Sosokevitra sao mahasoa !( Bor2lais)

1. rijadolly ( 09/11/2011 17:52)
Bor2lais:

Faly miarahaba antsika rehetra.

Tato ho ato dia somary vaka ihany ny saina mamaky ity seraserantsika "Fivavahana sy finoana" ity satria toa lasa miafara amin'ny faran-teny ny dinika sasany eto in11.

Ka mahatonga te-hanontany hoe : inona moa no andraisantsika izany antsoina hoe forum izany ?

Amiko manokana mantsy dia sehatra iray natao ifampizarana, ifanakalozana izany. Tsy natao ifandresen-dahatra ny forum amiko.

Ny olona miditra eto dia olona efa manana ny faresen-dahany avy ny ankamaroany ka tsy izaho akory no andeha hihevitena fa aharesy lahatra ny hafa hanaraka ahy.

Ny tiana lazaina dia aoka re hijanona amin'ny fifampizarana sy fifanakalozana ny resaka fa aza hitarina amin'ny fifandresen-dahatra raha azo atao.

Mazava ho azy fa ao anatin'ny fifampizarana ny fangataham-panazavana, saingy tsy voatery ihany koa ahazo (na hanome) valiny mahafapo isika amin'izany ...

Heveriko fa mety mba mampandroso sy mahasoa kokoa ny dinitsika amin'izay.

Sosokevitra ihany ny ahy iny ka avereno aty amiko raha toa ka tsy mety (sady tandremo fa tsy moderatera akory i bor2lais a )!

Rijadolly:

Raha eo amin'ilay hoe mifandresy lahatra indray, dia eto no tena misokatra betsaka indrindra izay raha amiko satria ny maha Kristianina ahy mihitsy no fihiniko raha tsy manambara aho, na milaza ny hafa ny arina an-tavany ka haatonga ny mpamaky indrindra indrindra hanao analyse izay tena marina.

Bor2lais:

Ekeko fa adidy ny manambara ny "heverina" fa tsy mety satria mariky ny fitiavana izany ! Araka ny voalazako etsy ambony anefa dia tokony hijanona amin'ny fanambarana ihany fa tsy isika no hiezaka handresy lahatra : asan'ny Fanahy izany amiko !

Aty aho vao nandalina tsara io loha hevitry Bor2lais io fa tena lany andro mifandresy lahatra marina tokoa isika. Raha mandinika tsara isika dia lasa any amin'ny hevitry Miharena avokoa ny loha hevitra rehetra izay misokatra. Ary dia mahita aho fa mihezaka mandresy lahatra azy isika. Tsy ratsy izay araka ny hevitry Bor2lais ihany koa. Fa ny tena grave anefa dia maro ny zavatra tsy voatory intsony, na lasa tsy manan-danja eo amin'ilay dinika mivoaka ilay zavatra notoriana, na lasa loha hevitry Miharena avokoa izay mipoitra rehetra, na iza na iza mamanolotra loha hevitra vaovao.
point d’ordre kela angamba no atolotro ho an'i Miharena indrindra indrindra, mba hanokana loha hevitra izay mitokana mihitsy, amin'io hevitry se io satria tsy voa haja intsony ny lohahevitry ny sasany, ary lasa HS ny tiany hasongadina noho ny hevitsika. Ny tiana ambara izany dia ny tsy fiverenana io hevitry Miharena io amin'ny loha hevitr'olon-kafa izay tena tsy misy hidiran'ilay Hevitry Miharena.
Misaotra betsaka amin'ny fiaraha-miasa.
novalian'i niryna ny 26/11/2011 17:15
2. Miharena ( 09/11/2011 19:27)
Tsy maharesy lahatra ani' Miharena ny fandrosoan-kevitrareo dia izany no mahatonga ny hevitra rehetra lazainareo fa avy amin'i Miharena.

Tsy Miharena anefa no manan-kevitra manokana fa i Krsity no torian'i Miharena dia very daholo ny rehetra tsy mandinika tsara fa tsy mivoana anie ny hevitr'i Miharena fa iniana toherina fotsiny ary tsy ampy fanazavana ny fanoherana azy.

Ohatra : ilay fanambarana nataon'i Kristy momba ny devoly sy ny afobe izay ao an-tsain'ny olona dia lazaina fa mitsipaka tanteraka ny Baiboly. Ny Baiboly ao amin'ny Matio anefa mazava tsara fa avy amin'ny fo no ipoiran'ny ratsy sy ny mahaloto ny olona fa tsy ivelany velively.

Misy fahatsorana lehibe no izaràna eto Rijadolly fa tsy mitady ny ho ahy akory aho. Mahita fotsiny tsy fahitsim-po maromaro iainan'ny olona aho dia mba mizara izay mba tandrify azoko kely momba an'i Krsity sy Andriamanitra.

Aoka anefa isika tsy hanao toy ny Fariseo izay tsy ampy fahalalàna ka miteniteny foana arak'ity soratra ao amin'ny Matio ity:

23 Fa hoy Izy taminy; Hianareo avy atỳ ambany; Izaho avy any ambony; ianareo avy amin'izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin'izao tontolo izao;
24 koa izany no nilazako taminareo fa ho faty amin'ny fahotanareo ianareo; fa raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo ianareo.
25 Dia hoy ireo taminy: Iza moa Hianao? Hoy Jesosy taminy: Ilay nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohany*. [*Na: Ilay lazaiko aminareo indrindra]
26 Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho, satria marina Izay naniraka Ahy; ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin'izao tontolo izao.
27 Tsy fantany fa ny Ray no nolazainy taminy,
28 ka dia hoy Jesosy: Rehefa asandratrareo ny Zanak'olona, dia ho fantatrareo fa Izaho no Izy, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin'ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.
29 Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.
30 Raha nanao izany teny izany Jesosy, dia maro no nino Azy.
31 Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa;
32 ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.
33 Ary ireo dia namaly Azy ka nanao hoe: Taranak'i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon'olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo?
34 Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota.
35 Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva*; fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva*. [*Gr. mandrakizay]
36 Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.
37 Fantatro ihany fa taranak'i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy mitombo ao anatinareo.
38 Izay efa hitako tamin'ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa manao izay renareo tamin'ny rainareo.
39 Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak'i Abrahama ianareo, dia ny asan'i Abrahama no hataonareo.
40 Fa ankehitriny ianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin'Andriamanitra; tsy mba nanao izany Abrahama.
41 Hianareo manao ny asan'ny rainareo. Hoy ireo taminy: Tsy mba teraka avy tamin'ny fijangajangana izahay; iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany.
42 Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.
43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.
44 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin*'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga. [*Na: (mitoetra amin')]
45 Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo.
46 Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy?
47 Izay avy amin'Andriamanitra dia mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin'Andriamanitra ianareo.
48 Dia namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana Hianao sady manana demonia?
49 Jesosy namaly hoe: Izaho tsy manana demonia, fa mankalaza ny Raiko, ary ianareo kosa mahafa-boninahitra Ahy.
50 Fa Izaho tsy mitady ny voninahitro; misy Iray mitady sy mitsara.
51 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay.
52 Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay.
53 Moa Hianao va lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? sady efa maty koa ny mpaminany; manao Anao ho iza moa Hianao?
54 Jesosy namaly hoe: Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazako; ny Raiko, Izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy.
55 Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho no mahalala Azy; ary raha hoy Izaho: Tsy fantatro Izy, dia mba mpandainga tahaka anareo koa Aho; nefa mahalala Azy Aho ka mitandrina ny teniny.
56 Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.
57 Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an'i Abrahama va?
58 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.
59 Dia naka vato hitoraka Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan'ny tempoly*. [*Ampio hoe: ary namaky teo afovoan'ny olona ka lasa]

Fehiny : rehefa mianatra ny zavatra avy any ambony dia mba mahay mitana izany tsara ary mizara ny mazava fa tsy hanao saina lentika toy ny Fariseo momba ny fametahana avy hatrany ny olona iray hoe misy demonia. I Kristy mihitsy moa no voan'izany ao amin'io Soratra Masina io fa raha i Miharena ve moa no tsaraina toy izany hiraviravy tanana? Ny marina mipoitra ho azy eny an-dalana eny rehefa mikiry tsara ary misaotra an'i Rjadolly sy izay minia manenjika fa arakaraka ny fandrosoan'ny hevitra no ipoiran'ny marina tsikelikely eny dia mba mety hifantoka kokoa ny namana rehetra e!

Samy hotahian'ny Tompo dia ho lavitry ny fisainana voaloto.
3. LazaDaddy ( 09/11/2011 22:19)
Kristy:
Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao.


Miharena:
Hianareo avy tamin'ny tsy misy rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao.

4. Miharena ( 10/11/2011 03:10)
Mbola mifantoka amin'ity resaka ity ihany moa i Lazadaddy dia mba valiana satria tsy mety azo izany ilay zavatra ambara, ary miala tsiny amin'i Rijadolly fa miova be ilay size.

Tsy misy ny devoly ivelany fa ao anatiny avokoa satria diso fiheverna ny olona ka mitsaratsara foana mahita zava-dratsy hatrany nefa tsy réalité ilay izy. Izay no mampiteny an'i Kristy ny hoe tsy fantatrareo akory izay arahinareo na ny RAY na ny saibenareo nolovanareo tamin'ny fahadisoan-piheverana ka IZY avy amin'Andriamanitra indray no atao hoe misy Demonia.
Tiako valian'i Lazadaddy mazava, avy aiza àry ny fiheveran'ny Fariseo ? tsy efa raiki-tapisaka tao aminy ve hoe izay tsy manaraka ny lalànany dia misy devoly izay ? Avy aiza no nipoiran'ilay devoly ary iza no mino azy eto? Tsy ny fariseo ve? Tsy mahagaga raha milaza i Kristy hoe ianareo avy amin'ny devoly rainareo. Namorona ray ho azy ireo izany fa aiza iay izy satria izy ireo tsy niteny hoe Satana no rainay fa i Abrahama sy Andriamanitra. Dia zava-poana izany ny rainy raha izany satria sady tsy Satana no tsy Andriamanitra.

Namorona ny lalànany ny Fariseo dia izay no rainy.

Asa na mazava izy eto na tsia Lazadaddy.
5. LazaDaddy ( 10/11/2011 03:49)
Miha-mipoitra tsikelikely ihany tokoa ny foto-pinoana Miharenianina izay mifantoka amin'ny fampianaran'i Miharena raha izany :)

Miharena:
Tsy misy ny devoly ivelany fa ao anatiny avokoa satria diso fiheverna ny olona ka mitsaratsara foana mahita zava-dratsy hatrany nefa tsy réalité ilay izy.


Araka ny finoana Miharenianina izany raha io "lojika" io no arahina dia "tsy misy amin-dry zareo ny Fanahy Masina satria tsy misy ny Fanahy Masina ivelany fa ao anaty avokoa ny fanahy? Dia tsy misy amin-dry zareo koa izany ny "fanahy maloto", izany hoe tsy misy tsotra izao ny devoly.
Miharena tokoa fa sao sanatria voarebirebiny ao ary :)
6. Miharena ( 10/11/2011 05:57)
Tsy mandrebireby anao mihitsy Lazadaddy fa izay ao anatinao ihany no novelomina tao aminao mahatonga anao heniky ny Fanahy Masina na heniky ny fanahy maloto araka ny filazanao.

Tsy mihareniana izany fa lesona azo avy amin'ny fandinihana ny Soratra Masina sy ny momba an'i Krsity sy Andriamanitra rehetra. Na ao anaty Baiboly na ivelan'ny Baiboly, na iainana andavanandro.

Rehefa tsy mahatsiaro izay dia voafitaka hiandry zava-poana satria tsy mifoha.
7. LazaDaddy ( 10/11/2011 06:21)
Amin'i Miharenianina izany dia nandainga i Kristy niteny hoe andefa ny Fanahy Masina ho an'ny mpianany satria araka ny fampianaran'i Miharena dia tao anatin'ny mpianatr'i Kristy ihany ny Fanahy Masina no novelomina (... asa maty angamba izy tao ka nila novelomina).

Dia inona koa ry Miharena ny zavatra inoanareo Miharenianina? :)
8. Miharena ( 10/11/2011 08:28)
Lazadaddy:

Amin'i Miharenianina izany dia nandainga i Kristy niteny hoe andefa ny Fanahy Masina ho an'ny mpianany

Raha nandray ny Fanahy Masina i Lazadaddy, dia nirotsaka avy any ambony sa ahoana? Raisina amin'ny tanana angaha izy io sa ao am-po? dia amin'ny fomba ahoana no itoerany ao am-po? Raha tsy mahay manadio ny fony ny tsirairay tsy hazava velively. Izay no mahavelona ny Fanahy Masina. Izay ilay hoe mibebaka miala amin'ny ratsy natao dia hahazo fanavaozana. Fanavaozana na fihavaozana fa tsy squaterisation ataon'ny Fanahy Masina.

Izay no fahazoan'ny Mihareniana azy raha tianao ny milaza izay fa asa ny fahazoanao azy mba zarao koa.
9. rijadolly ( 10/11/2011 18:57)
Hoy i Miharena:

Raha nandray ny Fanahy Masina i Lazadaddy, dia nirotsaka avy any ambony sa ahoana??

Inona ny dikan'izany hoe nandray izany Miharena? Na nirotsaka avy any Ambony io na ny hoe ao anaty vao tsapanao ny fisiany, dia mazava fa nandray ianao fa tsy hoe izay efa ao anatinao indra no raisina. Porofo entiko nanazava azy izay fa avy ety ivelany Ny Fanahy Msina no raisina.
Miharena:

Izay ilay hoe mibebaka miala amin'ny ratsy natao dia hahazo fanavaozana.

Faly dia faly aho eto miharena mamaky io
10. primorh ( 13/11/2011 04:47)
Miaraha ny rehetra, ary mirary soa.
Amiko aloha, dia avelao ny rehetra hilaza izay fantany. Mba ahafahana mijery sy mitsara azy, na hendry izy na adala. Ka ahafahana manampy sy manitsy azy.
11. rijadolly ( 16/11/2011 03:29)
Hoy i Primorh:

Miaraha ny rehetra, ary mirary soa.
Amiko aloha, dia avelao ny rehetra hilaza izay fantany. Mba ahafahana mijery sy mitsara azy, na hendry izy na adala. Ka ahafahana manampy sy manitsy azy.

Tena izay mihitsy raha ny tokony ho izy, ary dia na izaho aza efa nilaza izany tamin'i Bor2lais izay. Ny olana anefa raha mikasika an'i Miharena sy izaho manokana dia lasa ady hevitray sy Miharena foana ilay izy fa takona tanteraka ilay loha hevitry ny namana. Ny tsara tsara hitako angamba dia tsy mamaly ahy i Miharena rehefa loha hevitry ny namana ary dia tsy mamaly an' Miharena koa aho. Dia mazava tsara amin'izay ilay ady hevitra fa tsy mivoaka ny loha hevitry ilay mpanolotra.
12. Miharena ( 16/11/2011 05:53)
Ilay izy aloha raha resaka fandalinana atao dia mety ny maneho ny hevitra rehetra misy ahafahana mijery ny fototra eo amin'ny sehatry fivavahana sy finoana. Ilay fifandresen-dahatra dia tsara jerena ihany hoe mankaiza ary inona no mahatonga azy ary tsikeraina mihitsy aza mba hisy tsoa-kevitra mazava azon'ny rehetra raisina.
13. niryna ( 26/11/2011 17:15)

rijadolly:


Aty aho vao nandalina tsara io loha hevitry Bor2lais io fa tena lany andro mifandresy lahatra marina tokoa isika. Raha mandinika tsara isika dia lasa any amin'ny hevitry Miharena avokoa ny loha hevitra rehetra izay misokatra. Ary dia mahita aho fa mihezaka mandresy lahatra azy isika. Tsy ratsy izay araka ny hevitry Bor2lais ihany koa. Fa ny tena grave anefa dia maro ny zavatra tsy voatory intsony, na lasa tsy manan-danja eo amin'ilay dinika mivoaka ilay zavatra notoriana, na lasa loha hevitry Miharena avokoa izay mipoitra rehetra, na iza na iza mamanolotra loha hevitra vaovao.
ka izay no tokony asiana fiheverana satria satana dia mitady ny hanala ny olona amin'ny finoana an'i kristy ka raha tokony andresy lahatra dia avelany hifamahafao eo hoe iza no mpanaraka an'i MIharena ,na mitady zavatra hanamarinantena.Ny tena tanjona anefa dia ny fizarana ny tenin'Atra sy ny famaliana ireo namana izay mangetaheta ny tenin'Atra/Mety tsy fantatra akory anie hoe mangetaheta izy fa nahazo fampianarana noheverina fa tena izy e,dia mizara an'iny saingy tonga dia any ambovonana avokoa ny rehetra ka vao maika izy mahita zavatra handresehandahatra ny azy ary dia lasa any daholo ny resaka a( lasa centre d'interet izy fa tsy ilay Atra izay toriana intsony -hany ka manjary reraka be mijery ireo topic maro - dia iza no mahazo vahana? satana satria avelany hiady eo ny olona dia very ilay teny kely saika mba niditra)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0462