krisitianina manoloana ny fanompoan-tsampy
1. Tefigasy
(
09/11/2011 07:27)
Fanontaniana no hapetrako ho an'izay manana hevitra araka ny baiboly momba ito lohahevitra ito:
- Afaka manatrika ireny atao hoe joro, famadihana, fangataha-pitahiana amin'ny maty, ... ireny ve ny kristianina raha misy manasa mba hanatrika izany. Averiko tsara hoe "manatrika" fa tsy mivavaka
Misy olona miteny hoe "tsy afaka manatrika" satria fanompoan-tsampy ireny ka tsy sitrak'andriamanitra
Misy indray miteny hoe "afaka manatrika fotsiny mba tsy hananana olana amin'ilay manasa anao fa tsy voatery akory hoe mivavaka amin'ilay sampy raha manatrika".Ny fitiavana an'ilay mpanasa no zava-dehibe fa tsy ilay fanompoan-tsampy izay ataony satria ny kristianina tokony tsy hankahala olona.
Ahoana ny hevitrareo tsirairay avy mikasika izany?
Raha izaho manokana aloha dia iry voalohany no metimety amiko satria tsy présent andriamanitra, ary rehefa tsy eo andriamanitra dia mba absent koa zany za na hisy fiatraikany amin'ilay mpanasa aza izany. Andriamanitra dia fitiavana, saro-piaro ka raha tsy manome voninahitra azy dia tokony tsy atao.
Malalaka ny ady hevitra.

novalian'i bor2lais ny 15/11/2011 14:57
2. Ilo
(
09/11/2011 07:41)
Raha amiko manokana na tsy mino aza aho kanefa manatrika ireny dia toy ny manaiky ireny fanompoan-tsampy ireny ihany.
Isika koa dia nampianarina hijoro @ fahamarinana sy ho modely @ hafa.
Sady ny Tenin'Andriamanitra milaza hoe "Na inona na inona ataonareo dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany" Ka tsy manome voninahitra Azy aho raha manatrika ireny.

3. didi10
(
09/11/2011 08:21)
I kor 8 4-13
4 Ary ny amin'ny mihinana ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin'izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany. 5 Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na ety an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro); 6 nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian'ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa. 7 Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin'ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin'ny sampy; ka dia voaloto ny fieritreretany, satria malemy.
8 Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin'Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka; ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony. 9 Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an'ny malemy. 10 Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin'ny tempolin'ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan'ny malemy hihinana izay hena aterina amin'ny sampy koa va izany? 11 Fa verin'ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan'i Kristy tamin'ny fahafatesana? 12 Fa raha manota toy izany amin'ny rahalahy hianareo ka manimba ny fieritreretan'ny malemy, dia manota amin'i Kristy hianareo. 13 Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.
Fanazavana:
Raha tena kristianina manaraka ny didin'Andriamanitra ianao dia mahalala fa Andriamanitra dia iray ihany ary tsy misy ny andriamanitra hafa, na any an-danitra na eto an-tany. Araka ny finoanao noho izany dia tsy haloto aminao ny fanatrehanao ireny zavatra ireny sy ny fihinananao sakafo avy aminy saingy misy olona hafa tsy mahalala an'Andriamanitra ao ary tena manompo ny sampy izay heveriny fa andriamaniny, ka rehefa mahita anao "MPIVAVAKA" manatrika ao izy dia haloto ny eritreriny ary vao maika hahatonga azy tsy hahalala an'Andriamanitra izany ka ho meloka ianao amin'i Jesosy.
Fehiny: Aza manatrika

4. Tefigasy
(
09/11/2011 09:01)
didi10:
I kor 8 4-13
4 Ary ny amin'ny mihinana ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin'izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany.
Fanazavana:
Raha tena kristianina manaraka ny didin'Andriamanitra ianao dia mahalala fa Andriamanitra dia iray ihany ary tsy misy ny andriamanitra hafa, na any an-danitra na eto an-tany. Araka ny finoanao noho izany dia tsy haloto aminao ny fanatrehanao ireny zavatra ireny sy ny fihinananao sakafo avy aminy saingy misy olona hafa tsy mahalala an'Andriamanitra ao ary tena manompo ny sampy izay heveriny fa andriamaniny, ka rehefa mahita anao "MPIVAVAKA" manatrika ao izy dia haloto ny eritreriny ary vao maika hahatonga azy tsy hahalala an'Andriamanitra izany ka ho meloka ianao amin'i Jesosy.
Fehiny: Aza manatrika
Ok, mazava iny, raha kristianina efa mafy be ara-pinoana sy fahafantarana an'Andriamanitra daholo izany ny teto an-tany dia tsy mampaninona ny fanatrehana ilay izy satria io sampy io ary tsinotsinona akory aminy fa noho ny fisian'ireo mbola malemy ara-pinoana dia aleo aloha tsy manatrika. Azo atao izany aloha hatreto ny mihinana vary be menaka raha io condition voalohany io
Misy fanehoan-kevitra hafa ve
5. Miharena
(
09/11/2011 09:01)
7 Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin'ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin'ny sampy; ka dia voaloto ny fieritreretany, satria malemy.
Ity tanisa izay isaorana an'i Did10 ity no tiako hamafisina eto. Rehefa mitodika tsara ao anaty ianao dia hitanao hoe matanjaka sa osa. Ny osa no mamerimberina izay efa nilaozany ao aminy. Ianao ohara mahalala fa tsy ny hanina no mahaloto fa izay avoakan'ny fo. Dia malemy ianao raha vao adinonao izay teny izay eo anatrehan'ny zava-mandalo eo anoloanao. Ny sainao no maloto manana eritreri-dratsy dia manaraka izany koa ny fonao.
Amiko, ny olona dia afaka miara-monina na tsy mitovy hevitra aza. Ny maha-olona sy maha-IRAY ao amin'ny RAY no afantoka ao anaty dia afaka avokoa ny fefin'eritreritra namboarin'ny tsirairay.

6. rijadolly
(
09/11/2011 11:09)
Ny dikan'io angaha ry Miharena milaza hoe tsy misy ny sampy? Ny fisian'io andriamanik'afa io aza no nahatonga ny olona ho very ko. Ary resaka sakafo anie ilay izy eto miharena fa tsy resaka fonompoana e! Fa raha fanompoana dia efa meloka raha teo ianao, fa ilay izy resaka sakafo naterina tamin' sampy. Dia eo no mipetra ilay heritresitra hoe sao dia mahadiso ahy ary ity dia manamelo-tena eo. Izay ilay nahatonga ny andininy hilaza hoe: 8 Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin'Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka; ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony. 9 Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an'ny malemy. Mitady lalana hanamarinana ilay étude indray se an!
7. kotobelouh
(
09/11/2011 12:35)
Salama daolo!
Tsara be ilay lohahevitra an! Hafahafa iany anefa ilay izy satria toa midika hoe eo anoloan'ny kristiana lalandava ny sampy. Hono, oa ry namana isany, f'angah moa ny joro iany no atao hoe sampy? Raha misy mahalala dia mba farito kely aloha ny atao hoe sampy eh! Vaste be mantsy ity lohahevitra ity ka tsara raha soritina mialoha hoe hatraiza?
Ny hevitry i koto aloha izany dia izao: Miala @ sampy ny Kristiana ary manala ireo mbola ao anatin'izany @ alalan'ny fitoriana ny [size=150]Filazantsaran'i Jesoa Kristy[/size] fa tsy ho pitaza-potsiny arak'izay hevitry ny maro eto, Ny Kristiana dia mivavaka sy mitondra am-bavaka. Tsarovy anefa fa ny sampin'ny Malagasy dia tena zavatra lalim-paka satria Pacte efa vitan'ireo RAD sy mpitondra efa hatramin'ny andron'ireo mpanjaka t@ "devoly" zany ka tsy azontsika tsinotsiniavina velively, satria kolontsaina io zany hoe fomba ef raiki-tapisaka @ Malagasy zay no mahasarotra ny miady aminy. Ataonao ahoana tokoa moa ny hiteny @ olana any ambanivohitra be any hoe tsy mety io fombanareo io fa ity no izy nefa zavatra tsy mifanaraka @ fombany akory? Ny Kristianisma mantsy "kolontsaina tandrefana" no nampidirina teto. Tsy ny olona no iadiana fa ny devoly izay mamitaka azy tsy ahitany ny Mazava ao @ IJK. De mahereza daholo àry eh!

8. Miharena
(
09/11/2011 12:38)
Tsy étude ilay izy Rijadolly fa teny voatsipy dia raisina a! ary ny toe-po sy toe-tsaina avokoa no iompanan'ny Teny rehetra voambara amin'ireo voatanisa anaty Baiboly ireo.
Mamerina indray aho hoe tsy ivelany no fomba fanarahako izay voalaza na ao anaty Baiboly na avy amin'ny olona maneho izay ambaran'i Krsity aty aoriana fa izay mitranga ao anatin'ny olona avokoa na ny toe-pon'ny olona. Ataoko fa manazava izany daholo ny resaka rehetra ao anaty Baiboly ao fa asa hoe ahoana no fandraisanao azy?
Rehefa mitodika anaty mamaky iza yvoambara dia tonga amin'ny resak'i Krsity hoe : ao antsain'ny olona no itoeran'ny devoly sy ny afobe fa tsy misy fitoerana hafa. Toy izany koa ny sampy, rehefa manangana zavatra hotompoina dia manangana sampy izay. Nefa ny tena no omen'Andriamanitra lanja fa tsy izay tompoina ivelany. Toy ny manompo sampy koa izay mihevitra hanompo an'i Kristy ivelan'ny tenany ka ilazaNY hoe ; tsy izay manao Amiko ho Tompoko Tompoko no tena mpianatro fa izay manatanteraka ny sitrapon'ny Ray izay any an-danitra.
Ilay sitrapoNY fotsiny no tsy tazonin'ny olona ho TOKANA fa lasa mifangaro amin'ny hoe raha tsy manao izao fomba fanao izao na izatsy dia tsy ankasitrahaNY. Ilay fiovana anaty dia tsy hita loatra rehefa tonga amin'izay ny fisainan'ny olona ary ataoko angamba fa tafiditra amin'ny sampy koa izy eo amin'io lafiny io.
Miala tsiny amin'i Tefigasy fa mety HS ilay izy nefa manomboka mampiditra ihany koa ny fanakilasiana ny atao hoe sampy aho eto mba hampahazava tsara ny fomba fiheverako azy izay ataoko fa manampy ny namana ihany koa eo amin'ny atao hoe fandinihan-tena.

10. mirananirina
(
09/11/2011 15:55)
Nahoana moa no omena tsiny ny zvt nataony razatsika fahiny?satria nanjary Kristianina ve de manenjika ny fahizay.Lazaina fa manompo sampy sns....Nangataka fitahiana @ razana izy ireo satria noeritreretiny fa lasa any andanitra ny fanahiny.fa tsy iny vovoka iny akory no angatahany.sahala @ Kristianina minana ny fanasan ny tompo sy divay.de tena iny ny vatany sy ny rany i Jeso eh?sa finoana,
Eo @ famadihana indray amiko de fitiavana hamono sy manaja ny razana mba tsy hiparitaka sy raraka ny vovopaty de ina no sampy @ zany?Hajay tsika fatratra ny baiboly satria hoe tenin Atra.tsy manompo sampy ve isika raha taratasy ni hivavahana eh?fa tsy tena Atra io fa taratasy

11. rijadolly
(
09/11/2011 16:30)
Hoy i Miharena:
ary ny toe-po sy toe-tsaina avokoa no iompanan'ny Teny rehetra voambara amin'ireo voatanisa anaty Baiboly ireo.
Ny tena tsy mazava amiko anefa Miharena dia tena mifanohitra izay voalazan'Baiboly ny zavatra torian'se. Azoko tsara anefa izay hevitry se izay hoe: ny saintsika olombelona ihany no mamorina ny helo sy ny devoly, ka eto amin'ity Loha hevitry Tefigasy ity izao dia andriamanitra no foronina mihitsy ho andriamanitra dia ny sampy izany.sady mamaly ny fanotanian'i Kotobelouh aho amin'izay. Tsy azo lavina anefa ao amin'izay fanompoana izay dia tena misy, hita maso, sy azo tsapaintanana mihitsy aza ilay adriamanitra noforonina. Ny tiako hampitahana izany dia ny hoe: Maninona àry Jesoa Kristy no nilaza io devoly sy helo io fa misy? ao anaty Baiboly izay. Manaiky tanteraka aho fa noforonina izany sampy izany, fa eto iza no namorina ny satana izay ambaran' Kristy fa fahavalo. Dia izay no nahatonga ahy miteny hoe noforonin'Jesoa Kristy ve izany helo sy devoly losfera satana izany satria izy no nanambara ny fisiany? Mila valiny io Miharena na eny na tsia. Maniky hoy aho fa noforonon'ny olombelona ny sampy satria izy ihany no namorina azy, izay vongana hita maso.
Noho izay dia afaka manatsoaka hevitra aho fa tsy mitovy amin'ny sampy mihitsy ny devoly sy ny helo raha ny hoe foronina ho hisy izay voalazan'se izay. Fa kosa hevitry ny fanahy fetsy ratsy aha solafaka ny olombelona ny sampy.
12. Miharena
(
09/11/2011 18:09)
Rijadolly:
Dia izay no nahatonga ahy miteny hoe noforonin'Jesoa Kristy ve izany helo sy devoly losfera satana izany satria izy no nanambara ny fisiany? Mila valiny io Miharena na eny na tsia.
Raha manaraka ny lojikan'ny Baiboly ianao dia tokony efa mahavaly ireo fanontaniana ireo.
Fa ny fanazavana ataoko dia izay voalazaNY momba ny toerana misy ny devoly sy ny afobe izay ao an-tsain'ny olombelona mahatonga azy ho mpanota. Ny zavatra tsy ao an-tsaina tsy hipoitra ho azy mihitsy eo amin'ny toetran'ny olona iray manaonao foana na diso fiheverana.
Ny toe-tsaina sy toe-po iompanan'ny fanazavana rehetra ao anaty Baiboly moa no lazaiko aminao etsy ambony fa zary lasa mitodika amin'ny fisiana na tsy fisian'i Satana indray ianao. Voasoratra fa misy Satana ary tsy mandà izany ny resako rehetra fa ny devoly sy ny helo voalaza fa misy toerana voatokana no tsy ekeko ary voazavan'i Kristy tsara ao amin'ny boky ataoko fa nampanoratiNY taty aoriana.
Fa eo ihany isika, mba aposahy tsara mihitsy izay tsy mifanaraka amin'ny Baiboly lazainao fa lazaiko dia mba aposahy hoe inona no tena fahazoanao izay voalaza ao anaty Baiboly ao momba ny devoly sy ny helo e! Eo dia ho hita raha mazava tsara aminao izay voalazan'ny Baiboly.
13. LazaDaddy
(
09/11/2011 22:05)
Tefigasy:
Fanontaniana no hapetrako ho an'izay manana hevitra araka ny baiboly momba ito lohahevitra ito:
- Afaka manatrika ireny atao hoe joro, famadihana, fangataha-pitahiana amin'ny maty, ... ireny ve ny kristianina raha misy manasa mba hanatrika izany. Averiko tsara hoe "manatrika" fa tsy mivavaka
A) Ekena aloha fa araka ny fampianaran'ny Tompo dia ratsy ary ankahalainy mihitsy ny joro, fangataham-pitahiana amin'ny maty sy ny fanompoan-tsampy rehetra .... araka ireo voatanisanao ireo.
B) Tsara ho tadidiana koa fa na dia makahala tanteraka ireny ratsy ireny aza ny Tompo dia manana fitiavana sy faniriana lehibe hamonjy ny olona voagejan'ireny "fahalotoana eo anatrehany" ireny.
D) Raha idirana amin'izay ilay fanontanianao amiko manokana dia tsy resaka "fanatrehana" no tokony ametrahana ny fanontaniana fa kosa hoe inona no anton-diako eo?
- Raha manatrika fotsiny araka ny teninao dia aleo tsy mankeo fa sanatria toy ny manome hevi-diso hoe "mety io zavatra ataonareoo io rey olona fa tohizo".
- Raha tahotra ny hanimba fifandraisana amin'ilay olona no anatrehanao eo dia aza manatrika fa ny milefitra amin'ny zavatra ratsy dia toy ny mankatoa azy ireny ihany koa. Raha izay no "excuse" lazain'ilay olona fa manimba ny fifandraisanareo dia "excuse" tsy mitombina. Aleo simba fifandraisana aman'olona manao ratsy toy izay simba fifandraisana amin'ny Tompo
- Raha hitory an'i Kristy no anatrehanao eo mba ahafantaran'ilay olona an'i Kristy dia aza misalasala mihitsy mankany ary ataovy am-pitiavana.
14. rijadolly
(
10/11/2011 03:23)
Hoy i Miharena:
Fa eo ihany isika, mba aposahy tsara mihitsy izay tsy mifanaraka amin'ny Baiboly lazainao fa lazaiko dia mba aposahy hoe inona no tena fahazoanao izay voalaza ao anaty Baiboly ao momba ny devoly sy ny helo e! Eo dia ho hita raha mazava tsara aminao izay voalazan'ny Baiboly.
Dia enjano tsara ary ny salaka Miharena fa alefako tsirairay izy rehetra.
1)
APOKALYPSY 20: 10 "Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo."
Hazavao ny hevitrao amin'io, enga naie ianao ka tsy hilaza hoe sain' Jaona no nahatonga an'io fa tsy avy anay amin'i Jesoa Kristy.
15. rijadolly
(
10/11/2011 03:26)
Aza mamaly aloha se fa aleo anokafana hevitra manokana ity mba tsy hanahirana, fa manjary manimba ny loha hevitry ny namana sasany, iay tiany ho alefa.
16. LazaDaddy
(
10/11/2011 04:30)
Tefigasy> ho fehin'ny voalazako etsy ambony dia izao:
TSY niteny i Kristy hoe "mandehana manatrika ny fanompoan-tsampin'izao tontolo izao". TSIA ary SANATRIA. Fa ny nambarany kosa dia hoe: "mandehana ataovy mpianatro ny firenen-drehetra".
Mahereza ary.

17. bor2lais
(
14/11/2011 17:21)
Amiko indray dia toa mifono hevitra 2 tsara hazavaina angamba ilay lohateny :
1. Inona no atao hoe fanompoan-tsampy ? :-)
2. Ilay "tsy fanatrehana" ve fihetsika Kristiana tokoa ? Tsy mba azo eritreretina angaha ny hoe : sao ny "fanekenao ny fanasany" no mety hampiova azy ! :-)
Asa fa izay no mba fijeriko azy !

18. LazaDaddy
(
15/11/2011 00:31)
bor2lais>
1. Ny zavatra atao rehefa tsy manome voninahitra an'Andriamanitra dia "fanompoan-tsampy"
2. Ny fihetsika Kristianina dia ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly na Filazantsara. Raha manaiky fanasana fotsiny fa tsy mitory ny fahamarinana aminy dia vao maika mamitaka azy toy ny hoe "mety io ataonao io fa tohizo".
Raha andeha ho any ianao dia mivonona tsara sy ataovy mazava tsara hoe "hitory an'i Kristy no alehako any" ary dia tanteraho torak'izay, sao sanatria vao maika mamporisika azy sy ny hafa hoe "ianao aza tsy niteny". Mirakitra andraikitra lehibe izany ka mahereza.

19. bor2lais
(
15/11/2011 08:41)
Misaotra an'i LazaDaddy amin'ny valinteny !
Raha io lazainao io izany dia azo raisina ho manompo sampy daholo izay rehetra mety manota e ! :-)
Ny ahy indray dia izay zavatra tompoina ambony noho Andriamanitra (lasa maka ny toeraNY) no fandraisako azy. Mazava ho azy fa midika tsy fanomezam-boninahitra Azy ihany izany.
Tsy laviko ilay asa iraka tokony ataon'ny Kristiana. Ny tiako lazaina fotsiny dia ny hoe "maro samihafa ny endriky ny fitoriana" ary samy manana ny fomba fiasany amin'ny tsi11 ny Fanahy Masina.
Fihevitsika ihany amiko ilay hoe "vao maika mamitaka azy ..." izay mety misy mahamarina azy nefa koa tsy voatery !
Io indrindra ange no tiako avohitra amin'ilay teboka 2 e : karazana fijerena arina an-tava ny "fandosirana" amiko : mariky ny tsy fitiava-namana ! :-)
Midika izany fa adidy amin'ny maha Kristiana amiko ny fitenenana am-pitiavana ny zavatra "hita sy heverina" fa tsy mety ! Ary mety ho sarotra na tsy afaka ny hiteny mihitsy aza ianao raha manalavitra azy ! Tokony hijanona fitenenana ihany anefa izany fa tsy ho lasa fifandresen-dahatra (araka ny efa fomba fijeriko) ! :-)
Tsetsatsetsa tsiaritra kely ity : Tefigasy moa izany raha eo amin'ny fitondrana (fanjakana no tiako lazaina) dia tsy hamaly fanasana (tahaka ireo voalaza etsy ambony ireo) mihitsy raha azoko tsara e ! Sa ahoana ny atao ? :-)
LazaDaddy:

20. Tefigasy
(
15/11/2011 09:50)
bor2lais:
Tsetsatsetsa tsiaritra kely ity : Tefigasy moa izany raha eo amin'ny fitondrana (fanjakana no tiako lazaina) dia tsy hamaly fanasana (tahaka ireo voalaza etsy ambony ireo) mihitsy raha azoko tsara e ! Sa ahoana ny atao ? :-)
Nisy namana nanasa ny tenako mba handeha hanatrika ny fiadiana fototra ny tranony izay hatsangana. Tsy nanana eritreritra hafa mihitsy aho teny an-dalana ary dia nandeha tany mihitsy moa ny tena.
Rehefa tonga tany an-toerana dia zavatra tsy nampoiziko no nitranga tao : famonoana omby (tsy nampaninona iny satria maromaro ihany kay ny olona nasainy), fandrarahana toaka amin'ny zorin-trano (ilay fototra io) sy eo afovoan'ilay trano. Nanomboka teo dia hitako misy heviny hafa mihitsy kay ilay omby novonoina : fandatsahan-dra. Nisy avy eo fangataham-pitahiana nataon'le olona tamin'ireo olona nahitany masoandro izay efa samy maty daholo. Nazava tamiko avy eo ny zavatra rehetra natao fa hay nisy olona nibaiko an'zareo nanao ireo zavatra ireo: mpanandro sy mpisikidy.
Nandritra ireo zava-nisy rehetra ireo dia nanatrika teo ny tenako, tamin'ny voalohany dia tena tamim-pifaliana tanteraka no nanatrehako sy namaliako ny fanasany ahy. Nefa rehefa hitako ny zavatra nataony dia sady sosotra tanteraka aho no nalahelo satria sady very fotoana fotsiny no nahita ny tsy fahita.
Izay no nahatonga ahy hametraka ny fanontaniana eo ambony hoe : ny kristianina manoloana ny fanompoan-tsampy. Niainako mihitsy io.
Rehefa vita izany rehetra izany dia niresaka mangina tamin'ilay olona nanasa ahy aho. Nolazaiko azy fa tena tsy nampoiziko ny zava-misy, raha fantatro dia ny mialoha wa reny tena tsy nandeha taty za fa very taty foana ny fotonako nefa hay zavatra tsisy dikany ny zavatra nataonareo sy nasainareo natrehako. Marihako fa tena namako io olona nanasa ahy io ka fantatro fa tsy hanafotoana azy izay teniko izay. Ary noheveriko ho kristianina koa izy satria mivavaka amin'ny ekar iray ao Tana ao. Niezaka ny nanambara ny baiboly ihany aloha za ary niteny azy aho hoe raha tiany dia vavaka no andeha atao fototr'io tranonareo io fa tsy ireny zavatra tsisy dikany ireny. Fa izany hoe efa somary sosotra tamin'ilay zava-nisy ihany ny tena.
Izay izany ilay izy e, amin'ny manaraka raha mbola tojo ny toy izany aho dia ataoko tsisy dikany amiko izany satria zava-poana tokoa zany sampy zany fa tsy tokony hampihetsi-bolo maso akory. Sarotra ihany aloha ny andeha hitory an'i Jesosy en plein acte ry zareo fa sao de heveriny fa hanakorontana azy no antony handehananao any fa aleo angamba avela izy hanao ze ataony eo aloha, avy eo ianao mba miteny azy am-pitiavana ny tokony hizorany. Raha fantatra dia ny mialoha indray ilay izy dia atoro azy ny marina, mihaino anao izy tsara tsy mihaino anao izy dia ialako tsiny aminy fa raha manafintohina ny rahalahy ao amin'ny tompo ny fankanesana any dia aleo angamba manaja tena mijanona e!