TEMPOLY
1. YDIFAS
(
31/10/2011 03:17)
Tononina amintsika ny fiadanan'i Kristy omban'ny fahasoavan'Andriamanitra.
Mino aho fa samy efa nahita sy mahafantatra ny atao hoe "tempoly" (temple) isika rehetra.
Sary mazava avy hatrany no tonga ao an-tsaina fa resaka fanompoana no atao ao amin'ny tempoly (resaka fivoriana ihany koa)
Eo indrindra no misaraka ny fanompoana dia ny haizina sy ny mazava, ny sampy sy Andriamanitra.
"Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra ao anatinareo" 1 Korintiana 3/16.
Raha arahina ilay famaritana etsy ambony dia tokony hisy fanompoana izany ao anatin'ilay tempolin'Andriamanitra. Toa mahalasa eritreritra ihany nefa raha mandinika ny andavan'androm-piainantsika isika manoloana izany.
Avoitrantsika eto io tempolin'Andriamanitra io anio ka: Toe-po manao ahoana no entina miditra an-tempoly? Inona no hita ao? Inona no atao ao? Inona no mibahana ao?
Voalohany indrindra, amin'ny maha tempolin'Andriamanitra azy izay dia tsy maintsy Andriamanitra izany no mitoetra ao. Izy no manam-pahefana, Izy no manapaka sy eo amin'ny seza fiandrianana, Izy no Tompon-trano. Noho izany, manao izay tiany Izy ary tsy misy afaka ny hibaiko Azy.
Tsoahana avy amin'io, raha hiditra an-tempoly isika dia tsy maintsy manana toe-po mahitsy, madio ary marina. Mamitaka ny tenatsika isika raha tsy izany no entintsika manatrika an'Andriamanitra. Zava-poana ny fihaonantsika Aminy raha toa ka tsy mipetraka amin'ny toerantsika isika, raha toa ka tsy mametraka Azy amin'ny toerana tokony hisy Azy dia eo amin'ny Voninahitra ambony indrindra.
Mitarika antsika amin'ny fiderana an'Andriamanitra izany hetsika izany. Izany hoe, fanajàna an'Andriamanitra sy fiankohofana Aminy no atao rehefa mankao an-tranon'Andriamanitra. Manandratra Azy amin'ny momba ny tena iray manontolo hatramin'ny foronana kely indrindra izay mamorona antsika.
Manaraka izany, tanterahantsika amin'ny alalan'ny teny (vavaka) na amin'ny alalan'ny hira izany fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra izany. Vavaka sy hira mendrika, avy amin'ny fo sy ny ati-lalin'ny fanahy anefa no atolotra amin'izany fa tsy eo imolotra fotsiny ihany. Hira manindrahindra an'Andriamanitra sy voatokana ho Azy no vetsoina fa tsy hira miantsoantso zavatra hafa na anaran'olon-kafa.
Farany, zavatra madio sy mahavelona ary mitondra fiainana no tokony hiditra izany tempolin'Andriamanitra izany. Ny Tenin'Andriamanitra izay zaraina sy toriana ao dia sakafo sy rano ilain'izay rehetra manaiky sy mandray izany. Ny Fitiavana tsy mety ritra izay zaraina ao dia tsy maintsy hitondra fiadanana, fahasambarana ary fiainana mandrakizay ho an'izay mihazona izany. Tsy izany ihany fa mandray anjara amin'ny fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra sy ny tempoliny ihany koa ny hetsika rehetra ataontsika.
Koa ankehitriny, ry havana malala, raha tempolin'Andriamanitra marina isika (na te ho tempolin'Andriamanitra isika, ho an'izay mbola tsy izany):
1) Andriamanitra tokoa ve no manapaka sy mandidy ary mibaiko ny tenatsika? Tena ao am-potsika marina ve Izy? Sitrapotsika ve no ataontsika sa ny an'Andriamanitra Tompon'ilay tempoly izay ny tenatsika izany?
2) Toe-po manao ahoana no hita? Sa madio ivelany fotsiny ilay atao hoe tranon'Andriamanitra? Na hoe ny vatana no eo (présence de corps) fa ny saina sy ny fanahy any an-kafa?
3) Iza marina no deraintsika? misy hira hafa ankoatra ny hira fiderana ve ao an-tempolin'Andriamanitra? Hira manao ahoana no mivoaka ny vavatsika isan'andro? Midera an'iza isika? Olon-tiana ve? Fitarainana ve? Fimonomononana ve? Hira midera inona na midera an'iza no henointsika? Ampahafirin'ny fotoanantsika no iderantsika an'Andriamanitra raha voalaza etsy ambony fa mandrakariva no anandratana Azy no atao ao an-tranony? Inona no zaraintsika amin'ny olona: ompa? tabataba? fanomezan-tsiny? ...
4) Ny varavarana no idirana amina trano iray. Fantaro fa ny retsika (maso, orona, vava, sofina, fahatsapàna) no varavaran'ny tenatsika. Manana safidy isika ka izay henointsika, izay hanintsika, izay fohantsika, izay jerentsika ary izay raitsintsika no miditra ao anatitsika, no lasa fahazarantsika ary hanapaka antsika mihitsy amin'ny farany. Ohatra: raha zava-mahadomelina no miditra sy mibahana eo amintsika (vava, orona, tànana, saina...) dia hanapaka izay mizatra izany ilay zava-mahadomelina ka mety ho sarotra vao ho afaka amin'izany.
Diniho, ry havana malala, hoe tena tempolin'Andriamanitra tokoa ve isika araka ireo voalaza etsy ambony?
Raha izany, aoka hihazona izany mandrakizay isika. Fa raha tsy izany kosa, ndeha re hanapa-kevitra isika, ndeha hanitsy ny fanaontsika mba ho tena tempolin'Andriamanitra tokoa. Ndeha ovaina ho momba an'Andriamanitra no mibahana mandrakariva eo amin'ny fiainantsika manontolo.
Aoka tsy ho fombafomba intsony ny iarahana amin'Andriamanitra fa tena amin'ny fahamatorana tanteraka. Tsarovy fa tsy tamàna amin'ny fahalotoana ny Fanahy Masina ary fantatsika rehetra fa io Fanahy Masina io no afaka mibaiko antsika ho araka ny sitrapon'Andriamanitra.
Noho izany, mila mandray an'i Kristy isika raha tiantsika hanapaka antsika Izy (ho an'izay tsy mbola nandray Azy) (Jaona 1/12). Mila mifankazatra amin'Andriamanitra isika mba hahatonga Azy honina eo amintsika mandrakariva ka hananatsika fiadanana (Joba 22/21). Mila mangataka ny Fanahy Masina isika ahafahany manoro antsika ny tsy mety rehetra ka hialantsika amin'izany (Jaona 16/8) ka ho tempoly masina ho Azy mandrakariva.
Fampieritreretana:
"Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimbain'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia hianareo izany." 1 Korintiana 3/17
"Ny memy ho an’ny volafotsy, Ny fandrendrehana ho an’ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka izay zavatra derainy." Ohabolana 27/21
"Ary Jesosy niditra teo an-kianjan’ny tempolin’Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan’ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ny mpivarotra ny voromailala; dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: ,"Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana" (Isa. 56.7); fa hianareo kosa manao azy ho ,"zohy fieren’ny jiolahy"" (Jer. 7.11). Matio 21/ 12 - 13
Ho an'Andriamanitra irery anie ny Voninahitra mandrakizay ary ho re manakoako ao an-tempolin'Andriamanitra mandrakariva anie ny fiderana sy ny fanandratana ny Anarany Masina. Amena

novalian'i LazaDaddy ny 01/11/2011 01:21
2. Miharena
(
31/10/2011 20:20)
Misaotra amin'ny fizaràna Safidy. Ny hany hamafisina dia rehefa mampitoetra AZY ao anaty dia feno Fitiavana ka mizara izay mahasoa hatrany. Miaina ao amin"ny MAZAVA ary mitondra FAHAZAVANA.
3. LazaDaddy
(
01/11/2011 01:21)
Amena!
Ilay teboka fahefatra io dia mila fandinihina lalina tokoa. Ohatra amin'izany ireto:
- Karazam-boky, site "internet", fahilalavitra, vata fandraisam-peo, sary mihetsika, resaka, fosafosa, dokambarotra sns... toy inona no ampiasantsika ny maso sy sofina sy vava ary ny saina?
- Inona no omentsika lanja kokoa eo amin'ny fiainana an-davanandro? Ny fandalinana sy fampiharana ny Tenin'Andriamanitra sa inona? Im-piry isanandro/isan-kerinandro/isam-bolana/isan-taona isika no mandalina ny Tenin'Andriamanitra?
...