TERAKA AVY ANY AMBONY VE ISIKA VAO MINO sa MINO VAO TERAKA AVY ANY AMIN"NY RAY?

1. FANAHY7 ( 24/10/2011 19:27)
Ankotra'reo namana hafa hamaly , ahoana ny hevitry FIDINIRINA sy NIRYNA ny @ io
TERAKA AVY ANY AMBONY VE NY KRISTIANA VAO MINO sa MINO VAO TERAKA AVY ANY AMIN"NY AMBONY avy @ ATRA RAY?

Misaotra nareo e!
novalian'i niryna ny 27/10/2011 16:46
2. Miharena ( 25/10/2011 04:21)
Raha vao miherikerika ivelany etsy sy eroa dia tsy hahita tava an'Andriamanitra mhitsy satria Izy ao anaty ary miasa ao anatin'ny tsirairay. Ka tsy misy ny ambony sy ambany noho izany na ny hoe teraka avy aiza na avy aiza.

Ny teny hoe MINO no tiana tsindriana, izany hoe Misotro na mampiditra ao anaty. Midika fiaikena fa manjaka ao anaty Andriamanitra no Fototry ny hoe MINO ka tsy misy fitoerana ambony na ambany izany fa mari-drefin'ny fisainana noho ny fiainantsika ao anaty erana telo zotra (3 dimensions) no mahatonga fiheveran-diso matetika momba an'Andriamanitra manana erana marozotra ary toy izany koa ny fanahinsika izay itovizantsika AMINY.
3. rijadolly ( 25/10/2011 15:17)
MINO VAO TERAKA AVY ANY AMIN"NY AMBONY avy @ ATRA RAY?

JAONA 3: 1 Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin'ny Jiosy.2 Izy nankao amin'i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby รด, fantatray fa mpamianatra avy amin'Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.3 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray [Na: ateraka avy any ambony.] ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra.4 Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?5 Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina okoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.6 Izay aterahy ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.7 Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray hianareo...16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
4. niryna ( 25/10/2011 15:56)

FANAHY7:

Ankotra'reo namana hafa hamaly , ahoana ny hevitry FIDINIRINA sy NIRYNA ny @ io
TERAKA AVY ANY AMBONY VE NY KRISTIANA VAO MINO sa MINO VAO TERAKA AVY ANY AMIN"NY AMBONY avy @ ATRA RAY?

Misaotra nareo e!
hi,hi
Fa maninona no niryna sy fidinirna no notsongaina eto !
MIhinana mba ho velona sa veloma mba ihinana ?
Ny akoho no nanatody dia iny atody iny no lasa akoho
Vao tao ambohoka hianao dia efa fantaTro
Na ny singambolonao aza dia efa voahisa
Izaho no nifidy anao fa tsy hianao no nifidy Ahy.
Efa fantatr'Atra ny oloNy saingy nomeny ny Zanany lahitokana ka nampisehoany antsika olombelona rehetra ny fitiavany hamonjena antsika rehetra izay mino Azy satria izay rehetra mino dia ho tonga zanak'Atra avokoa ,fa izay rehetra tsy mino kosa dia efa voaheloka sahady.
Dia anao ary no manazava aminay na teraka avy any ambony hianao vao mino

vakio ny Hebreo 11 fa ao no hanazava aminao ny finoana rehetra
misaotra e
5. niryna ( 25/10/2011 16:12)
Miharena:

Raha vao miherikerika ivelany etsy sy eroa dia tsy hahita tava an'Andriamanitra mhitsy satria Izy ao anaty ary miasa ao anatin'ny tsirairay. Ka tsy misy ny ambony sy ambany noho izany na ny hoe teraka avy aiza na avy aiza.

Miharena a,aleho aloha ahitsiko kely fa tsy misy afaka mahita ny tavan'Atra isika fa maty izay mahita izany.Tadidinao ny tantaran'i Mosesy ?
Andriamanitra niresaka taminy ary nanome azy ny didy folo? Elabe tany amin'ny tendrombohitra izy ka tsy naharitra ireo Israeliana dia nampanao andriamanitra mivaingana an'i Araona.Nihevitra Araona fa tsy mahafoy ny volamenany ireo olona kanefa dia nahafoy ary nahavita andriamanitra omby volamena.Tezitra taminy Atra ary rehefa niverina Mosesy dia niteny tamin'ireo olona ny fahatezeran'Atra ( io dia efa endrika iray anehoan'Atra antsika ny tsy fanaovana andriamanitra hafa na vola na harena na zanaka na vady na inona na inona ka atao ambony noho ilay Atra nahary izao tontolo izao) ...dia nihoty teny ny resaka nifanaovany tamin'ny Atra ka niteny tamiNy izy hoe asehoy ahy ny tavanao.
afoheziko ny tantara fa rehefa niteny taminy Atra dia nanaza azy fa tsy misy olona afaka ahita ny tavaNy saingy nasehoko azy kosa ny vohaNy ary rehefa notapenany tamin'ny tanany ny lay izay nanehoany izany dia aizina no niseho ary ny vohany no tazany mba ahafantarany fa Atra tokoa no nandalo sy niseho teo.
Tsy izay ilay tantara? ahitsiho aho raha tsy izay ilay izy e



6. Miharena ( 26/10/2011 07:26)
Tsy tantara efa taloha be ve io resahan'i Niryna io? I Nenilava nahita an'i Jesoa ohatra heverintsika nahita an'iza? Tsy nahita ny tavan'Andriamanitra ve izy?
Maro koa ireo vavolombelona nisehoan'i Jesoa sy nampahita azy an'Andriamanitra 2000 taona taty aoriana, ny tao anelanelany tsy ferana.
7. niryna ( 27/10/2011 16:46)

Miharena:

Tsy tantara efa taloha be ve io resahan'i Niryna io?
ka na efa elabe aza ilay izy dia tsy misy mahita ny tavany isika( amin'ny akampobeny no teneniko ka izany no nanomezany an'i kristy ho nofo toa antsika satria tsy misy afaka mahita ny tavaNy isika
I Nenilava nahita an'i Jesoa ohatra heverintsika nahita an'iza? Tsy nahita ny tavan'Andriamanitra ve izy?
Maro koa ireo vavolombelona nisehoan'i Jesoa sy nampahita azy an'Andriamanitra 2000 taona taty aoriana, ny tao anelanelany tsy ferana.
Kristy no teneninao eto satria efa naka endrika olombelona izy ka aza ampifangaroina an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1639