Aza mino anjambany

1. sitlo ( 26/11/2011 18:41)
Inona no fototry ny finoana?
tsy fahalalàna

oh: taloha tamin'ny andron'ny grika dia nino ry zareo fa nisy ny andriamanitry ny rivotra. Nivavaka ry zareo ary nanao an'ireny fandoroana emboka manitra ireny rehefa handeha hiantsambo fa sao hono tsofin'ny andriamanitry ny rivotra.
Taty aoriana nony fantatra ny nahatonga ny rivotra mitsoka dia tsy foana teo ilay finoana.

Nahoana no mbola misy ny finoana?
Satria mbola maro ny fanontaniana tsy hay valiana.

oh: na eo aza ny fanazavana nataon'i Darwin momba ny niavian'ny zava-manan'aina dia mbola tsy feno tsara izany. Na samy tsy nisy nahatadidy ny talohan'ny nahaterahany aza ny olona, dia mbola manontany tena hoe inona no aorian'ny fahafatesany.

Inona no atao hoe fivavahana?
Fikambanan'ny olona miray finoana.

Maninona no mirongatra ny fivavahana isakarazany?
Satria tsy miankina amin'ny finoana.
"Raha noana ny vatana, mivezivezy ny fanahy". Ny fanahy tian'ny malagasy lazaina eto ny saina.
Nijaly mafy koa ny Allemand taorian'ny ady lehibe voalohany. Ka nirongatra be ny sekta sy ny hoe nahitra an'izao masina rehetra izao tany. Izay aza no tena nahatonga azy ireo hino anjamabany an'i Hitler fa hoe manana "vision" hono lery.

Ny kristianisma ve no tena izy?
Be dia be no azo kianina amin'io finoana io.
Ny fahitako azy aza dia finoan'ny olona (te ho, na norebirebena ho) mpanompo io finoana io. Jereo fa Afrika no be mpino kristianina indrindra fa firenena mandroso ambodia mitafy hodi-janak'ondry fotsiny.
Mpanompo hoy aho satria nahoana?
Satria ny romanina tamin'izany dia tsy nisalasala ny namono izay nanohitra azy. Tsy Jesosy sy ireo roa irery no maty teo amin'ny hazo fijaliana. Fa aman-jatony mihitsy no nombohin'i Pilato tamin'izany. (Tsy niaraka tamin'i Jesosy aloha na zany aza e, tamin'ny fotoana naha-governora an'i Pilato fotsiny). Nisy fotoana ny Jiosy nioko ka nataon'ny romanina ravarava mihitsy. Ny tempoly izay nahatezitra an'i Jesosy iny nataon'ny romanina levona.
Ka izay nony nanoratra ny baiboly ny kristianina tato aoriana, dia nampisehony tsara fa ny finoany dia tsy hanimba ny ampira romanina. Vonona ry zareo ny hijanona ho andevon'ny romanina.
Ny romanina anefa no tena fototry ny repoblika isakarazany ao eoropa ary nihitatra tamin'ny tandrefana iray manontolo. Efa vao niforona mihitsy ny finoana kristianina no nahalalany fa ny io no "mpanompo tsara indrindra".

Ary izay no tena nanampariahany an'io finoana io era-tany. Fa saingy ny fototra tsy maintsy ao Rome ihany.
novalian'i rekinbelo ny 06/12/2011 05:38
2. sitlo ( 26/11/2011 18:45)
ialana tsiny fa be fahadisoana be, ny mihinam-bary aza hono misy latsaka koa maika fa ny mitapy clavier?

Teny atsipy ho an'ny manam-panahy.
3. rijadolly ( 27/11/2011 06:01)
Ny zavatra tsy azo lavina aloha dia nisy izany atao hoe JESOA izany. Ary nisy koa ireo MpihanaNy niara-niaina Taminy izay nametraka sy nanoratra ary nijoro ho VavolombeloNY, fa IZY ilay Kristy.
Raha mijery amin'ny ankapobeny ilay nataon'i Sitlo aho dia mahita fa tao anaty ny teritery no nanantaterahana na ny fijoroan'ny Kristianina araka ny fihevitrao. Tsy mandiso izany anefa aho fa manamarina aza satria na dia ny samy Jiosy aza tamin'izany dia niaro ny fitondrany tsy ho lasan'ilay tena Mpandova,raha io Tempoly tao Jerosalema io no resahina. Mitovy tsy misy valaka na ny fanenjehan'ireo Jiosy na ny Romanina tamin'izany. Ny tanjony dia ny ahazoana ny laka ho mpitatana. Tsy midika akory izany hoe vita hatreo ny Filazantsaara nentin'i Kristy, fa vaomaika aza izany manamarina izay rehetra nambaraNy fa mbola hiseho.

Amin'ny maha Kristianina ahy no andefasako ity tenin'ilay Mpandova sy Tompon' tompo ity.

JAONA 4 : 19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao.20 Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray.22 Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena.23 Fa avy ny andro sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.25 Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.26 Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy.
4. didi10 ( 27/11/2011 15:50)
Tsara ny Tompo.

Miala tsiny aho ry namana fa tsy tafita amiko mihitsy ny tianao ahatongavana, manontany ny atao hoe finoana ve ianao sa manazava?, dia tsy azoko koa ilay resakao toa manohitra ny kristianisma.
5. Prime ( 28/11/2011 08:10)
Sitlo> Misaotra anao nitondra fanazavana araka ny fijery mahitsy sy tsotra ary araka ny fandinihanao ny tantara! ary ahoana indray no ambaran'ireo bokim-pinoana rehetra, mba azonao zaraina ihany koa ve? (inona no lazain'ny baiboly, ny korano, ny torah... mahakasika ny finoana)

Amin'izay dia mba misokatra ity lohahevitra ity ahafantarana ny tena fototry ny atao hoe finoana, sy ahitana marina ny atao hoe : mino anjambany sa mino ampahiratana!!!???
6. LazaDaddy ( 29/11/2011 02:30)
sitlo:
ialana tsiny fa be fahadisoana be

Tsy misy tsiny.

Ny fiainana dia finoana. Rehefa mandeha matory ianao dia mino fa hifoha ny maraina ary hiposaka io masoandro io rahampitso.

Niteny ianao hoe betsaka ny azo kianina amin'ny finoana Kristianina. Tsy iadiako hevitra ny amin'izay hevitrao izay fa mba tiako ho fantarina kosa hoe "mahita azo kianina amin'i Kristy ve ianao"?
7. niryna ( 29/11/2011 16:49)
sitlo:

Inona no fototry ny finoana?
tsy fahalalàna

oh: taloha tamin'ny andron'ny grika dia nino ry zareo fa nisy ny andriamanitry ny rivotra. Nivavaka ry zareo ary nanao an'ireny fandoroana emboka manitra ireny rehefa handeha hiantsambo fa sao hono tsofin'ny andriamanitry ny rivotra.
Taty aoriana nony fantatra ny nahatonga ny rivotra mitsoka dia tsy foana teo ilay finoana.
ka na stilo aza no atsangan'ny olona ho nitarika ity finoana vaovao ity dia hitompo teny fatratra amin'i stilo tokoa ny olona ka.
Inona no atao hoe finoana aloha?
Maninona ny olona no mino? ary raha tsy mino moa ve voa mafy sa mitovy ny rehetra ihany?
Inona no nahatonga anao nino?
ary inona no hinoanao?
Ireo aloha no valio kely na aneritreritra aza dia ho fantatrao eo ny atao hoe finoana.
Mandeha anjambany fotsiny ve aho satria mivavaka ny olona dia mba manamaro isa aho sa dia nahafantatra ny fahasoavana nomeny ahy ka tonga aho hidera sy ankalaza ny anarany?

Nahoana no mbola misy ny finoana?
Satria mbola maro ny fanontaniana tsy hay valiana.


satria mino aho ary manantena ny Teny rehetra izay efa nampanantenainy fa afaka ampihariko amin'ny fiainana ary izay fanantenako sy fahafantarako izay Teny marina izay no mahatonga ahy hino.ka iza ary no inoako,moa ve aho minomino ny zavatra rehetra izay noharian'Atra? moa ve aho mino fa anao lotto aho dia ho mpanankarena vetivety,mitady vola maikamaika ? satria izay ilay finoako?eny misy ny manana ny finoany fa ahazo izany volabe izany tokoa izy satria te hanankarena aingana
sa zavatra tsy hita maso kanefa ao anatin'ny fo ilay finoako ka mahatonga ahy hiondrika sy hidera ary hankalaza ny anarany raha vao mifoha ka mihiratra ny masoko?
afaka hinoana avokoa ny zavatra rehetra araka izay mahamety ny fiainantsika ary eo no tena olana raha tsy mahalala isika ka

Ny Hebreo 11 no tena afaka manazava izany amintsika: Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina ,fanehoana ny zavatra tsy hita .Fa izany no mahatsara ny ntaolo. Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin'Atra no nanaovana izao tontolo izao , ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao

oh: na eo aza ny fanazavana nataon'i Darwin momba ny niavian'ny zava-manan'aina dia mbola tsy feno tsara izany. Na samy tsy nisy nahatadidy ny talohan'ny nahaterahany aza ny olona, dia mbola manontany tena hoe inona no aorian'ny fahafatesany.
tsy feno tanteraka satria izy olombelona ihany ,nohariana fa tsy nahary izao tontolo izao ka tsy ho tonga amin'ny toeran'ny Nahary aza na rahoviana na rahoviana izy dia tsy ho takatry ny sainy velively satria voafetra ny fahalalan' olombelona indrindra moa raha tsy mino ilay Nahary azy. Ohabolana 3:5-6 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra,fa aza miankina amin'ny fahalalanao.Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra ,fa Izy andamina ny lalanao.
8. sitlo ( 01/12/2011 20:27)
Ny nolazain-dRatsiraka no ohatra akaiky indrindra eto.

"Mamelà ny helokay tahaka izay ny namelanay izay nanao ratsy taminay", aza atao am-bava fotsiny izany fa ampiharo hoy Ratsiraka.

Rehefa tsy mamela ny heloky Ratsiraka izany ny kristianina malagasy dia veloma hatreo. Firy anefa no tsy hita faty hatramin'izao tamin'ny vono olona tamin'ny 1991.

Hitanareo amin'izay ny fomba azo i-manipulena ny olona rehefa tafaroboka ao anatin'ny finoana kristianina izy? Ireto ny vitsivitsy:

1- Raha misy mamelaka ny takolakao havia, dia omeo azy koa ny havanana
2- Mahaiza mamela heloka
3- Aoka ho an'i Kaesara izay an'i Kaesara. Aoka ho an'Andriamanitra izay ho an'Andriamanitra.
4- Sambatra izay mijaly am-po...
5- Aza mamaly ratsy ny ratsy
etsetra etsetra

Izany hoe na inona na inona ataoko aminao dia aza atao na inona na inona aho.

Na tao Eoropa aza dia efa saika ho foana io finoana io vokatr'ireo. Nanafika ny silamo avy any antsinanana, ny kristianina tsy namaly fa hoe "aza mamono olona". Efa resy hatrany Espagne ny kristianina izay ny Papa vao tonga saina nandray sabatra. Mba resiny hatrany Jerosalema kosa aloha ny silamo tamin'izay. Fa na ny Papa aza namono olona tamin'izany.

Ankehitriny, ny amerikanina mamono ny fahavalony, ny silamo mamono ny fahavalony. Ny frantsay, fony betsaka ny resaka terorista io, nilaza mihitsy ny filohany (Chirac tamin'izany) fa tsy hisalasala ry zareo ny hampiasa ny bomba nucleaire hanafika ny firenena manohana ny terorisma.
Fa ny kristianina malagasy sy ny afrikanina irery no asaina mamela heloka fa raha tsy izany tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra.

Prime> marina tokoa izany. Fa saingy, tsy tena olan'ny malagasy loatra ireo ankehitriny. Fa ny sekta sy ny kristianisma ihany no tena mampisangojy azy.
9. Prime ( 03/12/2011 08:55)
Sitlo> hazavao kokoa ny tsy maha-olan'ny Malagasy izany nefa lazainao fa eto Afrika sy Madagasikara no tena olana momba io hoy ianao ihany etsy ambony???

Ny sekta sy ny kristianisma no mampisangojy ny finoana sa ny baiboly sy ny bokim-pinoana isankarazany? tsy mazava ny tian'ny mpanoratra lazaina! misaotra mitondra fanampim-panazavana!
10. sitlo ( 03/12/2011 18:51)
Prime> an an an, ilay noteneninao hoe, mba hazavao koa ny korano sy ny torah sns, no noteneniko hoe tsy dia olana loatra satria vitsy ny malagasy no mino an'ireo.

Maro tsy voatanisa mantsy ny fivavahana, ary izaho tsy afaka hiteny mihitsy hoe itsy no tsara na itsy fa an'ny tsirairay no misafidy. Ny tiako tenenina dia hoe, tsy hoe nisafidy an'itsy akory ianao dia azon'ny olona anaovana an'izay tiany atao.

Tsy hoe tsy hainao akory ny namorona ny tany sy ny zavaboahary dia azon'ny olona atao ny mamono ny havanao.
11. Prime ( 04/12/2011 19:53)
sitlo:

an an an, ilay noteneninao hoe, mba hazavao koa ny korano sy ny torah sns, no noteneniko hoe tsy dia olana loatra satria vitsy ny malagasy no mino an'ireo.


Misaotra nanipika kokoa ny tianao ambara araka izay voalazako... fa ny nangatahako fanazavana taminao dia ilay fanazavana ny atao hoe finoana sy ny fototry ny finoana... fa raha ny fijerinao dia mazava (fijery ankapobeny araka ny fahitanao azy) ka izany no nangatahako fanazavana kokoa avy aminao ny atao hoe finoana araka ny voalazan'ny bokim-pinoana : ny baiboly, ny korano, ny torah... ohatra

Raha tsy tianao ny boky roa farany, dia tsara zarainao ny lazain'ny baiboly marina izay tsy misy ifandraisany amin'ny lazainao ireo ambony ireo mikasika ny atao hoe finoana sy ny fototry ny finoana na dia kely aza...

sitlo:

Maro tsy voatanisa mantsy ny fivavahana, ary izaho tsy afaka hiteny mihitsy hoe itsy no tsara na itsy fa an'ny tsirairay no misafidy. Ny tiako tenenina dia hoe, tsy hoe nisafidy an'itsy akory ianao dia azon'ny olona anaovana an'izay tiany atao.

Tsy hoe tsy hainao akory ny namorona ny tany sy ny zavaboahary dia azon'ny olona atao ny mamono ny havanao.


Ka raha izany no izy dia tsy mendrika loatra ny iresahanao ity lohahevitra ity satria ilay tena hevitry ny hoe finoana tsy resahanao fa ny fijerinao no amafisinao izay tsy misy ifandraisany velively amin'ny tena atao hoe finoana marina sy fivavahana marina...

Ny finoana tsy famonoan'olona... ny fivavahana tsy famonoan'olona... ny fanaikena an'Andriamanitra tsy fahalemena... ny finoana an'Andriamanitra tsy fahadalàna...

Rehefa tsy mazava ilay fototra tianao resahana dia mila mitandrina amin'ny pejy toy itony satria mamaky itony avokoa na ny mpino na ny tsy mpino ka rehefa mandalina dia tsara izay tena fototra no resahana fa tsy torapo... fa raha izany dia izaho koa hanao torapo, dia hisy hafa koa hanao torapo dia hifamalivaly etoana tsy hitondra soa na ho an'ny mpamaky na ho ahy na ho anao na ho antsika hifanao torapo eto...

Mahereza hatrany!
12. christian777 ( 05/12/2011 12:56)
Mba lazalazao kosa ary ny finoanao ry Stilo azafady e!
Ho jerena amin'izany hoe aiza ary ilay tena lalana sao dia mba manana ianao.
Ny anay manko dia immortalité no tadiaviana à partir ny résurrection à travers ny Saint Esprit sous l'inspiration de Jésus Christ ary lanitra vaovao sy tany vaovao.Ny anao mba zavatra manao ahoana sao dia fanantenana poakaty fotsiny.
Mahereza.Tia anao Jesosy
13. rekinbelo ( 05/12/2011 14:32)
Salama namana!
azoko tsara ny mahatnga sitlo manana hvt toy izany satria maro lotra ireo olana ateraky ny fivavahna eto ambony tany.Ny fivavahna atao hoe krisitanina tokoa no niteraka ny fanavahana sy fanjanahana teto antany,hany ka very sy takona ilay tena kristianisma nofonronin'ny JK.
Sarotra indraindray ny miresaka io olana io fa dia mahereza ary e.
14. Prime ( 05/12/2011 16:38)
Izaho manokana dia manaiky ihany koa fa tsy tanteraka ny olombelona ary indrindra ny mpino sy ny mpivavaka.

Saingy tsara avahana ny atao hoe finoana sy fivavahana amin'ny hoe mpino sy mpivavaka. Tsy anjely tsy akory ny mpino sy mpivavaka ka tsy ahitàna fahadisoana sy tsy fahamendrehana fa manana fahalemena avokoa, na ny Apostoly rehetra aza dia samy nanana ny fahalemeny avokoa, na Petera sy Paoly ary Jaona aza nanana fahalemena avokoa... hoy ny tenin'Andriamanitra, « araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza; » Romana 3:10... na ny Mpaminany aza nanana fahalemeny avokoa, na i Mosesy, na i Abrahama, na Isaia, na i Davida, na i Solomona, na iza na iza mpanompon'Andriamanitra dia nanana ny fahalemeny avokoa... na ny Papa, na ny Pretra, na ny Pasitera, na ny Diakona, na ny Mpiandry, na ny Evanjelistra, na ny Katekista, na ny Episkopo, na iza dia manana fahalemena avokoa... ka raha ireo no itarafanao ny atao hoe finoana sy fivavahana dia ho diso lalana sy fijery isika satria tsy ilay Andriamanitra nanome finoana azy no andraisana ilay hoe finoana sy fivavahana araka ny fihevitr'Andriamanitra fa olombelona... izao nefa no tsara marihina, na inona tsy fahatanterahan'ny mpanompony dia Andriamanitra manana ny heviny manokana momba ireo araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Jesosy : « Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. » Romana 8:33

Vokany, fitsarana olona no ho resaka betsaka sy fitsarana fiangonana ary antokom-pinoana fa tsy tena ilay atao hoe finoana no resahana. Izay no nahatonga ahy mangataka fanampim-panazavana mba ivelaran'ny dinika kokoa fa tsy ny hanafoana azy tsy akory...
15. LazaDaddy ( 06/12/2011 04:24)

LazaDaddy:
Sitlo> Niteny ianao hoe betsaka ny azo kianina amin'ny finoana Kristianina. Tsy iadiako hevitra ny amin'izay hevitrao izay fa mba tiako ho fantarina kosa hoe "mahita azo kianina amin'i Kristy ve ianao"?
16. rekinbelo ( 06/12/2011 05:38)
"ny voany no ahafantaranareo ny hazo" hoy Kristy ka @ alalan'izay enao stilo no mijery hoe marina ve?mety ve?
Ilaina ny kritika sy mijery lafi-ratsin-jvt sy ny tsara aminy fa isika koa efa nomena porofo mivaingana sy tsy mety simba dia ny baiboly izany ka mahereza mandinika namana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1133