HO AN' I FIRENENA MALAGASY

21. niryna ( 03/12/2011 18:28)

didi10 > raha hoe milaza azy tsy ho diso avokoa ireo olona dia izao fotsiny ihany: aminy izany fa ny vahoaka no hitsara azy raha tsy voavidy vola indray angaha.Samy ho tsaraina amin'ny ataony avokoa isika rehetra ,tsy misy na iray aza tsy andalo izany indrindra moa fa napetraka nitondra ny fitondram-bahoaka kanefa nivadika taminy.Ny feo ny fieritreretana ihany dia ampy hitsara azy ireny.
centor:

. Raha jerentsika ohatra ny tantaran'i Hitler dia hohitantsika fa olona mpanompon'ny satana izy, ary maro ny mpitondra toa azy ankehitriny indrindra ireo any amin'ny firenen-dehibe. Sarotra amiko ny hino fa avy amin'Andriamanitra ireny.
Mirary ny fiadanan'i Tompo ho antsika rehetra.
aza mijery ny firenen-dehibe fa ny antsika fotsiny dia efa ohatra azo raisina; izay mitondra milaza sy mively rano ny andeha amin'ny fahamarinana kanefa aiza izao: samy manao ny vola any am-paosina avokoa.
Ny zavatra rehetra mitranga amin'ny fiainana dia nataon'Atra avokoa mha ahafahantsika midera ny anarany.Tsy misy mpitondra ka nofidiana na iray aza ka tongatonga ho azy raha tsy Atra no nametraka azy teo.Raha tsy hoe angaha nametra-tena ka naka ankeriny ny fitondrana iny indray dia efa hiaraha -mahalala fa hoe naka ankeriny sy nidongy ny tsy azy.
Matoa izay ny olona no voafidy dia noho ilay Atra nametraka azy teo na iza io na iza.Ary dia nomeny azy ny fahefana mba hitantana ny fanjakana amin'ny fahamarinana ,ny rariny sy ny hitsiny kanefa raha tsy nanao ny asany izy dia hafa indray izay ary ny tantara no hitsara azy.
22. Prime ( 04/12/2011 17:26)
sitlo:

kay kay kay,

Raha mbola ny malagasy no iharan'ny famaizan'Andriamanitra dia Andriamanitra efa mipaorina mihitsy izany.
Ny zavamisy dia ny malagasy iharan'ny famaizan'olombelona satria ny malagasy nisafidy ny hanaraka an'Andriamanitra.
...

Tsara ny tso-po fa mba mitandrema ihany isika fa Andriamanitra no resahana... Ilay Nahary izao tontolo izao... Tompon'ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany... manana ny fahefana amin'ny manan'aina rehetra... na ny hita na ny tsy hita...

Mba azonao hazavaina lalina kokoa ve ny hoe : "malagasy nisafidy hanaraka an'Andriamanitra" no fototr'izao mahazo antsika izao, antsoinao hoe "famaizan'olombelona" dia olombelona iza??? dia raha azonao porofoina sy tohanana ara-tsoratra masina satria tsy misy tranga tsy hamarinin'ny tenin'Andriamanitra...
23. Prime ( 04/12/2011 18:06)
sitlo:

Fampatsiahivana kely:

Fihirana sy baiboly ary antsam-piderana no nataon'ireto malagasy nanao rodobe ho eny Iavoloha ny 10 Aogositra 1991.

Grenade, basy, helikoptera mandatsaka baomba, mine eny an-tanimbary sns no niandry azy.

Ankehitriny, hoy Ratsiraka, tsy nisy fahadisoko nataoko.
Hoy ny malagasy, tsy miandry azy hiaky ny helony aho fa tonga dia mamela azy.

O rey roy eh, io ilay teneniko hoe aza mihinana ambolony ny fivavahana na avy aiza io na avy aiza.
...

Fa maninona no ny 10 aogositra 1991 fotsiny no ampatsiahivinao??? ary ny 13 mey 1972??? ary ny 11 febroary 1975??? ny alina maizin'ny janoary 2009 nandoroana fananan'olona sy nisian'ny fandrobana sy famonoan'olona feno habibiana??? ary ny 07 febroary 2009??? ary ny olona maro maty tsy hita popoka t@ 2002 na t@ andaniny na t@ ankilany???... tsy resahana ny fandoroana rova t@ novambra 1995???

Fa raha izany no hotanisainao dia maivana ve sa ahoana ny 29 mars 1947??? na ny fampandrian-tanin'i Galliéni, 100.000 morts recensés "officiellement" t@ 1895 hatr@ 1905...

Dia Ratsiraka no tsongainao manokana (satria izy aloha no niteny vao haingana) fa ny tompon'andraikitra rehetra t@ izany rehetra izany na mody mangina, na mandranitra fitokoana sy fanoherana amin'ny endriny rehetra ary fantatra fa samy hanilika andraikitra... izany hoe tsy hiaiky heloka mihitsy...

Dia satria tsy hiaiky heloka ireo dia ahoana izany??? handranitra ady vaovao no vahaolana sa korontana sa fifandrafiana sa adim-poko sa tsy hitantsika ny hafetsen'ny frantsay sy ny amerikana ankehitriny... miaraka amin'ny fomba "demokratika" izay fantatra ny fanaon'izy ireo... mibaribary amin'izao tontolo izao ny habibiany amin'ny anaran'ny demokrasia raha tsy hiresaka ireo firenena rehetra itsabahany (Tunisie, Egypte, Lybie, Syrie, Yemen, Iran, Irak, Afghanistan, Pakistan...)??? fa rà mandriaka no hamonoan'ny frantsay (ohatra i Lybia) sy ny amerikana ny vahoaka ao amin'ny firenena itsabahany... dia i Madagasikara koa tianao hiditra amin'izany??? hifandranitra ary tsy hifamela heloka???

Fa raha heverinao angaha fa raha ingahy isany Ratsiraka, na i Zafy Albert na i Ravalomanana raha tafaverina eo amin'ny fitondrana dia hilamina i Madagasikara fa tsy hiverina amin'ny valifaty sy ny fanenjehana indray dia toy izany hatrany no atao eto fa tsy hijery ny firenena amin'ny fijery vaovao, miaraka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra ka hiheverana ny fifamelan-keloka sy ny famelan-keloka ho ambony lavitra noho ny tondrozotra sy ny fanamarinan-tena politika tsy mitondra fiadanana sy filaminana ho an'ny firenena??? dia io tsy filaminana io no hanalavana ity tetezamita tsy mitondra vahaolana ity sy hanamarinan-tena amin'ny fijalian'ny vahoaka entin'ingahy Rajoelina???

Dia hoy hianao hoe aza hohanina am-bolony ny fivavahana??? ny ampahany kely itoviako hevitra aminao dia ny tsy fiorenam-pinoan'ny mpino sy ny tsy fahatokiana an'Andriamanitra fa mitoky amin'olona mihoatra lavitra noho Izy Andriamanitra... ka ilazako hoe ny fivavahana ve no olana sa izaho sy hianao sy ny vahoaka Malagasy ary ny mpitondra ao aminy e??? fa raha tena mihaino an'Andriamanitra sy manaiky an'Andriamanitra sy mankato an'Andriamanitra ny mpino sy ny vahoaka dia efa ela no niravona ny olana ary nilamina ity firenena ity saingy hatreto aloha!!!

Izaho nefa mino fa mbola hifoha ny vahoaka indray andro any...
24. centor ( 05/12/2011 15:22)
Miarahaba antsika rehetra indray,

Misaotra ny namana Prime fa mazava sy maharesilahatra tokoa ny lahatsoratra nalefanao. Eo am-pamakiana azy aho dia izao no tonga ao an-tsaiko:"samy marina daholo ny hevitra tohanantsika". Amin'ny maha anjelin'ny fahazavana an'i lucifer dia mahalala ampahany amin'ny tsiambaratelon'ny famoronana izy, amin'ny maha mpifehy azy koa anefa dia nomen'Andriamanitra fahefana izy. Saingy rehefa nivadika tamin'Andriamanitra izy dia nampiasainy handravana ny lamina napetraky ny Mpamorona izany.
Raha rasaina ny teny hoe fahefana dia efa ny fototeny, izay niavian'ny hoe mahefa, azo adika koa hoe mahavita, mampisy. Fantantsika fa i satana dia afaka mampisy varatra amin'ny fotoana rehetra, na mandrodana trano anatin'ny iray segondra, manafoana orana, sns.
Ny fahefana ananan'ny mpitondra fanjakana iray ohatra dia mety ho ilay mivantana avy amin'Andriamanitra na ilay nomeny an'i losifera dia i losifera indray no nanome azy ilay olona.
Tsy afaka mampiasa io fahefana io anefa i satana raha tsy alalana avy amin'Andriamanitra izany.
Mirary ny fiadanan'i Tompo ho amintsika rehetra.
Prime:

Niverina aho hitondra fanampim-panazavana.

Nahafinaritra ahy centor ny nandraisanao ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny kolosiana 1:13 manao hoe amin'ny anaran'i Jesosy : « sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, » Kolosiana 1:13...

Handeha anie hodinihantsika fohy izany voambara izany e!

1. Raha raisina araka izay voasoratra io teny io dia milaza tokoa hoe : "fahefan'ny maizina" amin'ny dikan-teny Malagasy na "pouvoir des ténèbres" amin'ny dikan-teny frantsay, ary raha zohina araka izay ny tohin'ny teny dia mampametram-panontaniana ny tohiny manao hoe, "ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany" fa tsy hoe "ho amin'ny fahefan'ny Zanany malalany"... azonao ve ny hevitra fototra??? fa raha izany indray no andraisana azy dia ny maizina izany no misy fahefana (sanatria izany) fa fanjakana ny an'i Jesosy. Izay no antony tsy andraisana ny teny araka ny hitsiny fa iverenana amin'ny tena hevitra fototra mandrakariva.

Tsy misy fahefana roa na any an-danitra na ety an-tany fa iray ihany dia ilay an'Andriamanitra.

Fa somary afangaronao ny hevitry ny hoe fahefana, fanjakana, fanapahana izay samihafa samy manana ny tena heviny fa tsy mitovy tsy akory. Ny fahefana dia ilay an'Andriamanitra sady avy Aminy irery ihany... ny fanjakana dia ilay nomena izany fahefana izany hahafahany manapaka sy manjaka... ary ny fanapahana dia ilay hery fitsarana ahafahana manapaka sy mandidy ary mitsara. Ka tsy hoe misy soratra hoe "fahefan'ny maizina" dia midika izany fa manana izy na tompony mihitsy koa.

Izay no antony tsy maintsy nitondrana fanazavana lalina kokoa etsy amin'ny voasoratra etsy ambony ka tsy ilay teny hoe "fahefana" no tena zavadehibe ka andraisana ilay hevitra fa ny hevitra fototra ambaran'ny soratra masina sy ny tenin'Andriamanitra.

2. Raha jerena amin'ny teny fototra (teny hebreo sy teny grika) niaingany io kolosiana 1:13 io dia izao no tena dikany fa tsy io dikan-teny Malagasy io, izay manao hoe "fanandevozan'ny fanahin'ny maizina" ary izay no tena voasoratra ary mbola misy tohiny mazava kokoa aza ilay hoe "fanjakan'ny Zanany malalany" izay midika hoe raha ny teny fototra "fahafahana ao amin'ny fanjakan'ny Zanak'Andriamanitra"...

Izany hoe ny hevitr'io raha ny teny fototra dia toy izao : « sady namaha antsika tamin'ny fanandevozan'ny fanahin'ny maizinaka namindra antsika ho amin'ny fahafahana ao amin'ny fanjakan'ny Zanak'Andriamanitra,» Kolosiana 1:13

Hamaranana azy, tsy ilay "fahefana" araka ny tiantsika resahana no hevitr'io fa izay hevitra "fanandevozana" izay, ary mbola misy toko sy andininy iray koa ity mitovy dika fototra amin'ny teny nanoratana azy (teny hebreo sy teny grika) hoe "fanandevozana", dia ity omena ity amin'ny anaran'i Jesosy : « hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. » Asan'ny Apostoly 26:18... fa raha ny tena voasoratra dia manao hoe : "...ary amin'ny fanandevozan'i Satana ho amin'ny fahafahana ao amin'Andriamanitra..."... izany no manamarina hatrany fa tsy misy fahefana afatsy ao amin'Andriamanitra sy avy amin'Andriamanitra...

Ny fanjakana no misy roa, ny fanapahana no misy roa fa ny fahefana dia iray ihany, dia ilay an'Andriamanitra saingy azon'ny maizina isandohana na alain-tahaka.

Ireto misy teny vitsivitsy zaraina entina hanamafisana ny mahasamihafa izany amin'ny anaran'i Jesosy :

« Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; » Lioka 4:6

« Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra] » Efesiana 6:12

« ary ianareo dia tanteraka ao Aminy (Jesosy), sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra, » Kolosiana 2:10

Ho aminareo anie ny fahasoavan'Andriamanitra! amena!
Prime
25. rijadolly ( 10/12/2011 03:15)
VAOVAO MATV 09 DEC 2011

Nilaza Raharinirina Olga na i Neny Olga, izay raimandreny ao amin'ny Toby lehibe Kanana Fianarantsoa fa tsy hilamina ny tany raha tsy mahay mifamela ny rehetra araky ny hafatra nampitain'i Jesoa taminy.


NY SOFINA NANDRE, NY SAINA NANDINIKA, NY FO MITEMPO, ANDAO HIAVANA HO FITARATR' IZAO TONTOLO IZAO
26. Prime ( 10/12/2011 10:22)
Itoviako hevitra tanteraka ary dia izany tokoa no izy : ny famelan-keloka sy ny fifamelan-keloka amin'ny anaran'i Jesosy ary ny fitiavana ihany no lalana mampiverina ity firenena ity amin'ny fiadanan'Andriamanitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0461