibe indrindra, manana ny fahefany koa anefa i satana dia ilay fahefana nomen'Andriamanitra azy fony izy mbola tsy nivadika. Tsy afaka mampiasa izany izy raha tsy mahazo alalana avy amin'ny Jehovah. Avelan'i Jehovah hizara izany amin'ny olona manaiky miaraka aminy koa anefa izy araka ny hita amin'ny fiaraha-monina.
Fa ny tsy azoko dia ny hoe: fantatr'Andriamanitra mialoha ny ho fihetsiky ny olona iray raha omena fahefana izy, sitrany ve izany ny ahafatesan'ny olona maro na ny hijalian'ny sasany no mbola omeny fahefana ihany ilay olona hamoa-doza amin'ny fiaraha-monina ?
Mandra-panoratra indray
underline text
Raha azoko tsara izany dia ny fahefan'Andriamanitra no lehibe indrindra, manana ny fahefany koa anefa i satana dia ilay fahefana nomen'Andriamanitra azy fony izy mbola tsy nivadika. Tsy afaka mampiasa izany izy raha tsy mahazo alalana avy amin'ny Jehovah. Avelan'i Jehovah hizara izany amin'ny olona manaiky miaraka aminy koa anefa izy araka ny hita amin'ny fiaraha-monina.
Fa ny tsy azoko dia ny hoe: fantatr'Andriamanitra mialoha ny ho fihetsiky ny olona iray raha omena fahefana izy, sitrany ve izany ny ahafatesan'ny olona maro na ny hijalian'ny sasany no mbola omeny fahefana ihany ilay olona hamoa-doza amin'ny fiaraha-monina ?
Mandra-panoratra indray
underline text
Prime:
Misaotra anao centor nampita ny hevitrao.
Ny lazain'ny soratra masina dia tsy misy fahefana afatsy avy amin'Andriamanitra irery ihany.
Hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy : « 1 Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra. 2 Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana. » Romana 13:1-2... mazava anie izany rahalahy centor e! sambasamba ny Apostoly Paoly tena nahitsy nampita izany fampianarana lalina izany... ao anatin'izany ny voalazanao, ny mpanompon'Andriamanitra rehetra, na Apostoly, na Mpaminany, na Evanjelistra, na Mpitandrina, na Mpiandry, na Loholona, na Diakona, na mpitondra fivavahana sns... fa ao anatin'izany ihany koa, na ny mpitondra fanjakana, na ny mpanapaka, na ny manam-pahefana...
Hafa indray ny lazainy raha ny momba ny fanjakan'izao tontolo izao sy ny fanjakan'Andriamanitra, ny fanjakan'ny maizina sy ny an'ny mazava, manapaka an'izao tontolo izao sy ny manapaka ny fanjakan'Andriamanitra. Tsy manana fahefana mihitsy Satana rahalahy fa mpisandoka fotsiny fa Andriamanitra irery ihany no manana izany. fa hevidiso avy amin'ny Satana no ilazany fa manana ny fahefany koa izy. Matoa izy toy ny manana sarim-pahefana dia satria Andriamanitra mihitsy no mamela izany hisy saingy aoka ho fantatrao fa matoa izany avelany hisy dia tsy noho i Satana loatra fa ho anao zanak'Andriamanitra novidian'i Jesosy tamin'ny ràny. Hoy indrindra ny tenin'Andriamanitra momba izany amin'ny anaran'i Jesosy : « Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany. » I Korintiana 10:13...
Dia hoy koa Izy momba an'i Joba mpanompony mantsy an'i Satana, « Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana. » Joba 2:6... ny zavatra rehetra na ny an-danitra na ny ety an-tany dia fahefana avy amin'Andriamanitra avokoa ary eo ambany fahefany... Andriamanitra mihitsy no nanome fahefana an'i Satana hampijaly an'i Joba (rakotry ny aretina, maty vady aman-janaka, fongotra ny hareny sy ny fihariany, very ny fananany manontolo), entina izahana toetra azy raha haharitra amin'ny finoana i Joba raha hampijaliana satria i Joba dia olon'ny fahatokiana an'Andriamanitra nahagaga tamin'izany fotoana izany ary anisan'ny olona tokana neken'Andriamanitra manokana fa "marina" raha hoy Andriamanitra momba azy amin'ny anaran'i Jesosy : « Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy. » Joba 1:8... Andriamanitra mihitsy no Tompon'ny fahefana nahatanteraka izany ary naneho ny voninahiny tamin'i Joba rehefa naharitra izy ka nataony nihoatra lavitra noho ny taloha no nomeny an'i Joba... asa raha isika no izahana toetra toa izany raha haharitra na tsia fa vao fitondram-panjakana fotsiny no miova izahan'Andriamanitra toetra ny zanany eto Madagasikara dia efa tabataba sy monomonona sy hetraketra sy fitenenan-dratsy no mameno ny fon'ny olona... Andriamanitra mihitsy nefa no mampianatra antsika mpino tsy hahatoky olona na iza io na iza fa Aminy irery ihany... miala tsiny amin'ny mpomba an'ingahy Rajoelina sy ny "zanak'i dada" sy ny mpanara-dia an'ingahy Ratsiraka sy ny mpomba ny rain'ny demokrasia Zafy rehetra fa tsy sitrak'Andriamanitra ny itokianareo amin'olona mihoatra noho Izy Andriamanitra ary ao anatin'ny fototry ny famaizana antsika avokoa izany...
Na izay olona sy mpanjaka sy mpanapaka farany heverinao ho ratsy indrindra aza dia tsarovy fa Andriamanitra ihany no Tompon'ny fahefana ary Izy no manome ny fahefana amin'izay tiany omena izany, eny fa na dia io olona heverinao ho ratsy indrindra sy ho tsy mendrika io aza. Ny tsara tokony ihoarana manomboka izao ary tena itoviako hevitra tanteraka amin'ny lazain'i Rijadolly sy ny namana eto dia ny mahazavadehibe ny FAMELAN-KELOKA SY NY FIFAMELAN-KELOKA fa tena ilaintsika vahoaka Malagasy izany ary tena ilain'ny firenena... tsy anjarantsika ny mitsara ilay olona ary indrindra ny miteny ratsy ny fahefana nomena azy satria avy amin'Andriamanitra izany ka toy ny mitsara an'Andriamanitra hoe, fa ahoana koa no io mahazo fahefana??? ny andraikitsika dia ny mivavaka ho azy mba hisokatra ny masom-panahiny hahafantatra fa Andriamanitra no nanome fahefana azy ka tokony hiverina amin'Ilay nanome fahefana azy izy hamantarany ny sitrapony marina...
Azonao tsara ve ny nambaran'i Pilato an'i Jesosy tamin'ny fitsarana azy? I Pilato nihevitra fa manam-pahefana izy toy izany heverinao izany hoe misy fahefana hafa noho ny an'Andriamanitra... satria dia tena mpanapaka mihitsy i Pilato amin'ny maha-governora azy... dia ahoana hoy i Kristy, « Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony;... » Jaona 19:11... mazava tsara ny lazain'i Jesosy : NOMENA AVY AMBONY (Avy amin'Andriamanitra)
Ny fihevitr'Andriamanitra dia hafa mihitsy. Ny tena fahadisoantsika rehefa mandray ny tenin'Andriamanitra dia mihevitra fa raha Tsara tokoa Andriamanitra, ary tena izany tokoa Izy dia heverintsika mitovy amintsika sy ny fihevitsika hoe "koa maninona no... misy mijaly? koa no havelany ho toy izao no zavatra hitranga? koa no olona ratsy fanahy no mandray ny fahefana?...". Mahadiso hevitra tanteraka antsika io rahalahy ka mila itandremana.
Samihafa ny hoe Tompon'ny fahefana sy ny mpampihatra izany... ny mpampihatra, na olona io na fanahy dia malalaka hisafidy ny ampiasany izany saingy hotsaraina amin'izany izy fa tsy azy io fa mpindrana ihany izy... ao anatin'izany Satana...
Tian'Andriamanitra mihoatra noho i Jesosy va isika? tsia ry havako... fa mbola tiany lavitra ny Malalany dia Ilay Tokan'Andriamanitra, antony nanorenany an'izao tontolo izao... nefa tena tiany ary tena tiany ihany koa izaho sy hianao ka na Ilay tena tiany indrindra aza dia natolotr'Andriamanitra hovonoin'i Satana : ny fitsaran'ny synedriona, ny fitsaran'i Heroda, ny fitsaran'i Pilato, ny fitsaram-bahoaka ka nanaovana Ilay Marina hoe : HOMBOY! HOMBOY ary nanolorana azy homelohina sy hokapohina ary holefonin'ny miaramila ho faty teo amin'ny hazofijaliana, hahavoavonjy ahy sy hianao... tsy misy fahefan'ireo izany na dia kely aza fa Andriamanitra mihitsy no nanome izany fahefana izany an'ireo hahatanteraka ny planiny ho an'izao tontolo izao dia ny famonjena ahy sy hianao amin'ny ozon'ny fahafatesana sy ny ota...
Mananatra antsika mpino rehetra mihitsy aho amin'izany fa mahatonga fampianaran-diso sy hevidiso mihitsy ny fiheverena fa manana fahefana Satana, sy izao tontolo izao, sy ny maizina... tsy fahefana no eo am-pelatanany fa fanjakana sy fanapahana izay voafetran'ny toerana sy ny fotoana... tena zavatra samihafa mihitsy izany resahana izany fa tonga afangaronao ry rahalahy centor... ary fahefana avy amin'Andriamanitra avokoa ny ahafahany manao izany, tsy noho izy loatra satria efa voatsara izy fa noho ny olombelona mbola antsoin'Andriamanitra hiverina ao Aminy handray an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany...
Koa mahereza rahalahy centor sy ny namana rehetra dia miovà amin'ny fanavaozana ny saina... fantatro fa tsy eken'ny sainao sy ny fonao angamba na ny andaniny na ny ankilany na izay mitondra sy voahilika ankehitriny eto amin'ny firenena izany voambara izany... fa marina ny lazain'ny tenin'Andriamanitra : tsy misy fahefana raha tsy ao amin'Andriamanitra irery ihany... ary aza malahelo amin'izany hianareo fa fantatr'Andriamanitra ny mahasoa antsika Malagasy matoa avelany hiseho izao fahoriana mianjady amin'ny vahoaka izao... Izao ihany no andrasan''Andriamanitra aminao, mitodika Aminy, miantso Azy, mitady Azy, manatona Azy, mihaino Azy, manaiky Azy, mankatoa Azy, mahatoky Azy... efa betsaka izay fangatahanao Taminy izay, mba andramo ampanginina indray ny avy aminao fa avelao Jesosy hiteny, hiasa, hanambara ny sitrapony, haneho ny voninahiny dia hahita zava-mahagaga mihoatra lavitra noho izay takatry ny sainao avy Aminy hianao... fa raha mbola tsy mino izay ambarany sy mbola hianao no ho be teny, be alahatra dia mihaino anao Izy izany!!! ary rehefa mihaino anao Izy dia aza gaga raha toy ny ela ny valim-bavaka satria hianao foana no miteny sy mitaraina fa Izy tsy omenao anjara hanambara ny heviny mihitsy...
Miala tsiny mandrakariva fa toa lavabe hatrany ny voasoratra saingy tsy voambara izay anirahan'ny Fanahy Masina ahy hambara raha toa ka tapahana izany... raha misy ny tsy sitrakareo voalazako dia avereno amiko, izaho no ankahalao sy lavo fa Jesosy raiso ho fiainanao!
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra fa ho aminareo kosa ny fiadanan'i Kristy! amena!
Prime
20. Prime
(
03/12/2011 08:44)
centor:
Fa ny tsy azoko dia ny hoe: fantatr'Andriamanitra mialoha ny ho fihetsiky ny olona iray raha omena fahefana izy, sitrany ve izany ny ahafatesan'ny olona maro na ny hijalian'ny sasany no mbola omeny fahefana ihany ilay olona hamoa-doza amin'ny fiaraha-monina ?
Mandra-panoratra indray
Te-hanontany an'i centor aho hoe : "manana fahefana hanafoana ny "fahefan'i Satana" ve Andriamanitra sa tsia?", araka ny hevitrao mantsy dia hoe manana fahefana koa i Satana... nefa fantatr'Andriamanitra fa hanimba, hamono, hanameloka, hanendrikendrika, hanakorontana ity izao tontolo izao ity no hataony... ary dia nazera ety an-tany nefa izy rehefa voatsara avy tany an-danitra...
Araka ny hevitrao : fahefana avy amin'iza izany, avy amin'i Satana sa avy amin'Andriamanitra no nitsarana sy namonoana an'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana? ary efa fantany mialoha izany koa nahoana no navelany hisy nefa dia nazava fa mpamono olona sy mpampijaly vahoaka ny fanjakana Romana notantan'i Pilato Governora tamin'ny fotoan'andro, mpihatsaravelatsihy (niantsoan'i Jesosy azy ireo izany fa tsy ny fiantsoako azy tsy akory) ny fariseo sy ny sadoseo ary ny mpanora-dalana mpikambana maharitra tao amin'ny synedriona, mpialona sy tia tena ary mpisolelaka tamin'ny Romana i Heroda, voavidy ny vahoaka hihogahoga hoe : HOMBOY!
Araka ny hevitrao : efa fantatr'Andriamanitra fa hijaly ary tena hijaly no sady hovonoina ho faty i Jesosy Zanany Malalany, nefa sitrany ve izany? ary izaho sy hianao moa no iza? mihoatra noho i Jesosy va isika ka tsy tokony hijaly, ka moa tsy efa fantany hoe mety hijaly raha ingahy itsy na ingahy iroa no hitondra ny firenena Malagasy?
Anisan'ny tena fahalementsika mpino mantsy io ary dingana efa tsy maintsy ihoarana... tsy anjarantsika ny mitsara an'Andriamanitra hoe, "efa fantany mialoha koa maninona no avelany hiseho izao? efa fantany mialoha koa maninona no nomeny fahefana nefa hanapotika fiaraha-monina? toy ny te-hiteny hoe, efa fantatr'Andriamanitra mialoha i Eva sy Adama fa hivadika Aminy nefa maninona no nomeny fahefana hanjaka tao Edena?