Fiangonana kilemaina

1. didi10 ( 05/11/2011 16:10)
Tsy misy tsiambaratelo akory ny atao hoe fampianarana tsy misy kilema fa izay voasoratra ao anaty Baiboly ihany no tokony ho ampianarain'ireo mpitondra fivavahana rehetra.

Ny kilema na déformation dia ny fisian'ny fampianarana diso ampiarahana amin'ny fampianarana marina, ary rehefa jerena avy aty ivelany ny "vue d'ensemble" dia mazava ho azy fa ilay kilema no tonga dia hita voalohany ka manaratsy endrika avy hatrany ny ambiny rehetra.

Mety aminao ve ny mitoetra amin'ny fiangonana kilemaina?

Mandra-pieritreritrao dia somary ataovy "évaluation" kely aloha ny mpitondra ara-panahy anao.

Tit 1 : 7 - 16

7 Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an'Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian-ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto, 8 fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahonom-po, 9 mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin'ny fampianarana tsy misy kilema sady haharesy lahatra ny mpanohitra.
10 Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa avy amin'ny voafora - 11 tsy maintsy hotampenam-bava ireo - izay mampivadika ny mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto. 12 Hoy ny anankiray amin'ireny, izay mpaminany teo aminy: 'Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda.' 13 Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin'ny finoana, 14 tsy mitandrina ny anganonganon'ny Jiosy sy ny didin'ny olona izay mivily miala amin'ny fahamarinana.
15 Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany. 16 Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.


novalian'i didi10 ny 07/12/2011 08:41
2. Miharena ( 05/11/2011 16:28)
Mba tsy haha-kilemaina ilay fiangonana dia miala amin'ny fisainan-dratsy avokoa ny rehetra ao dia mazava no andehanan'ny fony.
3. didi10 ( 08/11/2011 08:41)
Eritrereto kely anie ry namana e!

Tonga ny andro fitsaran'Andriamanitra dia mijoro ianao manoloana AZY faly sy miran'endrika ery satria efa nosasanao madio tsara ny vatanao sy ny fitafianao ary mihevitra ianao fa efa mendrika ny hiditra ny fanjakan'ny lanitra, ianao anefa nohariaNY hitovy endrika aminy saingy
- ny masonao efa nasaina nosoloinao mason-tavoahangy
- ny vavanao efa nosimbainao ka lasa simabe
- ny tongotrao efa notapahinao ka efa nosoloinao tongotra hazo...

Dia hoy Jesosy hoe :
Lioka 13, 27-28
27 Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza hianareo; mialà amiko, hianareo rehetra mpanao meloka. 28 Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitrohan-nify, raha mahita an'i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra hianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany.

Ampatsiahiviko ety hoe inona avy izany fampianarana manimba ny Krsitianina izany:

- Ny filazana fa ny andron'ny Tompo dia ny alahady :
Vakio ny Baibolinao (Tes I 5,2 ; Pet II 3,10 ;Apo 1,10) fa ny atao hoe andron'ny Tompo dia ny fihaviany indray amin'ny fara andro.
Ny Sabata (manomboka zoma hariva amin'ny 6 ka hatramin'ny Sabotsy hariva amin'ny 6) no fotoana natokan'Andriamanitra hitsaharana sy hivavahana.
- Ny batisan'ny zaza tsy vory saina sady tsy asitrika amin'ny ranobe
- Ny konfesy, fivavahana @ sary masina sy olo-masina, ny purgatoire, absoute
- Ny fampianarana fa tsy misy satana sy ny afobe sy ny paradisa
- Ny fampianarana fa rava ny didy 10
- sns
-
4. Miharena ( 08/11/2011 16:14)

15 Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany. 16 Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.


Araka io voatanisa io Didi10 dia ny fo madio no ilaina fa tsy fombafomba izay voatanisanao eo ambany. Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio hoy ny Teny. Koa diovy ny fo dia hadio avokoa ny zava-drehetra fa raha mitsara ianao dia efa maloto fo sy saina izay. Tsy misy ratsy ho azy ao aminy ny zava-drehetra fa matoa misy dia natao hahasoa.
5. didi10 ( 09/11/2011 07:38)
Tsy izaho no mitsara anareo fa an'Andriamanitra irery ny fitsarana, fananarana sy fanitsiana no atao eto.
6. Miharena ( 09/11/2011 08:19)
Dia mba mananatra anao koa aho hoe tadiavo ny fahazavam-po ialàn'ny fitsarana ny fombafomba rehetra dia ho hitanao ny Mazava ao amin'Andriamanitra hahatanteraka ilay tso-drano hoe hampamirapiratra ny Tavany aminao anie Andriamanitra ka hanome anao fiadanana. Ataoko angamba fa tsy Andriamanitra mitsara no lazaina eto fa Andriamanitra miaina anaty Tempoly (isika olombelona) mahalala sy mamelona AZY anaty hamoa bebe hatrany.
7. Prime ( 04/12/2011 20:25)
Somary liana ihany aho nahita ilay lohahevitra fa rehefa namaky ny tian'i didi10 itondrana azy dia niova hevitra satria miendrika fitsarana sy fanamarinam-piangonana sy anaram-piangonana ary fombam-pivavaham-piangonana...

Fantantsika mpino tsara nefa fa tsy amin'ny anaran'ny fiangonana sy ny fanajana ny didy 10 no anamarinana na anamelohana ny olona fa ny finoana an'i Jesosy irery ihany...

Ary nahafinaritra ahy ny nitsongan'i didi10 ny Lioka 13:27-28 io, izay fanambaran'i Kristy anisan'ny mahatalanjona indrindra tamin'ny fampianarany... ny lakilen'io dia ny hoe : IZA NO FANTATR'I KRISTY ary ny iza no tsy fantany???... Izy ihany no namaly azy nanao hoe : ny tsy fantany dia ny mpanao meloka... Inona izany no atao hoe manao meloka fa na dia efa nihinana sy nisotro sy niasa tamin'ny anaran'i Jesosy aza dia mbola misy mpanao meloka...

Isika angamba samy mamaky tsara ny tenin'Andriamanitra fa tsy misy mihitsy voasoratra ao amin'ny tohin'ny Lioka 13 milaza hoe, ny atao hoe mpanao meloka dia ny mpivavaka alahady, ny mpanao batisa zaza sy tsy misitrika anaty rano, ny mpandrava didy 10...

Raha zohina io fampianarana io dia zavatra maro no nitranga teo alohany nahatonga Azy niteny an'io, ohatra ny voalaza eo amin'ny Lioka 13:11-17 : mahakasika indrindra ny fahatezeran'ny fariseo tamin'i Jesosy nametra-tanana tamina vehivavy demoniaka nandritra ny 18 taona tamin'ny andro Sabata... izany hoe raha tsorina ny tian'i didi10 lazaina, dia mitovy hevitra amin'ny fariseo i didi10 ny amin'ny asa nataon'i Jesosy nandika ny andro Sabata... sy ny fanontanian'ny mpianatra anankiray mikasika ny fidirana any amin'ny fanjakan'Andriamanitra... nefa dia izany indrindra no nahitsin'i Kristy, nofeheziny tamin'ny Lioka 13:27-28, ary maro no tranga nifandraika tamin'io nananaran'i Kristy mafy ny fanajana ny didy 10 sy ny lalàna izay mila fitandremana fa tsy raisina mahitsy tsy ao amin'i Jesosy.

Mahereza hatrany!
8. didi10 ( 07/12/2011 08:41)

Prime:


Isika angamba samy mamaky tsara ny tenin'Andriamanitra fa tsy misy mihitsy voasoratra ao amin'ny tohin'ny Lioka 13 milaza hoe, ny atao hoe mpanao meloka dia ny mpivavaka alahady, ny mpanao batisa zaza sy tsy misitrika anaty rano, ny mpandrava didy 10...

Mahereza hatrany!


Namana Prime
Ahoana kay ny fahazoanao ilay fahitana ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy momba ilay vehivavy janga izay voalaza fa fiangonana?

Ny ahy moa dia toro-hevitra e! tadiavo ny fahamarinana amin'ny fampianarana tsy misy kilema.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0883