ciao iza no tena izy

1. nomeja ( 19/11/2011 13:37)
salama daholo tena vely hevitra za sady bedabe ny fivavahana amin zao fotoa zao ari sanminadramako izy dahonlo zaho manko mipetraky italy mivavaky katolika nefa za madeha thailand mivavaky aminy budda za madeha india mivavaky aminy indu za madeha pakistan mivavaky aminy musulman satria nifinoako dia ilai aminy izy leono hamodry ahy lefatoga ny adrofalany ameo tolohevitra azafady sao diso lalana
novalian'i niryna ny 30/11/2011 07:44
2. rijadolly ( 19/11/2011 15:21)
Io moa safidy be manadala ka mila mitandrina ny tsirairay. Raha Bouddhiste no anotanianao dia ny anay no marina hoy izy, raha silamo no anotanianao dia ny anay no marina hoy izy...raha Kristianina no anotanianao dia ny any no marina hoy izy sns...sns dia ohatry izay hatrany ny valiteny azonao.
Ny fanotaniana tsara apetra voalohany dia hoe rehefa aiza aho no mivavaka no tena manenjika ahy izay fatahorana tsy ho voavonjy izay. Ary mino aho fa ny 50% ireo fiangonana nidiranao dia azo antoka fa tsy tianao aleha intsony manomboka eo amin'io fanotaniana apetrakao io. Manomboka eo amin'izay ny famitahana ohatry ny tena marina. Sarotra ny hinoana ny fivavahana izay mitarika ny tena hanimba ny tena izay heverina fa tokony ho kolokolina.Tsy misy fivavahana marina ka hitarika anao hanalavitra an'Andriamanitra. Tsy misy fivavahana marina ka tsy hiteny ny faharatsianao. Anjaranao manomboka eo ny mijery ny andaniny avy fa tsy maintsy misy hevitra samy hafa izay mifanohitra ao. Inoaka indray fa tafahala ny 50% an'ireo sisa ambiny, izany hoe 25% any ho any sisa. Azoko antoka fa mitovy fitoriana ireo ambiny ireo. Hamafiso hatrany ny fangatahana fanampiana avy any amin'Andrimanitra ilay Nahary izao tontolo izao mba hanampy anao hatrany am-boalohany ka hatrany amin'ny safidy farany. Mahereza hatrany miombom-po amin'Andriamanitra hanoroany ny lalanao.
3. nannie ( 20/11/2011 06:55)

Dia izao : tsarovy fa ireo fiangonana rehetra ireo dia samy mbola eto an-tany : mandia tany ka tsy maintsy solafaka, miloloha lanitra ka tsy maintsy ho lena. Samy manana ny fahalemeny ireo, toa ahy sy ianao. Noho izany, aza mitoky amin'ireo izay zavatra ivelan'ny tenanao, fa henoy ny feon'ny fieritreretanao. Fa na ireo aza dia samy mifaninana ny ho any an-danitra, samy mety diso. Fa ianao manokana, arindrino ny varavaran'efitrao dia mivavaha irery ao. Henoy tsara ny feon'ny fieritreretanao, dia mivavaha amin'"Izay Nahary", fa misy Izy, ary tsy ho ela Izy, Ilay tena Izy, dia hamaly anao.

rijadolly:

Io moa safidy be manadala ka mila mitandrina ny tsirairay. Raha Bouddhiste no anotanianao dia ny anay no marina hoy izy, raha silamo no anotanianao dia ny anay no marina hoy izy...raha Kristianina no anotanianao dia ny any no marina hoy izy sns...sns dia ohatry izay hatrany ny valiteny azonao.
Ny fanotaniana tsara apetra voalohany dia hoe rehefa aiza aho no mivavaka no tena manenjika ahy izay fatahorana tsy ho voavonjy izay. Ary mino aho fa ny 50% ireo fiangonana nidiranao dia azo antoka fa tsy tianao aleha intsony manomboka eo amin'io fanotaniana apetrakao io. Manomboka eo amin'izay ny famitahana ohatry ny tena marina. Sarotra ny hinoana ny fivavahana izay mitarika ny tena hanimba ny tena izay heverina fa tokony ho kolokolina.Tsy misy fivavahana marina ka hitarika anao hanalavitra an'Andriamanitra. Tsy misy fivavahana marina ka tsy hiteny ny faharatsianao. Anjaranao manomboka eo ny mijery ny andaniny avy fa tsy maintsy misy hevitra samy hafa izay mifanohitra ao. Inoaka indray fa tafahala ny 50% an'ireo sisa ambiny, izany hoe 25% any ho any sisa. Azoko antoka fa mitovy fitoriana ireo ambiny ireo. Hamafiso hatrany ny fangatahana fanampiana avy any amin'Andrimanitra ilay Nahary izao tontolo izao mba hanampy anao hatrany am-boalohany ka hatrany amin'ny safidy farany. Mahereza hatrany miombom-po amin'Andriamanitra hanoroany ny lalanao.
4. nomeja ( 20/11/2011 11:57)
mahagaga ana dia zao efa togo ny adro falany dia iza no voavodry tsireve mivavaka aminy izy lehetsa tsimetsy ray aminy izy mako no adriamanitra marina
5. rijadolly ( 20/11/2011 12:14)
Sarotra Nomenja ny ilaza aminao hoe izay miaraka amin' Fiangonana zaroa na izaria no ho voavonjy. Satria mantsy na ireo mpino ao amin' ilay Fiangonana aza tsy voatery ho voavonjy avokoa, Fa ianao ihany no mahafantatra ny ao am-po tsy miloakanao akaotra ilay MPITSARA MARINA.
6. nomeja ( 20/11/2011 13:10)
misaotra rijadolly makasitsaka tsimidika makany fiangonana hovoavodry fa na mivavaka atsano dia henony adriamanitra ny iany dia izy no hiatso ahy
7. didi10 ( 20/11/2011 15:44)
Miarahaba ny namana rehetra ary miarahaba ny namana nanoratra ny lohahevitra.

Tsara be ny fanontanianao satria na ny olona efa mihevitra ny tenany ho kristianina aza dia tokony hametram-panontaniana ihany satria ny valan'ondrin'Andriamanitra dia iray ihany ary ny fahamarinana dia iray ihany.
Jao 10 : 16
16 Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.

Tonga dia valiako avy hatrany ny fanontanianao
Didin'Andriamanitra didy voalohany sy faharoa

Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
3 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;
6 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.

I kor 8 4-7
Ary ny amin'ny mihinana ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin'izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany. 5 Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na ety an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro); 6 nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian'ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.

hitohy ny fanazavana...

8. nomeja ( 20/11/2011 16:33)
misaotra didi10 makahely
9. rijadolly ( 21/11/2011 00:24)
didi10:

.....................

Amin'ny maha Kristianina ahy dia manaiky tanteraka io voalazan'ny Didifolo io aho.
10. RBNIR ( 21/11/2011 08:02)
nomeja:

salama daholo tena vely hevitra za sady bedabe ny fivavahana amin zao fotoa zao ari sanminadramako izy dahonlo zaho manko mipetraky italy mivavaky katolika nefa za madeha thailand mivavaky aminy budda za madeha india mivavaky aminy indu za madeha pakistan mivavaky aminy musulman satria nifinoako dia ilai aminy izy leono hamodry ahy lefatoga ny adrofalany ameo tolohevitra azafady sao diso lalana

Faly miarahaba namana,

Ito ny valin'ny hetahetanao, mahareta mamaky fa famonjena namana ary tena hitako fa tsy te ho diso lalana ianao.

http://forum.serasera.org/forum/message/m4ec245d12e862

Ny Tompo anie homba anao.

samy ho tahin'ny Tompo namana,

11. RBNIR ( 21/11/2011 08:15)
« Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jaona 14:6)

Jesosy no natolotr'Andriamanitra ho famantarana ny amin'ny fisiany (voarakitra ao anatin'ny Baiboly Masina dia ao amin'ny testameta vaovao ny Asa lehibe rehetra nataony), Araka iry hafatra napetray iry dia tsy misy olona mankany amin'Andriamanitra afa-tsy amin'ny alalan'i Jesosy irery ihany.

Samy ho tahin'ny Tompo namana,
12. rijadolly ( 21/11/2011 19:05)
« Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jaona 14:6)

Maro ny efa nandre izany Teny izany, ary nisy ny nandray ny fahamarinany, tsy latsak'izay kosa anefa ny misalasala, ary tsy vitsy ireo tsy mino. Tsy maintsy mahare izany Filazantsara izany anefa izao tontolo izao avy amin'ireo mpitory. Ho an'iza anefa izany Teny izany? ho an'izay efa Mino izany Teny izany ve?
13. niryna ( 26/11/2011 16:30)
nomeja:

mahagaga ana dia zao efa togo ny adro falany dia iza no voavodry tsireve mivavaka aminy izy lehetsa tsimetsy ray aminy izy mako no adriamanitra marina
andro farany amin'ny inona hono hoy ny olona nahenonao azy?

Misaotra anao nizara sy tsy nisalasala nanontany.Marina tokoa ireo fanontanianao ireo ary na dia olona milaza ho kristiana aza dia mbola maro tokoa ny fanontaniana tiana ho fantatra.
Maro tokoa ny olona mbola tsy mino an'Atra ary maro no manana andriamanitra hafa izay heverina fa ho Izy noho ny fampianarana azony.Tsy omena tsiny izy ireny fa anjaran'izay mahalala no mizara izay mba fantany.Hianao dia hianao irery no manao ny devoir.Mivavaha ao amin'ny mangina ary mangataha amin'ilay Atra Mahery izay nanao ny lanitra sy ny tany .Mangetaheta anao ny tenako,te hidera sy ankalaza ny anaranao,atolotro anao ny foko,mivoha ny varavarana ka mba omeo hery avy aminao aho hanana finoana fa hianao ilay Atra tadiaviko.Raha miresaka an'io ATra io aho dia ny Atra izay samy heken'ny rehetra fa Izy no nanao ny tany sy ny lanitra,any ambony any hoy izy ireo( na inona finoana na inona) saingy rehefa mandalina ny finoan'ny hafa hianao dia lasa miova tsikelikely ilay ATra izay nilaza hoe : Izaho no Jehovah ATrao ,izay nanafaka anao tany Egypta.
Manao devoir hianao hoy aho ary mamakia baiboly ka mangataha amiNy mba homeNy ny fanahy masina hianao hanazava anao ny teny ao.Rehefa mangetaheta mitady Azy tokoa hianao dia Izy no anokatra ny fonao ary anome finoana kely ao anatinao ao ary dia hokolokoloiny tsikelikely izany ary hianao indray aza any aoriana any no hizara ny teniny rehefa omeny ny fahasoavana ka ampahafantatra ireo olona izay nisalasala tsy nahalala azy koa.Tsy mora ny manaraka Azy saingy ny fampanantena omeny dia tsy voavidy vola.
Ny hoe mijanona ao an-trano indray mivavaka dia afaka miantso azy foana isika na aiza na aiza ny toerana misy antsika.Mitadiava fiangonana izay mivavaka ka mizara ny tenin'Atra ary mametraka an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ary Mpanavotra ny fanahy (mba tsy ho very amin'ny andro farany).Tsy misy elanelany,mitoriteny izy ka mampianatra ny fampianaran'i kristy.Tsy manao izao sy izao: tsy maintsy manao izao sy izao, mvavaka etsy,miankohoka eroa,mivavaka ny sarisary na manorokona izay sary ita.Fahatsiarovana fotsiny ireny fa ilay Kristy dia Fanahy ka tsy azo atao sarisary etsy sy eroa.Hianao dia mahafantatra e,ny zava-boary rehetra nataon'Atra dia tsy tokony atao mitovy aminy(ireo biby sy hazo izay hivavahan'ny finoana hafa),ny olona efa maty mbola hivavahana na angatahana fivavahana(ny razana) , dia anao no mandanjalanja hoe ahoana tokoa moa izany fa na ny anjely aza tsy azo hivavahana ka maika fa ny voary rehetra nataony.Eny e.Rehefa mangetaheta ny tena te hitady an'ilay Kristy izay Atra tonga nofo hianao dia hiseho aminao ny fanahy masina hanome hery sy finoana anao. TEninY io ka izay rehetra mitady azy dia asehony amitsika tokoa ny voninahiny.Eny Izy no nifidy antsika ka fantany avy hatrany ny ao ampontsika.
Izay fa lava loatra
Mahereza
14. kooool4 ( 27/11/2011 08:34)
rijadolly:

« Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jaona 14:6)

Maro ny efa nandre izany Teny izany, ary nisy ny nandray ny fahamarinany, tsy latsak'izay kosa anefa ny misalasala, ary tsy vitsy ireo tsy mino. Tsy maintsy mahare izany Filazantsara izany anefa izao tontolo izao avy amin'ireo mpitory. Ho an'iza anefa izany Teny izany? ho an'izay efa Mino izany Teny izany ve?

Mmmh, marina fa ao anaty baiboly tokoa io teny io fa ny olana: tsy voalaza eo hoe dia ahoana izany ireo tsy nahalala mihitsy ka maty avy eo dia lasa aiza? Tonga dia any @helo zany sa? Raha izany nefa dia tsy rariny ihany satria Jesoa tany moyen-orient, diman-jato sy arivo taona taty aoriana vao tonga tany amerika ny eropeanina, dia ny olona tao anelanelan'izay izany lasa aiza daholo? Jentily na jentilisa hoy ny baiboly mantsy azy ireny, fa ny fanontaniako dia ny momba an'izay tsy nahafantatra mihitsy nefa tsy teraka tany palestine. Na dia ny razan-tsika tsy nahafantatra na inona na inona ary izany dia lasa aiza? Any ambondrombe sa any amin'ny afobe sa afo fandiovana sa aiza? Tsy mazava! Sady normal angamba raha tamin'ny misionera vao tonga teto Madagasikara nitory raha maro ny tsy tonga dia nino fa nilaza fa izy tsy hivavaka amin'ny razam-bazaha (normal sady tena rationnel izany fomba fijery izany), dia avy eo lazaina fa izay nino sy nanaraka ny toriteny nentin'ny misionera vazaha dia hoe noho ny asan'ny fanahy masina (fa ny sasany izany tsy niasan'ny fanahy masina matoa lasa menalamba fa niasan'ny asan'ny devoly, satria koa angamba mety hoe mbola nampiasa ody? alors que mi-raisonne logique fotsiny rizareo fa ireo izay nanaraka ny misionera resy lahatra t@ hevitr'iretsy farany sy ny fitaovana ary ny fomba nentiny nanao an'izany, nefa mazava fa ny fitoriana dia fandresen-dahatra aloha...
15. kooool4 ( 27/11/2011 08:34)

16. kooool4 ( 27/11/2011 09:21)
nomeja:

salama daholo tena vely hevitra za sady bedabe ny fivavahana amin zao fotoa zao ari sanminadramako izy dahonlo zaho manko mipetraky italy mivavaky katolika nefa za madeha thailand mivavaky aminy budda za madeha india mivavaky aminy indu za madeha pakistan mivavaky aminy musulman satria nifinoako dia ilai aminy izy leono hamodry ahy lefatoga ny adrofalany ameo tolohevitra azafady sao diso lalana

Fanontaniana mipetraka foana mihitsy io, ary olana goavana satria mahatonga adihevitra maro indrindra fa amin'izao fotoana izao izay efa samy mahafantatra ny fisian'iry sy iry ny ankabeazan'ny olona... ary maro amin'ireo no mino Andriamanitra tokana tahaka ny kristianina, na ny razantsika fotsiny azy... ny zavatra tsikaritro amin'izy ireto anefa na dia hoe efa somary sarotra amin'izao ny hoe handeha hitory any amin'ny boudhistes na ny musulman ka hoe ny tanjona dia ny hamadika kristianina azy ireo, somary sarotra ihany izany an... mÄ“me na ny papa aza tsy maniraka handeha hitory any amin'ny silamo na boudhiste (mmh, inona ny antony? F'angaha moa rehefa ampian'ny fanahy masina tsy tokony ho mety foana io?).... fa ny mahavariana amin'ireto fivavahana mino Andriamanitra tokana ireto dia ny fisian'ny ''dénominateurs communs'' amin'ny fahendrena ampianariny tsirairay avy ary tsy ao anaty baiboly ihany no ahitana ny fahendrena sy ny sisa fa amin'ireny vondrona tsy kristianina hafa ireny aza, ny razantsika koa anisn'izany... ohatra ny fanajana ray aman-dreny, tsy mbola nisy nilaza hoe ankahalao ny ray aman-dreninao... ohatra hafa ny firahalahiana sy ny fitiavana, ny fihavanana sns (anisan'ny fototry ny fampianaran'i Jesoa) fa hita amin'ny vondrona rehetra tsy voatery ho kristianina.... ary ny farany tsikaritro dia ny fanarahana sy ny fanajana ireo ''dÄ—nom communs'' ireo dia mampilamina ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny na aiza ianao na aiza, na kristianina ianao na tsia, ary ny fanaovanao ny ratsy mifanohitra amin'ireo koa dia mitarika vokatra arakaraka izany na iza ianao na iza!

Misy hiran'ny katolika somary fetsifetsy izay ny tonony:
''Ny razantsika hendry...
Sy lalim-pandinihana...
Dia niaky fa ny Tompo no.......'' jereo any anaty fihirana katolika :p

Fa sao dia ilay fahendrena kosa ary ny ady klé fa ny fivavahana anisan'ny fitaovana ahatsapan'ny olona izany sy hitondrany ny fiainany! D'ailleurs tsy ny isan'ny olona tonga any am-piangonana isan'alahady mihitsy no midika inona sinon efa paradisa an-tany i Madagasikara fa ny fampiharana sy ny fanarahana ampianarina any izay tsy inona fa ny fahendrena sns ihany... ary raha mbola hifankahala sy hifampialona sy hifamingana sy tsy haiko fotsiny ny ataon'ny olona fa tsy mety tonga saina amin'ny tokony hifankatiavana, hifanampiana, sns dia tsy ho tafita mihitsy razanakolombelona fa mankany amin'ny fahaverezany...
Amiko tsy ny maha boudhiste na hindouiste na musulman na kristianina aloha no zava-dehibe voalohany fa ny ezaky ny tsirairay amin'ny fifankatiavana, lavitry ny fifankahalana, ny ady, ny fialonanana, sns... fa raha mahatanteraka an'io fotsiny ny tsirairay ne serait-ce que l'amour, dia masa paradisa izao tontolo izao...
17. niryna ( 30/11/2011 07:25)
rijadolly:

« Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jaona 14:6)
ary mbola manamafy izany ihany koa Paoly Apostoly ao amin'ny Galatiana 1 satria misy mantsy mampitaha ny filazantsaran' i kristy ho amin'ny filazantsara hafa ary misy mbola mampianatra diso ihany koa milaza fa mbola misy mpanelanelana antsika amin'i kristy sy Atra
kooool4:

Maro ny efa nandre izany Teny izany, ary nisy ny nandray ny fahamarinany, tsy latsak'izay kosa anefa ny misalasala, ary tsy vitsy ireo tsy mino.
ka izay anie ilay nomena safidy e,efa nomena ny rehetra (antsika avokoa izany famonjena izany fa moa isika mandray).Efa notoriana teny izany isika ka anjarantsika no manao ny fandalinana ka . Dia ahoana izany ireny olona tsy nandre ireny? Izay olona mahalala ny lalana dia tsaraina araka ny fahalalany ny lalana,izay tsy mahalala izany kosa dia Atra no mahalala na mino Azy izy na tsia.Ny Baiboly anie ka tsy teo amin'i kristy no nanomboka e.Nisy ny TT ary nisy TV ka na ny TT aza dia efa misy miresaka ny fanahy masina e. Ny faminaniana rehetra ny fihaviany ,ny nahaterahany,ny taranaka nipoirany( kristy io no asiako teny an). Na iza anefa nino ny teny tao anatin'ny baiboly na iza tsy nino dia efa nomen'Atra ny rehetra ny didy folo :Aza manana Atra hafa afatsy Izaho irery ihany,Aza miankohoka amin'ny sarin-javatra na .Aza mangalatra,aza mijangajanga,aza mitsiriritra ny zavatry ny namanao, sy ireo ambiny.Ka na ny zaza aza dia mahafantatra ny tsara sy ny ratsy ka izay no hitsarain'Atra azy ireo
18. niryna ( 30/11/2011 07:27)
Tsy maintsy mahare izany Filazantsara izany anefa izao tontolo izao avy amin'ireo mpitory
marina tokoa izany ary araka ny notenenin'i kristy ao anatin'ny Baiboly fa ny famonjena dia omena ny Jiosy dia avy eo ny Jentilisa ary naniraka ny mpianany koa Izy(mandehana amin'izao tontolo izao ka ataovy mpianatro ny firenena rehetra..) dia izao tonga ato amin'ny sera izao isika rehetra mitory izay mbola tsy mahafantatra.
Ohatra iray ihany anefa izany fa maro ny fanehoan'Atra ny olona ny Teniny satria hoy ihany izy ny lanitra no ho levona fa ny teniko tsy mba ho levona
Ho an'iza anefa izany Teny izany? ho an'izay efa Mino izany Teny izany ve?
ho an'ny rehetra mba hino Azy,faniriana ny an'ATra satria tsy misy tiany ho very isika na iray aza ary Izy irery ihany no hitsara antsika ka fantany tokoa ny tena mino Azy sy ny mody minomino ary ny tena tsy mino. ka na efa meloka aza isika ka mibebaka sy mangataka famelankeloka aminy dia ho vonjeny amin'ny fatotry ny fahotana sy ny asan'ny satana izay mangeja ny olona.
Very aiza ary inona no very? ny vatana ve ? Io moa dia mivadika fampitahorana ny olona satria tsy isika no ampitahotra ny olona fa ny anjarantsika dia ny mizara ny tenin'Atra ka mizara izay teny ao anatin'ny baiboly satria araka ny tenin'ny namana ombieny ombieny dia misy ny fiainana aorian'ny fahafatesana,miandry ny fitsarana isika,miandry ny fihavian'i kristy indray isika izay hitsara ny velona sy ny maty.Ny fanahy masina no miaraka izay mino azy ary ny baiboly no manambara ny fisian'ny afobe ka dia lazaina izany fa tsy ampitahorana akory .Satana dia misy ary efa voasoratra koa izany saingy izy koa dia maneho ireo izay tsy mino an'Atra fa tsy misy izy ary mampandainga azy ireo mba tsy hino an'Atra ireo miriorio saina.Misy fetrany anefa ny zavatra rehetra ary noho izany dia misy fetrany koa ny heriny.Voasoratra ao anaty baiboly avokoa izany an
Ny fanahy dia an'Atra ka miverina any aminy izany fanahy izany fa ny vatantsika kosa dia miverina ho vovoka araka ny Teniny fa vovoka no niaviantsika ka miverina ho vovoka isika -
Ny maha olona antsika dia vatana sy saina ary fanahy ary nohariny mitovy aminy isika fa tsy mitovy ny biby ho izy (misy mantsy mampianatra diso fa ny biby koa dia manana fanahy ka dia hiaraka amin'ireo izay any an-danitra rahatrizay- Dia ireny hoentin'ny sasany any am-piangonana ireny angatahana tso-drano ooops ).

Finoana:raha tsy mino izay teny nampitondrana ny olona iray ataony ahoana no andray Azy? Mbola fantany ihany koa ny hino azy sy ny tsy mety mino fa miziriziry(Vao tany ambohoka hianao hoy izy dia efa fantatro- na ny singambolonao aza dia efa voaisako,ary tsy misy afaka manala na manampy ny andro hiainany ihany koa hoy Izy).
19. niryna ( 30/11/2011 07:37)

Mmmh, marina fa ao anaty baiboly tokoa io teny io fa ny olana: tsy voalaza eo hoe dia ahoana izany ireo tsy nahalala mihitsy ka maty avy eo dia lasa aiza?
dia vavolombelon'ny mpiasa ny bainga voavadika. Ny zavatra tsara na ratsy nataony tety an-tany no hitsaran'Atra Azy ary moa ve izy nino ny teny izay nomena azy? Satria tsara ho fantatra fa Kristy dia efa niaraka ny Ray sy ny Fanahy Masina hatrany amboalohany an (TT-Telo izay iray -trinity -Andao isika anamboatra olona mitovy amintsika- Nino ireo teny nampitondraina ny mpaminany ve ireo olona taloha ? Efa nahalala an'Atra avokoa ny olona izay nanao ny tany sy ny lanitra.Ny ntaolo nivavaka tamin'ny razana kanefa manana ohabolana isika fa Aza ny lohasaha mangina no jerena fa 'Atra ao an-tampon'ny loha.Na nakambany aza ny razana sy ny zanahary dia taty aoriana dia tonga ihany ny teny ka,naniraka olona izy hizara ny tenin'Atra ary raha tsy nino an'Atra aza izy ireny nahafantatra ny tsara sy ny ratsy ,ny tokony atao sy ny tsy tokony atao(izay ilay olona ao ambanin'ny lalana)
Dia jereo koa fa rehefa natao batisa izy dia nisy feo avy tany an-danitra"Ity no zanako Malalako,izy no henoy " dia ny Fanahy Masina kosa izay niendrika domoina na voromailala no teo ambonin'ny lohany.
Tonga dia any @helo zany sa? Raha izany nefa dia tsy rariny ihany satria Jesoa tany moyen-orient, diman-jato sy arivo taona taty aoriana vao tonga tany amerika ny eropeanina, dia ny olona tao anelanelan'izay izany lasa aiza daholo?
misaotra anao fa fanontaniana manitikitika ny rehetra tokoa izany fa izay mahalala lalana hoy aho dia tsaraina amin'ny lalana izy fa isika kosa ankehitriny efa nomena antsika ny teny ka ny finoana Azy no hitsaraina antsika(Vakio ny Galatiana 1 raha manana Baiboly hianao ,ary angamba tsy tsara ny maka ny toeran'Atra ka. satria Izy irery ihany no mahalala ny ondriny.Nohariany avokoa isika rehetra ka tsy misy na iray aza tsy noharian'Atra.Tsy misy na iray aza tiany ho very,ary ny afobe tsy nataony ho antsika fa nataony ho an'i satana sy ny miaramilany ka izany no hifikirantsika mafy ny tenin'Atra mba tsy ho voahozongozona ny finoantsika.

Jentily na jentilisa hoy ny baiboly mantsy azy ireny, fa ny fanontaniako dia ny momba an'izay tsy nahafantatra mihitsy nefa tsy teraka tany palestine. Na dia ny razan-tsika tsy nahafantatra na inona na inona ary izany dia lasa aiza?

ka izay no hitoriana amin'izao fotoana izao ka,isika taranaka aty aoriana no manapaka ny ziogan'ny fanandevozan'i satana.Tsy maintsy ary tsy misy na firenena iray aza ka hilaza fa tsy mahafantatra an'Atra? Ny nitory ny tenin'Atra no mety mbola tsy tonga any saingy Atra mahafantatra ny ao ampon'ny tsirairay avy ary Izy no mandray anjara lehibe nahatonga ny tsirairay hino.
20. niryna ( 30/11/2011 07:44)

Any ambondrombe sa any amin'ny afobe sa afo fandiovana sa aiza? Tsy mazava!

Sady tsy any ambondrombe (satria toerana fihaonanan'ny fanahy rehetra any,jereo fa taty aoriana dia natsangan'Atra ho toby fanasitranana sy fanalana ny asan'ny maizina ny toerana nanodidina an'i ambondrombe io .Ka raha hoe fanahy madio no misy any dia efa tonga tany avokoa ny olona (mbola maro anie na ny ao amintsika fotsiny aza no mbola mivavaka eny amin'ny tendrombohitra sy ny mandeha any amin'i dadarabe e
tsy any amin'ny afo fandiovana izany satria tsy mi-existe izany teny izay ao anatin'ny baiboly(vakio foana ho aho ny baiboly fa aza miandry teny avy any amin'izay mampianatra fotsiny .Asaivoo manome teny eto izay sahy milaza ny fisian'io teny afo fandiovana io(tantara saika tsy nety vita io satria tsy misy na mot iray aza manambara izany ao anaty baiboly fampianarana nomen'ny mpitondra fivavahana ihany io fa tsy ao anaty baiboly ka izay no atao hoe :tsy misy afaka manampy na manala ny teny ao anaty baiboly isika .Ary samy mila manao fanadihadiana ao anatin'ny Baiboly ihany mba tsy hivoana sy hanome teny tsy misy fa isika no hadinin'Atra amin'izany eo
Ny afobe? dia misy satria ny baiboly no manambara izany,iza no andeha ho any? Ireo rehetra izay nomena ny tenin'Atra kanefa tsy mino izany fa toa lazaina fa fandrembirebena fotsiny ihany na tsy mety mino izy.Satria ny famonjena dia ny finoana an'i kristy fa Izy no hamonjy antsika ary Izy irery ihany (izay no voasoratra ao anaty baiboly) Jereo ny Galatiana 1:9-12"Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo ,afa-tsy izay efa noraisinareo ,aoka ho voaozona izy.Ary ankehitriny,olona va no ilaiko fitia,sa Andriamanitra ? Sa mila sitraka amin'ny olona aho ? .Raha mbola mila sitraka amin'olona aho dia tsy mpanompon'i kristy.

Sady normal angamba raha tamin'ny misionera vao tonga teto Madagasikara nitory raha maro ny tsy tonga dia nino fa nilaza fa izy tsy hivavaka amin'ny razam-bazaha (normal sady tena rationnel izany fomba fijery izany), dia avy eo lazaina fa izay nino sy nanaraka ny toriteny nentin'ny misionera vazaha dia hoe noho ny asan'ny fanahy masina (fa ny sasany izany tsy niasan'ny fanahy masina matoa lasa menalamba fa niasan'ny asan'ny devoly, satria koa angamba mety hoe mbola nampiasa ody? alors que mi-raisonne logique fotsiny rizareo fa ireo izay nanaraka ny misionera resy lahatra t@ hevitr'iretsy farany sy ny fitaovana ary ny fomba nentiny nanao an'izany, nefa mazava fa ny fitoriana dia fandresen-dahatra aloha...
Ka ilay finoana anie dia zavatra tsy hita maso kanefa inoana e,ary tsara ho fantatra koa fa tsy isika no nifidy ny hino Azy fa izy no nifidy antsika .Ary raha resaka fanahy masina indray dia tsara ho fantatra fa kristy no niteny hoe angataka ny rainy izy mba anome antsika ny fanahy masina ka ahoana tokoa moa no ahatongavan'ny fanahy masina ( izay avy amin'Atra raha tsy mino an'Atra ilay olona dia ataoko famitombona koa izany.
Satria io fanahy masina io no ampianatra,ampahafantatra,ampibebaka ,ampandresy lahatra antsika ny fisian'Atra ka raha tsy mino ve atao inona tokoa ilay fanahy masina,angatahina atao inona? Finoana tokoa io ary ampiharina amin'ny fiainana andavan'andro tokoa satria tena ita ny fiasany
fa angaha kosa aloha ireo menalamba tsy misy mpino? mety tsy nino izay nozaraina ry zareo fa rehefa tonga ny ady mafotaka miantso an'Atra ihany ry zareo an

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1228