Misaotra anao Tefigasy fa dia mazava dia mazava tokoa ! ;-)
Tefigasy:
Sarotra ihany aloha ny andeha hitory an'i Jesosy en plein acte ry zareo fa sao de heveriny fa hanakorontana azy no antony handehananao any fa aleo angamba avela izy hanao ze ataony eo aloha, avy eo ianao mba miteny azy am-pitiavana ny tokony hizorany.
bor2lais> tsy mifanalavitra anie ny fijerintsika izany e. Ny tiako tsindrina fotsiny dia tokony hivavaka sy hitandrina tsara noho ireto antony ireto:
Betsaka ireo tsy mbola "mafy orina" ny finoany izy nantenaina hanampy indray no voasarika manompo sampy fa tsy vitan'ny hoe manatrika fotsiny.
Raha mankany ny Kristianina dia tokony ahafantatra tsara fa "hiatrika ady am-panahy" no alehany any. Mila fiomanana sy vavaka ary fitondran-tena mendrika izany ka raha tsy mitafy an'i Kristy dia aleo tsy mandeha.