IREO TENY REHETRA AO ANATY BAIBOLY IZAY TOHERIN' MIHARENA
1. rijadolly
(
10/11/2011 03:32)
Hoy i Miharena:
Fa eo ihany isika, mba aposahy tsara mihitsy izay tsy mifanaraka amin'ny Baiboly lazainao fa lazaiko dia mba aposahy hoe inona no tena fahazoanao izay voalaza ao anaty Baiboly ao momba ny devoly sy ny helo e! Eo dia ho hita raha mazava tsara aminao izay voalazan'ny Baiboly.
Dia enjano tsara ary ny salaka Miharena fa alefako tsirairay izy rehetra.
1)
APOKALYPSY 20: 10 "Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo."
Hazavao ny hevitrao amin'io, enga naie ianao ka tsy hilaza hoe sain' Jaona no nahatonga an'io fa tsy avy anay amin'i Jesoa Kristy.
novalian'i rijadolly ny 26/11/2011 09:54
2. LazaDaddy
(
10/11/2011 04:15)
Rijadolly> tsy dia azoko loatra ilay tanjonao satria raha ny fahafantarako ny finoana Miharenianina dia tsy misy lanjany loatra amin-dry zareo ny Baiboly fa ny hafatr'olombelona taty afara no arahiny ... koa raha toheriny ny teny ao amin'ny Baiboly dia inona no mahagaga aao fa tsy azoko loatra mba azavao azafdy.
3. Miharena
(
10/11/2011 06:30)
Eto aloha dia efa mikatso sahady ny fanokafan-kevitra satria tsy Miharena no mandray izay hafatr'olombelona aty aoriana fa ny hafatr'i Kristy aty aoriana azony antoka no aposak'i Miharena.
Tsy ny Baiboly no toherin'i Miharena fa manamafy izay voalazan'ny Baiboly ny hafatra aty aoriana. ary mihoatra ny Baiboly aza satria i Kristy efa nanambara tamin'ny mpianatra talohan'ny namantsihana AZY hoe : Mbola maro ny zavatra tiako ambara aminareo saingy mbola tsy zakanareo izany ankehitriny.
Ka anisan'izany ny Apokalypsy sy ny boky misy hafatra aty aoriana ho an'izay nazoto nanoratra izay azony.
Ka alohan'ny hamaliako ny resak'i Rijadolly, dia mba tiako vakiany tantezaka aloha ilay boky dia avy eo izy milaza fa manohitra tanteraka ny Baiboly izay voalaza ao.
Fa tsy tonga dia Miharena no lazaina fa manely hevi-diso eto.
Aza malaky mitsara.

4. rijadolly
(
10/11/2011 16:54)
Tena marina raha tsy TENY iray ao anaty Baiboly fotsiny aza ty toa tsy voavaly mazava amin'ny valiteny entitra hoe tsy marina na hoe marina. Tena nikatso marina a!
izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo No fandikako io teny ao amin'ny Apokalypsy 20 io
Ary ny fandikanao azy ahoana?

5. LazaDaddy
(
13/11/2011 01:03)
Rijadolly> Hoy ny Soratra Masina hoe: "tsy mahagaga izany fa i Satana aza mampiova ny endrina ho tahakan'ny anjelin'ny mazava". 2Kor11:14
Anisan'ny lainga ampiasain'I Satana amin'izany ny fitenenany hoe: "tsy misy aho"

6. LazaDaddy
(
13/11/2011 01:06)
Rijadolly> Hoy ny Soratra Masina hoe: "tsy mahagaga izany fa i Satana aza mampiova ny endriny ho tahakan'ny anjelin'ny mazava". 2Kor11:14
Anisan'ny lainga ampiasain'i Satana amin'izany ny fitenenany hoe: "tsy misy aho"

7. Miharena
(
14/11/2011 14:51)
Miarahaba anareo indray àry!
Marina io resak'i Lazadddy momba ny anjely maka tahaka ny mazava io. Io ilay atao hoe falsification izay nitaizana ny olombelona efa ela dia ela ary mbola itozoany ankehitriny raha tsy azony tsara ny Soratra Masina sy izay tian'i Kristy ahatongavana.
Ny an'i Krsity, ny MAZAVA avy amin'ny MAZAVA fa tsy sarintsariny. Ary ny sarisary dia zava-poana (illusion).
Efa tokony hiditra amin'nny finoana azo tsapaina tanteraka ankehitriny fa tsy haminany zava-poana na mampitoetra zava-poana ao anaty intsony.
Ny fahazoan'i Rijadolly ny voasoratra ao amin'ny Apokalypsy io moa dia misy izany ny fampijaliana mandrakizay, izany hoe tsy maty mihitsy ireo karazan'olona sy bibidia manana toetra "ratsy" ireo fa hijaly mandrakizay. Erana toy ny inona no asiana izany ary Andriamanitra toy inona no manana izany fikazana izany?
Asa aloha fa misy fandikana azy io resaka bibidia io fa amiko dia ny fitambaran'ny illusions rehetra izy io ary ho levona fa tsy ny fanahin'ny olona efa miala tanteraka amin'ny nofo na fiainana ara-nofo no mankany.
Io fanahy io sisa no mitohy aorian'ny fandaozana ny nofo ary tsy mandre izay fanaintainana intsony. Araka ny teny hoe : indray mipi-maso monja dia hiova ny olona sy ilay tenin'i Krsity hoe : eto amin'izao tontolo izao ianareo fa tsy avy amin'izao tontolo izao (midika hoe avy any ambony no notorontoronina ny olona araka ny fandraisako izany teny izany). Io no fanahy ampahalalaina ny be sy ny maro dia handeha ara-panahy izy ary mahazo antoka fa Kristy no manambara izany dia mifaly ao amin'ny Tompo izy amin'izay.
Ilay témoignage aty aoriana sasany moa dia mahita ny fitondran-tena iray dia very ny fanahin'ny olona manana iny fitondran-tena iny. Dia mino ve isika amin'izay fa hisy na dia iray aza olona hiditra ny fanjakan'ny lanitra? Izay inoany aza manjavozavo aminy ary ny fitondran-tenany manaraka izay onjan'ny fiainana!
Izay no ilàna ny mijoro marina ao amin'ny mazava ary ny haizina tsy hahatratra azy rehefa fantany tsara ny fanahy sy ny atao hoe illusion sy antontam-pahadisoam-piheverana rehetra.
Ny olona mirona any amin'ny ara-nofo no mahatsiaro fanaintainana satria noheveriny fa izay no tena atao hoe fiainana, dia ny firaiketan'ny fanahiny amin'ny nofony. Rehefa tsy fantany ny atao hoe fanahy dia izay no maha-diso fiheverana azy. Ary hevitra ara-panahy daholo ny ao anaty Baiboly fa tsy ara-nofo ka sao dia tonga dia mametraka hatrany izay voasoratra amin'ny fomba fijery ara-nofo isika dia tsy hita hoe inona no marina momba antsika olombelona.

8. rijadolly
(
14/11/2011 20:12)
APOKALYPSY 20: 10 "Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo."
Azon'ny miharena tsara izany ilay fanazavako ô? izany hoe tsy misy teny sarotra na sarin-teny na ohatra fa dia teny mazava tsara.
azon'se hiverenana vakiana amin'izay ary ilay Apokalypsy 20:10 nataoko voalohany eto io. Ahoana ny fijerin'se an'ilay fanazavako sy ilay Teny? Mitovy tsy misy valaka ô?. Dia mbola tsy manaiky ihany ve se fa manohitra izay voalazan'Kristy sy izay voalazan'ireo nandray taty aoriana izay hita ao anaty Baiboly ny an'se? Satria toherin'se ilay fanazavako nefa teny ao anaty Baiboly no averiko.
Nefa dia ny mahagaga ahy eto dia manambara izao se mba hanamarinan'se tena fa tsy manohitra ny teny ao se.
Rijadolly:
izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo No fandikako io teny ao amin'ny Apokalypsy 20 io
Hoy i Miharena:
Ny fahazoan'i Rijadolly ny voasoratra ao amin'ny Apokalypsy io moa dia misy izany ny fampijaliana mandrakizay, izany hoe tsy maty mihitsy ireo karazan'olona sy bibidia manana toetra "ratsy" ireo fa hijaly mandrakizay. Erana toy ny inona no asiana izany ary Andriamanitra toy inona no manana izany fikazana izany?
Azon'ny miharena tsara izany ilay fanazavako ô? izany hoe tsy misy teny sarotra na sarin-teny na ohatra fa dia teny mazava tsara.
azon'se hiverenana vakiana amin'izay ary ilay Apokalypsy 20:10 nataoko voalohany eto io. Ahoana ny fijerin'se an'ilay fanazavako sy ilay Teny? Mitovy tsy misy valaka ô?. Dia mbola tsy manaiky ihany ve se fa manohitra izay voalazan'Kristy sy izay voalazan'ireo nandray taty aoriana izay hita ao anaty Baiboly ny an'se? Satria toherin'se ilay fanazavako nefa teny ao anaty Baiboly no averiko.
Nefa dia ny mahagaga ahy eto dia manambara izao se mba hanamarinan'se tena fa tsy manohitra ny teny ao se.
Miharena:
Fa eo ihany isika, mba aposahy tsara mihitsy izay tsy mifanaraka amin'ny Baiboly lazainao fa lazaiko dia mba aposahy hoe inona no tena fahazoanao izay voalaza ao anaty Baiboly ao momba ny devoly sy ny helo e! Eo dia ho hita raha mazava tsara aminao izay voalazan'ny Baiboly.
9. rijadolly
(
14/11/2011 20:20)
Mangataka fanazan'se aho aloha izay vao mamaly ireo sasany ireo aho mba tsy hivoaka be amin'ilay loha hevitra ilay izy.
10. LazaDaddy
(
15/11/2011 00:19)
Miharena:Tsy menatra akory ianao fa disoanao sahady ny tenin'ny Soratra Masina nataoko tetsy ambony ry Miharena :)
Miarahaba anareo indray àry! Marina io resak'i Lazadddy momba ny anjely maka tahaka ny mazava io.
Tsy ny anjely no maka tahaka ny mazava fa i Satana no "mampiova ny endriny ho tahakan'ny anjelin'ny mazava". Midika zavatra maro io tenin'ny Soratra Masina io:
- Misy i Satana
- Manana endrika i Satana
- Manova ny endriny i Satana (manova ny endriny) mba tsy ahafantaran'ny olona azy ka itenenany hoe "tsy misy i Satana"
- Tsy mahagaga ny lainga sy fitaka ataon'i Satana
- Tsy ara-Baiboly fa mifanohitra amin'ny Soratra Masina ny fampianarana Miharenianina ampianarin'i Miharena
11. Miharena
(
15/11/2011 09:43)
Mba hazavao hoe LazaDaddy ilay mampiavaka ny hoe maka tahaka ny mazava sy ny hoe mampiova ny endriny ho tahakan'ny anjelin'ny mazava?
Satana dia tsy laviko mihitsy ny fisiany hatrizay nanehoana hevitra teto fa ny asany miorina ao anaty sain'ny olombelona ilazan'ny olona fa misy devoly manafika izy no tiana asongadina ary ilazàna fa raha fantatra izany dia tsy hitady devoly ivelany intsony fa ao anaty ary hahay hiala amin'izany mora foana ny tsirairay.
Izay no fahazoako izay voalaza momba ny tsy fisian'ny helo sy ny devoly izay voalazan'i Kristy taty aoriana.
Aoka aloha tsy horaisina foana hoe mbola ho avy ireo fahalevonana mitranga ao anaty bokin'ny Apokalypsy ireo fa efa mihatra ary fotoana fanadiovana izao ankehitriny izao matoa misy ireo teny voaparitaka momba izany fanadiovana izany dia ny fanafoanana ny helo voasoratra ao amin'ny boky taty aoriana. Fanadiovana anaty no itoriana izany ka ny tsirairay dia mahadio ny tenany.
Ny tsy fantatro amin'ny foto-kevitr'i Lazadaddy sy Rijadolly dia ny hoe ; ny famerenana sy fampahatsiahivana hatrany ny fisian'ny devoly sy ny helo ve mampitombo ny olona hizotra amin'ny MAZAVA sa ny fizaràna izay MAZAVA hita porofo ao anaty Baiboly?

12. LazaDaddy
(
15/11/2011 11:11)
[quote=Miharena]Mba hazavao hoe LazaDaddy ilay mampiavaka ny hoe maka tahaka ny mazava sy ny hoe mampiova ny endriny ho tahakan'ny anjelin'ny mazava?
tsy ireo no samihafa fa ilay voasoratra ao amin'ny Soratra Masna hoe "Satana" sy ny fomba nanovanao azy hoe "anjely".Ny atao hoe famonjena dia famonjena amin'ny ziogan'i Satana sy ny helo. Matoa toriana ny FAHAZAVANA dia ratsy ny HAIZINA misy ny ankamaroantsika. Ny olona manaiky sy manetry tena fa ao anaty HAIZINA ihany no afaka mandray ny MAZAVA. "Ny tsy salama ihany no mila dokotera" hoy ny Tompo :)
[quote=Miharena]Satana dia tsy laviko mihitsy ny fisiany hatrizay nanehoana hevitra teto Satana Misy izany i Satana amin'i Miharena :)
[quote=Miharena]Ny tsy fantatro amin'ny foto-kevitr'i Lazadaddy sy Rijadolly dia ny hoe ; ny famerenana sy fampahatsiahivana hatrany ny fisian'ny devoly sy ny helo ve mampitombo ny olona hizotra amin'ny MAZAVA sa ny fizaràna izay MAZAVA hita porofo ao anaty Baiboly?
13. LazaDaddy
(
15/11/2011 11:24)
Miharena:
Mba hazavao hoe LazaDaddy ilay mampiavaka ny hoe maka tahaka ny mazava sy ny hoe mampiova ny endriny ho tahakan'ny anjelin'ny mazava?
Tsy ireo no samihafa fa ilay voasoratra ao amin'ny Soratra Masna hoe "Satana" sy ny fomba nanovanao azy hoe "anjely".
Miharena:
Satana dia tsy laviko mihitsy ny fisiany hatrizay nanehoana hevitra teto
Misy izany i Satana amin'i Miharena :)
Miharena:
Ny tsy fantatro amin'ny foto-kevitr'i Lazadaddy sy Rijadolly dia ny hoe ; ny famerenana sy fampahatsiahivana hatrany ny fisian'ny devoly sy ny helo ve mampitombo ny olona hizotra amin'ny MAZAVA sa ny fizaràna izay MAZAVA hita porofo ao anaty Baiboly?
Ny atao hoe famonjena dia famonjena amin'ny ziogan'i Satana sy ny helo. Matoa toriana ny FAHAZAVANA dia ratsy ny HAIZINA misy ny ankamaroantsika. Ny olona manaiky sy manetry tena fa ao anaty HAIZINA ihany no afaka mandray ny MAZAVA. "Ny tsy salama ihany no mila dokotera" hoy ny Tompo
14. rijadolly
(
15/11/2011 11:32)
rijadolly:
APOKALYPSY 20: 10 "Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo."
Rijadolly:
izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo No fandikako io teny ao amin'ny Apokalypsy 20 io
Hoy i Miharena:
Ny fahazoan'i Rijadolly ny voasoratra ao amin'ny Apokalypsy io moa dia misy izany ny fampijaliana mandrakizay, izany hoe tsy maty mihitsy ireo karazan'olona sy bibidia manana toetra "ratsy" ireo fa hijaly mandrakizay. Erana toy ny inona no asiana izany ary Andriamanitra toy inona no manana izany fikazana izany?
Azon'ny miharena tsara izany ilay fanazavako ô? izany hoe tsy misy teny sarotra na sarin-teny na ohatra fa dia teny mazava tsara.
azon'se hiverenana vakiana amin'izay ary ilay Apokalypsy 20:10 nataoko voalohany eto io. Ahoana ny fijerin'se an'ilay fanazavako sy ilay Teny? Mitovy tsy misy valaka ô?. Dia mbola tsy manaiky ihany ve se fa manohitra izay voalazan'Kristy sy izay voalazan'ireo nandray taty aoriana izay hita ao anaty Baiboly ny an'se? Satria toherin'se ilay fanazavako nefa teny ao anaty Baiboly no averiko.
Nefa dia ny mahagaga ahy eto dia manambara izao se mba hanamarinan'se tena fa tsy manohitra ny teny ao se.
Miharena:
Fa eo ihany isika, mba aposahy tsara mihitsy izay tsy mifanaraka amin'ny Baiboly lazainao fa lazaiko dia mba aposahy hoe inona no tena fahazoanao izay voalaza ao anaty Baiboly ao momba ny devoly sy ny helo e! Eo dia ho hita raha mazava tsara aminao izay voalazan'ny Baiboly.
Miandry ny valin'io aho Miharena ô!
Miharena:
Ny tsy fantatro amin'ny foto-kevitr'i Lazadaddy sy Rijadolly dia ny hoe ; ny famerenana sy fampahatsiahivana hatrany ny fisian'ny devoly sy ny helo ve mampitombo ny olona hizotra amin'ny MAZAVA sa ny fizaràna izay MAZAVA hita porofo ao anaty Baiboly?
Tsy any ilay olana Miharena fa ny hoe marina sa diso ny filazan'Baiboly. Aiza ny filazan'se?
15. Miharena
(
15/11/2011 13:39)
Rijadolly:
Nefa dia ny mahagaga ahy eto dia manambara izao se mba hanamarinan'se tena fa tsy manohitra ny teny ao se.
Tsy manamarintena mihitsy aho fa manazava izay fantatro ihany.
Ny amin'ny hoe manohitra ny Baiboly na ny tanisa, tsy any mihitsy angamba no tokony hilazana azy satria ny fanazavana ny hevitra nipoitra taty aoriana tsy manafoana izay ao anaty Baiboly rehefa vakianao io Baiboly io na amin'ny fotoana inona na amin'ny fotoana inona. Ny tantara sy ny zavatra latsaka anaty dia tsy azo ampitoviana satria ny tantara dia ao amin'ny saina ihany fa ny avy ao amin'ny fo no tena izy. Ka raha miteny ise Rijadolly hoe manohitra ny teny dia ny manakilasy ny teny angamba no marimarina kokoa na ny mametraka azy eo amin'ny sehatra tokony itoerany araka ny fotoanany avy.
Fandalinana fandinihan-tena avokoa moa no zaraiko eto fa izaho tsy miditra mihitsy amin'ny fandrebireben-tsaina avy any ivelany ary tsy hitarika olona ho amin'izany mihitsy.
LazaDaddy:
Ny atao hoe famonjena dia famonjena amin'ny ziogan'i Satana sy ny helo. Matoa toriana ny FAHAZAVANA dia ratsy ny HAIZINA misy ny ankamaroantsika. Ny olona manaiky sy manetry tena fa ao anaty HAIZINA ihany no afaka mandray ny MAZAVA. "Ny tsy salama ihany no mila dokotera" hoy ny Tompo
Marina ny famintinana ataon'i Lazadaddy eto ary iraisan'ny rehetra. Fa ny hany ambarako fotsiny dia hoe rehefa manana ny mazava dia tsy miherika any ami'ny haizina intsony fa mandeha araka ny mazava. Izay ihany no ambarako amin'ny resaka ataoko rehetra. Toy ny olona milaza ny hira hoe : O izany diako mahitsy hatrany re ho any AMINAO ry Tompo.
Ny fiainana no ifantohana ary zaraina fa tsy ny fahafatesana.
16. rijadolly
(
15/11/2011 15:03)
Hoy i Miharena:
Ny amin'ny hoe manohitra ny Baiboly na ny tanisa, tsy any mihitsy angamba no tokony hilazana azy satria ny fanazavana ny hevitra nipoitra taty aoriana tsy manafoana izay ao anaty Baiboly rehefa vakianao io Baiboly io na amin'ny fotoana inona na amin'ny fotoana inona. Ny tantara sy ny zavatra latsaka anaty dia tsy azo ampitoviana satria ny tantara dia ao amin'ny saina ihany fa ny avy ao amin'ny fo no tena izy. Ka raha miteny ise Rijadolly hoe manohitra ny teny dia ny manakilasy ny teny angamba no marimarina kokoa na ny mametraka azy eo amin'ny sehatra tokony itoerany araka ny fotoanany avy.
Dia hita ihany se eto fa tsy sahy handiso ny ao anaty Baiboly nefa manamarina tanteraka ilay fandalinan'olona aty afara. Nefa raha ny hevitro dia sahy i se milaza hoe
Ny fahazoan'i Rijadolly ny voasoratra ao amin'ny Apokalypsy io moa dia misy izany ny fampijaliana mandrakizay, izany hoe tsy maty mihitsy ireo karazan'olona sy bibidia manana toetra "ratsy" ireo fa hijaly mandrakizay. Erana toy ny inona no asiana izany ary Andriamanitra toy inona no manana izany fikazana izany?
izany hoe????????
Raha tsy hiala amin' ilay Apokalypsy 20 isika. aiza ho aiza ny hanamarinan'se hoe tsy mifanohitra ny filazan'se fa tsy misy izany helo sy ny satana devoly,ratsy izany sy io teny iray fotsiny io aloha.
Hazavaiko ny maha mifanohitra azy, dia mangataka an'se aho mba toy izay koa ny fanazavan'se fa tsy miolakolana sy misababaka.
Tsy maintsy hatsipy any amin'ny farihy afo sy solifara, ny devoly sy ilay bibidia ary ilay mpaminany sandoka. Noho izany misy ny devoly, misy ny mpaminany sandoka, misy ilay bibidia ary misy ilay efobe.
Ataovy mazava tahaka izay ny hevitry se ka ahafahan'se milaza fa tsy manohitra io Teny ao anaty Baiboly io se. Dia aza aolakolana. Miandry indray aho.
17. Miharena
(
16/11/2011 04:48)
Tsy hifanaraka mihitsy ny resatsika Rijadolly raha toa ka fanoheran--teny no taritina foana eto. Ny voalaza ao amin'ny fanambaràna taty afara dia hoe ao anatin'ny sain'ny olona ny devoly sy ny afobe ary ny olona no mametraka ny toerana misy ireo. Tsy manafoana izay voasoratra izany fa manome fotsiny hoe aiza no misy io resaka devoly sy afobe io ary iza no mamorona azy ka zary mivaingana tokoa ny fisiany.
Raha ny resaka hoe hatsipy any amin'ny farihy afo sy solifara dia fahitana naseho an'i Jaona io momba ny fandringanana izay zava-poronina tsy maneho ny tena marina.
Fahazoana hevitra mitodika anaty hoy aho hatrany hatrany no resahako ary ny fahefan'ny olombelona mampivoitra izay famoronana anaty izay zary ho lasa seho iray no azoko amin'ny teny taty afara. Toa an'i Krsity nolazain'ny Fariseo fa misy Demonia. Izany hoe ireo Fariseo dia manana mandrakariva ao aminy io foto-pisainana io ka na i Kristy aza zary lasa voatsara ny amin'izany. Manamarina io fanambarany taty afara io ohatra io.
Raha azonao izay tiana tenenina dia tsy tokony handrirotra intsony Rijadolly hoe manohitra ny fanambarana momba ny devoly sy ny helo io fanambarana taty afara io. Mameno na manohy ny fanazavana momba ireo aza ny fanambarana ahafahan'ny olona tsy hitsaratsara foana fa handini-tena.

18. rijadolly
(
16/11/2011 15:11)
Hoy i Miharena:
Tsy hifanaraka mihitsy ny resatsika Rijadolly raha toa ka fanoheran--teny no taritina foana eto. Ny voalaza ao amin'ny fanambaràna taty afara dia hoe ao anatin'ny sain'ny olona ny devoly sy ny afobe ary ny olona no mametraka ny toerana misy ireo. Tsy manafoana izay voasoratra izany fa manome fotsiny hoe aiza no misy io resaka devoly sy afobe io ary iza no mamorona azy ka zary mivaingana tokoa ny fisiany.
Tsy hifanaraka satria mifanohitra. Tsy mahagaga izany raha ny hevitro, fa raha ny hevitry se dia tena mahagaga ihany satria lazain'se fa tsy hifanaraka mihitsy nefa mbola lazain'se indray fa tsy ahafoana ny hevitry ny iray. izany hoe samy marina daholo.
Samy manaiky koa isika rehetra fa misy ny Fiainana MANDRAKIZAY. Ary mbola manaiky koa isika, fa, raha ny eo hanatrehan'Andriamanitra dia tsy misy intsony ny tomany alahelo, sy ratsy, na dia ny hevitrao fa sain-dratsy aza, ary na dia ny hevitro fa ny devoly satana aza.
Eo no mipetraka ny fanotaniako.
Lazainao fa ao an-tsaina ny devoly sy ny afobe. Samy manaiky anefa isika fa misy ny fiainana mandrak'izay. raha lazainao fa samy tsy voafoana ny hevitra roa tany aloha izay nambara ao amin'io Apokalypsy io sy ilay heverin'se fa fanambarana taty aoriana. Dia voatsaoka ao amin'izay hevitry se izay zany ny hoe: Ny devoly sy ny afobe dia mbola ao an-tsain'ireo olona ao an-Danitra akaikin'Andriamanitra, ary ao an-tsainy mandrakizay. satria hoy i se hoe
" ao anatin'ny sain'ny olona ny devoly sy ny afobe ary ny olona no mametraka ny toerana misy ireo. Tsy manafoana izay voasoratra izany fa manome fotsiny hoe aiza no misy io resaka devoly sy afobe io ary iza no mamorona azy ka zary mivaingana tokoa ny fisiany."
Ary tonga dia vakiko ny ao an-tsain'se fa te- hilaza hoe: eto an-tany ihany io fa tsy rehefa miala amin' vatana ny fanahy.
Dia hoy indray aho hoe diso indray izany ilay Apokalypsy 20 amin' se satria nilaza fa
ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo
satria i se milaza fa ao an-tsain'olona ny devoly sy ny afobe.
19. rijadolly
(
16/11/2011 15:29)
Hoy i Miharena:
Raha ny resaka hoe hatsipy any amin'ny farihy afo sy solifara dia fahitana naseho an'i Jaona io momba ny fandringanana izay zava-poronina tsy maneho ny tena marina.
Mazava amin'se amin'izay angamba ny hitenenanay eto foana hoe manohitra ny ao anaty Baiboly se ô? Sa mbola hiala bala indray
Ny olana anie Miharena dia izao e! izay an'se no marina amin'se, nefa se dia tsy sahy manohitra tahaka izao hatrizay, fa miolakolana sy misababaka mitanan-droa.
20. Miharena
(
19/11/2011 07:44)
Rijadolly:
Dia voatsaoka ao amin'izay hevitry se izay zany ny hoe: Ny devoly sy ny afobe dia mbola ao an-tsain'ireo olona ao an-Danitra akaikin'Andriamanitra, ary ao an-tsainy mandrakizay.
Ny filazana fa ao an-tsaina ny Devoly dia tsy midika velively fa ho tavela ao an-tsaina rehefa tonga ny fiainana ara-panahy dieny eto an-tany sy any an-danitra.
Ny fahazoana ny hevitra no mety tsy mifanojo amintsika. Ny fiainana ara-panahy sy an-danitra dia tsy ahafahana hisaina zavatra mifanohitra amin'ny Fiainana sy Fahamarinana ary Fitiavana iombonana. Misy fiombonana ao ary efa azo lazaina avy hatrany fa azo atao tsara dieny ety an-tany ny manana izany. Ny ara-panahy dia tsy ara-tsaina. Tsy ny saina no mitondra ny fanahy fa ny fanahy dia mahaleotena eo amin'ny famelomana azy satria io no maha-sombin'Andriamanitra ny olona tsirairay avy. Ny saina kosa no mampiavaka azy tsirairay avy ao amin'ny tena entintsika tsirairay avy sy ny kolon-tsaiana azontsika avy amin'ny fiaraha-monina misy antsika avy. Rehefa mahatsiaro fa mpiombona sy iray ihany no Loharano nipoirana dia tokony ho efa afaka ireo fahadisoam-piheverana rehetra ary anisan'izany ny devoly ao an-tsaina dia ireo fitambaram-pisainana diso (fisarahana, famoronana hevitra tsy mitombina, fitsaratsaram-poana araka ny fiheveran'ny tena azy fotsiny ihany fa tsy manome izay tokony ho izy akory sns...).
Ireo rehetra ireo dia tsy misy intsony rehefa samy mahalala fotsiny aza hoe iray ny olona rehetra ary iray no loharano nipoirana. Tsy ny olona ihany no voakasik'izany fa ny anjely sy ny zava-mananaina manerana izao rehetra izao (UNIVERS).
Ny Baiboly dia mitantara zavatra mandalo iray ary tsy azo atao ara-bakiteny amiko ny fanambarana ao fa mila fantarina hoe inona marina ireo zavatra ho levona sy ireo izay haharitra mandrakizay. Indrindra moa fa fanazavana fahitana no atao fa tsy zavatra iainana. Rehefa tonga ny fotoana fanalàna ny olona amin'ny vesatra mahazo azy dia afaka ireo zava-devonina ireo satria hangarahara eo anatrehan'Andriamanitra daholo ny rehetra na heverina fa ratsy aza. Io ilay hoe nazera ilay mpiampanga, izany hoe horavana fa tsy hoe avela handrava izay lalovany akory. Amiko io no dikan'ny fanjerana.
Farany, fantatro fa manomboka manana fijery mampitovy izay voambarako sy ny finoany i Rijadolly amin'ny fiheverana ny fiainana mandrakizay saingy mbola hita taratra ao aminao ihany ilay fisalasalàna ny amin'ny fahefan'Andriamanitra hanadio izao rehetra izao satria TENANY.
Ny zava-drehetra dia tsy misy raha tsy IZY ary tsy misy afa-tsy IZY fa ny fiheverana no mety diso, na izany eo amin'i Satana sy ny tariny, na izany eo amin'ny olombelona tsirairay nahazo fitaizana fa lavitra azy ny lanitra sy Andriamanitra.
IZY dia ao am-po sady manerana izao rehetra izao. Rehefa mihiratra amin'izay ny masom-panahin'ny tsirairay dia mahatanteraka ny didy lehibe indrindra dia ny FITIAVANA ka tsy hisy hotri-po hivarina any amin'ny fitsaratsaram-poana.
Izay aloha no azoko ambara ary ataoko fa mety hazava ho an'ny mpamaky fa asa ho an'i Rijadolly na heveriny hatrany hoe miolakolana ny famaliako azy na tsia. Raiso amin'ny mampahazava azy amin'ise ilay izy.
Tsy hoe midoka tena aho milaza fa manatrika ny Tava mamiratr'Andriamanitra no ataoko ary miaina amin'ny fanantenana sy mizara izany fa tsy mamerina ny olona amin'ny tantara intsony.