Mazava be fa tsy mahazo miditra antanana i dada e ...

1. andrywui ( 23/11/2011 20:12)
miditra daholo ity ny oul rehetra na olotsotra na mpanao politika fa i dada tsy mahazo fa ratsy toetra
novalian'i nilex ny 25/11/2011 05:46
2. nilex ( 25/11/2011 05:46)
misintona ny sainareo tsy dia mahatakatra loatra aho mba handinika lalina ny tena zava-misy eto tsy hihinana ambolony fotsiny.Nolazaina teo aloha fa handefa olona hisambotra an'i Dada any afrika atsimo ny fitondrana.Mino aho fa tsy resaka zazakely ireny fa ba resaka matotra raha tsy izany mantsy dia fandrebirebena vahoaka fotsiny.Ankilany dia mikasa hody i Dada nefa sakanana mafy indray tsy eto ve ary izy no mora samborina ?Nefa dia matahotra indray ny hat.
Tena tsoriko aminareo tsy dia mandinika lalina fa tsy mitombona mihintsy izany lojika izany.Misy zavatra tena mampitahotra ny hat mihintsy ao ary mino aho fa matahotra ny marina hitranga ny hat satria hanagadra olona tsy meloka .Mbola resaka tsy mazava mantsy ireny resaka 7février ireny hoe iza marina no tena fositra.Mifandray amin'io koa ny famoahana an'i kolonely Charles izay tena atahoran'ny hat mafy satria nivadika izy ary vonona ny hilaza ny marina rehetra.Mahana amin'ny ratsy nataony ny hat ankehitriny ka lasa manaonao foana sisa.
Tsy maintsy tazomina ireo minisitra misy maloto rehetra sao vao maika ho afabaraka eo raha toa ka olon-kafa no eo.Tsy i Dada akory no tsara fa ny ataon'ny hat koa dia tena mampihomehy sy mahamenatra.Mila mandinika lalina vao manohana olona fa tsy tohanana daholo akory izao adala rehetra izao.Raha tsy hoe mahazo tombotsoa manokana amin'ny hat angaha ianareo ka tsy omena tsiny.satria mety ho tapaka ny fihinananareo raha tonga indray i dada.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6184