Miharitra ny mpanohana an-dRavalo: Tsis kil tsony!!!

1. ronaldo09 ( 23/11/2011 08:16)
Tena vita hatreo ny amin-dravalo: tsisy tsony kil ao aminy,i Raharinaivo efa tonga saina ka lasa aty aminay,rasomotra koa toy izany, nanaraka moramora i Vy Vato;Raharisaina,Andriamandavy,Yves Aimé,Niala i Fetison, zao indray nipistika koa i Botozaza sy Ruffine!!!
Tsisy tsony ny kil e!!!
Ny governemanta ity efa nahazo tsodrano tanteraka tamin'ny TROIKA ,akory atao ravalo a!!!Izao no todin'ireo olona maty sy nogadraina tsy aminantony!!! Firy moa no matimaty foana tamin'ny 2002? Nodorana hatramin'ny Radio Tsioka Vao !!!Mahereza e!!Anay zao ny tanana fa nivadihan'ny Sud AF ianao !
hehehehehehehe!!!!!!!!
novalian'i nilex ny 25/11/2011 05:57
2. rijadolly ( 23/11/2011 14:48)
Aza mandrangitra valifaty ry se a! Ny fahamarinana anie samy mbola tsy tompony na iza na iza e! Ny valin'natao no hirahiraina. Tsy aleo ny fifamelana no atao hirahira dia samy mandry saina na i Andry Rajoelina azà. Tsy fantatry se angaha fa io valifaty io no atahorana hatramin'izao no eo no miantsy ady eo? Ny filaminana ny ho avy no tanjona fa tsy ny fitondrana tetezamita.
3. andrywui ( 23/11/2011 20:09)
tsy mandrangitra ady izy ry rijadolly fa milaza ny zavamarina a ! iza tsony tokoa mo sisa no mpanohana an'i dada eo fa ireo akanga sisa nanamborana mafy loha sisa mihogahoga eny magro sy ato am serasera ato !! -- vita izy e sady film efa godraka be
4. rijadolly ( 23/11/2011 20:28)
Hoy i Andrywui:

vita izy e sady film efa godraka be

Rehefa vita ny film 1972, dia nasiana ny 1975, ary dia natao 1985, dia ny film 1991, dia miditra ny 2002, dia avy eo 2009, Dia miandrandra ny tohin'filma izany no tanjona? Aza mba mihazakazaka mankany fa arovy mafy ny maha Malagasy fa tsy ny malgache,

Iza no sahy milaza fa tsy mahavaha olana ny Fifamela hatramin'izao? . Moa tsy ny fanamarinantenan'tsirairay sy ny fanamelohana ny hafa izao no mahatonga ny vahoaka hijaly? Hany ka na ny safidim-bahoaka aza no tapenana tamin'ny voa-mahafaty mba tsy hivoaka ao anatin'ny paosiny.
5. nilex ( 25/11/2011 05:57)
Rehefa mihady hevitra toy itony dia mila mandinika lalina fa tsy entin'ny fo fotsiny.Jereo tsara fa mbola ny frantsay irery ihany no namoaka hevitra momba io governemanta io an.maninona no tsy mbola nitenay na dia ny UA aza(union africaine),ny UE ,ny USA ,sy ny maro.Tsy mbola naneho ny heviny ireo rehetra ireo ka misy dikany tokony handrasana izany eny fa na dia ny ONU aza tsy mbola niteny mihintsy.Misy zavatra tsy milamina ao izany ary tsy mbola fantatra ny hoavin'io governemanta io.Ny SADC fotsiny no tsy afaka miteny mivantana satria tratran'ny fandrika koa ka sahirana fa mino aho fa mahita zavatra tsy mety ry zareo .Aleo ho jerena eo fa mino aho fa mbola hisy fanovana io.
Tena mahavaha olana ny fifamelana ary io no andrasana dia mivaha tanteraka ny olana eto.Misy ny milaza azy ho marina mantsy tsy marina fa mahay miafina fotsiny.Mandoto ny hafa no ataony eo dia hoe tsy ho hitaizay ataony fa ny olona vendrana no azony amin'izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2996