IREO TENY REHETRA AO ANATY BAIBOLY IZAY TOHERIN' MIHARENA
21. rijadolly
(
19/11/2011 10:47)
Aza avilivily aloha ilay loha hevitra fa ise anie no nangata an'io loha hevitra io e!
Dia mbola niala bala indray moa izany ny havatsika Miharena, ary notakonany indray ilay fahasahiany nandiso ny teny ao amin'Baiboly. Indro averiko indray ny teniny.
Ity ary ilay zava-poronina tsy maneho ny tena marina aminy: APOKALYPSY 20: 10 "Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo."
Ary ity kosa no tena marina aminy: Samy ho voavonjy avokoa ny olondrehetra, eny fa na dia ny devoly satana sy ny fanahy ratsy izay tsy mibebaka aza.ary tsy misy izany afobe solifara izany
Aiza amin'ireo hevitra roa ireo no afaka mifanaraka sy mitovy hevitra?
IREO TENY REHETRA AO ANATY BAIBOLY IZAY TOHERIN' MIHARENA
Dia mbola niala bala indray moa izany ny havatsika Miharena, ary notakonany indray ilay fahasahiany nandiso ny teny ao amin'Baiboly. Indro averiko indray ny teniny.
Miharena:
Raha ny resaka hoe hatsipy any amin'ny farihy afo sy solifara dia fahitana naseho an'i Jaona io momba ny fandringanana izay zava-poronina tsy maneho ny tena marina.
Ity ary ilay zava-poronina tsy maneho ny tena marina aminy: APOKALYPSY 20: 10 "Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo."
Ary ity kosa no tena marina aminy: Samy ho voavonjy avokoa ny olondrehetra, eny fa na dia ny devoly satana sy ny fanahy ratsy izay tsy mibebaka aza.ary tsy misy izany afobe solifara izany
Aiza amin'ireo hevitra roa ireo no afaka mifanaraka sy mitovy hevitra?
22. Miharena
(
20/11/2011 04:56)
Ny teny moa dia iainana Rijadolly ka raha io resaka lazainao io dia tsy azonao izany ny tiana lazaina amin'ny fanazavana ny Apokalypsy izay lazaiko indrindra amin'ny hoe:
Raha ny resaka hoe hatsipy any amin'ny farihy afo sy solifara dia fahitana naseho an'i Jaona io momba ny fandringanana izay zava-poronina tsy maneho ny tena marina.
Ny tonga dia nataonao mena be dia manomboka eo amin'ny tsy maneho...
fa tsy nojerenao ny hoe fandringanana eo alohany.
Asa natao io ary ataon'i Kristy naseho an'i Jaona. Asa fandringanana, fanadiovana satria fanariana izay zava-poronina tsy maneho ny tena marina. Ny Marina dia Andriamanitra sy Krsity. Ny sisa dia zava-poana araka ny resak'i Mpitoriteny. Ireo no ringana rehefa mazava ny olona, dia ny olona mampiditra AZY ao anaty na ny marimarina kokoa mahatsapa fa tenaNY ihany koa.
Toy ny olona boka ny olona mino fahafatesana sy fahaverezana ka tsy mahatsiaro fa IZY IRERY ihany no Loharano Tokana. Ny fiaraha-miasa AMINY dia mazava fa ny filazana amin'ny olona fa Sombin'AINY. Izany no nanoratana ny Baiboly ahafantarana fa misy tsy fetezana harenina.
Raha mamaky tsara ianao dia misy drafitra fanalàna ny fangejàna ao. Ary ankehitriny dia aseho fotsiny ihany ny fomba fanalàna izany dia ny fijerena ao anaty fa tsy hihevitra fa ivelany ilay ratsy dradradradrain'ny olona isanandro io.
Ka miala tsiny fa tsy afaka manome fahafaham-po an'i Rijadolly raha hoe ny fampitoviana ireo hevitra lazainy eo aloha ireo no atao eto fa ny fifamenoan-kevitra no lazaiko momba ny asa fanadiovana.
Ny hany mba tiako hanampiana fotsiny dia isy sehatra na dingana efa nilaozana ela ho an'ny efa mandroso amin'ny ara-panahy ary tsy voatery ho tratran'ny hafa izay mbola eo am-pianarana fa ny farany dia hahalala avokoa ny rehetra satria Andriamanitra tsy hamela ny SOMBINY hisy ho very na dia iray aza.
Ary rehefa tonga ny fahatsoran'ny olombelona dia hahita AZY ao anaty izy miaraka AMINY mandrakariva fa tsy hamorona zava-poana ao an-tsaina intsony.

23. rijadolly
(
20/11/2011 06:07)
Hoy i Miharena:
Ny teny moa dia iainana Rijadolly ka raha io resaka lazainao io dia tsy azonao izany ny tiana lazaina amin'ny fanazavana ny Apokalypsy izay lazaiko indrindra amin'ny hoe:
Raha ny resaka hoe hatsipy any amin'ny farihy afo sy solifara dia fahitana naseho an'i Jaona io momba ny fandringanana izay zava-poronina tsy maneho ny tena marina.
Ny tonga dia nataonao mena be dia manomboka eo amin'ny tsy maneho...
fa tsy nojerenao ny hoe fandringanana eo alohany.
Ataovy menamena daholo aza ireo teninao ireo e! dia hazavao ny angatahiko io ambony io.
24. rijadolly
(
20/11/2011 06:13)
Hoy i Miharena:
Ka miala tsiny fa tsy afaka manome fahafaham-po an'i Rijadolly raha hoe ny fampitoviana ireo hevitra lazainy eo aloha ireo no atao eto fa ny fifamenoan-kevitra no lazaiko momba ny asa fanadiovana.
Mialatsiny an'se aloha aho fa tsy izaho mihitsy no nangataka ity loha hevitra ity fa i se. averiko eto indray ilay antony nanokafako azy.
rijadolly:
Hoy i Miharena:
Fa eo ihany isika, mba aposahy tsara mihitsy izay tsy mifanaraka amin'ny Baiboly lazainao fa lazaiko dia mba aposahy hoe inona no tena fahazoanao izay voalaza ao anaty Baiboly ao momba ny devoly sy ny helo e! Eo dia ho hita raha mazava tsara aminao izay voalazan'ny Baiboly.
Dia enjano tsara ary ny salaka Miharena fa alefako tsirairay izy rehetra.
1)
APOKALYPSY 20: 10 "Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo."
Hazavao ny hevitrao amin'io, enga naie ianao ka tsy hilaza hoe sain' Jaona no nahatonga an'io fa tsy avy anay amin'i Jesoa Kristy.
Vao teny iray ao anaty Baiboly izy ity Miharena, ka ny hevitrao no andrasana mba ahitsy araka ny fomba fitenin'se eto foana.
25. Miharena
(
20/11/2011 10:50)
Asa na efa nohazavaina efa ela ny hoe tsy izaho hoy aho no niteny hoe ao an-tsaina ny devoly fa i Kristy ary efa nohazavaiko araka ny fahazoako azy mifandraika amin'ny teny voalaza ao amin'ny Ampokalyspys io ilay resaka ka asa hoe tsy mazava mihitsy angamba ny filazako azy!
Ny an'i Rijadolly manko toa lasa miverina any amin'ny tantara indray hatrany.
Ny finoana dia izay ankehitriny ary ataoko fa efa mihatra ankehitriny ireo voalazako momba ny fanadiovana ireo.
Ka raha misy ahitsy azonao omena tsara Rijadolly dia ahitsio araka ny fahazoanao azy tsara àry ilay filazako. Tsy izaho no niteny fa IZY dia mba ianao indray no angatahiko hanazava kely ny momba io teny voalaza aty afara io hoe ao an-tsain'ny olona ihany ny helo sy ny devoly. Tsy mitsipaka aho fa Izy no anontanio momba izay filazàna izay.
Ny hany mba tsikaritro dia matahotra ny olona rehefa misy manambara aty aoriana ny resak'i Kristy ny olona ka hany ka manao referansa Baiboly foana nefa tsy jereny mihitsy ny lafiny mahamarina izay lazaina na manazava kokoa izay voambara taloha na tsia ary mety manampy kokoa aza eo amin'ny firosoana amin'ny finoana miasa ao anaty.

26. rijadolly
(
20/11/2011 11:48)

Tsy hanamarina na andiso io lazain'se io aho. Averiko indray, Tsy any anie Miharena ny loha hevitra eto e! Ny loha hevitra izay nangatahan'se no eto. Ataovy mahitsy ny valiten'se, raha tsy azon'se ny tiako tenenina dia ivereno vakiana indray ilay nosokafako voalohany.
Efa namaly mivantana moa se hoe :
Miharena:
Raha ny resaka hoe hatsipy any amin'ny farihy afo sy solifara dia fahitana naseho an'i Jaona io momba ny fandringanana izay zava-poronina tsy maneho ny tena marina.
Aza miala amin'ilay loha hevitra aloha fa any amin'ady hevitra hafa alefa fa manjary HS BE ilay izy.
Dia miandry indray aho ny tena valiten'se tsy miolakolaka fa mahitsy, amin'ireo fampitahana nataoko ao amin' Apokalypsy sy ny hevitra voarahin'se vaovao io.
27. Miharena
(
25/11/2011 06:00)
Mazava anie io voalaza eo ambony io Rijadolly ary tsy HS mihitsy isika hatramin'izao. Tsy mandà izay voalaza ao anaty Baiboly fa manazava ny vontoatin"ny fanambarana ao anaty Baiboly noho ny teny voalaza aty aoriana no atao eto.
Dia ataon'i Rijadolly hoe mitsipaka ny teny momba ny farihy afo sy ny solifara aho. Tsy izaho no mitsipaka fa i Kristy niteny momba ny afobe sy ny devoly ao amin'ny resaka nataoNY tamin'ireo mpikaroka ny momba ny fiainam-panahy marina tamin'ny taona 1800.
Asa na mazava izay filazako azy izay na tsia.
Ary mba te-hanamarika ihany aho hoe sao dia zary lasa toy ny vy mahamay mipetaka amin'ny kristianina aza ny finoana io farihy afo sy solifara io ary tsy heveriny mihitsy ny fanazavana azy io hoe fahitana fa tsy réalité iainan'ny fanahy?
Farany, isika dia tsy afaka hitompo teny fantatra fa tena izay tokony ho voasoratra no voasoratra tao anaty Baiboly fa mila fanazavana izay hevitra fantatra fa saro-takarina ao na misy tsy fetezany ny fanoratana azy satria fantatra fa nofo sy rà ihany no nanoratra ary na ny fandikan-teny aza mety hisy tsy itovizana amin'ny tena teny voalohany nanoratana azy. Ohatra iray ny momba ny vavaka nampianarin'ny Tompo izay hita tao amin'ny antontan-taratasy Qumran atsy amin'ny lohahevitra natsangako efa elaela ihany izay. Misy ny mpandinika mahita fa misy tsy fetezany ny nanoratana ny Baiboly ary ataoko fa miezaka manarina izany i Krsity aty aoriana matoa manome teny mazava kokoa entina mamaha tanteraka ny fatotra noho ny finoana azo avy amin'ny tsy fahalalàna.

28. rijadolly
(
25/11/2011 15:59)

Tonga dia ahitsio Miharena fa aza miolakolanà, eo ambony milaza fa tsy mandiso ny Baiboly eto indray milazafa nofo sy rà no nanoratra ny Baiboly.
Fa ny Mpandinik'i se angaha tsy nofo sy rà no dia mitoko teny fatratra se fa ireo no marina?
29. Miharena
(
26/11/2011 05:50)
Aoka angamba tsy hitsongo teny hatrany amin'ny resaka atao Rijadolly fa aoka ny vontoatin'ny Baiboly no entina hasandratra amin'ny valinteny omena. Ny resaka soratra dia misy ireo izay mila fanazavana ary mitozo amin'ny fahalalàna marina an'Andriamanitra avokoa ny fandalinana rehetra. Ary io fahalalàna io dia midika fa ao amintsika olombelona tsirairay avy IZY.
Maro anefa ny mamaky Baiboly no mandray hevi-diso ao satria tsy mazava aminy izay lazaina (noho ny fanoratana mety tsy manome ny tena vontoatin'ny tiana tenenina ohatra). Izany no isian'ny fanitsiana ary i Kristy no manitsy fa tsy ny olona satria ireo mpandinika aty aoriana dia mitady fatratra an'I Krsity hamaly azy vao manoratra izay hevitra marina azony.
Izay ihany no mba tsongaiko etsy sy eroa ary zaraiko fa tsy mamorona fahamarinana ho ahy samirery aho akory.
Ka ny manitsy tsy mitsipaka akory.

30. rijadolly
(
26/11/2011 09:54)
APOKALYPSY 20: 10 "Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo."
Azon'ny miharena tsara izany ilay fanazavako ô? izany hoe tsy misy teny sarotra na sarin-teny na ohatra fa dia teny mazava tsara.
azon'se hiverenana vakiana amin'izay ary ilay Apokalypsy 20:10 nataoko voalohany eto io. Ahoana ny fijerin'se an'ilay fanazavako sy ilay Teny? Mitovy tsy misy valaka ô?. Dia mbola tsy manaiky ihany ve se fa manohitra izay voalazan'Kristy sy izay voalazan'ireo nandray taty aoriana izay hita ao anaty Baiboly ny an'se? Satria toherin'se ilay fanazavako nefa teny ao anaty Baiboly no averiko.
Nefa dia ny mahagaga ahy eto dia manambara izao se mba hanamarinan'se tena fa tsy manohitra ny teny ao se.
Inona indray no tsy mazava amin'io, ny teniko ve sa ny tenin'se sa ilay teny ao amin' Baiboly?
Aza miolakolana hoy aho fa tsy misy na teny iray aza nanomboka tany am-boalohan'ity dinika ity no tsy nazava. Ary tsy nisy diso fandray mihitsy isika raha namaky ilay Apokalypsy 20, fa i se tonga dia nandiso ny fanazavako. avereno vakiana tsara ireo naveriko ireo.
Rijadolly:
izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo No fandikako io teny ao amin'ny Apokalypsy 20 io
Hoy i Miharena:
Ny fahazoan'i Rijadolly ny voasoratra ao amin'ny Apokalypsy io moa dia misy izany ny fampijaliana mandrakizay, izany hoe tsy maty mihitsy ireo karazan'olona sy bibidia manana toetra "ratsy" ireo fa hijaly mandrakizay. Erana toy ny inona no asiana izany ary Andriamanitra toy inona no manana izany fikazana izany?